FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/1 p. 3-4
  • Fiangonana Miova Iray any Frantsa

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fiangonana Miova Iray any Frantsa
  • Mifohaza!—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy toy ny taloha intsony ny zava-drehetra
  • Tena mahatoky tokoa ve ireo mpivavaka?
  • Ny Eglizy — Fiovana sy Fisafotofotoana
    Mifohaza!—1994
  • Nahoana no Mamoy ny Heriny ny Fiangonana?
    Mifohaza!—1996
  • Ahoana no Tokony Hiheveran’ny Kristianina ny Lamesa?
    Mifohaza!—1999
  • Aiza ny Mpiangona?
    Mifohaza!—1996
Mifohaza!—1994
g94 8/1 p. 3-4

Fiangonana Miova Iray any Frantsa

Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! any Frantsa

“ ‘Mila tsy hisy mpiangona na dia iray aza. Isa-maraina dia voronkely sy hala no anaovako ny Lamesa. Tamin’ny taon-dasa aho dia nanao batemy iray sy nitarika fandevenana 26. Azonareo heverina ve izany? Tsy nisy na dia fampakaram-bady iray aza.’ Fony tonga voalohany tany La Bastide, [tanàna kely any atsimon’i Frantsa] [io pretra io], dia ankizy 85 no nanatrika katesizy. Amin’izao fotoana izao, dia dimy ny tontalin’isan’izy ireo. Seminarista iray monja no ao amin’ilay diosezy, ary paroasy 120 no tsy manana pretra.” — Pretra iray, voatonona tao amin’ny Le Figaro, gazety mivoaka isan’andro any Paris.

“Iza no hanapa-kevitra ny amin’ny fanomezana indray ho an’ireo Katolika ireo hiram-pivavahana gregoriana, ireo fihirana kanto, (...) ireo otely voaravaka voninkazo, ireo fitafiana fitondra amin’ny fankalazana, ny emboka manitra, ireo orga, ary ireo pretran’ny paroasy ho eo amin’ny polipitra? (...) Ny Katolika iray tsy hita hatramin’ny ela be, ka manapa-kevitra ny hiverina ao amin’ny andian’ondry, dia hitovy amin’ilay zanaka adala. Ankehitriny anefa dia tsy hahita ilay hafanana tao an-tranon-drainy izy, fa fijanonam-piarakodia ihainoana ny toriteny amin’ny alalan’ny fanamafisam-peo kosa.” — Geneviève Dormann, nanoratra tao amin’ny Le Figaro Magazine.

NANOMBOKA tamin’ny faran’ireo taona 1970, dia nisy fiovana lehibe natao ho an’ireo Katolika manambady Protestanta. Hatreo amin’ny 1966, ilay vady katolika dia tsy maintsy nanoratra voady fa hitaiza ho Katolika izay zanaka haterany ao amin’izany fanambadiana izany izy. Ilay vady protestanta koa dia tsy maintsy nanao sonia izany fanekena izany. Amin’izao andro izao kosa dia milefitra kokoa ny eglizy. Azo atao ao amin’ny fiangonana protestanta na ao amin’ny eglizy katolika ny fankalazana ilay fampakaram-bady, eo anatrehan’ny mpitondra fivavahana iray, avy amin’ny iray amin’ireo fiangonana ireo, na avy amin’izy roa.

“Nanomboka tamin’ny Vatikana Faharoa, dia tsy vitan’ny hoe mampiseho endrika vaovao ny Eglizy Katolika, fa mihevitra ny tenany amin’ny fomba hafa koa izy. (...) Maotina kokoa ny eglizy ankehitriny, manatona kokoa ireo fivavahana kristiana hafa, manaiky ny fahalalahana hanana ny feon’ny fieritreretan’ny tena, ary milaza ny tenany ho ‘mpitondra fanampiana ho an’izao tontolo izao’.” — Le Monde, gazety frantsay mivoaka isan’andro.

Hatramin’ny telopolo taona mahery izao, ary indrindra fa hatramin’ny Vatikana Faharoa, dia nandalo fiovana maro ny Eglizy Katolika. Manao ahoana ny fahitan’ny mpivavaka sy ny klerjy izany fiovana izany?

Tsy toy ny taloha intsony ny zava-drehetra

Tany am-piandohan’ireo taona 1960, ny Kardinaly Feltin, arsevekan’i Paris, dia nanome lalana ireo pretra ao amin’ny dioseziny hamela ny fitafian’ny pretra nanaovany avy, ary hanao akanjo tsotra kokoa, complet mihitsy aza, misy lakroa kely eo amin’ny vozony. Saiky nanjavona tanteraka ny soutane, na akanjo rebareban’ny klerjy katolika, any Frantsa, ka ireo pretra mpihazona ny lovantsofina ihany no manao azy. Ankoatra izany koa, ireo Katolika dia nomena lalana hifidy ny hanatrika Lamesa ny asabotsy hariva, fa tsy ny alahady maraina.

