Omeo ny Fitarihana Ilainy Izy Ireo
AHOANA no ahafahan’ny zanakareo mianatra mba hiaro tena amin’ny fahalotoam-pitondrantena mitombo eo amin’izao tontolo izao? Tsy amin’ny alalan’ny televiziona, izay alahatry ny antokona tanora iray ho ny loharano lehibe fahefatra eo amin’ny fanomezana fanazavana ny amin’ny lahy sy ny vavy. Tsy amin’ny alalan’ny sekoly, izay toerana ahitana fampianarana manome taratry ny fiovan’ny zavatra heverina ho sarobidy sy ny fari-pitsipik’ity tontolo maloto fitondrantena ity. Ary azo antoka koa fa tsy amin’ny alalan’ireo tantara tantarain’ireo mpiara-mianatra amin’ny zanakareo.
Raha tiana ny hahombiazan’ny fampianarana momba ny fitondrantena sy ny fiainam-pianakaviana, dia tsy maintsy atomboka ao an-tokantrano izany. Toy izao no nolazain’ny mpampianatra iray any amin’ny lise, feno fanahiana ny amin’izany: “Misy olona tokony hanana herim-po ka hilaza hoe: ‘Rankizy ô, tsy hanimba anareo anie ny miandry e!’ ”
Nampianatra izany ny zanakareo ve ianareo? Raha jerena ny habetsahan’ireo zavatra voasoratra momba ny lahy sy ny vavy manodidina antsika, moa ve ianareo manontany tena indraindray raha hainareo akory aza ny fomba hampianarana ireo zanakareo?
Ny herin’ny ohatra omena
Tahaka ny nisian’ny fomba fiainan’ireo ray aman-dreninareo heriny teo amin’ny fiainanareo, dia toy izany koa fa ny ohatra omenareo dia misy vokany lehibe eo amin’ny fiainan’ireo zanakareo. Izany dia mampiharihary tokoa ny fitiavanareo azy ireo sy ny hoe tianareo ho karazan’olona manao ahoana izy ireo.
Raha virjiny ianao fony nanambady, dia azonao ampahafantarina ireo zanakareo fa tena nahasambatra anao izany. Nisy raibe iray nahatsiaro ilay andro, efa ho 60 taona lasa izay, izay nilazan’ny rainy taminy hoe tena fifaliana ho azy ny nanambady tamin’ny fahafantarana fa tsy mba nanao fitondrantena maloto izay nety ho nandoto ny fanambadiany izy. Izany resaka izany dia nisy vokany lehibe teo amin’ny fomba fiainan’io raibe io ary mino izy fa ny ohatra tsara nomen’ny tenany dia nisy vokany lehibe teo amin’ny fiainan’ireo zanany.
Raha fantatr’ireo zanakareo anefa fa tsy fakan-tahaka ny fiainanao taloha, dia tokony ho azonareo antoka fa fantany ny antony niovanao. Izany akory tsy hoe satria mihantitra fotsiny ianao, fa satria kosa nahita fari-pitsipika ambony kokoa izay tianao harahina eo amin’ny fiainana ianao.
Ny fahaizana mihaino tsara
Mazàna ireo ray aman-dreny mahita fahombiazana dia manazava ny amin’ny fotoana laniny hihainoana ireo zanany. Fantany izay mitranga eo amin’ny fiainan’ireo zanany. Nanao ezaka manokana mba haha-tao an-dakozia azy tamin’ny tolakandro i Karen. Tamin’izany fomba izany, rehefa nody ireo zanany vavy, dia afaka niresaka taminy ny amin’izay nitranga tany an-tsekoly nandritra ny andro izy ireo.
Zatra niandry ireo zanany vavy rehefa nody ny alina i Erline ary nihaino azy nitantara izay rehetra nataony. “Raha nisy zavatra nilana fanitsiana”, hoy izy, “dia afaka nikarakara izany aho taoriana kokoa. Kanefa tsy ho afaka nahalala izany na oviana na oviana aho raha tsy nihaino.” Nohazoniny ho nivoha hatrany io fifampiresahana io nandritra ireo taona nianaran’ny zanany vavy sy nandritra ny fotoana niarahan’izy ireo tamin’ireo olona ho vadiny. Afaka miaro amin’ireo ratram-po maro atỳ aoriana ny fotoana lany toy izany miaraka amin’ny zanakareo.
Ahoana anefa raha tsy dia tia miresaka ny zanakareo? Raha toy izany no izy, dia azonao atao ny manontany tena hoe: ‘Toetrany mihitsy ve ny tsy be teny, sa matahotra ny hanambara zavatra izy noho ny fomba fihetsiko tamin’ny lasa? Afaka manorina indray ny fitokiany ahy amin’ny fanaovako ezaka manokana izao mba hampisehoana fa mihevitra azy ireo ve aho? Afaka manamora kokoa ho azy ireo ny fanambarana zava-madinika amin’izao fotoana izao ary angamba zavatra lehibe kokoa any aoriana ve aho?’
Fampitandremana lehibe
Ilain’ny zanakareo ny hampitandremana azy ny amin’ireo vokatry ny fahalotoam-pitondrantena. Tokony ho fantany, ohatra, fa na dia eo aza izay rehetra reny ka mifanohitra amin’izao voalaza izao dia tsy misy fomba tsy mampiteraka azo antoka tanteraka. Mitranga matetika ny fananana anaka tsy nirina sy ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisana na dia ampiasaina aza ireo fomba tsy mampiteraka (contraceptifs). Araka ny filazan’ny fikambanana Planned Parenthood, dia in-12 isan-jaton’ny fotoana no tsy afaka misakana ny fananana anaka ireo condoms (kapaoty anglisy), ary mbola tsy mahomby be lavitra izy ireny amin’ny fisakanana ny fifindran’ny viriosin’ny SIDA.
Misy tanora maro no mino fa tsy hitranga aminy na oviana na oviana ny loza. Kanefa, ireo aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisana, anisan’izany ny SIDA, dia mety hifindra amin’ny alalan’ny olona mbola tsy nahitana izany soritr’aretina izany ary tsy mahalala akory fa mamindra azy io amin’ny hafa ny tenany. Misy aretina maro, mamely ny tanora amin’izao andro izao, no mety hahatonga fahamombana, fahasamponana any am-bohoka, homamiadana ary fahafatesana mihitsy aza.
Ho ohatra iray amin’izany, dia inoana izao fa Amerikana 40 tapitrisa no voan’ny iray monja amin’ireny aretina ireny, dia ny herpès génital, izay tsy ahitana fanafodiny. Mamindra izany amin’ny zanany ao am-bohoka ny reny voan’io aretina io. Ireny zazakely tsy manan-tsiny ireny àry dia mety ho tonga votsa saina, hijaly noho ny fahavoazana maharitra eo amin’ny rafi-pitatitra foibe na ho faty noho ny aretin-dratsy mamely ny taova ao anaty. Vidiny mampihoron-koditra re izany ho takalon’ny fotoana fohy nantenaina hahazoana fahafinaretana!
Ny firaisana tsy ara-dalàna izay namindra io aretina io dia nety ho tsy nahafinaritra akory. Ny mpikaroka iray izay nanontany tanora maro dia nilaza fa “eo amin’ny vehivavy, dia avo roa heny amin’ny firaisana eo amin’ny samy zatovo no nandiso fanantenana fa tsy nahafa-po”. Ny ray aman-dreny dia mila manantitrantitra amin’ny zanany fa ny firaisana — ilay fomba mahatalanjona izay amin’ny alalany no nikasan’ny Mpamorona hamenoana ity tanintsika tsara tarehy ity — dia tsy tokony hatomboka amim-piafenana any ivelan’ny fanambadiana.
Toromarika tena ilain’izy ireo indrindra
Ny zanakareo dia mila mahafantatra fa ny hany fomba azo antoka hisorohana ny zava-manahirana ateraky ny firaisana alohan’ny fanambadiana, dia ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipika, nasehon’ny fotoana fa mahasoa, ary naorin’Andriamanitra. Fotopoto-pitsipika inona avy moa izany? Tsy manao firaisana mandra-pahavitan’ny fampakaram-bady ary fahatokiana maharitra mandritra ny androm-piainana amin’ilay olon-tian’ny tena izay, amin’ny tarehin-javatra tsara indrindra, dia mbola tsy nanana firaisana tamin’olon-kafa koa.
Kanefa ny antony fototra handosirana ny fahalotoam-pitondrantena dia tsy hoe satria miteraka zava-manahirana izany, fa hoe satria milaza ny Mpamorona antsika fa ratsy izany. Ny Baiboly dia mampirisika ny ‘hifadiana ny fijangajangana’ ary ‘handosirana ny fijangajangana’. Nahoana? Satria izay manohy manao zavatra toy izany ho fahazarana, dia “tsy handova ny fanjakan’Andriamanitra”. — 1 Tesaloniana 4:3; 1 Korintiana 6:9, 10, 18.
Ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipika araka an’Andriamanitra dia mitarika ho amin’ny fiainana sambatra sy mahafa-po kokoa. Izany dia miaro antsika amin’ny aretina mifindra amin’ny alalan’ny firaisana, ny fananana anaka tsy nirina, ny zava-manahirana hitan’ny fianakaviana tsy misy afa-tsy ny ray na ny reny ary ratram-po satria nilaozan’ny olona izay nampiasa ny tena tamim-pitiavan-tena mba hananana firaisana taminy.
Voaporofo fa marina ny teny nosoratan’ilay mpaminanin’Andriamanitra fahiny, efa mihoatra ny 2 500 taona lasa izao, manao hoe: “Izaho, Jehovah Andriamanitrao, no nampianatra anao hahita soa sady mitarika anao amin’ny làlana tokony halehanao. Toy izay anie hianao mba nihaino ny didiko! Dia ho tonga tahaka ny ony ny fiadananao, ary ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao”. — Isaia 48:17, 18.
Ahoana anefa no ahazoana mampifanaraka ireo fotopoto-pitsipika ara-pitondrantena ireo, amin’ny fanao mahazatra amin’ny andro maoderina, dia ny fiarahana amin’ny lahy na amin’ny vavy tsy tahaka azy? Hodinihina ao amin’ny lahatsoratra manaraka io fanontaniana io.