Fijerena An’izao Tontolo Izao
Amoizana Vola An’arivo Tapitrisany Maro ny Fifohana Sigara
Na dia mihamihena be aza ny isan’ny mpifoka any amin’ny tany maro, dia tsy miova kosa izany any Soisa, hoy ny gazety hoe Berner Oberländer. Tokotokony ho ny ampahatelon’ny mponina no mifoka sigara. Olona maherin’ny 8 000 isan-taona no maty noho ny antony mifandray amin’ny fifohana sigara. Betsaka kokoa izany raha oharina amin’ny maty noho ireto zavatra ireto mitambatra: SIDA, herôinina (zava-mahadomelina), kôkainina (zava-mahadomelina iray hafa), alkaola, haintrano, lozam-pifamoivoizana, vonoan’olona, ary famonoan-tena. Ny fandinihana iray natolotry ny Minisitera Federaly Momba ny Fahasalamam-bahoaka, any Soisa, dia nanatsoaka hevitra fa iray alina tapitrisa farantsa soisa, maherin’ny enina arivo tapitrisa dolara amerikanina, no fandaniana ara-tsosialy vokatry ny fifohana sigara, tamin’ny 1995. Ilay fandinihana dia niezaka nanombana ny vidin’ny fikarakarana ara-pitsaboana sy an’ny hopitaly, ny fihenan’ny famokarana eo amin’ny asa, ny fiharatsian’ny fahasalaman’ny mpifoka izay efa marary sy ny fahasalaman’ireo olona iadidiany ary ny fijalian’ny mpianakavin’ireo maty.
Very dia Amin’ny Mozika Mafy
Na dia efa nampitandrina aza ny dokotera fa “misy voka-dratsiny eo amin’ny vatana manontolo” ny mozika mafy loatra, dia mihamitombo ihany ny tanora toa tsy afa-miaina mihitsy raha tsy eo an-tsofiny ny fihainoana amin’ny fandefasam-peo stéréo, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety poloney mpiseho isan-kerinandro hoe Przyjaciółka. Ny antony? Ny tanora sasany dia mampiasa ny fihainoana amin’ny fandefasam-peo stéréo mba “hialana amin’ny tontolo manodidina azy ireo. Rehefa eo an-tsofiny ny fihainoana, dia tsy voatery hihaino ny fimenomenonan’ny ray aman-dreniny intsony ny zatovo iray, na voatery hanao zavatra, ohatra, rehefa maniraka azy ny ray aman-dreny”, hoy ilay gazety. Nomarihin’ny Przyjaciółka fa mety hiteraka “harerahana, aretin’andoha, tsy fahafahana mampifantoka saina, na tsy fahitan-tory” koa ny mozika mafy loatra. Tsy manoro hevitra ny ray aman-dreny handrara ny fampiasana ilay fitaovana fihainoana àry io gazety io, fa hampianatra ny zanany hahalala onony kosa. “Mba indramo amin’ny zanakao ilay Walkman indraindray”, hoy ny fanoloran-kevitr’ilay gazety. “Izany dia hanome azy ireo fiatoana kely amin’ny fihainoana, sady hanampy anao hahafantatra ny tontolo iainan’izy ireo.”
Arovy ny Fonao
“Efa fantatsika hatramin’izay fa mampitombo ny mety hitrangan’ny fihetsehan’aretim-po ny toetrandro mafana kokoa. Fantatra anefa izao fa manao toy izany koa ny toetrandro mangatsiaka”, hoy ny Dr. Anthony Graham, mpitsabo aretim-po sady mpitondra tenin’ny Fikambanana Mikaroka Momba ny Fo sy ny Fahatapahan’ny Lalandra, any Ontario, Kanada. Araka ny tatitra natao tao amin’ilay gazety hoe The Globe and Mail, dia asehon’ny fandinihana iray naharitra folo taona, natao tamina lehilahy 250 000, tany Frantsa, fa “mampitombo 13 isan-jato ny mety hihetsehan’ny aretim-po voalohany” ny fiakarana na ny fidinan’ny maripana eo amin’ny folo degre, amin’ny antsalany. Rehefa midina ny maripana, dia miasa mafy kokoa sy haingana kokoa ny fo, satria miala eo akaikin’ny hoditra ny ra, ka mankany amin’ny faritra lalina kokoa amin’ny vatana, mba hitahiry hafanana. Vao mainka mihamitombo ny loza mananontanona rehefa manezaka tafahoatra ny olona, na rehefa manao fitafiana tsy mifanentana amin’ny toetrandro. Mampitandrina toy izao ny Dr. Graham: “Tsy mety raha mitomoemoe-poana ao an-trano mandritra ny dimy volana ianao, ary avy eo, tampotampoka eo, dia hivoaka any amin’ny hatsiaka ary hanilika ny orampanala. Tsy maintsy mizatra tsikelikely amin’izy io aloha ianao.”
Mihamanjavona ny Fiteny
“Tezitra mafy amin’ny tenako aho indraindray noho ny tsy nampianarako ny zanako ilay fiteny”, hoy ny sefo Marie Smith Jones, olona farany nampiasa ny fitenin’ny Eyak, any Alaska, tao amin’ny fiaraha-monina nisy azy. Asehon’ny zava-misy fa amin’ireo fiteny tombanana ho 6 000 ampiasaina maneran-tany, dia fiteny eo anelanelan’ny 40 sy 50 isan-jato no mety hanjavona mandritra ny taonjato manaraka. Efa nihena ho 20 eo ho eo sisa ireo fiteny 250 nisy tany Aostralia. Nahoana no mitranga izany? Lazain’ilay gazetiboky hoe Newsweek fa “mihavery noho ny fielezan’ny fiteny anglisy sy ireo fiteny ‘lehibe’ hafa”, ireo fiteny. Hoy koa ny Profesora Stephen Wurm, mpampanonta ny Atlas of the World’s Languages in Danger of Disappearing, izay avoakan’ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Misahana ny Fanabeazana sy ny Siansa ary ny Kolontsaina: “Matetika no misy mihevitra fa tokony hohadinoina ny fiteny ‘madinika’, dia ny fitenin’ny vitsy an’isa, satria tsy misy vidiny izy ireny.”
Iresaho ny Zanaka Kelinao
Manampy be mba hananan’ny zazakely saina mahiratra sy fahaiza-miteny ny firesahana aminy mandritra ny 30 minitra, fara fahakeliny, isan’andro, hoy ny tatitra nataon’ny Daily Telegraph, any Londres. Zazakely sivy volana niisa 140 no nanaovan’ny mpikaroka fandinihana. Nozaraina ho antokony roa nitovy ireo zazakely. Ary notoroana hevitra ny ray aman-drenin’ilay antokony iray ny amin’ny fomba tsara indrindra hiresahana amin-janany kely, fa tsy nahazo fanoloran-kevitra hanao toy izany kosa ireo tao amin’ilay antokony iray hafa. Fito taona tatỳ aoriana, dia “nihoatra herintaona sy telo volana tamin’ny an’ilay antokony hafa ny antsalan’ny fahiratan-tsain’ireo zazakely tao amin’ilay antokon-jazakely [niresahana]”, ary “tena ambony” ny fahaizany miteny, hoy ny nambaran’ilay tatitra. Mihevitra ny Dr. Sally Ward, mpikaroka, fa tsy miresaka firy amin-janany toy ny tamin’ny lasa ny ray aman-dreny amin’izao andro izao, vokatr’ireo fiovana lehibe eo amin’ny fiaraha-monina. Reny maro, ohatra, no miasa any ivelan’ny tranony, ary ny cassettes vidéo no nisolo ny resadresaka, tao amin’ny tokantrano maro.
Fanalavirana ny Fahatezerana Mafy eny Am-pifamoivoizana
“Tsy tokony hohamaivanina ny ataon’ny mpamily mpila ady loatra”, hoy ny fanoloran-kevitry ny lehilahy iray, ela nihetezana tamin’ny ralia aotomobilina, izay voaresaka ao amin’ilay gazetiboky hoe Fleet Maintenance & Safety Report. Mety hanampy mba hampihenana ny loza entin’ny fahatezerana mafy eny am-pifamoivoizana ny fihazonana ny fahatoniana sy ny fanaovana izay tsy hitrangan’ny toe-javatra ratsy. Indreto misy fanoloran-kevitra avy amin’ireo mpisolovava momba ny aro loza:
◼ Manehoa foana fahalalam-pomba rehefa mamily fiarakodia.
◼ Halaviro ny mpamily mila ady, raha afaka manao izany, tsy misy fisetrana loza ianao.
◼ Aza mihaika mpamily hafa mihitsy amin’ny fanarahana azy akaiky loatra, na amin’ny fampitomboana ny hafainganam-pandeha.
◼ Aza mamaly raha misy mandrahona, ary halaviro ny fanaovana fihetsika mety horaisin’ny hafa amin’ny fomba diso.
◼ Ataovy izay tsy hifanojoan’ny masonao amin’ny mason’ny mpamily romotra.
◼ Aza mijanona mba hifanandrina amin’ny mpamily iray hafa.
Fahavoazana sy Fahafatesana Vokatry ny Fanalana Zaza
Fanalana zaza efa ho 500 000 no atao any Meksika isan-taona, hoy i Francisco Javier Serna Alvarado, talen’ny Vaomiera Misahana ny Fahasalamana sy ny Asa Sosialy ao Mexico. Ny ankamaroan’ireo dia miteraka fahafatesan’ilay reny, ary ny maro hafa, fanampin’aretina lehibe izay mitaky fitsaboana sy fampidirana hopitaly mihitsy aza, araka ny tatitra natao tao amin’ilay gazety hoe El Universal. Ny fanalana zaza an-tsokosoko no antony lehibe indrindra fahatelo miteraka fahafatesan’ny reny any Meksika. Amin’ny toe-javatra sasany, dia fitaovana tsy ary fomba no ampiasaina hanalana zaza: fampidirana zavatra maranitra, fihinanana fanafody na fisotroana tambavy fanalana zaza, fanaovana izay hianjerana avy eny amin’ny tohatra mihitsy aza. Ny vokany matetika dia “lotsi-dra betsaka, tranon-jaza loaka, fahamombana, fidiran’ny otrikaretina, ary famoizana ny tranon-jaza”, hoy ny fanamarihan’ilay tatitra.
Ataovy Tafita ny Hafatrao
Na lehibe toy inona aza ny hafatra ambaranao, dia tsy haniry hihaino anao ny ankamaroan’ny olona raha tsy tiany ny fomba fiteninao, hoy ny Dr. Lillian Glass, manam-pahaizana manokana momba ny feo. Araka ny tatitra natao tao amin’ilay gazety hoe The Citizen, atsy Afrika Atsimo, ny tsy fanononana tsara, ny tsy fanajana ny fitsipi-pitenenana, ny toe-peo dridralava, ny fitenenana haingana loatra, ny fampiasana teny ratsy, ary ny fibodoana ny fitenenana dia manakivy ny mpihaino avokoa. Etsy an-danin’izany, dia mazàna ny olona no hihaino raha mitsiky mba hahatonga azy ireo hahazo aina ianao, raha miteny mazava sy miadana, raha mijery azy rehefa miteny, raha mihaino tsara ny fomba fiheviny, ka tsy manapaka ny teniny. “Mieritrereta alohan’ny hitenenanao”, hoy koa ilay lahatsoratra, “mba ho amin-toky no hanambaranao ny hevitrao.”
Mampitombo ny Loza Entin’ny Fanapoizinan’ny Sakafo ny Fihinanam-be
Mitombo ny mety hahazoana aretina avy amin’ny fihinanana sakafo voaloto, raha toa ka mihinam-be ny olona iray, araka ny voalazan’ny Dr. Adolfo Chávez, ao amin’ny Ivon-toeram-pirenena Momba ny Sakafo any Meksika. Raha ny ara-dalàna dia mandevona ny bakteria ao amin’ny sakafo hanintsika ny lotso, na ranoka avoakan’ny vavontsika, hoy izy. Rehefa avy nihinam-be anefa ny olona iray, dia ho betsaka kokoa noho ny asidran’ny vavony ny tombon-tsakafo ao amin’ny vavony, ka mampihena ny fahafahany hamono bakteria. Nilaza tamin’ny Mifohaza! ny Dr. Chávez hoe: “Raha mihinana taco (nems meksikanina) 15 ny olona iray ary tsy madio ny iray amin’izy ireo, dia mety hitelina loto ilay olona noho ny habetsahan’ny tacos nohaniny. Raha taco iray monja, izay voaloto, no nohanin’ilay olona, dia mety tsy hiteraka olana izany.”
Tsy Mihomehy Firy Intsony ny Olona
Nasehon’ny porofo naroso tao amin’ilay Kongresy Iraisam-pirenena Momba ny Fihomehezana, natao tany Soisa fa, nandritra ireo taona 1950 nahitana fahasahiranana ara-toe-karena, ny olona tsotsotra iray dia nihomehy nandritra ny 18 minitra isan’andro, raha oharina amin’ny 6 minitra isan’andro nandritra ireo taona 1990, feno fahatondrahana. Inona no nahatonga ny fihenana? “Ny tolona tsy misy farany mba hahazoana fahombiazana ara-nofo sy fahombiazan’ny tena manokana no lazain’ireo manam-pahaizana manokana ho antony nahatonga izany. Ary izany dia manamarina ilay ohabolana tranainy milaza fa tsy mitondra fahasambarana ny vola”, hoy ny fanazavan’ilay gazety hoe Sunday Times, any Londres. Araka izany, dia nanatsoaka hevitra toy izao ilay mpanoratra hoe Michael Argyle: “Tsy mahita fahafaham-po firy ary tsy manana fahasalamana ara-tsaina firy ny olona mihevitra ny vola ho zava-dehibe. Angamba satria karazana fahafaham-po ivelany fotsiny no omen’ny vola.”
Zo Hahazo Fitsaboana
Nambaran’ny Fitsarana Tampony any Salvador vao haingana fa tsy ara-dalàna ny fitsipika arahin’ny Social Security Hospital mitaky ny hanomezan’ny marary ra mba hahazoany fitsaboana. Teo aloha, ny fomba fanaovan-javatra narahin’ilay hopitaly dia nitaky ny hanomezan’ny marary rehetra ra iray litatra teo ho eo alohan’ny hanaovana fandidiana azy. Manana ny zo ara-dalàna hifidy ny tsy hanome ra, ankehitriny, ireo izay maniry hahazo fitsaboana ao amin’ny Social Security Hospital.