Fivoriana Momba ny Fanompoana
Herinandron’ny 10 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana. Manaova fampisehoana roa miorina amin’ny fanoloran-kevitra eo amin’ny pejy 8, mba hametrahana Ny Tilikambo Fiambenana 15 Novambra sy ny Mifohaza! Novambra. Atolory miaraka ireo gazety.
20 min: Fandaharana Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana 2008. Lahateny ataon’ny mpiandraikitra ny sekoly. Asongadino ny hevitra sasany ilain’ny fiangonana, ao amin’ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Oktobra 2007. Resaho ny andraikitry ny mpanome torohevitra mpanampy. Ampirisiho ny rehetra hazoto hanao ny anjarany, handray anjara mavitrika amin’ny hevitra misongadina ao amin’ny Baiboly, ary hampihatra ny fanoloran-kevitra omena isan-kerinandro avy ao amin’ny boky Mandraisa Soa avy Amin’ny Sekolin’ny Fanompoana.
15 min: “Ampionòny Ireo Torotoro Fo.”a Mitantarà zava-nitranga iray na roa teo an-toerana.
Herinandron’ny 17 Desambra
10 min: Fampandrenesana eo an-toerana sy fampandrenesana sasany eo amin’ny pejy 7. Ampirisiho ny rehetra hijery ilay DVD hoe Noa: Ilay Niara-nandeha Tamin’Andriamanitra, mba hiomanana ho amin’ny fiaraha-midinika hatao ny herinandron’ny 31 Desambra.
15 min: “Tsy Maintsy Be Zotom-po Foana Amin’ny Fanompoana Isika.”b Manadinadìna mpitory iray mazoto amin’ny fanompoana. Anontanio izy hoe: Inona no ezaka tsy maintsy nataonao mba ho be zotom-po foana amin’ny fanompoana? Inona no nanampy anao?
20 min: “Aelezo Ireo Gazety Manambara ny Marina.”c Asaivo miresaka hevitra avy ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2006, pejy 8, ny mpanatrika. Ampirisiho izy ireo hamaky Ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra 2007 sy ny Mifohaza! Desambra 2007. Asaivo entiny izany amin’ny fivoriana momba ny fanompoana manaraka.
Herinandron’ny 24 Desambra
10 min: Fampandrenesana. Tatitra momba ny kaonty sy fankasitrahana ireo fanomezana. Lazao ny zavatra atolotra amin’ny Janoary, ary asio fampisehoana iray.
15 min: Miomàna Hanolotra Ireo Gazety. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Desambra sy Mifohaza! Desambra. Resaho vetivety ny zavatra raketin’ireo gazety ireo, ary anontanio ny mpanatrika hoe: ‘Inona no lahatsoratra mety hahaliana ny olona eny amin’ny faritany, ary nahoana?’ Asao ny mpanatrika hilaza ny fanolorana gazety tiany hampiasaina, mifandray amin’izay lahatsoratra tiany hasongadina. Inona no fanontaniana azo anombohan-dresaka? Inona no andinin-teny hovakina avy ao amin’ilay lahatsoratra? Ahoana no hampifandraisana ilay andinin-teny amin’ilay lahatsoratra? Manaova fampisehoana avy eo, ka ampiasao ny fanolorana gazety ao amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana na ny fanoloran-kevitra iray noresahin’ny mpanatrika.
20 min: “Ataovy Tanjona ny Hitarika Fampianarana Baiboly.”d Manadinadìna mpitory iray na roa nanomboka fampianarana Baiboly vao haingana. Ahoana no fomba nanombohany izany? Manao ahoana ny fandrosoan’ilay fianarana?
Herinandron’ny 31 Desambra
5 min: Fampandrenesana. Ampahatsiahivo ny mpitory hamerina ny tatitra momba ny fanompoana Desambra.
15 min: Ny Herin’ny Fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra. Lahateny mampahery miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 1 Martsa 1990, pejy 19-20 (eo amin’ny pejy 3 amin’ity Fanompoantsika ity).
25 min: “Modely ho An’ny Rehetra.” Aorian’ny teny fampidirana tsy mihoatra ny iray minitra, dia iaraho midinika amin’ny mpanatrika ireo fanontaniana eo amin’ny fehintsoratra faharoa. Nalaina avy tao amin’ilay DVD Noa izy ireo, teo ambanin’ilay lohateny hoe “Hainao Ve?” Aorian’izay, dia manadinadìna fianakaviana vitsivitsy. Asaivo resahiny ny soa noraisiny avy tamin’ilay hoe “Fanitaram-pahalalana”, ao amin’ilay DVD. Iaraho midinika avy eo ny fanontaniana sy ny andinin-teny eo amin’ny fehintsoratra fahatelo.
Herinandron’ny 7 Janoary
10 min: Fampandrenesana sy Valin’ny Fanontanianareo.
15 min: Zavatra ilain’ny fiangonana.
20 min: Ahoana no Anampiako ny Zanako ho Olom-banona? Ataon’ny anti-panahy. Lahateny sy fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika, miorina amin’ny Tilikambo Fiambenana 15 Mey 2007, pejy 14-16.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
b Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
c Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.
d Fero tsy hihoatra ny iray minitra ny teny fampidirana, ary asio fiaraha-midinika amin’ny mpanatrika avy eo.