Ny Litorjia, izay tsy novana tao anatin’ny taonjato maro, dia niharan’ny fiovana maro. Nisy hira maoderina vaovao nampidirina tao amin’ny Lamesa, na dia tsy voatery ho tian’ny rehetra aza izany. Nahodina ny otely mba hahafahan’ilay pretra hanatrika ny andian’ondriny izao mandritra ireo fanompoam-pivavahana. Kanefa ny iray amin’ireo fiovana mendrika homarihina indrindra tao amin’ny Litorjia katolika dia ny fanaovana ny Lamesa amin’ny fiteny eo an-toerana. Izany dia nitarika ho amin’ny fanjavonan’ny teny latina tanteraka tao amin’ny Lamesa.

I François sy i Maryse ary i Gilles dia ohatra ny amin’ny fihetsiky ny Katolika mafana fo sasany teo anatrehan’io tarehin-javatra io. I François dia mpanohana mafana fo ny fanononana ny Lamesa amin’ny teny frantsay. Hoy ny nambarany: “Azonao fara faharatsiny izay nolazain’ilay pretra.” I Maryse kosa dia nanohitra ilay fiovana, satria araka ny filazany, ny Lamesa dia “nahafinaritra kokoa taloha”. Nitovy fihetseham-po tamin’i Maryse i Gilles. Hoy ny nambarany: “Rehefa niova avy amin’ny teny latina ho amin’ny teny frantsay izahay, tamiko izany dia toy ny famadihana ny finoana.”

Eo amin’ireo Katolika mankasitraka ireo fiovana ireo, dia maro no mihevitra fa tsy dia lasa lavitra loatra ny fiovana. Misy manolo-kevitra fa tokony hanana anjara marisika kokoa eo amin’ny raharahan’izao tontolo izao ny eglizy. Ny hafa mankasitraka ny fanambadian’ny pretra sy ny fanamasinana vehivavy hanao ny asan’ny pretra mihitsy aza.

Tena mahatoky tokoa ve ireo mpivavaka?

Tsy ireo fombafomban’ny eglizy ihany no niharan’izany fiovana izany. Any amin’ny tany maro, dia nihena tsy nisy ohatra izany ny isan’ny mpiangona. Ohatra, ny ampahan’isan’ireo Katolika frantsay mamonjy Lamesa indray mandeha isam-bolana fara fahakeliny, izay 45 isan-jato teo aloha, dia nihena ho 20 isan-jato tao anatin’ireo 25 taona farany. Ny fanaovana konfesy tsy tapaka amin’ny pretra izao dia tsy araka ny toetr’andro intsony. Araka ny fandinihana iray natao vao haingana, dia 14 isan-jaton’ny mponina frantsay monja no mandeha mikonfesy indray mandeha isan-taona fara fahakeliny, raha 51 isan-jato izany tamin’ny 1952.

Ny fanaraha-maso ny andian’ondry koa dia nanjary zava-manahirana lehibe dia lehibe iray. Mihantitra ny klerjy. Tsy misy manolo ireo pretra miala na nody mandry. Ho vokatr’izany, dia nandray anjara marisika kokoa eo amin’ny fanompoam-pivavahana ny lahika.

Ny zava-tsarotra mifandray amin’ny raharahan’ny pretra dia tsapa kokoa any amin’ny faritra ambanivohitra. Fiangonana any ambanivohitra an-jatony maro any Frantsa no tsy manana pretra intsony, ary maro amin’ireo mpivavaka no mankany amin’ireo tanàna kely eo akaiky mba hamonjy Lamesa ny alahady, na voatery mianina amin’izay antsoin’ny eglizy any Frantsa hoe ADAP, Les Assemblées Dominicales en L’Absence de Prêtres (Ireo Fihaonambe Atao ny Alahady Rehefa Tsy Misy Pretra). Manao ahoana ny fiheveran’ny olona ireny fihaonambe izay tsy azo heverina ho toy ny Lamesa intsony ireny? Niresaka tamim-pahatsorana toy izao momba ny tarehin-javatra any amin’ny faritra afovoan’i Frantsa ny masera iray: “Tsy dia tena mitady na inona na inona ny olona raha ny marina. Raha tsy misy zavatra atao eto ny alahady, dia ho afa-po amin’izany koa izy amin’ny farany.”

Ireo antokon’olona katolika vaovao — mazàna manao fahagagana (charismatiques) — dia manome fanantenana ho an’ny maro. Kanefa tsy mahakasika afa-tsy ampahany kely amin’ireo mpivavaka katolika ihany izy ireo ary tsy manolotra ala olana ho an’izay antsoina hoe zava-tsarotra ao amin’ny eglizy.

Nahoana anefa no mitranga ireo fiovana ireo? Oviana izy ireo no nanomboka? Inona no nampipoitra azy ireo? Mba hamaliana ireo fanontaniana ireo, dia mila ny mijery vetivety ny tantaran’ny Eglizy Katolika tao anatin’ireo 30 taona lasa isika.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara