Fivoriana Momba ny Fanompoana Amin’ny Aogositra
FANAMARIHANA: Hisy fandaharana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana isan-kerinandro ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana volana Aogositra. Koa satria tsy hisy Sekolin’ny Fanompoana Teôkratika sy Fivoriana Momba ny Fanompoana mandritra ny herinandron’ny Fivoriamben’ny Distrika, dia hanao ireo fanitsiana ilaina ny kôngregasiôna. Tsy hanao fivoriana fanampiny ho solon’ireo ny fitambaran-doholona, fa hanapa-kevitra kosa hoe anjara inona no horaisiny sy tsy horaisiny, amin’ny fandaharana ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Aogositra. Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana manaraka ny Fivoriamben’ny Distrika, dia hisy famerenana ireo hevi-dehibe tamin’ny fivoriambe haharitra 30 minitra. Rahalahy mahay roa na telo, izay ho afaka hifantoka amin’ireo hevitra nisongadina indrindra no hotendrena hanao ny famerenana ny fandaharana tamin’ny andro tsirairay tamin’ny fivoriamben’ny distrika. Io famerenana voaomana tsara io dia hanampy ny kôngregasiôna hahatadidy ireo hevitra fototra mba hampiharin’ny tenany manokana na mba hampiasainy eny amin’ny saha. Tokony ho fohy sy voafintina tsara izay teny lazain’ny mpanatrika sy izay fitantarana atao. Tsy hihoatra ny fotoana 45 minitra natokana ho an’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana io fivoriana anaovana Famerenana ny Fivoriamben’ny Distrika io.
Herinandron’ny 3 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Asio firesahana ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Aprily teto amin’ny nosy sy ny kôngregasiôna eo an-toerana.
15 min: “Ho Volana Hiavaka ve ny Aogositra?” Fanontaniana sy valiny. Ampirisiho ny rehetra mba handray anjara amin’ny fanompoana mandritra ny Aogositra sy ny volana tsirairay amin’ny taom-panompoana vaovao.
20 min: “Ampiasao Ireo Bokikely mba Hanintonana ny Saina sy ny Fo”. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Diniho vetivety ireo bokikely izay navoaka nandritra ireo taona mba hampahafantarana ny olona momba ny raharaha lehibe araka ny Soratra Masina. (Jereo ny Indeksan’ny Zavatra Vita An-tsoratry ny Watch Tower 1986-1990 [frantsay], pejy 298-302.) Asongadino ireo bokikely vao haingana, ary diniho hoe iza no mety ho liana amin’ny fandraisana ny tsirairay amin’izy ireo.
Herinandron’ny 10 Aogositra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
15 min: Zavatra ilaina eo an-toerana. Lazao fa ny tanjon’ny mpitory rehetra dia ny handray anjara amin’ny fanompoana eny amin’ny saha mandritra ny Aogositra.
20 min: “Ry Tanora — Hararaoty ny Fianaranareo any An-tsekoly”. Fanontaniana sy valiny. Asio firesahana mifanentana amin’izany avy ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Aprily 1992, pejy 17-19, sy ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra 1991, pejy 23-26.
Herinandron’ny 17 Aogositra
163, 108
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Asao ny mpanatrika hanome fanazavana fohy mikasika ny fomba hahazoana ny anarana sy ny adiresin’ny olona iray izay nanaovana fanambarana teny amin’ny arabe, teny amin’ny zaridainam-panjakana, na tany amin’ny toeran-kafa, mba hanolokoloana ny fahalianany.
35 min: “Fandinihana ny Fandroson’ilay Asa Maika Fanaovana Mpianatra”. Fanontaniana sy valiny. Vakio ny fehintsoratra faha-5 sy faha-10 ary faha-11. Diniho hoe amin’ny ahoana no mandroso ny asa fampianarana Baiboly eo an-toerana. Ampirisiho ny rehetra izay mitarika fampianarana mba hamaky ny takelaka fanampiny ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jona 1996 indray, mba hanatsarana ny fahaizany mampianatra. Diniho ny fehintsoratra faha-5 sy faha-25 ao amin’io takelaka fanampiny io.
