Avy Taiza Izy Ireo?
“AHOANA no niantsoanay ny tenanay talohan’ny nahatongavan’i Colomb? (...) Tao amin’ny foko tsirairay avy, na dia amin’izao andro izao aza, rehefa adikanao ny teny nilazanay tsirairay avy ny tenanay, kanefa tsy nifanome teny izahay, dia zavatra izay nanana dikany mitovy foana izany, tamin’ny fotony. Amin’ny fiteninay [narragansett], izany dia hoe Ninuog, na hoe ny olona [amin’ny fiteny navajo dia hoe Diné], ny olombelona. Izany no niantsoanay ny tenanay. Koa rehefa tonga teto ireo mpiavy [eoropeana], dia fantatray hoe iza izahay, fa tsy fantatray hoe iza izy ireo. Koa nantsoinay hoe Awaunageesuck, na ireo vahiny, izy ireo satria izy no vahiny, izy no olona tsy fantatray, fa izahay samy izahay nifankahalala. Ary izahay no olombelona.” — Tall Oak, foko narragansett.
Tondraka ireo teoria momba ny niandohan’ny Amerikana Tera-tany.a I Joseph Smith, mpanorina ny fivavahan’ny Mormons, no iray tamin’ireo olona maromaro, anisan’izany i William Penn, quaker (mpangovitra), izay nino fa ny Indiana dia Hebreo, taranak’ireo lazaina fa foko folo verin’ny Isiraely. Izao no fanazavana eken’ny ankamaroan’ny manam-pahaizana mpandinika momba ny olombelona, amin’izao andro izao: na tamin’ny alalan’ny sombin-tany nifampitohy, na tamin’ny alalan’ny sambo, dia nisy foko aziatika nifindra nankany amin’izay antsoina ankehitriny hoe Alaska, Kanada, sy Etazonia. Na dia ny fitsapana ny ADN aza dia toa manohana io hevitra io.
Amerikana Tera-tany — Ny niandohany sy ny zavatra inoany
Manoratra toy izao i Tom Hill (foko sénèque) sy i Richard Hill, Sr., (foko tuscarora), amerikana tera-tany tonian-dahatsoratra, ao amin’ilay bokiny hoe Creation’s Journey —Native American Identity and Belief: “Ny ankamaroan’ny tera-tany dia mino, araka ny lovantsofina, fa noforonina avy tamin’ny tany mihitsy, avy tamin’ny rano, na avy tamin’ny kintana, izy ireo. Etsy an-danin’izany, ireo arkeology dia manana teoria hoe nisy sombin-tany lehibe nampitohy ny Andilan-dranomasin’i Béring, niampitan’ireo Aziatika nifindra monina nanketỳ amin’ireo tanin’i Amerika; ireo Aziatika ireo, araka ny fanamafisan’ilay teoria, no razamben’ireo olona tera-tany atỳ amin’ny Ila Bolan-tany Andrefana.” Mirona ho be fisalasalana ny amin’ny teorian’ny vazaha momba ny Andilan-dranomasin’i Béring ny Amerikana Tera-tany sasany. Aleon’izy ireo mino ny anganony sy ny tantarany. Mihevi-tena ho ny mponina voalohany fa tsy ho mpifindra monina nizaha tany avy tany Azia, izy ireo.
Ao amin’ilay bokiny hoe An Indian Winter, dia manazava toy izao i Russell Freedman: “Araka ny finoan’ny Mandan [foko iray teny akaikin’ny Renirano Missouri any afovoan-tany kokoa], ny Lehilahy Voalohany dia fanahy mahery iray, persona araka an’Andriamanitra. Noforonin’ny Tompon’ny Fiainana, ilay mpamorona ny zava-drehetra, izy io, fahagolan-tany, mba hanao ny asan’ny mpanalalana amin’ny olombelona sy ireo andriamanitra, na fanahy, tsy tambo isaina, izay nipetraka teo amin’izao rehetra izao.” Tafiditra tao amin’ny zavatra ninoan’ny Mandan mihitsy aza ny angano iray momba ny safo-drano. “Indray mandeha, fony nisy safo-drano lehibe iray nanafotra izao tontolo izao, dia namonjy ny olona ilay Lehilahy Voalohany tamin’ny fampianarana azy ireo hanorina tilikambo, na ‘sambo fiara’, fiarovana iray, izay hisondrotra ambonin’ny rano. Ho fanomezam-boninahitra azy, ny vohitra mandan tsirairay dia nanana tilikambo kely nitovy tamin’io voalazan’ny angano io — tsato-kazo sedera tokony ho [iray metatra sy sasany] ny haavony, voahodidin’ny fefy hazo fisaka.”
Ny Mandans koa dia nanana ho marika ara-pivavahana, “tsato-kazo avo voafono volom-borona sy volom-biby izay nasiana teo an-tampony, loha hazo ratsy tarehy be nolokoina mainty”. Nety ho nampiseho an’iza izy io? “Io sary io dia nampiseho an’i Ochkih-Haddä, fanahy ratsy iray izay nanana fitaomana lehibe teo amin’ny olombelona, saingy tsy nahery toy ny Tompon’ny Fiainana na ny Lehilahy Voalohany.” Tamin’ireo Indiana nipetraka teny amin’ny Tany Lemaka, “ny finoana ny tontolon’ny fanahy dia tapany tsy azo nisalasalana tamin’ny fiainana andavanandro. (...) Tsy nisy fanapahan-kevitra lehibe azo noraisina, tsy nisy tetik’asa natomboka, raha tsy nitady ny fanampiana sy ny fankasitrahan’ireo persona masina izay nifehy ny raharahan’olombelona, aloha”.
Ao amin’ilay bokiny hoe The Mythology of North America, dia manazava toy izao i John Bierhorst: “Talohan’ny nisian’ireo foko, dia nirenireny nifindrafindra toerana tao anatin’ny toe-piainana fantatra hoe ganítha (tsy nisy lalàna na filaminana), hono, ny Osage. Fomba fihevitra iray araka ny lovantsofina ny hoe tamin’ireny andro tany am-boalohany ireny, dia nisy mpisaina sasany nantsoina hoe Zokiolona Kely (...) nilaza ilay teoria hoe misy hery mangina sady mahay mamorona, mameno ny habakabaka sy ny tany sady mihazona an’ireo kintana sy ny volana ary ny masoandro hizotra ao anatin’ny filaminana tonga lafatra. Nantsoin’izy ireo hoe Wakónda (hery mahagaga) na Eáwawonaka (mahatonga ny fisiantsika), izy io.” Nanan-kevitra nitovy tamin’izany ny Zuni sy ny Sioux ary ny Lakota tany Andrefana. Manana angano momba ny famoronana izay misy “Mpanao ny Tany” koa ry zareo Winnebago. Hoy ilay fitantarana: “Naniry ny hisian’ny fahazavana izy ary dia tonga ny fahazavana. (...) Avy eo dia nieritreritra indray izy ka naniry ny hisian’ny tany, ary dia nanjary nisy itỳ tany itỳ.”
Ho an’ny mpianatra Baiboly, dia mahaliana indrindra ny mahita fitoviana sasany eo amin’ny zavatra inoan’ny Amerikana Tera-tany sy ny fampianarana voalaza ao amin’ny Baiboly, indrindra fa mikasika ilay Fanahy Lehibe, ilay “mahatonga ny fisiantsika”, ka izany dia mampahatsiahy ilay hevitry ny anaran’Andriamanitra hoe Jehovah: “Mahatonga Izy”. Anisan’ny fitoviana hafa ny Safo-drano sy ilay fanahy ratsy fantatra ao amin’ny Baiboly hoe Satana. — Genesisy 1:1-5; 6:17; Apokalypsy 12:9.
