FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • km 1/12 p. 3
  • Efa Vonona ve Ianao?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Efa Vonona ve Ianao?
  • Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
  • Mitovitovy Aminy
  • Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2008
  • Efa Nofenoinao ve Ilay Izy?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2010
  • Efa Nanao Safidy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2009
  • Efa Nanao Safidy ve Ianao?
    Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2011
Hijery Hafa
Ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana—2012
km 1/12 p. 3

Efa Vonona ve Ianao?

Tsy ampoizinao akory indraindray, dia marary na maratra be ianao ka mila tsaboina maika. (Jak. 4:14) Raha malina àry ianao, dia hiomana tsara mialoha. (Ohab. 22:3) Efa nanapa-kevitra ve ianao hoe inona avy no fitsaboana tianao hatao aminao? Ary efa nosoratanao ve izany? Hanampy anao ilay DVD vaovao hoe Fitsaboana Solon’ny Fampidiran-dra: Mahafa-po ny Marary Sady Manaja ny Zony (fizarana faharoa ao amin’ilay DVD vaovao hoe Solon’ny Fampidiran-dra: Fanadihadiana Samihafa). Jereo izy io ary valio ny fanontaniana etsy ampita. Ahitana sarina dokotera manao fandidiana ao, ka anjaran’ny ray aman-dreny ny manapa-kevitra raha avelany hijery azy io ny zanany kely na tsia.

1) Nahoana ny mpitsabo sasany no lasa tsy mazoto hampiditra ra amin’ny marary? 2) Milazà fandidiana telo tena sarotra nefa tsy nisy fampidiran-dra. 3) Ana hetsiny ny dokotera sy mpandidy eran-tany tapa-kevitra fa tsy hampiditra ra amin’ny marary intsony. Nahoana? 4) Inona no vokatry ny fanadihadiana natao vao haingana momba ny fampiasana ra? 5) Inona no mety hanjo ny olona nampidiran-dra? 6) Maro ny dokotera za-draharaha niaiky fa mahasoa ny fitsaboana tsy ampiasana ra. Inona no tenin’izy ireo? 7) Inona no mahatonga ny olona iray tsy ho ampy ra, ary inona no azo atao rehefa mitranga izany? 8) Inona no azo atao mba hahatonga ny vatana hamokatra liomena? 9) Inona no ataon’ny dokotera sasany, mba ho faran’izay kely ny ra very mandritra ny fandidiana? 10) Mety amin’ny ankizikely na ny olona atahorana ho faty ve ny fitsaboana tsy ampiasana ra? 11) Inona no zavatra iray lehibe tokony hataon’ny dokotera raha te hitsabo tsara ny marary izy?

Ny tsirairay no manapa-kevitra raha hanaiky ny fitsaboana aseho ao amin’ilay DVD izy na tsia, arakaraka ny feon’ny fieritreretany. Aza miandry hoe efa mila fitsaboana maika àry vao manapa-kevitra. Ho hitanao izay tokony hatao raha mandinika indray ny boky “Fitiavan’Andriamanitra”, toko 7 sy ireo loharanon-kevitra voalaza ao ianao. Jereo koa ny takelaka fanampiny amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Novambra 2006. Soraty ao amin’ny karatra FMF (natao ho an’ny vita batisa) izay safidinao, ary ento foana ilay izy.

[Teny notsongaina, pejy 3]

Efa nanapa-kevitra ve ianao hoe inona avy no fitsaboana tianao hatao aminao? Ary efa nosoratanao ve izany?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara