Iray Alina!
Izany no isan’ny mpitory irintsika ho hita manao tatitra eto Madagasikara amin’ny Aogositra 1998. Manana fahafahana ny hahatratra izany ve isika? Eny, manana isika! Ny isantsika voarakitry ny kongregasiona an-tsoratra vao haingana manerana ny nosy manontolo dia mampiseho mpitory maherin’ny 10 000 amin’ny fitambarany. Kanefa ny tampon’isa ambony indrindran’ireo nanao tatitra tao anatin’ny volana iray dia 9 484, tamin’ny Febroary 1998. Ahoana no ahafahantsika mihoatra io isa io? Azo atao izany raha manao fandaharana voafaritra tsara mba handray anjara amin’ny fanompoana mandritra ny Aogositra ny mpitory tsirairay ao amin’ny kongregasiona, ka hanao tatitra haingana izany asa izany. Koa satria asabotsy sy alahady ny andro roa voalohany amin’ilay volana, nahoana raha manao fandaharana mialoha mba handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha manomboka amin’izany faran’ny herinandro izany? Raha hanatrika fivoriambe ianao, dia mety ho afaka hanao fanambarana tsy ara-potoana ao amin’ny tanàna hanaovana ilay fivoriambe, ary avy eo dia handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha miaraka amin’ny kongregasiona ny faran’ny herinandro manaraka. Amin’ny fanombohana aloha be amin’ilay volana, dia tsy maintsy hanana fotoana sasany holanina amin’ny asa fanambarana isika mandritra ny Aogositra. Raha mifarimbona isika, dia tokony hahita ny tampon’isa vaovao ambony indrindra amin’ny mpitory mihoatra ny 10 000, izay sambany vao ho tratran’i Madagasikara. Ho antsoantsom-piderana ho an’i Jehovah re izany! — Sal. 47:1.