Herinandron’ny 24 Aogositra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Diniho ilay faritra voafefy mitondra ny lohateny hoe “Iray Alina!” ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Jolay 1998. Koa satria faran’ny herinandro iray no sisa tavela amin’ny Aogositra, dia ampirisiho ny rehetra mba handray anjara amin’ny fanompoana, alohan’ny hifaranan’ny volana. Diniho ny “Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriambe Manokana Iray Andro”.
18 min: Ny Fomba Haharetana ao Amin’ny Fanompoan’ny Mpisava Lalana. Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra 1993, pejy 28-31. Manadinadìna mpisava lalana iray izay nianatra niatrika zava-manahirana lehibe ary manohy manao ny fanompoan’ny mpisava lalana.
15 min: Ampiasao Amin’ny Fomba Tsara ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika. Amin’ny fampiasana ohatra vao haingana, dia hazavao amin’ny ohatra ny fanazavana ara-potoana hita ao amin’ireo pejin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana sy ny soa raisintsika avy amin’izany: 1) Lahatsoratra izay manosika antsika handray anjara tsy tapaka amin’ny fanompoana; 2) fitantarana zavatra niainana izay mampirisika antsika amin’ny fanompoana masina ataontsika; 3) fanoloran-kevitra izay manampy antsika hampiseho ny vaovao tsara amin’ny fomba mandaitra; 4) fampandrenesana ny amin’ireo zavatra vita an-tsoratra vaovao misy izay mahasoa eo amin’ny faritany eo an-toerana; 5) tatitra momba ny fanompoana izay mampiseho ny fizotran’ny asan’ilay Fanjakana; 6) Vaovao Teôkratika izay manao tatitra ny fandroson’ny asa maneran-tany; 7) fampandrenesana sy fandaharam-potoana izay mihazona antsika haharaka ny vaovao momba ny fisehoan-javatra ho avy; 8) Valin’ireo Fanontanianareo izay mamaly raharaha mampanahy mafy; sy 9) takelaka fanampiny izay milaza amintsika momba ny fivoriambe sy ireo ezaka manokana ary ireo raharaha hafa izay mihazona antsika haneho fiheverana ireo zavatra ilaintsika ara-panahy. Ampirisiho ny rehetra mba hamaky ny nomerao tsirairay, hampihatra ny fanoloran-kevitra omeny, hitondra azy io any amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana sy fivoriana ho amin’ny fanompoana eny amin’ny saha, ary hitahiry azy any amin’ny fitoeran-taratasy manokana mba hampiasaina amin’ny manaraka.
Herinandron’ny 31 Aogositra
12 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny rehetra hamerina ny tatitra momba ny fanompoana tamin’ny Aogositra. Ny mpitarika ny Fianarana ny Bokin’ny Kongregasiona dia tokony hanontany ny tsirairay ao amin’ny fianarana ny bokiny mba hahafahana hanambatra ny tatitra rehetra amin’ny 6 Septambra. Diniho ny zavatra atolotra amin’ny Septambra. Manolora fomba fampiseho fohy izay hametrahana ilay fanontaniana hoe “Nahoana isika no tokony hampiasa ny anaran’Andriamanitra?” Valio izany amin’ny fampiasana ny boky Fahalalana toko faha-3, fehintsoratra faha-6.
15 min: “Mpiandraikitra Mitari-dalana — Ny Mpiandraikitra Mpitantan-draharaha”. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha. Aorian’ny fandinihana indray ny andraikiny, dia maneho fankasitrahana ny kôngregasiôna izy noho ny fiarahan’izy ireo miasa amin’ny loholona eo am-piandrasany ny andian’ondry.
18 min: Ampio ny Zanakao Hiatrika ny Zava-manahirana any An-tsekoly. Loholona iray miara-midinika amin’ny ray na reny roa na telo izay manan-janaka mianatra any an-tsekoly. Asio firesahana fohy ny sasany amin’ireo zava-manahirana fahita atrehin’ireo ankizy, araka ny voasoritra ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Aogositra 1994, pejy 5-7. Avy eo dia asio firesahana ny pejy 8-10, ary diniho ny fomba ahafahan’ny ray aman-dreny miaro ny zanany sy mihazona fifandraisana tsara eo amin’ny ray aman-dreny sy ny mpampianatra.