Fandaharana ho An’ny Herinandron’ny 21 Oktobra
HERINANDRON’NY 21 OKTOBRA
Hira 33 sy Vavaka
□ Fianarana Baiboly:
jr toko 15 § 13-20 (30 min.)
□ Sekolin’ny Fanompoana:
Famakiana Baiboly: 1 Tesalonianina 1–2 Tesalonianina 3 (10 min.)
No. 1: 1 Tesalonianina 2:9-20 (4 min. na latsaka)
No. 2: Inona no Ianarantsika avy Amin’ny Zavatra Tsara sy Ratsy Nataon’i Solomona?—Rom. 15:4 (5 min.)
No. 3: Inona no Lazain’ny Baiboly Momba ny Fivavahana Iraisam-pinoana?—rs p. 253 § 3–p. 254 § 3 (5 min.)
□ Fivoriana Momba ny Fanompoana:
15 min: Inona no Lesona Raisintsika? Lahateny misy fiaraha-midinika. Asao aloha ny mpanatrika hamaky ny Marka 1:40-42 sy Marka 7:32-35 ary Lioka 8:43-48. Diniho avy eo hoe ahoana no azo ampiharana an’ireo fitantarana ireo eo amin’ny fanompoana.
15 min: Fanomezana ho An’ny Fianakaviana. Lahateny miorina amin’ny Fanompoantsika Ilay Fanjakana Janoary 2011 (p. 3-6). Resaho mandritra ny 10 minitra ny soso-kevitra ao amin’ilay efajoro ao amin’ny pejy faha-6, ary ampirisiho ny mpanatrika mba hampihatra ny soso-kevitra sasany ao. Asongadino mandritra ny 5 minitra farany kosa ny hevi-dehibe ao amin’ny fehintsoratra 8-13.
Hira 88 sy Vavaka