FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 4/98 p. 3-4
  • Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
  • Mitovitovy Aminy
  • Misikìna Fahasahiana mba Hanao Fiverenana Mitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1997
  • Miverina Mitsidika mba Hitarihana Fampianarana Baiboly
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2003
  • Ataovy azo antoka ny hiverina hitsidika
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
  • Manolotra fampianarana Baiboly ve ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1992
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—1998
km 4/98 p. 3-4

Tadiavina — Fampianarana Baiboly Maro Kokoa

1 Mitahy ny fandaminany eto an-tany amin’ny alalan’ny fitomboana mitohy i Jehovah Andriamanitra. Tamin’ny taom-panompoana lasa, dia 375 923 no natao batisa naneran-tany — mpianatra vaovao maherin’ny 1 000 isan’andro tamin’ny antsalany, na tokony ho 43 isaky ny adiny iray! Na dia teo aza ireo zava-tsarotra nety ho natrehin’ireo rahalahintsika nandritra ny am-polony taona maro any amin’ny faritra samihafa amin’ny tany, dia miroborobo ny asan’ilay Fanjakana, ary misy fitomboana miavaka manomboka hita. Mampientam-po ny mamaky ny fandrosoana atao eo amin’ny fampielezana ny vaovao tsara!

2 Teto amin’ny sampan’i Madagasikara tamin’ny taom-panompoana lasa, isika koa dia nahita fitomboana teo amin’ny tontalin’isan’ny mpitory sy ny mpisava lalana mpanampy, tamin’ny antsalany, teo amin’ny ora lany tamin’ny fitoriana, sy ny isan’ny bokikely, ary ny gazety voapetraka. Nisy fitomboana teo amin’ny isan’ny natao batisa sy ny tampon’isa ambony indrindra teo amin’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana. Ahoana ny amin’ny fiverenana mitsidika sy ny fampianarana Baiboly? Na dia nahita fitomboana 13% teo amin’ny isan’ny mpitory, sy fitomboana 22% teo amin’ny isan’ny mpanatrika ny Fahatsiarovana aza isika, dia 3% monja ny fitomboana teo amin’ny tontalin’ny isan’ny fiverenana mitsidika sy ny fampianarana Baiboly. Ary anefa, ireo lafiny amin’ny fanompoana ireo no tena ilaina mba hanaovana mpianatra. Inona no azon’ny tsirairay amintsika atao mba hanatsarana ny asa fiverenana mitsidika sy ny fampianarana Baiboly?

3 Hamafiso ny faniriana hitarika fampianarana: Ny tenantsika mihitsy dia mila mifantoka amin’ny fahatongavana ho matanjaka sy marisika ara-panahy. Ireo tena mpanara-dia an’i Kristy dia ‘mazoto amin’ny asa tsara’. (Tit. 2:14). Rehefa mijery indray ny fanompoantsika isika, moa ve isika afaka milaza fa dodona mafy ny hanolokolo ny fahalianan’ny olona rehetra nandray zavatra vita an-tsoratra teny amin’ny saha ny tenantsika? Moa ve isika mafana fo manolotra fampianarana Baiboly amin’ireo rehetra mampiseho fahalianana? (Rom. 12:11). Sa isika mila mampitombo faniriana hanao fiverenana mitsidika sy hanomboka fampianarana Baiboly?

4 Ny famakiana manokana ny Baiboly, sy ny fanatrehana tsy tapaka ny fivoriana, ary ny fianarana ireo zavatra vita an-tsoratra dia hihazona antsika ho velombelona ara-panahy sy hahazo hery avy amin’ny fanahin’Andriamanitra. (Efes. 3:16-19). Hanatanjaka ny finoantsika sy ny fatokiantsika an’i Jehovah ary ny fitiavantsika ny mpiara-belona amintsika izany. Ho voatosika hampianatra ny fahamarinana amin’ny olon-kafa isika, ka hahatonga ny fanompoantsika ho mahaliana sy mahomby ary mandrisika. Eny, tokony haniry hanana fampianarana Baiboly maro kokoa isika!

5 Miaraha mianatra amin’ny fianakaviana aloha: Ireo ray aman-dreny kristiana manan-janaka mipetraka ao an-trano dia tokony hiahy ny amin’ny fandaharam-pianaram-pianakaviany tsy tapaka. (Deot. 31:12; Sal. 148:12, 13; Ohab. 22:6). Tena hahasoa an’ireo ray aman-dreny ny hiara-mianatra amin’ny zanany ny bokikely Takina ary avy eo dia ny boky Fahalalana, mba hanomanana azy ireo hahafeno fepetra ho mpitory tsy vita batisa sy ho amin’ny fanoloran-tena sy ny batisa. Mazava ho azy fa mety hisy fanazavana fanampiny azo dinihina, miankina amin’ny zavatra ilain’ilay zaza sy ny taonany. Ny ray na reny iray miara-mianatra amin’ny zanany tsy vita batisa dia mahazo mitatitra ny fianarana sy ny fotoana ary ny fiverenana mitsidika, araka ny voasoritra ao amin’ny Valin’ireo Fanontanianareo ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aprily 1987 (frantsay).

