FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g94 8/10 p. 24-26
  • Asio Hatsikana ny Fiainanao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Asio Hatsikana ny Fiainanao
  • Mifohaza!—1994
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hihomehy sa tsy hihomehy
  • Hatsikana sy ny fahasalamanao
  • Ao anatin’ny faritry ny fianakaviana
  • Marary Tia Vazivazy
    Mifohaza!—2005
  • Fihomehezana
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Nahoana Aho no Ataon’izy Ireo Lasibatra Foana?
    Manontany ny Tanora—Valiny Mandaitra
  • Tsy Nilavo Lefona Izy
    Mifohaza!—1998
Mifohaza!—1994
g94 8/10 p. 24-26

Asio Hatsikana ny Fiainanao

Andro ririnina nangatsiaka tamin’izay, ary rakotry ny ranomandry ny zanatohatra. Saiky nianjera mihitsy ilay voalohany nanandrana nidina. Ilay nanaraka avy teo dia nanambara hoe: “Toy izao no fanaovana azy!” Zara raha tapitra ny teniny dia tafidina terỳ ambany izy, nitsirara. Nisy fotoam-panginana kely noho ny tahotra, avy eo dia dangin’ny hehy ny mpitazana rehefa nahita fa tsy naratra izy.

MISY “andro ihomehezana”, hoy ny fanamarihan’ilay lehilahy hendry atao hoe Solomona efa ho telo arivo taona lasa izay. (Mpitoriteny 3:4). Mbola marina foana izany amin’izao andro izao. Ny fahaizana mihomehy dia lafin-toetra nomen’Andriamanitra, fanomezana avy amin’Ilay lazalazain’ny Baiboly ho “Andriamanitra finaritra”. — 1 Timoty 1:11.

Tsy mahagaga àry raha feno zavatra mampihomehy ny asa famoronana: ireo saka kely sy alika kely amin’ny sangisanginy mahatsikaiky, ny zana-diona manaikitraikitra ny rambon-dreniny mandra-pahazony kapoka, ireo zana-drajako mifanenjika sy miantonta eo ambonin’ny namany avy eny amin’ny rantsankazo. Eny amin’ny manodidina antsika rehetra eny dia misy hatsikana izay miandry ny hojerena sy hankasitrahana.

Izany akory tsy milaza fa mihomehy amin-javatra mitovy ny olona rehetra. Mifanohitra amin’izany, fa izay mahatsikaiky matetika dia miankina amin’ny kolontsaina sy ny maha-izy ny tena, ny fiaviana, ny toe-po, ary koa amin’anton-javatra hafa. Saiky ny olona rehetra anefa dia hihomehy amin-javatra toy ny tantara mahatsikaiky iray, zavatra tsy nampoizina mahafinaritra, vazivazy, tsilaolaon-teny mampiseho hakingan-tsaina.

Natao hanaovana inona ny hatsikana? Fitaovana fifandraisana tsara kokoa amin’ny hafa izy io, fara faharatsiny. Nisy niantso ny hehy hoe “ny elanelana kely indrindra eo amin’ny olon-droa”. Misy tokoa olona mino fa ny hatsikana dia azo ampiasaina ho toy ny fitaovana fitsapana ny fifanarahan-toetra eo amin’ny mpivady. Nisy fandinihana iray nahitana fa ireo olon-droa izay miray hevitra ny amin’izay mahatsikaiky dia mirona kokoa hifankafy sy hifankatia ary haniry hivady, noho ireo izay tsy mitovy fitiavan-javatra ihomehezana kokoa. Nahoana? Satria ny hatsikana dia milaza zavatra maro: ireo zavatra heverina ho sarobidy, ireo zavatra mahaliana, ireo zavatra ahina fatratra, ny fahakingan-tsaina sy ireo zavatra foronin’ny saina ary ireo zavatra ilaina. Ny famotopotorana iray tamin’ny 1985 natao tamin’ny fikambanam-barotra amerikana arivo, dia nampiharihary fa “ny olona mahay manao sy mandray vazivazy dia mirona ho tia mamoron-javatra kokoa, hilefitra kokoa ary ho vonona kokoa handinika sy handray hevitra sy fomba fanaovan-javatra vaovao”.

