Fandaharana Vaovaon’ny Fivoriamben’ny Fizaran-tany
Soa azo tsapain-tanana inona no raisinao dieny izao amin’ny fiaraha-mandeha amin’i Jehovah? Ahoana no ahafahanao manohitra ny fakam-panahy hamela ny fanaovan-javatra tsy teôkratika hanilika ny tombontsoan’ilay Fanjakana tsy ho eo amin’ny toerana voalohany eo amin’ny fiainanao? (Matio 6:33). Hitanao ho sarotra ve ny manavaka ny tsara sy ny ratsy eo amin’ny tontolo iray izay mampiseho ny ratsy ho toa tsara? (Heb. 5:14). Izany dia horesahina any amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany “Mandraisa Soa Dieny Izao Amin’ny Fandehanana Amin’ny Lalan’Andriamanitra”, manomboka amin’ny Septambra 1999. — Sal. 128:1.
Ny lafiny vaovao iray amin’io asabotsy amin’ny fivoriamben’ny fizaran-tany io, dia ny fampisehoana ny Fivoriana Momba ny Fanompoana modely iray. Hampahafantatra ny kôngregasiôna ny amin’izay fandaharana hatao ny mpiandraikitra ny fizaran-taninareo, mba hahafahan’ny rehetra hiomana hankafy ilay fandaharana amin’ny fomba feno.
Ilay lahateny mitondra ny lohateny hoe “Ry Mpisava Lalana, Tandremo Tsara Izay Fandehanareo” dia hampiseho amintsika ny fomba hanehoana fahendrena sy fahalalana ny antonony mba hanararaotana ny fotoana mba hanaovana ny fanompoan’ny mpisava lalana. (Efes. 5:15-17). Ilay foto-kevitra hoe “Tandremo Ireo Lalana toa Tsara”, dia hampianatra antsika ny fomba hahazoana antoka ny amin’izay azon’Andriamanitra ekena eo amin’ny lafiny rehetra amin’ny fiainana. Ilay lahateny hoe “Mahakasika Antsika ny Faminanian’ny Baiboly efa Tanteraka” dia hanampy antsika hameno ny saintsika sy ny fontsika amin’ny fitiavana ny Tenin’Andriamanitra. Ilay lahateny ampahibemaso hoe “Tena Mahasoa Mihitsy ny Lalan’Andriamanitra!” dia hanantitrantitra ny soa azo tsapain-tanana raisina dieny izao amin’ny fanarahana hatrany ireo fepetra marina takin’i Jehovah.
Fanirianao ve ny hampiseho ampahibemaso amin’ny alalan’ny batisa anaty rano fa iray amin’ireo mpanompony vita fanoloran-tena maniry ny handeha amin’ireo lalan’Andriamanitra ny tenanao? Raha izany no izy, dia miresaha amin’ny mpiandraikitra mpitantan-draharaha mba hahafahana hanao ny fandaharana ilaina.
Aoka ianao ho tapa-kevitra ny tsy ho diso anjara amin’io fivoriamben’ny fizaran-tany amin’ny fotoana mety io. Aoka ianao hanatrika ny fandaharana manontolo maharitra roa andro, satria “sambatra izay rehetra matahotra an’i Jehovah, dia izay mandeha amin’ny làlany”. — Sal. 128:1.