6 Hatsarao ny fahaizanao mandamin-javatra manokana: Rehefa jerena ny isan’ny gazety sy ny bokikely ary ny boky voapetraka, dia tsy isalasalana fa voa be dia be no nafafy. Manome fahafahana lehibe hamokatra mpianatra vaovao ireny voan’ny fahamarinana nafafy ireny. Moa ve anefa tena ho afa-po ny mpamboly iray na ny mpanao zaridaina iray, raha mamboly tsy an-kijanona izy, ary aorian’ny ezaka rehetra ataony dia tsy haka fotoana mba hijinjana mihitsy? Tsia. Toy izany koa fa tena ilaina ny fanolokoloana ny fahalianana.

7 Mandamina fotoana tsy tapaka hanaovana fiverenana mitsidika ve ianao? Miverena haingana any amin’ireo rehetra naneho fahalianana. Manaova fiverenana mitsidika ho fikendrena ny hitarika fampianarana Baiboly. Mihazona firaketana an-tsoratra milamina, sy tsy lany andro, ary voalamina tsara an’ireo fiverenana mitsidika ataonao ve ianao? Ankoatra ny anarana sy ny adiresin’ilay tompon-trano, dia ataovy azo antoka ny handray an-tsoratra ny datin’ny fitsidihana voalohany, izay zavatra voapetraka, ny filazalazana fohy ny amin’izay noresahina, ary ny hevitra azo velabelarina amin’ny fitsidihana manaraka. Asio toerana ao amin’ny firaketana an-tsoratrao ho an’ny filazalazana fanampiny aorian’ny fiverenana mitsidika tsirairay.

8 Fakafakao ny fomba hanaovana fiverenana mitsidika: Inona avy ireo hevitra sasany tokony hotadidina rehefa manao fiverenana mitsidika olona liana iray? 1) Manehoa fitiavana, fisakaizana, risi-po, ary fihetsika tsotra. 2) Miresaha momba ny foto-kevitra na ny fanontaniana mahaliana azy. 3) Hazòny ho tsotra sy araka ny Soratra Masina ny resaka. 4) Amin’ny fitsidihana tsirairay, dia miezaha mba hampianatra ilay tompon-trano zavatra izay hekeny ho misy vidiny ho an’ny tenany. 5) Ataovy izay hiandrasany amim-panantenana ny foto-kevitra horesahina amin’ny fitsidihana manaraka. 6) Aza mijanona ela loatra. 7) Aza mametraka fanontaniana manahirana na mahasakodiavatra an’ilay tompon-trano. 8) Mahaiza manavaka mba tsy hanameloka ny fomba fihevitra diso na ny fahazaran-dratsin’ilay tompon-trano, alohan’ny hamboleny fahatakaran-javatra ara-panahy. — Jereo ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Martsa 1997, mba hahazoana fanampiana hafa koa mba hahombiazana eo amin’ny fanaovana fiverenana mitsidika sy ny fanombohana fampianarana Baiboly.

9 Diniho ny fahafahana rehetra: Tany amin’ny kongregasiona iray, dia azo natao ny nahazo ny anarana sy ny nomeraon’ny tranon’ireo olona mipetraka ao amin’ny trano voambina mafy iray. Nanoratana taratasy iray avy ny mponina tsirairay, nampiarahina tamin’ny taratasy mivalona roa. Teo amin’ny faran’ilay taratasy, dia notolorana fampianarana Baiboly tao an-tokantranony ilay olona, ary nasiana nomeraon’ny telefaonina teo an-toerana iray tao mba hahafahany hamaly. Rehefa afaka andro vitsivitsy monja, dia niantso mba hangataka fianarana ny tovolahy iray. Natao ny ampitson’iny ihany ny fiverenana mitsidika, ary natomboka ny fianarana tamin’ny boky Fahalalana. Tamin’iny alina iny ihany, dia nanatrika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona izy, ary nanohy nanatrika ny fivoriana rehetra. Saika avy hatrany, dia nanomboka namaky ny Baiboly isan’andro tsy tapaka sy nanao fandrosoana nitohy hatramin’ny batisa izy.

