FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g97 8/1 p. 31
  • Herisetra Atao Amin’ny Vehivavy

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Herisetra Atao Amin’ny Vehivavy
  • Mifohaza!—1997
  • Mitovitovy Aminy
  • Hita Eran-tany ny Fampijaliana Vehivavy
    Mifohaza!—2008
  • Ahoana no Fiheveran’Andriamanitra ny Herisetra?
    Mifohaza!—2002
  • Mety Mbola ho Foana ve ny Herisetra?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2016
  • Fanavakavahana ny Vehivavy
    Mifohaza!—1998
Hijery Hafa
Mifohaza!—1997
g97 8/1 p. 31

Herisetra Atao Amin’ny Vehivavy

AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY NIZERIA

MANOMBOKA hatrany an-kibon-dreniny ka hatrany am-pasana, ny vehivavy dia iharan’ny herisetra, araka ny Human Development Report 1995 navoakan’ny Firenena Mikambana. Ireo fandinihana maneran-tany dia mampiharihary an’izao manaraka izao:

Alohan’ny hahaterahana: Any amin’ny tany sasany, dia misy fitsirihana atao mba hamantarana na lahy na vavy ny tsaika. Matetika no esorina ireo vavy.

Eo amin’ny fahazazana: Any Barbade, Etazonia, Holandy, Kanada, Norvezy, ary Nouvelle-Zélande, dia vehivavy 1 amin’ny 3 no manao tatitra fa novetavetaina nandritra ny fahazazany na ny fotoana naha-zatovo azy. Any Azia sy any an-toeran-kafa, dia ankizy tokony ho iray tapitrisa — zazavavy ny ankamaroany — no terena hivaro-tena isan-taona. Zazavavy an-tapitrisany maro maneran-tany no niaritra fanapahana ny eo amin’ny fivaviana.

Amin’ny fotoana maha-olon-dehibe: Any Meksika, Papouasie-Nouvelle-Guinée, Repoblikan’i Korea, ary Silia, dia vehivavy manambady 2 amin’ny 3 no iharan’ny herisetra an-tokantrano. Any Etazonia, Kanada, Nouvelle-Zélande, ary Royaume-Uni, dia vehivavy 1 amin’ny 6 no nisy nametaveta.

Rehefa zokinjokiny kokoa: Mihoatra ny antsasak’ireo vehivavy nisy namono ho faty tany Bangladesh, Brezila, Kenya, Papouasie-Nouvelle-Guinée ary Thaïlande no novonoin’ny sakaiza ratsiny teo aloha na amin’izao fotoana izao. Any Afrika, Amerika Atsimo, Etazonia, ary any amin’ny nosy maromaro any Pasifika, dia ny herisetra eo amin’ny mpivady no antony iray voalohany indrindra mahatonga ny vehivavy hamono tena.

Ny herisetra atao amin’ny vehivavy dia mampiavaka an’ilay antsoin’ny Baiboly hoe “andro farany”, izay hisian’ny olona maro “mpiteny ratsy”, “tsy mihontsina”, ary “mahery setra”. (2 Timoty 3:1-5, New American Bible). Isika dia afaka ny ho velom-pisaorana noho ny fampanantenan’i Jehovah Andriamanitra fa aorian’izao “andro farany” mikorontana izao, dia hanorina tontolo vaovao iray milamina izy; ao amin’izy io, ireo mponin’ny tany dia “handry fahizay, ary tsy hisy hanaitaitra azy”. (Ezekiela 34:28; 2 Petera 3:13). Eo ambanin’ny Fanjakan’Andriamanitra, i Jesosy Kristy dia ‘hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy; hanavotra ny fanahiny amin’ny fampahoriana sy ny fanaovana an-keriny izy’. — Salamo 72:12, 14.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara