Ny Sida Atsy Afrika — Hatraiza no Maha-azo Ampamoahina ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana?
Avy amin’ny masoivohon’ny Mifohaza! atsy Afrika
Araka ny ampiasaina ato amin’itỳ lahatsoratra itỳ, ilay fitenenana hoe “Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana” dia manisy firesahana ny amin’izay mihambo ho Kristianisma, mifanohitra amin’ny Kristianisma ao amin’ny Baiboly.
Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana
“Ireo tapany amin’izao tontolo izao izay mihambo ho manaraka ny finoana kristiana ny ankamaroan’ny mponina ao aminy.” — Webster’s New World Dictionary.
SIDA
“Tsy fahasalamana noho ny lesoka azo eo amin’ny hery fanefitra, mifandray amin’ny fahavoazan’ireo selan’ny hery fanefitra noho ny fidiran’ny retrovirus iray.” — Webster’s Ninth New Collegiate Dictionary.
VALANARETINA maneran-tany ny SIDA. Olona 17 tapitrisa no tombanana ho efa voan’ny VIH, ilay virosy miteraka ny SIDA. Ary miely haingana izy io.
Na dia nanehoana fiheverana be aza ireo raharaha iadian-kevitra ara-pitsaboana sy ara-politika ary ara-pihetseham-po mifandray amin’io valanaretina io, dia kely no nolazaina momba an’ireo raharaha iadian-kevitra ara-pivavahana tafiditra amin’izany. Mety ho toa tsy azo inoana ho an’ny mpamaky sasany ilay hevitra ny amin’ny fivavahana ampifandraisina amin’ny fielezan’ny SIDA. Tsy hoe mampiseho hadalana anefa izany rehefa heverina ny tarehin-javatra niseho tatsy amin’ny kontinentan’i Afrika.
Namely mafy an’i Afrika tamin’ny fomba niavaka ny SIDA.a Milaza ny sasany fa ny 67 isan-jaton’ny mararin’ny SIDA eo amin’izao tontolo izao no monina ao amin’io kontinenta io. Any Tchad, ny isan’ny marary nanaovana tatitra nandritra ireo dimy taona lasa dia nitombo ho avo 100 heny. Kanefa, tombanana fa ny ampahatelony monja amin’ny marary rehetra no nanaovana tatitra. Araka ny tatitra iray nataon’ny Banky Iraisam-pirenena, ny SIDA dia nanjary ny antony fahita indrindra mahatonga ny fahafatesana eo amin’ny olon-dehibe any amin’ny tanàn-dehibe maro, be mponina, atsy Afrika.
Ny fivavahana — Nanana anjara asa ve izy io?
Azo antoka fa ny Kristianisma — ilay fivavahana nampianarin’i Jesosy Kristy — dia tsy azo heverina ho tompon’andraikitra amin’io loza io. Kanefa, araka ny aseho etsy ambany, dia tafiditra ao amin’ilay fitenenana hoe “Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana” ireo tany misy olona mihambo ho Kristiana. Ary voarohirohy amin’ny fomba mazava ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Tsy ny fiangonana akory no namorona na nampiely mivantana ny virosin’ny SIDA. Niely tatsy Afrika anefa ny SIDA, voalohany indrindra noho ny fanaovana firaisan’ny lahy sy ny vavy amin’ny olona samy hafa.b Noho izany, ny SIDA dia azo antsoina hoe olana ara-pitondran-tena, ary, amin’ny maha-izany azy, dia mampipoitra fanontaniana manahiran-tsaina sasany momba ny fivavahana. Rehefa dinihina, ny “Kristianisma” afrikana dia nafindra mivantana avy tany amin’ny tany tandrefana. Ny tenan’ireo mpitondra ao amin’ny fiangonana no niantsoroka ny fitarihana an’ireo Afrikana hiova finoana ho amin’ny karazam-pivavahany, tamin’ny fihamboana fa nanolotra fomba fiaina ambony kokoa noho ireo fomba nentim-paharazana afrikana izy io. Moa ve tena nanatsara tokoa ny fari-pitondran-tenan’ireo mpino vaovao tao aminy ny fitaoman’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana? Asehon’ny krizy momba ny SIDA amin’ny fomba azo alaina sary an-tsaina fa ny nifanohitra tamin’izany indrindra no nitranga.
Diniho, ohatra, ny firenen’i Tchad. Amin’ireo tanàna lehibe efatra ao aminy, dia telo no manana mponina “kristiana” maro dia maro. Silamo ny ankamaroan’ny olona ao amin’ilay iray hafa. Kanefa, ao amin’ireo tanàna telo “kristiana” no mahazo vahana ankehitriny ilay virosy! Miverimberina manerana ilay kontinenta manontolo izany fisehoan-javatra izany. Ny afovoany sy ny atsimo amin’i Afrika, izay Kristiana anarana, dia manana taha ambony lavitra amin’ny fisehoan’ilay aretina noho i Afrika Avaratra, izay Silamo ny ankamaroany.
Ny fomba nahatongavan’i Afrika ho “Kristiana”
Nahoana no niely haingana aoka izany teo amin’ny olona izay mihambo ho mpanara-dia an’i Kristy io virosy io? Raha ny tena izy, na dia Afrikana maro aza no milaza tena ho Kristiana, dia somary vitsy, raha ny marina, no miaina mifanaraka amin’ireo fari-pitsipika ara-pitondran-tenan’ny Kristianisma, izay ambara ao amin’ny Baiboly. Hita ho vokatra mivantan’ny fomba nanatanterahan’ireo misioneran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny “fitarihana [ny mponin’i Afrika] hiova finoana” izany.
Tamin’ireo taonjato faha-18 sy faha-19, dia niharan’ny fanafihana ireo zavatra ninoana nahazatra ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nanjary neken’ny besinimaro ny fitsikerana ambony, izay nampihen-danja ny Baiboly ho literatiora tranainy iray fotsiny teo imason’ny olona maro. Nanomboka nekena koa ny teorian’ny evolisiona, na dia teo amin’ny klerjy aza. Nafafy ireo voan’ny fisalasalana. Niadian-kevitra ny amin’ny finoana ny Soratra Masina. Tao anatin’izany rivo-piainana izany, dia tsy mahagaga raha naka endrika tsy ara-pivavahana tamin’ny fomba tsy azo iadian-kevitra ireo ezaka nataon’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana mba “hitarihana [an’ireo Afrikana] hiova finoana”. Nitory ny filazantsara ara-tsosialy ireo misioneran’ny fiangonana, ka nanantitrantitra be lavitra momba ny fanatontosana asa fanasoavam-bahoaka noho ny fanampiana an’ireo niova finoana mba hifanaraka tamin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly momba ny fari-pitondran-tena. Tsy fanahy niniany angamba, fa nanampy mba hanimbana ny rafi-pitondran-tena efa nisy ireo misionera, raha ny marina.
Ohatra, fanao hatramin’ny ela teo amin’ireo sivilizasiona afrikana maro ny fananana vady maro. Tsy fahita firy anefa ny fanaovana firaisana tamin’ny olona samy hafa, satria nanana lalàna henjana mikasika ny fanitsakitsaham-bady ny ankamaroan’ireo foko. Nilaza tamin’ny Mifohaza! i Joseph Darnas, mpampianatra misotro ronono, izay fanta-daza any Tchad, fa talohan’ny nahatongavan’ireo misioneran’ny fiangonana, dia “noheverina fa nitondra vitan-dratsy ny fanitsakitsaham-bady”. Vokatr’izany, “ilay olo-meloka dia nosazina mafy noho izy nety hampidi-doza tamin’ny fiaraha-monina — matetika nosazina ho faty”. Finoanoam-poana ve? Eny, kanefa tena nampihena ny fanaovana firaisana tamin’ny olona samy hafa ny zavatra ninoana toy izany.
Niditra ireo misioneran’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Nitory nanohitra ny fananana vady maro izy ireo, kanefa tsy nanao zavatra firy mba hampanan-kery ny fari-pitsipiky ny Baiboly momba ny fari-pitondran-tena. Na dia milaza aza ny Baiboly fa tokony horoahina avy ao amin’ny kongregasiona kristiana ny mpijangajanga sy ny mpanitsakitsa-bady tsy mibebaka, dia mahalana vao mandray fepetra famaizana an’ireo nanao ratsy ny fiangonan’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. (1 Korintiana 5:11-13). Hatramin’izao fotoana izao, dia mpanao politika afrikana fanta-bahoaka maro no malaza ratsy noho ny fananany sakaiza ratsy, ary anefa mbola mitoetra ho mpikambana tsara toerana ao amin’ny fiangonana ihany izy ireo. Tsy fahita firy ny fahatokiana amin’ny vady eo anivon’ireo Kristiana anarana atsy Afrika.
Avy eo dia eo ny ohatra ratsy omen’ny tenan’ireo mpikambana ao amin’ny klerjy. Ao amin’io kolontsaina mandala fianakaviana io, dia ara-dalàna ny hanambadiana sy ny hananana zanaka maro be. Angamba izany no mahatonga pretra katolika izay mahagaga ny hamaroany, hihevitra fa manana ny rariny izy ireo amin’ny fanitsakitsahany ny voadiny momba ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ny fitovoana. Nanao tatitra toy izao ny The New York Times tamin’ny 3 May 1980: “Any amin’ny faritra maro any anaty akata any, (...) dia misy pretra sy eveka manana vady maro.”
Mazava ho azy fa tsy atao ara-dalàna ireny fanambadiana ireny, ary sakaiza ratsy, raha ny tena izy, ireo “vady”. Tsy azo hamaivanina ho tsy maninona ny fitondran-tena tsy mendrika toy izany. Araka ny Times, dia misy “katolika fanta-bahoaka iray anisan’ny klerjy” miaiky ny amin’ny hoe “mariky ny fahefana ny pretra afrikana, olo-malaza manan-kery fa tsy mpanompon’i Jesosy Kristy”. Ny hafatra avy amin’ireny “olo-malaza manam-pahefana” ireny dia toa hoe: “Izay lazaiko atao fa tsy izay ataoko.”
Ny fitsofohan’ny fialam-boly tandrefana
Tsy tokony hodian-tsy hita koa ny fitobahan’ny fialam-boly maloto momba ny lahy sy ny vavy izay nitosaka niditra tatsy Afrika tato anatin’ireo taona faramparany. Any Tchad, ireo efitrano fijerena vidéo misokatra ho an’ny besinimaro, efitrano tsy voara-maso izay manolotra fialam-boly toy izany, dia mirongatra hatraiza hatraiza — any an-tranon’olona, ao anaty garazy, ary matetika indrindra, eo an-tokotany rehefa alina ny andro. Tsy lafo ireny fampisehoana ireny, eo amin’ny 25 francs (200 FMG) eo ho eo. Misy ankizy kely manatrika ao. Avy aiza ireny zavatra jerena ireny? Ny ankabeazany dia avy any Etazonia — tany iray mihambo ho Kristiana ny ankamaroan’ny olona ao aminy!
Tena nisy vokany teo amin’ireo mpijery anefa ve io fitsofohan’ny kolontsaina tandrefana io? Milaza toy izao ny misionera Vavolombelon’i Jehovah iray, izay manana fanandraman-javatra 14 taona tao Afrika Afovoany: “Tsy manana afa-tsy fifandraisana tena kely amin’ny tontolo tandrefana, ankoatra ny amin’ny alalan’izay hitany eo amin’ny vidéocassettes, ny olona eto an-toerana. Te ho tahaka an’ireo Tandrefana hitany ao amin’ireny sarimihetsika ireny izy ireo. Tsy nahita fandinihana natao manohana ny hevitro aho mba hanaporofoana izany, kanefa toa miharihary amin’ny ankamaroan’ny olona eto fa tena mampirisika ny hanaovana fahalotoam-pitondran-tena eo amin’ny lahy sy ny vavy ny fialam-boly toy izany.”
Mifanohitra toy inona moa ny hoe raha mbola miezaka amim-pamoizam-po hampitsahatra ny fandrosoan’ny aretina mahafaty iray mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ireo manam-pahefana momba ny fahasalamana, ireo firenena lazaina fa Kristiana kosa dia mamoaka fampielezan-kevitra mampandroso fitondran-tena maloto, mitera-doza! Na dia tsy nanao zavatra firy aza ireo fiangonana mba hanoherana io fitosahana io, na ny tany aminy na ny tany ivelany, dia misy fitondram-panjakana afrikana sasany, toa an’i Tchad sy i Cameroun, niezaka handrara na, fara faharatsiny, hametra ny fidiran’ny sarimihetsika vetaveta tao amin’ny tanin’izy ireo. Ny ezaka nataon’izy ireo anefa dia hita ho tsy nahomby matetika.
Fiharatsiana ara-pitondran-tena miely patrana eo anivon’ireo “Kristiana” afrikana no vokatra faran’izany rehetra izany. Nisy vokany nisoko mangina koa ny fahantrana. Koa satria tsy misy firy ny asa, dia matetika ny lehilahy no voatery nandao ny fianakaviany nandritra ny volana maro nisesy mba hitadiavana asa. Lasibatra miharihary ho an’ireo mpivaro-tena eo an-toerana ny lehilahy toy ireny. Iharam-pahavoazana noho ny fahantrana koa anefa ny tenan’ireo mpivaro-tena, amin’ny ankapobeny. Anton-javatra iray koa ny fitakian’ny ray aman-dreny vodiondry midangana be. Lehilahy maro no tsy manambady satria tsy mahangona ny vola tena ilaina mba handoavana ilay vodiondry izy ireo. Noho izany, ny sasany dia miafara amin’ny fananana fiainana iovaovana sakaiza ratsy. Ao anatin’ny rivo-piainana ara-pitondran-tena sy ara-bola toy izany, dia niely haingana ny SIDA.
Ny vahaolana amin’ilay krizy
Miharihary fa tsy mivesatra ny tsiny rehetra noho ny krizy momba ny SIDA atsy Afrika ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana. Mazava amin’ny fomba mampanaintaina anefa fa mivesatra ny ankamaroan’ny tsiny izy io. Misy heviny lehibe izany ho an’ny olona izay te ho anisan’ireo izay nantsoin’i Jesosy hoe “tena mpivavaka”. — Jaona 4:23.
Na dia eo aza ny fanomezan-tsiny, inona no azo atao mba hampitsaharana ny fihanahan’ny SIDA? Misy fitondram-panjakana afrikana nanao ezaka manokana ho fisorohana ny SIDA, ka nampandroso ny fampiasana kapaoty anglisy. Niaiky tamim-pahatsorana toy izao anefa ny Dr. Samuel Brew-Graves, solontenan’ny Fikambanana Iraisam-pirenena Momba ny Fahasalamana ao Nizeria: “Tsy maintsy manaraka fomba fiaina mahasalama ny isam-batan’olona (...), ary tsy maintsy (...) manalavitra ny fanaovana firaisana amin’ny olona samy hafa kosa ny fianakaviana.”
Ela be talohan’ny nahatongavan’ny teny hoe SIDA ho teny mahazatra, ny Baiboly dia nanameloka ny fanaovana firaisana amin’ny olona samy hafa ary nampandroso ny fahadiovana ara-pitondran-tena sy ny fifehezan-tena ary ny fahatokiana amin’ny vady. (Ohabolana 5:18-20; 1 Korintiana 6:18). Vavolombelon’i Jehovah ana hetsiny maro atsy Afrika no afaka manolotra porofo mivantana fa manome fiarovana lehibe amin’ny SIDA sy ireo aretina hafa mifindra amin’ny alalan’ny firaisana ny fanarahana ireo fotopoto-pitsipika ireo. Tena fiampangana ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana ny fifikiran’izy ireo amin’ny fari-pitsipiky ny Baiboly. Nametraka koa ny fanantenany tamin’ny tontolo vaovao iray ho avy izay ‘hitoeran’ny fahamarinana’ ireo Kristiana marina ireo. (2 Petera 3:13). Ho an’ny olona manam-pinoana, dia izy io no vahaolana farany amin’ny krizy momba ny SIDA.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mba hahazoana fanazavana fanampiny, dia jereo ireo fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Le SIDA en Afrique — Que réserve l’avenir?”, nivoaka tao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 8 Aogositra 1992.
b Afaka miely koa amin’ny alalan’ny fampidiran-dra sy ny fiombonana serengy ampiasaina mba hitsindronana zava-mahadomelina ampidirina amin’ny lalan-dra ilay aretina. Misy Kristiana tsy manan-tsiny sasany nahazo ilay aretina avy tamin’ny vadiny izay nanao fahalotoam-pitondran-tena teo amin’ny lahy sy ny vavy na nampiasa zava-mahadomelina.
[Teny notsongaina, pejy 20]
“Any amin’ny faritra maro any anaty akata any, (...) dia misy pretra sy eveka manana vady maro.” — The New York Times
[Sary, pejy 20]
Nanohana ny fihanahan’ny fanaovana firaisana amin’ny olona samy hafa ny ohatra ratsy navelan’ny klerjin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana atsy Afrika
[Sary, pejy 21]
Ampijerena fialam-boly maloto naondran’ireo firenena “kristiana” ny tanora