Fandaharana Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Septambra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Fampandrenesana nofantenana avy ato amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana.
15 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny. Diniho ny fandaharan’ny fiangonana isan-kerinandro momba ny fivoriana ho amin’ny fanompoana. Hazavao ny fomba ahafahan’ny rehetra mandray anjara, mba handraisan-tsoa ny fiaraha-midinika any amin’ireny fivoriana ireny. Ampirisiho ny fiangonana hanohana ireny fandaharana ireny. Asehoy ny fomba hanolorana ny boky Fahasambaram-pianakaviana sy ny Manontany ny Tanora. Ampiasao ireo fanoloran-kevitra ao amin’ny boky Fanjohian-kevitra, pejy 12, eo ambanin’ilay hoe “Fianakaviana/Ankizy.”
25 min: “Tanterahinao Amin’ny Fomba Feno ve ny Fanompoanao?”a Aorian’ny fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika ny fehintsoratra 1-3, dia manaova fampisehoana fohy roa momba ny fanolorana gazety, ka ny iray ampiasana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Septambra ary ny faharoa ny Mifohaza! 8 Septambra. Aorian’ny fandinihana ny fehintsoratra faha-4, dia anaovy fampisehoana ilay fomba anoloran-kevitra eo, amin’ny fampiasana ny boky Fahalalana.
Herinandron’ny 17 Septambra
5 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Tatitra momba ny kaonty.
10 min: Nanao Ahoana ny Zava-bitanao Tamin’ny Taon-dasa? Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Resaho ireo zava-misongadina ao amin’ny tatitry ny fiangonana tamin’ny taom-panompoana 2001. Derao ny rehetra noho ireo zava-bita tsara. Mifantoha amin’izay nataon’ny fiangonana teo amin’ny fanatrehana fivoriana, sy ny fanompoana tsy tapaka, ary ny fampianarana Baiboly. Amin’izay dia manolora hevitra azo ampiharina mba hihatsarana. Mamera tanjona azo tratrarina ho an’ny taona ho avy.
30 min: “Fanafainganana ny Fanorenana Efitrano Fanjakana eto Madagasikara.” Resaho sy vakio ireo tapany tsara homarihina ao amin’ny takelaka fanampiny.
Herinandron’ny 24 Septambra
15 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana roa, amin’ny fampiasana ny fanoloran-kevitra ao amin’ny “Fomba Fanolorana Gazety”, ka ny iray ampiasana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Septambra, ary ny faharoa ny Mifohaza! 8 Septambra.
30 min: Tiava An’Andriamanitra fa Tsy Ireo Zavatra eo Amin’izao Tontolo Izao. (1 Jaona 2:15-17) Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika amin’ny fijerena indray ny fandaharan’ny fivoriamben’ny faritra natao tamin’ny taom-panompoana lasa. Manasà mpitory hilaza ny hevi-dehibe nianarany sy ny fomba nahafahan’ny tenany na ny fianakaviany nampihatra izany. (Azo tendrena mialoha izy ireo.) Asongadino ireto anjara tamin’ny fandaharana ireto: 1) “Manosika Antsika Hanao ny Fanompoantsika ny Fitiavana An’Andriamanitra.” Izany fitiavana izany no manampy antsika hiatrika ny fihetseham-po tsy mahafinaritra, toy ny fahasarotan-kenatra, ny fiheveran-tena ho tsy mahay, ny tahotra olona, izay mety hanakana ny fitoriantsika. 2) “Mankahala ny Ratsy Ireo Tia An’i Jehovah.” (wMG 1/10/99 28-31) Ny fifandraisantsika amin’Andriamanitra dia miankina amin’ny fankahalantsika ny ratsy, tsy izay zavatra miharihary fa ratsy ihany anefa, fa izay ratsy amin’ny fomba an-kolaka koa. 3) “Araho ny Lalana Tsara Indrindran’ny Fitiavana.” (wMG 15/7/92 27-30) Asehon’ny 1 Korintianina 13:4-8 ny antony iaretantsika ny tsy fahatanterahan’ny hafa, sy analavirantsika ny fitiavan-tena sy ny fitiavana mifaninana, ny fifosana, ary ny tsy hivadika amin’ny fandaminan’Andriamanitra. 4) “Ireo Zavatra eo Amin’izao Tontolo Izao—Ahoana no Fahitantsika Azy Ireny?” Tsy tokony ho tia ireo zavatra eo amin’izao tontolo izao isika, na ho resin’ny fanirian’ny nofo na ho voafitaky ny filan’ny maso na hampideradera ny fananantsika. 5) “Voaro Isika Noho Isika Tsy Naman’izao Tontolo Izao.” Asehon’ny 2 Korintianina 6:14-17 fa mahatonga antsika tsy hahazo ny fankasitrahan’Andriamanitra ny finoana na ny fanaovana zavatra sasany. Tsy maintsy mahay manavaka ny fandrika foronin’ny Devoly isika ary manalavitra azy ireny. 6)“Fampanantenan’Andriamanitra ho An’ireo Tia Azy.” (wMG 1/6/93 19-22) Sady mahatonga ny fiainantsika hahafinaritra kokoa no mampanankarena antsika ara-panahy ny fitahian’i Jehovah.—1 Tim. 6:17-19.
Herinandron’ny 1 Oktobra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra Septambra. Vaovao Farany.
15 min: Ahoana no Hanatsarako ny Naotiko any Am-pianarana? Anti-panahy sy ny vadiny na mpanampy amin’ny fanompoana sy ny vadiny miresaka amin’ny zanany mbola mianatra. Manahy izy ireo satria tsy maharaka ilay ankizy. Mijery ny torohevitra ao amin’ny Manontany ny Tanora, toko faha-18 izy ireo, ary miresaka izay tokony hataon’ilay zaza mba hihatsarana. Antitranterin’ireo ray aman-dreny fa tena ilaina ny mahazo fianarana fototra tsara mba hampiasaina eo amin’ny fanompoana masina.
20 min: “Manakana Anao Tsy Hitory ve Izy Io?”b Antitrantero fa ilaina ny fahaiza-mandanjalanja eo amin’ny asa fivelomana, ka hanaovana ny tombontsoan’ilay Fanjakana ho ny zava-dehibe indrindra. Manasà loham-pianakaviana hitantara ny fomba iatrehany ilay zava-tsarotra, dia ny famelomany ny ankohonany, nefa tsy ataony tsirambina ny zavatra ara-panahy.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny alalan’ny fanontaniana sy valiny avy eo.