Vaovao Teokratika
Angola: Nisy tampon’isa vaovaon’ny mpitory 35 034 tratra tamin’ny Desambra.
Bangladesy: Ny Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”, natao tao Dacca, dia nisy tampon’isan’ny mpanatrika 142, ary 14 no natao batisa. Izany dia nihoatra ny isan’ny olona indray natao batisa nisy hatramin’izay tany Bangladesy.
Bénin: Nahatratra 15 633 ny fitambaran’ny mpanatrika ireo Fivoriamben’ny Distrika “Finoana ny Tenin’Andriamanitra”, ary 403 no natao batisa. Ny tatitra tamin’ny Desambra dia mampiseho tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 5 351.
Liberia: Tamin’ny Desambra, dia nisy fivoriambe iray faran’izay tsara natao tany Monrovia, ary 5 158 no nanatrika. Nisy tampon’isa vaovao tamin’ny mpitory 2 127 tamin’io volana io.
Madagasikara: Nisy fitomboana 11 isan-jato teo amin’ny mpitory tamin’ny Desambra, raha oharina amin’ny salanisa tamin’ny taon-dasa, satria 9 226 no nandray anjara tamin’ny fanompoana teny amin’ny saha.
Saint-Martin: Nisy tampon’isa vaovao tamin’ny Desambra, satria mpitory 265 no namerina tatitra — fitomboana 10 isan-jato raha oharina amin’ny salanisa tamin’ny taon-dasa. Nitarika fampianarana Baiboly 310 izy ireo.