Ireo Planin’ny Olombelona ho Amin’ny Filaminana Maneran-tany
“Rehefa hifarana izao fitrangan-javatra rehetra izao, dia maniry ny ho mpanasitrana izahay. Irinay ny hanao izay azonay atao mba hahamora ny fanorenana ilay mety ho azoko antsoina amin’ny tsy fijerena afa-tsy ny lafy tsaran-javatra hoe fandaharan-javatra vaovao iray haneran-tany.” — George Bush, prezidàn’i Etazonia, Janoary 1991, fotoana fohy taorian’ny nanombohan’ny ady tany Irak.
“Ny hevitry ny prezidà Bush ny amin’ny Fandaharan-javatra vaovao iray, dia manantitrantitra ny maha-zava-dehibe ny fanapahan’ny lalàna sy ny finoana fa manana andraikitra iombonana ny amin’ny fahafahana sy ny rariny ireo firenena. Amin’ny fifaranan’ny Ady mangatsiaka, dia hisokatra ny vanim-potoana vaovao iray.” — Ny masoivohon’i Etazonia any Aostralia, Aogositra 1991.
“Amin’ity takariva ity, araka ny fahitako ny fisehon’ny firoborobon’ny demokrasia manerana ny gilaoby, dia angamba — angamba efa akaiky kokoa an’io tontolo vaovao io isika, tsy toy ny teo aloha.” — George Bush, prezidàn’i Etazonia, Septambra 1991.
SAHALA amin’ny prezidà Bush, dia maro ireo filoha eo amin’izao tontolo izao no tsy mahita afa-tsy ny lafy tsaran-javatra rehefa miresaka ny hoavy. Nefa marim-pototra ve izany tsy fijeren’izy ireo afa-tsy ny lafy tsaran-javatra izany? Moa ve ireo fisehoan-javatra hatramin’ny Ady lehibe faharoa manome fototra ho an’ny tsy fijerena afa-tsy ny lafy tsaran-javatra toy izany? Heverinao ve fa ho vitan’ireo mpanao politika ny hitondra filaminana maneran-tany?
Ilay planina malaza nataon’ny olombelona
“Nandritra ireo roa taona farany tamin’ny ady lehibe faharoa”, hoy ny nohazavain’ny Goodbye War, fandaharana ao amin’ny televiziona natao hampahafantarana ny zava-misy, “dia olona maherin’ny iray tapitrisa isam-bolana no maty.” Tamin’izany fotoana izany, dia nahatsapa ireo firenena fa nilaina maika dia maika ny planina iray izay hisakana ny ady toy izany tsy hitranga indray. Raha mbola niroso ny ady, dia nisy solontenan’ny firenena 50 nanao ilay planina ho amin’ny filaminana maneran-tany nalaza indrindra tamin’izay noforonin’olombelona, dia ny dinan’ny Firenena Mikambana. Ny sasintenin’ilay Dina dia naneho ny fahavononana “hamonjy ireo taranaka mandimby amin’ny loza ateraky ny ady”. Ireo nantenaina ho tonga anisan’ny mpikambana ao amin’ny Firenena Mikambana dia tsy maintsy “mampiray ny heriny mba hihazonana ny fandriampahalemana sy filaminana maneran-tany.”
Iraika amby efapolo andro taorian’izay, dia nisy fiaramanidina iray nanjera baomba atômika teo ambonin’i Hiroshima, any Japana. Nipoaka teo afovoan’ilay tanàna izy io, ary nahafaty olona maherin’ny 70 000. Io fipoahana io, sy ilay iray nanaraka azy, telo andro taorian’izay, tany Nagasaki, dia tena nitondra fiafaran’ny ady natao tamin’i Japana tokoa. Koa satria nilavo lefona i Alemaina, mpiray dina tamin’i Japana tamin’ny 7 May 1945, dia nifarana tamin’izay ny Ady lehibe faharoa. Kanefa, moa ve izay no faran’ny ady rehetra?
Tsia. Hatramin’ny Ady lehibe faharoa, ny taranak’olombelona dia nahita ady madinidinika maherin’ny 150, izay nitaky ain’olona nahatratra 19 tapitrisa. Mazava ho azy fa mbola tsy nitondra filaminana maneran-tany ilay planin’ny Firenena Mikambana malaza. Inona no tsy nety?
Ny ady mangatsiaka
Ireo mpanao ny planin’ny Firenena Mikambana dia tsy nahatsinjo mialoha ny fifandrafiana nitombo haingana teo amin’ireo mpiray dina fahiny tamin’ny Ady lehibe faharoa. Fanjakana maro be no tafiditra tamin’io ady mba hahazoana fahefana io, izay nanjary nantsoina hoe Ady mangatsiaka, ary amin’ny ampahany, dia ady ifanaovan’ny tontolon’ny kôminisma sy ny kapitalisma. Toy izay hampiray ny heriny hampitsaharana ny ady, ireo vondrom-pirenena roa ireo dia nanohana ireo mpifampiandany tamin’ireo fifamelezana tany amin’ny faritra hafa, ary tamin’izany fomba izany no nifamelezany tany Azia sy Afrika ary Amerika.
