FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 11/04 p. 2
  • Fivoriana Momba ny Fanompoana

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fivoriana Momba ny Fanompoana
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
  • Lohatenikely
  • Herinandron’ny 8 Novambra
  • Herinandron’ny 15 Novambra
  • Herinandron’ny 22 Novambra
  • Herinandron’ny 29 Novambra
  • Herinandron’ny 6 Desambra
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2004
km 11/04 p. 2

Fivoriana Momba ny Fanompoana

Herinandron’ny 8 Novambra

Hira 180, Hira 19

10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Hifarana amin’ny 14 Novambra ilay ezaka manokana hizarana ny bokikely Miambena Hatrany! Hanolotra ny boky Mianara Amin’ilay Mpampianatra Lehibe isika amin’ny tapany farany amin’ny Novambra. Jereo vetivety ireo fomba fampiseho ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Mey 2004, pejy 7.

15 min: Mandraisa Soa Feno Amin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana. Fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny boky Ny Fanompoantsika, pejy 71-72. Inona avy ireo lafiny dimy anampian’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana antsika hanatsara ny fanompoana kristianina? Milazà ohatra avy amin’ny fandaharana amin’ity volana ity. Inona no soa raisintsika rehefa manomana mialoha isika? Nahoana isika no tokony hanatrika azy io tsy tapaka? Inona no ohatra ao amin’ny Baiboly mifanitsy amin’io fivoriana io?

20 min: “Ataovy Loha Laharana Foana ny Fanompoana!”a Milazà hevitra avy ao amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Janoary 2000, pejy 12-13.

Herinandron’ny 15 Novambra

Hira 170, Hira 66

10 min: Fampandrenesana. Ampiasao ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana ny Mifohaza! 8 Oktobra sy Ny Tilikambo Fiambenana 15 Oktobra. Azo ampiasaina koa ny fomba fampiseho hafa toy ny atao eny amin’ny faritany.

15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.

20 min: Ampiasao Ilay Bokikely Vaovao mba Hanampiana ny Olona Liana. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Tokony hampiana ny olona liana rehetra nandray ilay bokikely Miambena Hatrany! Ampiasao ireo loha hevitra eo amin’ny pejy 2 mba hamintinana izay raketin’ilay bokikely, ka sariho ny saina ho amin’ireo fizarana fohy misongadina ao (tanisaina eo ambanin’ny lohateny amin’ny sora-matevina). Azo ampiasaina io fizarana misongadina io mba hanaovana resadresaka fohy sy mahasoa, rehefa miverina mitsidika isika. Raha ny pejy 3-4, ohatra, no noresahina tamin’ny fitoriana, dia azo resahina amin’ny fiverenana mitsidika ilay pejy 5 hoe: “Tena Miahy Antsika ve Andriamanitra?” Resaho ny fomba azo anaovana izany. Diniho koa ny fizarana hafa misongadina, toy ny ao amin’ny pejy 6-8 sy 17-18, na izay mety amin’ny faritanin’ny fiangonana. Manaova fampisehoana fiverenana mitsidika ampiasana ny iray amin’ireo fizarana misongadina ireo. Tokony hovakina sy hiaraha-midinika ny iray na maromaro amin’ireo andinin-teny voatonona. Milaza ilay mpitory amin’ny farany, fa hodinihina amin’ny fitsidihany manaraka ny fizarana misongadina iray hafa.

Herinandron’ny 22 Novambra

Hira 199, Hira 58

10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty.

15 min: Fitantarana. Asao ny mpanatrika hitantara ny zavatra hitany, rehefa avy nametraka ilay bokikely Miambena Hatrany! Asaivo misy miomana mba hamerina amin’ny alalan’ny fampisehoana ny fitantarana iray tena niavaka. Derao ny rehetra noho ny nandraisany anjara tamin’ilay ezaka manokana.

20 min: Manomboha Fampianarana Baiboly Amin’ireo Nandray An’ilay Bokikely Vaovao. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, ataon’ny mpiandraikitra ny fanompoana. Resaho vetivety indray ilay fampisehoana fiverenana mitsidika natao tamin’ny Fivoriana Momba ny Fanompoana farany. Mariho ilay fizarana misongadina noresahina teo am-pamaranana an’io fiverenana mitsidika io. Manaova fampisehoana iray. Mitsidika fanindroany ilay mpitory ary mampiasa an’io fizarana io. Ireo mpitory nanao ilay fampisehoana teo aloha ihany, no asaivo manao azy (raha mety). Mampiasa ny pejy farany amin’ilay bokikely avy eo ilay mpitory, mba hanolorana fampianarana Baiboly. Manao fandaharana izy mba handinihana ny lesona 1 amin’ny bokikely Takina, amin’ny fitsidihana manaraka. Ampirisiho ny rehetra hiezaka hanomboka fampianarana Baiboly amin’ireo nandray an’ilay bokikely Miambena Hatrany!

Herinandron’ny 29 Novambra

Hira 23, Hira 178

10 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory mba hamerina ny tatitra momba ny fanompoana volana Novambra. Manaova fampisehoana mba hanolorana Ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra sy ny Mifohaza! 8 Novambra.

10 min: Valin’ny Fanontanianareo. Lahateny ataon’ny anti-panahy.

25 min: “Fitarihana Fampianarana Baiboly Mandroso—Fizarana 3.”b Ny fanontaniana efa ao ampiasaina. Rehefa vita ny fehintsoratra 3, dia asio fampisehoana fohy iray momba ny fampianarana Baiboly amin’ny bokikely Takina, lesona 5, fehintsoratra 1. Ataovy toy ny hoe efa voavaky ny fehintsoratra, ary efa voavaly ny fanontaniana. Mamaky sy miara-midinika ny Isaia 45:18 sy ny Mpitoriteny 1:4 ilay mpitory sy ilay mpianatra. Mampiasa fanontaniana tsotra ilay mpitory mba hampirisihana ilay mpianatra hanazava ny ifandraisan’ny andinin-teny tsirairay amin’ny hevitra dinihina.

Herinandron’ny 6 Desambra

Hira 96, Hira 101

10 min: Fampandrenesana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Desambra. Asio fampisehoana iray na roa ny amin’ny fomba azo anolorana ny boky Lehilahy Niavaka.

15 min: Mahasambatra ny Manome: Te Hahatsapa Izany ve Ianao? Lahateny miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Novambra 2004, pejy 19-23.

20 min: “Afaka Manampy ve Ianao?”c Manadinadìna mpitory iray na roa izay nankasitraka ny fanampiana na ny fampaherezana nomen’ny hafa.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara