Video Vaovao Hanombohana Fampianarana
Mihabe mpijery izao ilay video hoe Nahoana Ianao no Tokony Hianatra Baiboly?, ao amin’ny jw.org. Natao handrisihana ny olona liana mba hianatra Baiboly maimaim-poana amintsika io video io. Aiza no hahitana azy? Tsindrio ilay hoe “Mangataha Hianatra Baiboly” eny ambany indrindra amin’ny pejy fandraisana ao amin’ny jw.org, na ampiasao ilay kaody QR any amin’ny faran’ireo taratasy mivalona vaovao. Ampirisihina ny fiangonana mba haka an’io video io, ary hizara an’izany amin’izay manana finday azo ijerena azy. Ireto misy fomba vitsivitsy azo ampiasana an’ilay video:
Rehefa miverina mitsidika, dia mitenena amin’ilay olona hoe: “Ity misy video manazava hoe ahoana no hahitanao ny valin’ireo fanontaniana ara-baiboly. Azoko aseho anao vetivety ve ilay izy?” Raha manaiky izy, dia ampiasao ny findainao na ny ordinaterany na ny tablette-nao na ny azy, mba hijerena an’ilay video.
Rehefa manolotra an’ireo taratasy mivalona vaovao ianao amin’ny fitoriana tsy ara-potoana na eny amin’ny toerana be olona, dia asehoy ny olona ilay kaody QR ary ampirisiho izy hanandrana an’ilay izy amin’ny tablette-ny na amin’ny findainy. Mitondra mankany amin’ilay video ilay kaody QR ho an’ny fiteny maro. Mety ho azonao atao àry ny mandefa an’ilay izy eo no ho eo amin’ny tablette-nao na amin’ny findainao.
Asehoy amin’ny mpiara-miasa, mpiara-mianatra, havana, ary ny olom-pantatra ilay video. Azonao alefa e-mail any amin’izy ireo koa ny rohy (lien) mankany amin’ilay video ary asaina jereny.
Raha mampiasa tsara an’io video io isika, dia mety ho afaka hanomboka fampianarana maro kokoa, sy hanampy an’ireo manana “toe-po tsara mba hahazoana fiainana mandrakizay.”—Asa. 13:48.