Tamin’ny Ahoana no Niovan’ny Tontolontsika?
NIOVA ve ny tontolonao? Hoy ilay filozofa grika fahizay antsoina hoe Heracleitus: “Tsy misy na inona na inona maharitra, fa miova avokoa ny zava-drehetra.” Ny fiovana dia zavatra maharitra iray eo amin’ny fiainantsika rehetra.
Rehefa mitodika hijery ireo 10, 20 na 30 taona na mahery ianao, fiovana inona moa no hitanao? Nety ho nahita ianao fa niova ho maoderina ny toe-piainana ary koa fa nailika ireo fari-pitsipika noheverina ho sarobidy teo aloha. Tsy isalasalana fa mahita ny fiovana sasany ho tsara ianao fa ny hafa kosa ho ratsy.
Raha maherin’ny 70 taona ianao, fiovana inona moa no hitanao hatramin’ny fahatanoranao? Tadidinao ny fotoana tsy nisian’ny televiziona, nandehanan’ireo fiaramanidina miadana tamin’ny hafainganam-pandeha dimampolo amby zato kilaometatra isan’ora, nandehanan’ny olona sambo mba hitsidihana tany hafa, toa naha-voafetra ny fampiasana zava-mahadomelina ho tao amin’ireo trano miafin’ny mpifoka opioma, azo nanisana ireo fiarakodia tamin’ny rantsantanana. Eny, tena niova tokoa ny tontolonao.
Ny fiovan’ilay fitambaran’olona mpividy
Kanefa, na dia ho an’ireo tanora kokoa aza, dia niova koa izao tontolo izao. Vao 45 taona lasa izay, dia nanjakan’ny zava-bita sy ny fahaizan’ny tany tandrefana ny tsena teo amin’izao tontolo izao. Ankehitriny, ireo firenena tatsinanana eo amoron’ny Oseana Pasifika dia nanjary loha laharana eo amin’ny famokarana fiarakodia, ordinatera, fakantsary, televiziona ary fitaovana elektronika madinika maro.
Izany dia asehon’izay nolazain’ny Sinoa mpitsidika tany za-draharaha iray toy izao tamin’ny Mifohaza!: “Vao 30 na 40 taona lasa izay, ny nofin’ny Sinoa tsotra iray dia ny hahazo bisikilety sy milina fanjairana. Ireo no famantarana ny toerana ambony tanan’ny olona iray. Izao ny nofiny dia niova ho fahazoana televiziona misy loko, magnétoscope, vata fampangatsiahana ary moto.” Ilay fitambaran’olona mpividy, na any Sina izany na any amin’ny toerana hafa, dia nanova ny zavatra tiany sy takiny.
Io karazam-piovana eo amin’ny fomba fijery io dia niseho tany amin’ny firenena maro ho vokatry ny fihatsaran’ny toe-karen’ny taniny. Hoy ny nambaran’i Pedro, Espaniola iray 40 taona eo ho eo: “Teto Espaina, 30 taona lasa izay, ny faniriana tiana hotratrarina dia ny fananana fara faharatsiny fiara Seat [Fiat] kely 600 cc iray. Izao ireo Espaniola dia maniry hahazo BMW alemanina iray!” I Jagdish Patel, izay monina any Etazonia, dia nilaza toy izao rehefa avy nitsidika vao haingana an’i India, izay tany niaviany: “Zendana aho nahita ny isan’ireo fiara sesehena hita eny amin’ny araben’i India. Mbola hita eny amin’ireo arabe toy ny taloha ihany ireo fiara karana Hindustan, kanefa izao izy ireo dia niampy fiara sy scooters ary motos maoderina kokoa, izay vita any India fa noho ny fanomezan-dalana manokana avy amin’ireo orinasa vahiny.”
Fiovana eo amin’ny ara-tsiansa
Vao 25 taona lasa izay, dia maro no mbola nihevitra ny volana ho zava-miafina mahasanganehana. Hatramin’izay, dia efa namela ny dian-tongony ary koa fitaovana siantifika teo amin’io tany vahinin’ny volana io ny olombelona, ary nitondra santionam-bato avy tany hatao fandinihana. Izao dia zava-mpitranga matetika ny dia ataon’ireo zanabolana amerikana mpandeha eny amin’ny habakabaka, ary ireo mpahay siansa amerikana dia miresaka ny hanorina toby maharitra iray eny amin’ny habakabaka sy ny handeha ho eny amin’i Marsa.
Iza no nahare momba ny SIDA 15 taona lasa izay? Izao izy io dia loza mamely maneran-tany, ary olona an-tapitrisany maro no miaina ao anatin’ny tahotra azy io.
Fiovana ara-politika
Efa-taona lasa monja izay, dia nisy rindrina toa tsy azo nohontsonina akory nampisaraka ny tanànan’i Berlin, ary mbola teo ny Firaisana Sovietika Kominista sy ny Ady Mangatsiaka. Izao i Berlin dia nofidina ho renivohitr’i Alemaina tafatambatra, ary ny 11 amin’ireo repoblika 15-n’ny Firaisana Sovietika teo aloha izao dia mahaforona ny Fitambaran’ireo Fanjakana Mizaka Tena.
Vao taona vitsivitsy lasa izay, ny Firenena Mikambana dia tsy inona fa sahan’ady ho an’ireo hery kapitalista sy kominista, ka ireo firenena lazaina hoe non-alignés (tsy momba ny atsy na ny aroa) dia tsy nanao afa-tsy ny nitazana izany fotsiny. Ankehitriny ireo firenena tatsinanana sy tandrefana dia miresaka momba ny fiadanana sy ny filaminana, ary ny Firenena Mikambana dia manan-kery sy mahomby kokoa. Afaka mandefa tafika any amin’ireo faritra misy toe-javatra faran’izay mafy manerana ny tany izy. Telo taona lasa izay, dia mbola nisy tany nantsoina hoe Yogoslavia sy Tsekoslovakia. Ankehitriny izy roa ireo dia samy voazarazara ho Fanjakana mahaleo tena kely kokoa.
Noho ireo fiovana rehetra ireo, moa ve izao tontolo izao nahita fandrosoana lehibe ho amin’ny fiadanana marina sy ny rariny ary ny fizarana sakafo sy fananana amin’ny fomba tsy miangatra? Moa ve nanjary mahay miaina kokoa izao tontolo izao? Moa ve ianao afaka mandeha eny amin’ny arabe tsy misy tahotra ny mpanao ratsy? Moa ve isika nampianarina mba tsy hankahala ny hafa noho ny firazanany, ny fivavahany, ny firehany ara-politika, ny fomba fiainany na ny fiteniny? Moa ve nisy fiovana nitarika ho amin’ny fandrosoana marina ho an’ny fianakavian’olombelona amin’ny ankapobeny sy ho an’ny fonenantsika, dia ny tany? Aiza no alehantsika? Ireo lahatsoratra manaraka dia handinika ireo fanontaniana ireo sy ny hafa koa.