Tany amin’ny faramparan’ireo taona 1960, dia nanomboka nihena ny herin’ny Ady mangatsiaka. Nahatratra ny fara tampony io fihenan-keriny io tamin’ny 1975 rehefa nisy firenena 35 nanisy sonia ilay antsoina hoe Fifanarahana tany Helsinki. Anisan’ireo mpandray anjara tamin’izany ny Firaisana Sovietika sy i Etazonia, niaraka tamin’ireo Eoropeana mpiray dina tamin’izy ireo avy. Samy nampanantena ny rehetra fa hiezaka mba hanao izay hisian’ny “fandriampahalemana sy ny filaminana” ary “hifehy tena (...) mba tsy handrahona na hampiasa hery hanoherana ny firaisam-paritra na ny fahaleovantena ara-politikan’ny fanjakana na iza na iza, na izay rehetra mety ho fomba hafa mifanipaka amin’ny tarigetran’ny Firenena Mikambana.”
Tsy nitondra vokany anefa ireo hevitra ireo. Hatramin’ny fiandohan’ireo taona 1980, dia nihamafy indray ny fifamelezana teo amin’ireo firenena mahery indrindra. Niharatsy aoka izany ny toe-draharaha, hany ka tamin’ny 1982, ny Dr. Javier Pérez de Cuéllar, vao voafidy ho sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana, dia niaiky ny tsy fahombiazan’ny fandaminany ary nampahafantatra ny amin’ny “fanjakan’Ibaroa iraisam-pirenena vaovao.”
Amin’izao andro izao anefa dia mampiseho ny sekretera jeneralin’ny Firenena Mikambana sy ireo filoha hafa fa tsy mijery afa-tsy ny lafy tsaran-javatra izy ireo. Manisy firesahana ny amin’ny “vanim-potoana aorian’ny Ady mangatsiaka” ireo filazam-baovao. Ahoana no nitrangan’io fiovana io?
“Ny vanim-potoana aorian’ny Ady mangatsiaka”
Antony iray mendrika ny homarihina ny fivoriana iray nataon’ireo firenena 35 ao amin’ny Kaonferansa momba ny Filaminana sy ny Farimbonasa any Eoropa. Tamin’ny Septambra 1986 izy ireo dia nanao sonia ilay antsoina hoe Taratasim-panekena tany Stockholm, izay nanamarina indray ny faneken’izy ireo ny Fifanarahana tany Helsinki tamin’ny 1975.a Ny Taratasim-panekena tany Stockholm dia mirakitra fitsipika maro be natao hitantanana ny fampandehanana ireo asa ara-tafika. “Mampahery ireo vokatra azo tao anatin’ireo telo taona lasa, ary manomboka mihoatra ny zavatra takina voasoratra ao amin’ny Taratasim-panekena tany Stockholm ny fenitra tratran’ny zava-bita”, hoy ny tatitra nataon’ny SIPRI (Fikambanana Mikatsaka Fandriampahalemana Iraisam-pirenena any Stockholm) ao amin’ny Diary 1990 navoakany.
Avy eo, tamin’ny 1987, dia nahavita fifanarahana niavaka nitaky ny hamongorana ny bala afomangany fandatsaka rehetra miaraka amin’ny tany fianarana mitifitra, misy 500 ka hatramin’ny 5 500 kilaometatra, ireo firenena mahery indrindra. “Efa maty paika ny famongorana ara-bakiteny ireo bala afomanga mbamin’ireo fitaovana fandefasana azy, ary ny fanambarana mazava ireo fifanarahana dia efa voadiniky ny andaniny avy tsara”, hoy ny SIPRI.
Nisy fepetra hafa koa noraisina mba hampihenana ny loza mety hateraky ny ady noklehera. Ohatra, tamin’ny 1988, ireo firenena mahery indrindra dia nanao sonia fifanarahana iray momba ny “ ‘missiles balistiques’ (bala afomanga atosiky ny herim-pisintonan’ny tenan-javatra) sy ny sambo mpisitrika mpandefa ‘missiles balistiques’ eo amin’ireo kaontinanta.” Alohan’ny handefasana fitaovam-piadiana toy izany, ny ankilany dia tsy maintsy mampandre ny andaniny, tsy latsaka ny “efatra amby roapolo ora mialoha, ny amin’ny daty nokasainy sy ny faritra handefasany azy, ary ny faritra hasiany.” Araka ny voalazan’ny SIPRI, ny fifanarahana toy izany dia “saika azo antoka hanafoana ny mety hisian’ny loza hitranga eo amin’ny toerana iray, izay hiitatra ho ady noklehera haneran-tany.”
Nandritra izany, dia nohafainganina ireo planina natao hanatsarana ny filaminana maneran-tany. Tamin’ny May 1990, nandritra ny fivoriana an-tampony natao tany Washington, D.C., dia nanao fanoloran-kevitra Atoa Mikhaïl Gorbatchev, prezidà sovietika tamin’izany fotoana izany, fa hanao sonia dina iray momba ny fandriampahalemana ireo vondrona roa voaforon’ny firenena eoropeana. Tamin’ny Jolay, dia nivory tany Londres ireo firenena tandrefana 16 mpikambana ao amin’ny OTAN (Dinan’i Atlantika Avaratra). Ny valinteny nasetrin’izy ireo ny fanoloran-kevitr’i Mikhaïl Gorbatchev dia milaza fa ny andaniny roa dia samy hanao sonia “fanambarana iombonana izay hanambaranay amin’ny fomba manetriketrika fa tsy mpifandrafy intsony izahay ary manamafy ny fikasanay hifehy tena tsy handrahona na hampiasa hery intsony.” Ny matoan-dohateny tao amin’ny pejy voalohan’ny gazety afrikana iray dia nilazalaza izany ho “Dingana goavana iray ho amin’ny Fandriampahalemana maneran-tany.”
Avy eo, fotoana fohy talohan’ny fivoriana an-tampony iray natao tany Helsinki, any Finlanda, dia nilaza ny mpitondra tenin’ny fitondram-panjakan’i Etazonia fa “ny mety hisian’ny ady [any Atsinanana Afovoany] dia mitarika ho amin’ny planina iombonana vaovao iray momba ny fandriampahalemana maneran-tany.” Nihananalavitra ny fandriampahalemana rehefa nanafika an’i Koweït i Irak, ary toa notandindomin’ny fitaran’ny ady ny tany Atsinanana Afovoany. Teo ambany fahefan’ny Firenena Mikambana anefa, dia nisy miaramila iraisam-pirenena notarihin’i Etazonia nanery an’ireo miaramila nanafika hiverina tany amin’ny tanin’izy ireo. Ny firaisan-kina naneran-tany teo amin’ny zava-kendrena, izay niharihary tamin’io ady io, dia nampirisika ny sasany hanantena fa nanangasanga ny vanim-potoana iray ho an’ny farimbonasa.
Teo amin’ny faramparan’ny taona 1991, dia nitsahatra tsy nisy intsony tamin’ny fomba ôfisialy ny Firaisana Sovietika. Raha ny aminy manokana, dia ny naha-izy ny Firaisana Sovietika taloha mihitsy no niova tamin’ny fomba nanaitra ny saina. Navela hanambara ny fahaleovantenany ireo fanjakana baltika, ary nanaraka ny diany ireo repoblika hafa any amin’ny Firaisana Sovietika. Nisy fifandrafiana ara-pirazanana nahery vaika nipoitra tany amin’ireo tany izay toa mafy orina teo ambanin’ny fifehezana kôminista nitambatra. Nandritra izany, dia tonga tany amin’ireo fahavalony taloha ireo firenena eoropeana tatsinanana nitady fanampiana hiatrehana ireo fahasahiranana mafy ara-toekarena.
Izany fiovana feno teo amin’ny sehatra ara-politika maneran-tany izany dia nanokatra ny varavarana ahafahana manararaotra, ho an’ny fandaminan’ny Firenena Mikambana. Momba izany, dia nilaza toy izao ny The New York Times: “Koa satria mihamalefaka ireo fihenjanana maneran-tany ary misy ny toe-tsaina vaovao mampiseho fitiavana fiaraha-miasa eo amin’i Etazonia sy ny Firaisana Sovietika, dia mety hilaza andraikitra vaovao sady manan-kery kokoa eo amin’ny raharaha iraisam-pirenena ho an’ilay fandaminana maneran-tany izany.”
Moa ve izao, rehefa ela ny ela, no fotoana ho an’io fandaminana nisy hatramin’ny 47 taona io, mba hampisehoana izay zavatra azony atao? Moa ve isika tena eo am-pidirana ao amin’ilay antsoin’i Etazonia hoe “taonjato vaovao iray sy arivo taona vaovao iray ho an’ny fandriampahalemana sy ny fahafahana ary ny fanambinana”?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Io fifanarahana io no voalohany sady lehibe indrindra tamin’ireo fitohitohizam-pifanarahana nasiana sonian’i Kanada, Etazonia, Firaisana Sovietika, ary firenena 32 hafa, tany Helsinki. Ny anarana ôfisialin’ilay fifanarahana lehibe dia ny Fitsipika Faran’ny Kaonferansa momba ny Filaminana sy ny Farimbonasa any Eoropa. Ny tarigetrany voalohany dia ny hampihena ny fihenjanana iraisam-pirenena eo amin’ny Atsinanana sy ny Andrefana. — World Book Encyclopedia.