Fahatakarana ny hevitry ny filozofian’ny Amerikana Tera-tany
I Tom Hill sy i Richard Hill, mpanoratra amerikana tera-tany, dia manazava fanomezana dimy lazainy fa noraisin’ny Amerikana Tera-tany avy tamin’ny razambeny. “Ny fanomezana voalohany (...) dia ny fifikiranay mafy amin’ny tany.” Ary rehefa heverina ny tantaran’izy ireo taloha sy taorian’ny nahatongavan’ny Eoropeana, iza no afaka mandà izany? Tamin’ny fomba maty paika dia nalaina tamin-kery, tamim-pitaka, na tamin’ny alalan’ny fifanekena tsy notanterahina, ny tanin’izy ireo, izay matetika no noheverin’ny Amerikana Tera-tany ho manan-kasina.
“Ny fanomezana faharoa dia ny hery sy ny fanahy izay iombonan’ny biby aminay olona.” Niseho tamin’ny fomba maro ny fanajan’ny Amerikana Tera-tany ny biby. Mba hahazoana sakafo, fitafiana, sy fialofana ihany no antony nihazany. Tsy ireo tera-tany no saika nandripaka tanteraka ny omby dia (bison), fa ny vazaha feno fierenana lian-dra sy tsy nitsinjo lavitra.
“Ny fahatelo dia ireo hery ara-panahy, izay havanay velona ary mampita hevitra aminay amin’ny alalan’ny sary ataonay mampiseho azy ireo.” Eto no ahitana ny loha hevitra iombonan’ny fivavahana maro aoka izany maneran-tany — ny fahaveloman’ny fanahy (esprit) na ny fanahy (âme) hatrany aorian’ny fahafatesana.b
“Ny fahefatra dia ny fahatsapana hoe iza izahay, fahatsapana izay aseho sy kolokoloina amin’ny alalan’ny fombanay nentim-paharazana ara-poko.” Amin’izao andro izao dia azo antoka fa azo marihina izany eo amin’ireo fombafomba ara-poko, izay ivorian’ny olona mba hiara-midinika momba ny raharahan’ny foko, na any amin’ny fiaraha-mivory sosialy, izay anaovana fandihizana sy mozika ara-poko. Ny akanjo indiana, ny ngadon’ny fivelezana amponga, ireo dihy, ny fivorian’ny fianakaviana sy ny foko — dia manondro avokoa fomba nentim-paharazana ara-poko.
“Ny fanomezana farany dia ny fahaiza-mamoron-javatra — atao ho zavatra azo tsapain-tanana ireo zavatra inoanay, amin’ny alalan’ny fanovana ny fitaovana voajanahary ho zavatra anehoana finoana sy fireharehana.” Na fanamboarana harona izany, na fanenomana, na famolavolana sy fandokoana asa tanimanga, na fanamboarana firavaka sy haingo, na asa hafa famoronan-javatra, dia mifandray amin’ny fombany nentim-paharazana sy ny kolontsainy efa hatramin’ny ela.
Maro aoka izany ireo foko, hany ka hilana boky maro ny fanazavana ny zavatra inoana sy ny fanao nentim-paharazana rehetra. Ny mahaliana antsika izao dia ny hoe: Inona no vokatry ny fahatongavan’ny Eoropeana an-tapitrisany maro, izay lazaina fa Kristiana ny maro taminy, teo amin’ny Amerikana Tera-tany?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Miharihary fa tafiditra ao amin’ilay teny hoe “Amerikana Tera-tany” ireo foko izay mipetraka any Kanada. Olona maro no mino fa ireo mpifindra monina tany am-boalohany avy tany Azia dia nanao dia lavitra namakivaky ny avaratra andrefana amin’i Kanada, nandeha nianatsimo mba hamonjy toe-tany mafampàna kokoa.
b Tsy manohana ny finoana fanahy (âme) na fanahy (esprit) tsy mety maty izay mbola velona aorian’ny fahafatesana, ny Baiboly. (Jereo ny Genesisy 2:7, NW; Ezekiela 18:4, 20.) Mba hahazoana fanazavana amin’ny an-tsipiriany kokoa momba io foto-kevitra io, dia jereo ilay boky hoe L’humanité à la recherche de Dieu, pejy faha-52-57, 75, sy ny indeksany eo ambanin’ny hoe “Immortalité de l’âme, croyance à l’ ”. Navoakan’ny Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania, io boky io.