Aiza ny Mpiangona?
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ESPAINA
“Tsy misy zavatra mahafaty aoka izany ny fivavahana toy ny tsy firaikana.”
EDMUND BURKE, MPITONDRA FANJAKANA BRITANIKA TAMIN’NY TAONJATO FAHA-18.
EO AMIN’NY lemaka iray be tafio-drivotra any amin’ny faritra avaratra amin’i Espaina no misy ny tanàna kelin’i Caleruega. Manerinerina eo amin’ilay tanàna tamin’ny Moyen Âge ny couvent roman iray manaitra ny saina. Naorina izy io, 700 taona lasa izay, ho fanomezam-boninahitra an’i Domingo de Guzmán, ilay nanorina ny fikambanana dominicain sady teraka tao. Nandritra ny taonjato fito, ilay couvent dia nipetrahana masera izay nifidy ny hiaina tao anatin’ny fahanginana sy ny fitokana-monina.
Mitete ny tafon’ilay couvent, ary manomboka mirodana ireo rindrina tranainy. Manahy ny amin’ny fihasimbana mihanaka kokoa — ny firodanan’ny fivavahana mihitsy — anefa ilay mère supérieure. “Rehefa niditra tao amin’ilay couvent aho, efa ho 30 taona lasa izay, dia nisy masera 40 tao”, hoy ny fanazavany. “Ankehitriny dia 16 monja izahay. Tsy misy [masera] tanora. Toa zavatra naman’ny lasa ny fanokanan-tena ara-pivavahana.”
Izay mitranga any Caleruega dia miseho manerana ny ankamaroan’i Eoropa manontolo. Tsy nisy ny hoe fitaoman’ny toe-tsaina manohitra fivavahana, fa fitsoahana an-daharana mangina, tsy azo ihodivirana, fotsiny. Miasa ho an’ireo mpizaha tany fa tsy manintona ny “mpiangona” eo an-toerana ireo katedraly malaza any Eoropa. Resin’ny tsy firaharahana ny fiangonana — na protestanta izy na katolika — izay tsy nety resy teo aloha. Manapaka ny fiainan’ny olona ny fanahiana araka an’izao tontolo izao fa tsy ara-pivavahana — fironana antsoin’ireo mpitondra tenin’ny fiangonana hoe fanilihana ny fivavahana. Toa tsy zava-dehibe intsony tsotra izao ny fivavahana. Moa ve ny rivo-piainana ara-pivavahana eto Eoropa mety ho fambara ny fiharatsiana mitovy amin’izany madiva hifaoka ny faritra hafa eo amin’izao tontolo izao?
Inona no mitranga amin’ny fandehanana miangona?
Tsy zava-baovao any avaratra amin’i Eoropa io fisehoan-javatra io. Dimy isan-jato monja amin’ireo Loteriana any Scandinavie no mandeha miangona tsy tapaka. Any Grande-Bretagne, dia 3 isan-jato monja amin’ireo milaza tena ho Anglikanina no mamonjy ny fotoam-pivavahana ny alahady. Ankehitriny anefa, ireo Katolika eoropeana any atsimo amin’i Eoropa dia toa manaraka ny ohatr’ireo Katolika any avaratra.
Any Frantsa, tany izay Katolika ny ankamaroan’ny olona, dia 1 monja amin’ny olom-pirenena 10 no mankany am-piangonana indray mandeha isan-kerinandro. Tao anatin’ireo 25 taona lasa, ny ampahany isan-jato amin’ireo mponina any Espaina izay mihevi-tena ho “Katolika mafana fo” dia avy tamin’ny 83 isan-jato no nidina be ho 31 isan-jato. Tamin’ny 1992, ny arseveka espaniola Ramon Torrella dia nilaza tamin’ny valandresaka tamin’ny mpanao gazety fa “tsy misy izany Espaina katolika izany; mandeha amin’ny filaharana amin’ny Herinandro Masina sy ny Lamesa amin’ny Krismasy ny olona — fa tsy [amin’ny Lamesa] isan-kerinandro”. Nandritra ny fitsidihan’ny papa an’i Madrid tamin’ny 1993, dia nampitandrina i Jean Paul II fa “mila miverina amin’ny fiandohany kristiana i Espaina”.
Nisy fiantraikany teo amin’ny klerjy, ary koa teo amin’ny lahika, ny toe-tsaina tsy tia fivavahana. Nidina ho 140 tamin’ny 1988 (latsaka ny antsasaky ny tarehimarika tamin’ny 1970) ny isan’ireo pretra vao voatendry tany Frantsa, fa eto Espaina kosa dia misy 8 000 eo ho eo no nandao ny asan’ny pretra mba hanambadiana. Etsy an-danin’izany, ny sasany izay tena manohy manompo ny andian’ondriny dia misalasala momba ny hafatra ampitainy. Efatra amby roapolo isan-jato monja amin’ireo anisan’ny klerjy loteriana any Soeda no mihevitra fa afaka mitory momba ny lanitra sy ny afobe “amin’ny feon’ny fieritreretana tsy misalasala” izy ireo, fa ny ampahefatr’ireo pretra frantsay kosa no tsy mahazo antoka akory aza ny amin’ny fitsanganan’i Jesosy.
Fahafinaretana sy fitiavan-javatra, ambony kokoa noho ny fitiavam-pivavahana
Inona no maka ny toeran’ny fivavahana? Any amin’ny tokantrano maro, ny fanarian-dia dia nisolo toerana ny fanompoam-pivavahana. Ny alahady dia mamonjy ny torapasika na ny tendrombohitra fa tsy ny fiangonana, ireo fianakaviana. “Manorisory ny fandehanana any amin’ny Lamesa”, hoy i Juan, zatovo espaniola toy ny hafa rehetra, nanainga soroka naneho ny tsy firaharahany. Tsy afaka mifaninana amin’ny lalao baolina kitra na ny rindran-kira tiam-bahoaka, fisehoan-javatra izay manintona vahoaka betsaka mameno kianja, ny fotoam-pivavahana.
Tsy ny fihenan’ny isan’ny mpiangona no hany porofon’ny fiharatsian’ny fivavahana. Tian’ny Eoropeana maro kokoa ny mifantina ny hevitra ara-pivavahana azoazony. Amin’izao fotoana izao ny foto-pinoana ofisialin’ny fiangonana dia mety tsy hisy fitoviana firy amin’ny zavatra inoan’ny tenan’ireo izay milaza ho ao amin’io fivavahana io indrindra. Tsy mino intsony ny fiainana aorian’ny fahafatesana ny ankamaroan’ny Eoropeana — na Katolika izy ireo na Protestanta — ary tsy mino ny fahagagana kosa ny maherin’ny 50 isan-jaton’ny Katolika frantsay sy italiana ary espaniola.
Toa tsy manan-kery ireo lohandohany ara-pivavahana mba hisakanana io firongatry ny tsy fanarahana io. Tsy nisy nanamarihana izany kokoa noho ny tamin’ny ezaka manokana nataon’ny papa nanoherana ny fandrindram-piterahana. Tamin’ny 1990, ny Papa Jean Paul II dia nampirisika mafy an’ireo Katolika mpivarotra fanafody mba tsy hivarotra fanafody tsy mampiteraka. Nilaza izy fa “mandika ny lalàna voajanahary ka manimba ny fahamendrehan’ny olona iray” ireny entam-barotra ireny. Toy izany koa, ny Catechism of the Catholic Church dia manizingizina fa “ny fifankatiavan’ny lehilahy sy vehivavy mpivady, noho izany, dia mijoro eo ambanin’ny adidy roa sosona, dia ny fahatokiana sy ny fiterahana maro”.
Na dia eo aza ireo baiko henjana ireo, ny mpivady katolika mahazatra dia manao izay tiany ihany. Zavatra maningana ankehitriny izany hoe fianakaviana manan-janaka mihoatra ny roa izany any amin’ny tany katolika any atsimo amin’i Eoropa. Any Espaina, ny kapaoty anglisy — izay saika entam-barotra natao varo-maizina, roapolo taona lasa izay — dia anaovana dokam-barotra tsy tapaka ao amin’ny televiziona, ary 3 isan-jato monja amin’ny vehivavy katolika frantsay no milaza fa mifikitra amin’ny fanambarana katolika ofisialy momba ny fandrindram-piterahana.
Mazava fa minia tsy mahalala ny fiangonana sy ny fampianarany ny Eoropeana. Nilazalaza mazava tsara toy izao ilay tarehin-javatra ao amin’ny egliziny i George Carey, arseveka anglikanina any Canterbury: “Efa ho faty isika”, hoy izy, “ary raharaha tena ilana fanaovan-javatra maika tsy maintsy atrehintsika izany.”
Tsy nanomboka tamin’ny fitsimbadihana nentin’ny Réforme no hita ho nihozongozona aoka izany ny trano fiangonana any Eoropa. Nahoana no nanjary tsy niraika tamin’ny fivavahana ny Eoropeana maro? Inona no hoavin’ny fivavahana?