Vaovao Teôkratika
Norvezy: Nitombo 72 isan-jato ny isan’ny mpisava lalana mpanampy tamin’ny 1999, raha oharina amin’ny tamin’ny Febroary 1998; nitombo 9 isan-jato ny isan’ny mpisava lalana maharitra; nitombo 4 isan-jato ny isan’ny fiverenana mitsidika, ary 6 isan-jato ny isan’ny fampianarana Baiboly. Nisy fitomboana koa teo amin’ny isan’ny boky sy bokikely voapetraka.
Nosy Marshall: Tamin’ny Febroary, dia 203 ny tontalin’isan’ny mpitory — fitomboana 4 isan-jato raha oharina amin’ny salanisa tamin’io volana io ihany tamin’ny taon-dasa!
Romania: Nisy fitomboana tsara dia tsara hita teo amin’ny asan’ny mpisava lalana sy ny isan’ny fampianarana Baiboly notarihina, satria nisy tampon’isa vaovaon’ny mpitory 37 502 teny amin’ny saha, nandritra ny Febroary.