Hihomehy sa tsy hihomehy

Tsy misy olona tena mahafantatra marina izay mahatonga ny zavatra iray hahatsikaiky. Misy mino fa ny votoatin’ny hatsikana dia eo amin’ny fahasampontsamponana — ny fanakambanana zavatra roa toa tsy mifanaraka. Ny olon-dehibe iray manao akanjon’ny gararo (clown) amin’ny cirques dia mety hampitsipaky ny hehy ankizy kely iray. Ny olon-dehibe iray manana fanandraman-javatra lehibe kokoa eo amin’ny fiainana sy fahaizana mamanta-javatra ambony anefa, dia mety tsy hihevitra ho mahatsikaiky intsony ireo sangisangy ataon’ny gararo iray. Mety hahita fahafinaretana kokoa amin’ny hatsikana amin’ny endriny ara-tsaina izy — karajia, tsilaolaon-teny na vazivazy — izay mampiasa ny fahasampontsamponana eo amin’ny teny fa tsy eo amin’ny ambaratonga ara-batana.

Mino ny mpanao fikarohana sasany fa ny hatsikana dia mety ho vokatry ny famoahana hery ara-pihetseham-po nampanginina. Mety hampiasaina mba hanaronana fihenjanana na fanaintainana ny hatsikana. Hoy ny Baiboly: “Na dia mihomehy aza, dia ory ihany ny fo, ary ny faran’ny hafaliana dia alahelo.” — Ohabolana 14:13.

Misy hatsikana amin’ny endriny maro mahatafiditra ilay antsoina hoe hanihany. Misy olona iray tafintohina ka mianjera na voatondraky ny rano. Mahatsikaiky ô? Angamba raha tsy nisy tena naratra.

Ny Kristiana iray dia miezaka ny tsy hamboly fitiavana vazivazy maloto na masiaka. Raha jerena tokoa, ny fitiavana dia “tsy mifaly amin’ny tsi-fahamarinana”. (1 Korintiana 13:6). Halavirin’ny Kristiana koa ny sangy mihoatra ny loha izay manao tsinontsinona firazanana na inona izany na inona. Ampifandanjainy amin’ny “fahaiza-mipetraka eo amin’ny toeran’ny hafa” ny fahaizany manao sy mandray vazivazy. (1 Petera 3:8, NW ). Mety hampifalifaly mahafinaritra, ohatra, ny mijery zazakely iray miana-mandeha, manandrana manao dingana vitsivitsy ary avy eo dia mitsirara. Fa raha misy zokiolona na kilemaina mianjera kosa, dia ny fihazakazahana hanampy azy no fihetsika mety fa tsy ny mihomehy.

Hatsikana sy ny fahasalamanao

Misy vidiny betsaka ny hatsikana, raha ampiasaina araka ny tokony ho izy. Raha ny marina, dia misavovona tsikelikely ny porofo fa mety ho azo ampiasaina ho fitaovana fitsaboana ny hehy. Fantatra fa ny fihomehezana dia manotra amin’ny fomba mahasalama an’ireo taova anatin’ny tena. Ankoatra izany, araka ny gazetiboky American Health, dia “misy mpanao fikarohana mihevitra fa ny hehy dia mety hanatanjaka ny rafi-kery fanefitra”. Avy eo ilay gazetiboky dia manonona an’i Lee S. Berk, immunologue, ho niteny hoe: “Afaka mampiasa ny rafi-kery fanefitra araka izay tiany ny fihetseham-po tsy manorina, ary ankehitriny, dia toa afaka manao zavatra mitovy amin’izany ireo fihetseham-po manorina.” Izany dia manoritra ny fahendrena asehon’ireo teny ao amin’ny Baiboly hoe: “Ny fo ravoravo mahasalama tsara”. — Ohabolana 17:22.

Ho fanantenana ny hampiasa ny hery manasitrana ananan’ny hatsikana, dia misy hopitaly sasany nanangana ilay antsoina hoe efitrano fihomehezana, ka ao ireo marary dia afaka milalao, mijery sarimihetsika mahatsikaiky, mihaino vazivazy, na mitsidika fotsiny miaraka amin’ny fianakaviany ao anatin’ny rivo-piainana falifaly. Afaka mampiasa ny hatsikana amin’izay tianao ve ianao? Aoka hatao hoe manana namana na havana marary any amin’ny hopitaly ianao. Nahoana raha manao izay hahamiramirana an’ilay marary amin’ny fanomezana azy boky misy hatsikana na carte mahatsikaiky iray rehefa mety ny hanaovana izany?

Afaka mampitony fahatezerana koa ny hehy. Hoy ny Dr. R. B. Williams, Jr.: “Ratsy ho an’ny fahasalamanao ny fahatezerana.” Mitovy amin’izany koa no lazain’ny Baiboly hoe: “Ny fo [tony, NW ] no fiainan’ny nofo; fa ny fahamaimaizan-tsaina dia mahalo ny taolana.” (Ohabolana 14:30). Izao no marihin’ny Dr. Williams: “Sarotra ny mitoetra ho tezitra rehefa mihomehy ianao.” Eny, ny fijerena ny lafiny mampihomehy amin’ny tarehin-javatra iray no fomba manorina indrindra hampitonena ny fahatezerana.

Ao anatin’ny faritry ny fianakaviana

Azo ampiasaina ao anatin’ny tokantrano ny hatsikana. Hoy ny lehilahy manambady iray: “Izy io dia sahala amin’ny fiasana iray azo ampiasaina amin-javatra maro [clé universelle] ho an’ny mpanamboatra fiara iray, noho izy manao zavatra maro aoka izany. Miaro sy mankahery izy io, manokatra fifampiresahana mahavokatra, mandrodana ireo fitsarana an-tendrony ary mampiova teny manorisory ho teny amin’ny antonona sy feno fiheverana.”

Mahasoa indrindra ny fahaizana manao sy mandray vazivazy rehefa misy fahazarana mahasosotra mandrahona ny hampihenjana ny fifandraisana. Nanadino ny nampirina ny kilalaony ny zanakao lahy, na dia teo aza ny fananarana imbetsaka mba hanaovany izany. Navelan-drangahy vadinao hiparitaka teny rehetra teny ny akanjony maloto. Navelan-dravehivavy vadinao ho may ny laoka. Tsy manao afa-tsy ny manaratsy raharaha ny fitsikerana ny fahadisoana na ny famasohana na ny fanomezan-tsiny na ny antsoantso na ny kiakiaka. Izao no marihin’ny mpanao fikarohana ara-pahasalamana iray voatonona ao amin’ny gazetiboky Redbook: “Raha manohitra olona iray ianao, na maneso azy, dia hanjary hiaro tena izy. Ny hatsikana dia manasa ny olona hijery ny fitondran-tenany avy eny lavitra, ka hanova izany.”

Izany akory tsy midika ho fihomehezana an’ilay olona diso noho ny tsy fitandremana. Mazàna izany no mitondra fanaintainana fa tsy hehy. Miezaha mampiantefa ny hatsikana ataonao amin’ilay tarehin-javatra mihitsy. Ny tokelaka iray dia afaka manalefaka ilay fihenjanana. Hoy ny vehivavy manambady iray: “Misy fotoana ahitan’ny vadiko fa kely sisa dia ho tezitra aho, dia manalefaka izany izy amin’ny fanamarihana na fanaovan-javatra mampihomehy sasany. Alohan’ny hahafantarako izany dia efa mihomehy aho. Amin’izay vao tsapako fa tsy zava-dehibe akory ilay izy, raha jerena.”

Indreto misy teny fampitandremana vitsivitsy anefa. Halaviro ny fampihomehezana rehefa mitaky fahamaotinana na fangorahana ny tarehin-javatra. Mariho ny Ohabolana 25:20 manao hoe: “Toy ny miala lamba amin’ny hatsiaka, ary toy ny vinaingitra amin’ny sirahazo, dia toy izany ny mikalo amin’ny malahelo am-po.” Tsy tokony hampiasaina ny hatsikana raha tsy mitandrina izay aloaky ny vava amin’ny fomba mety, mba tsy handratra ara-pihetseham-po na ara-batana. Aza avela ho feno haratsiam-panahy na ho tsy maneho fanajana mihitsy ny hatsikana. Izany dia manilika ny famelana ireo ankizy lehibe haneso tsy an-kijanona ny zandriny. Hafa ny hoe sangisangy tsy natao hanisian-dratsy, fa hafa tanteraka ny fanamarihana manindrona. Tokony hiezaka hanisy fetra ny hatsikana ny mpivady, fa tsy hampiasa azy io ho fitaovana fanakianana na fomba fanambaniana.

Nanoratra toy izao indray mandeha ilay poety atao hoe Langston Hughes: “Toy ny ranonorana raisina amim-pifaliana amin’ny fahavaratra, ny hatsikana dia mety hanadio sy hampangatsiatsiaka tampoka ny tany sy ny rivotra ary ny tenanao.” Marina tokoa fa ny hatsikana dia afaka manana anjara lehibe eo amin’ny fiainantsika. Afaka misakana antsika tsy hihevi-tena ho zavatra loatra izy io. Afaka manampy antsika hitoetra ho falifaly sy tsy hihenjana izy io. Afaka mandravona ny fifandraisana amin’ny hafa izy io. Afaka manampy antsika hizaka fahoriana izy io. Afaka manampy antsika hanatsara ny fahasalamantsika mihitsy aza izy io.

Koa asio hatsikana àry ny fiainanao. Zahao izy io. Kolokoloy izy io. Mambole azy io. Hisy vokany tena tsara eo aminao sy eo amin’ireo manodidina anao izy io!

[Sary, pejy 25]

Mandravona ireo tsy fetezan-javatra madinika ao an-tokantrano ny hatsikana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara