Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
Ny loha hevitry ny fandaharan’ny fivoriamben’ny fizaran-tany roa andro manomboka amin’ny Septambra dia hoe “Tandremo ny Didin’Andriamanitra dia ho Velona Ianao”. (Ohab. 4:4). Hanantitrantitra ny antony tsy mampahavesatra ny fankatoavana ny didin’Andriamanitra izy io. Ankoatra izany, dia hasehony hoe amin’ny ahoana ny fanaovana ny sitrapon’Andriamanitra no hitondra famelombelomana sy tena fahasambarana ary koa fanantenana raha ny amin’ny hoavy. — Matio 11:28-30; Jaona 13:17.
Ireo izay maniry hatao batisa amin’io fivoriambe io, ho fankatoavana ny didin’i Kristy, dia tokony hiresaka amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha, ary hanao fandaharana ilaina amin’izany izy. — Matio 28:19, 20.
Hisy fitohitohizan-dahateny hanazava ireo fomba azo ampiharina izay ahafahantsika maneho fitiavana an’Andriamanitra sy ireo rahalahintsika. (Jaona 13:34, 35; 1 Jaona 5:3). Ho anisan’ilay fandaharana ny torohevitra mampihetsi-po avy ao amin’ny Salamo 19 sy 119. Na dia nosoratana an’arivony taona maro lasa aza ny fananarana ara-tsindrimandry ao amin’ireny salamo ireny, dia ho hitantsika ny fomba hitondran’izany soa ho antsika manokana amin’izao andro izao.
Ny lahateny ampahibemaso hataon’ny mpiandraikitra ny distrika dia mitondra ny lohateny hoe: “Matahora an’Andriamanitra, ary Tandremo ny Didiny”. (Mpit. 12:13). Hampiseho ny fomba ahafahan’ny tanora mandray soa be indrindra avy amin’ny fiainana ankehitriny, sy ny antony ahafahan’izy ireo matoky ny hoavy mandrakizay ny lahateny farany hataon’ny mpiandraikitra ny fizaran-tany. Hamarana ny fandaharana ny mpiandraikitra ny distrika amin’ny fitanisana ny soa maro azo avy amin’ny fiainana mifanaraka amin’ilay ‘didy ambony indrindran’ny’ fitiavana. (Jak. 2:8). Azo inoana tokoa fa tsy hisy haniry ny ho diso anjara amin’io fandaharan’ny fivoriambe io!