Avy Amin’ny Mpamaky
Arovy ny Zanakao Nihaona tamin’ny tovovavy iray, izay nanome fialofana ho an’ny ankizy sasany novetavetaina, aho. Natolotro azy ilay nomerao tamin’ny Aprily-Jona 1994, misy ilay fitohitohizan-dahatsoratra hoe “Arovy ny Zanakao!” Rehefa nitsidika azy indray aho, dia hoy izy: “Nanampy ahy hiatrika izao tarehin-javatra vaovao izao ireo lahatsoratra. Nentiko niaraka tamiko ilay gazety rehefa namonjy fotoana tao amin’ny fitsarana ny ankizy maditra aho ary nasehoko an’ilay mpampanoa lalàna ilay izy. Izy, ary koa ilay mpitsara, dia talanjona noho ireo lahatsoratra ka naniry ny hizara azy ireo tamin’ireo mpisolovava hafa.” Nangataka zavatra vita an-tsoratra fanampiny io tovovavy io ary miara-mianatra Baiboly aminay ankehitriny.
E. T. V., Brezila
Aretina Mamono Misaotra anareo noho ilay fitohitohizan-dahatsoratra mahafaoka be sy mazava ary araka ny marina hoe “Maladies infectieuses: La guerre contre les germes”. (22 Febroary 1996, frantsay). Tsy takatro mihitsy teo aloha ny maha-be kojakojany aoka izany ny mikraoby sy ny habetsahan’ny fahasimbana ara-batana entiny.
C. L., Etazonia
Tonga tamin’ny fotoana tena nilana azy ilay gazety, satria voan’ny pnemonia aho ka tsy maintsy nampiasa antibiotika. Nanampy ahy ilay lahatsoratra mba hahatakatra ny antony nahatsiarovako ho narary kokoa fa tsy nihatsara, taorian’ny nampiasako voalohany an’ilay fanafody. Velom-pankasitrahana aho noho io fanazavana io, izay naseho tamin’ny fomba mora azo aoka izany.
I. W., Alemaina
Etiopia Taorian’ny namakiako ilay lahatsoratra hoe “Etiopia Mahasondriana” (8 Martsa 1996), dia heniky ny fankasitrahana ny foko. Manana havana etiopiana maro izay tsy Vavolombelon’i Jehovah aho. Nahafinaritra aoka izany io lahatsoratra io, hany ka matoky aho fa hanaitra ny fahalianan’izy ireo hianatra momba an’i Jehovah, ilay Andriamanitsika lehibe, izy io.
J. R., Luxembourg
Geisha Taloha Nanohina ahy lalina ilay lahatsoratra hoe “La fille de ma mère”. (22 Febroary 1996, frantsay). Noho ny fitaoman’ny reniko, dia nianatra dihy mirindra kilasika aho, hatramin’ny tena fahakeliko. Rehefa tonga Vavolombelon’i Jehovah aho, dia nanapa-kevitra ny handao ny dihy mirindra, na dia tiako be aza izy io. Nampahery ahy io lahatsoratra io. Nanampy ahy izy io mba hahita fa misy Kristiana hafa nanao sorona nitovy tamin’ny ahy koa. Misaotra anareo amin’ny foko manontolo aho.
Y. S., Japon
Tsy tanako ny ranomasoko, rehefa nijery ilay sarin’i Sawako Takahashi miaraka amin’ny fianakaviany teokratika sambatra aho. Nanapaka ny fiainako hatramin’ny ela ireo fijaliana nodiaviko tamin’ny lasa, ary nitondra fahoriana be ho ahy ny fahatsapana hoe natao sorona aho. Ny fahatakarako fa hamela ireo fahalemeko tamin’ny lasa i Jehovah dia nanome ahy ilay herim-po mba hiezaka ho tonga Kristiana vita batisa.
M. K., Japon
Iray tamin’ireo tantara nanome fahalalana sy nahafinaritra indrindra novakiko izy io. Nanampy ahy koa izy io mba hahatakatra izay tafiditra amin’ny fivavahana amin’ny razana. Tsy afaka nahatakatra mihitsy io endri-pivavahana io aho teo aloha, mandra-pamakiko io tantaram-piainana io.
P. Y., Etazonia