10 Nanao fandaharana mba hanao fiverenana mitsidika sasany ny mpitory sasantsasany. Rehefa nanao ny iray tamin’ny fitsidihany ny anabavy iray, dia tsy tao an-trano ny olona izay notadiaviny, fa tovovavy iray hafa no namoha ny varavarana, ka nilaza hoe: “Efa niandry anareo aho.” Nahazo ny boky Fahalalana avy tamin’ny olom-pantatra iray ilay tompon-trano talohan’io. Tamin’ny fotoana nahatongavan’ireo anabavy teo am-baravarany, dia efa nahavaky ilay boky indroa izy ary tena nampiaiky volana azy ny fanazavana noraketiny. Nilaza izy fa tsy nahagaga azy ny nahita ireo Vavolombelona nitsidika azy tamin’io andro io, satria efa nivavaka momba ny hahatongavan’izy ireo sy ny hiaraha-mianatra ny Baiboly aminy izy. Natomboka ny fianarana, nanomboka nanatrika ireo fivorian’ny kongregasiona izy, ary nanao fandrosoana haingana.

11 Tsy ela izay, ny anabavy iray vita batisa efa ho 25 taona, dia nanome ny boky Fahalalana ny reniny. Nanomboka namaky ilay boky ny reniny, izay mpikambana tao amin’ny fiangonana iray. Rehefa nahavaky toko roa izy, dia niantso ilay zanany vavy, ary nampitolagaga azy io tamin’ny filazana hoe: “Maniry ho tonga Vavolombelon’i Jehovah aho!” Nanomboka nianatra ilay reny ary vita batisa izy izao.

12 Andramo ireto fanoloran-kevitra ireto: Efa mba nampiasa tari-dresaka mivantana mba hanombohana fampianarana ve ianao? Azonao atao ny milaza toy izao fotsiny: “Raha maniry hianatra Baiboly maimaim-poana ianao, dia afaka mampiseho aminao ao anatin’ny minitra vitsy monja ny fomba fanaovana izany aho. Raha tianao ilay izy, dia azonao tohizina.” Olona maro no tsy hisalasala hanaiky izany fanolorana izany ary ho vonona hanaraka ilay fampisehoana fampianarana Baiboly.

13 Eny am-piandohan’ilay fianarana, dia asehoy an’ilay mpianatra ny fomba fanomanana mialoha amin’ny famakiana ireo andinin-teny voatonona sy amin’ny fanipihana ireo teny fototra hamaliana ireo fanontaniana vita pirinty. Ireo hevi-dehibe ihany ifantohana. Na dia mety hila hahay hilefitra aza isika amin’ireo fianarana vitsivitsy voalohany, dia zava-dehibe ny hanaovana ny fampianarana Baiboly tsy tapaka. Aza hadinoina ny mampiditra ny vavaka ho tapany tena ilaina amin’ilay fianarana sy ny mampiomana araka ny Soratra Masina an’ilay mpianatra ho amin’ny fanoherana. Tena ataovy mihitsy izay hahavelombelona ilay fianarana!

14 Mazava ho azy fa tsy mitovy ny fandroson’ny mpianatra ny Baiboly rehetra. Ny sasany dia tsy manana fironana ho amin’ny zavatra ara-panahy toy ny hafa na mandray ireo zavatra ampianarina haingana toy ny hafa. Ny hafa dia tena be zavatra atao eo amin’ny fiainana ary mety tsy ho afaka ny hanokana ny fotoana ilaina mba hamitana toko iray isan-kerinandro. Araka izany, amin’ny toe-javatra sasany dia mety ho fianarana maherin’ny iray no ilaina mba hamitana ny toko sasany, ary volana fanampiny sasany mba hamitana ilay boky. Amin’ny toe-javatra sasany dia azontsika atao ny mianatra ny bokikely Takina aloha, ary avy eo dia hifindra amin’ny boky Fahalalana. Izany, ampian’ny fanatrehany ireo fivoriana any amin’ny kongregasiona, dia hanampy ny mpianatra tsirairay hahazo fototra mafy orina ao amin’ny fahamarinana.

15 Ambonin’ny zavatra rehetra, dia mivavaha mba hahazo fampianarana Baiboly! (1 Jaona 3:22). Ny iray amin’ny fanandraman-javatra mahafa-po indrindra ho an’ny Kristiana dia ny ampiasain’i Jehovah mba hanampy olona ho tonga mpianatr’i Jesosy Kristy. (Asa. 20:35; 1 Kor. 3:6-9; 1 Tes. 2:8). Izao no fotoana hampisehoana zotom-po lehibe eo amin’ny asa fampianarana Baiboly, noho ny fatokiana feno fa hitahy be dia be ny ezaka ataontsika hanomboka fianarana maro kokoa i Jehovah!

[Teny notsongaina, pejy 3]

Mivavaka mba hahazoana fampianarana Baiboly vaovao ve ianao?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara