Misy Akony eo Aminao ny Fikambanan’ny Mpanao Heloka Bevava
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY JAPON
Manindrona rantsana iray amin’ny tanan’ilay mpikambana vaovao ilay mpitarika ny fianakaviamben’ny Mafia iray. Mitete eo amin’ny sarin’ny “olo-masina” iray ny ra. Manaraka izany, dia dorana amin’ny afo ilay sary ho levona. ‘Raha mamoaka tsiambaratelon’ny fikambanana ianao, na inona izany na inona, dia ho may tahaka an’io olo-masina io ny fanahinao’, hoy ilay lehibe tamin’ilay tovolahy.
NY LALÀN’NY fanginana — omertà, amin’ny teny italiana — dia nihazona ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava, ho saika niafina tanteraka, tao anatin’ny taona maro. Amin’izao andro izao anefa, dia atao matoam-baovao hatraiza hatraiza ny amin’ireo andian-jiolahy mpanao heloka bevava, satria misy sasany aminy nanjary nampahafantatra ny momba azy ireo. Ny olona fanta-bahoaka indrindra nampangain’ireny pentiti, na mpamadika ny Mafia, ireny, dia i Giulio Andreotti, izay efa praiminisitr’i Italia impito ary anaovana famotorana amin’izao fotoana izao noho ny fifandraisany tamin’ny Mafia.
Hatraiza hatraiza, ireo fikambanan’ny mpanao heloka bevava dia nahahenika ny fari-piainana rehetra: ny Mafia any Italia sy any Etazonia, izay iantsoana azy io koa hoe Cosa Nostra; ireo cartels mpanao varo-maizina zava-mahadomelina any Amerika Atsimo; ny triades-n’i Sina; ny yakuza eto Japon. Misy akony eo amintsika rehetra ny asa ratsin’izy ireo ary mahalafo kokoa ny fiainana.
Any Etazonia dia voalaza fa zarain’ny Mafia amin’ny fianakaviambeny dimy ny tanànan’i New York, ka amin’izany izy ireo dia mahazo vola an’arivo tapitrisany dolara, amin’ny alalan’ny fanaovana an-keriny, ny fakam-bola an-keriny hiantohana ny fiarovana, ny fampisamboram-bola misy zanany mihoa-pampana, ny filokana, ny fivarotana zava-mahadomelina, ary ny fivarotan-tena. Voalaza fa eo ambany vahohon’ireo fianakaviamben’ny Mafia ny sendikàn’ny mpiasa, raha ny amin’ny fandraharahana momba ny fanangonana sy fanariam-pako, ny fitaterana amin’ny fiara vaventy, ny fanorenana, ny famatsian-tsakafo, ary ny fanaovan-damba. Noho ny hery ananan’izy ireo eo amin’ny sendikàn’ny mpiasa, dia afaka mandamina ny disadisa eo amin’ny mpiasa izy ireo na afaka mampiato tetik’asa iray. Eo amin’ny toeram-panorenana iray, ohatra, dia hisy andro iray hampikatso ny bulldozer iray, ary hisy andro hafa hampipotsaka ny frein-n’ny lapelina mekanika iray, ary “hampihisatra” ilay tetik’asa ireo injeniera mampandeha ny asa — izany fitrangan-javatra izany sy ny hafa koa, dia maharitra mandra-panaikin’ilay mpanorina hilefitra amin’ny fitakian’ilay andian-jiolahy, na tsolotra izany na fanomezana asa. Raha ny marina, “ny tsolotra atao amin’ny Andian-jiolahy dia afaka manome antoka an’ireo mpandraharaha, ny amin’ny fahatongavan’ny entana avy hatrany, ny fihavanana tsara amin’ny mpiasa, ary ny fahafahana hampiasa olona kely karama kokoa”, hoy ny tatitra nataon’ny gazetiboky Time.
Tany Kolombia, dia nifaninana ny cartels roa mpanao varo-maizina zava-mahadomelina, mandra-pahavoatifitra an’i Pablo Escobar, lehiben’ilay cartel tao Medellín, tamin’ny 1993. Taorian’izay, dia ilay cartel tao Cali no nanao am-pihi-mamba ny varo-maizina cocaïne teto amin’izao tontolo izao. Nandraoka vola fito arivo tapitrisa dolara izy io tamin’ny 1994, tany Etazonia fotsiny, ka izy io no azo inoana fa nanjary ny sendikà lehibe indrindran’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava, teo amin’izao tontolo izao. Nampitondra faisana an’ilay cartel anefa ny nisamborana an’i José Santacruz Londoño, tamin’ny 1995. Izy io no atidoha nikotrika azy io. Misy foana anefa ny olona efa may ny handimby toerana ny lehibe.
Rehefa nirodana ny Rindrim-by, dia nanomboka hita soritra teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny Mafia rosiana. Ho vokany, dia “tsy maintsy ifampiraharahana amin’ny mafia ny asa rehetra any Rosia”, hoy ny mpiandraikitra banky iray, izay notononina tao amin’ny Newsweek. Na dia any Brighton Beach, any New York, aza, dia voalaza fa mahazo tombony be amin’ny tetika feno hosoka sy saro-pantarina, mifandray amin’ny solika, ny Mafia rosiana. Ireo tompom-piara no lasa mandoa be, ary tsy mahazo hetra ny fitondram-panjakana. Mitantana fikambanan’ny mpivaro-tena any Eoropa Atsinanana koa ireo andian-jiolahy rosiana. Afa-maina izy ireo amin’ny ankamaroan’ny heloka bevava ataony. Iza no ho sahy hiatrika atleta sy menavazana taloha avy tany amin’ny ady tany Afghanistan, izay mirongo fiadiana izaitratra?
Tsy misy valaka amin’izany ny tarehin-javatra any Orient. Eto Japon, ireo olona manana asa mifandray amin’ny fanaovana fampisehoana dia tsy maintsy manampo an’izao karazam-pahasahiranana rehetra izao raha tsy manaja ny yakuza eo an-toerana, ka mandoa vola be amin’izy ireo. Eto koa dia itakiana vola hiantohana ny fiarovana, ny trano fisotroan-toaka ary na dia ny mpivaro-tena eny amin’ny arabe aza. Fanampin’izany, dia tafiditra lalina amin’ny toe-karena japoney ny yakuza, amin’ny fanorenana ny kompanian’izy ireo manokana, sy amin’ny fakam-bola an-keriny avy amin’ny fandraharahana goavana, ary amin’ny fifandraisana amin’ny sendikàn’ny mpanao heloka bevava any ivelan’i Japon.
Misandrahaka manerana izao tontolo izao koa ireo fikambanana mpanao heloka bevava manana ny foibeny any Hong-Kong sy Taïwan. Ankoatra ny anarany hoe triades, dia tsy dia fantatra firy ny amin’ny fomba andaminan’izy ireo ny asany. Efa hatrany amin’ny taonjato faha-17 no niandohan’ny tantarany, fony niray hina ireo moanina sinoa mba hanohitra ny mponina avy tany Mandchourie, izay nandray an-tanana ny fitondrana an’i Sina. Na dia an’aliny aza ny mpikambana ao amin’izy ireo, dia voalaza fa ny triades any Hong-Kong dia manangana sendikà vonjimaika, ho amin’ny heloka bevava voafaritra iray na ho amin’ny heloka bevava mifanesisesy, ka izany dia manasarotra ny hahafantaran’ny polisy azy ireo. Mahazo vola an’arivo tapitrisany dolara izy ireo, amin’ny fanaovana varo-maizina heroïne ary nanova an’i Hong-Kong ho foibe fanaovana carte de crédit sandoka.
Ao amin’ilay bokiny hoe The New Ethnic Mobs (Ireo Andian-jiolahy Ara-pirazanana Vaovao), i William Kleinknecht dia nanoratra toy izao momba ny heloka bevava any Etazonia: “Ao amin’ny tontolo vaovaon’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava, dia tsy misy andian-jiolahy ara-pirazanana manana hoavy mamirapiratra kokoa noho ny Sinoa. (...) Mahazo laka haingana any amin’ireo tanàn-dehibe manerana ilay tany ny antokona Sinoa mpanao heloka bevava. (...) Izy ireo no manarakaraka avy hatrany ny Mafia, any New York.”
Raha ny amin’ny endrika hafa isehoan’ny varo-maizina miainga avy any Hong-Kong, dia hoy ny manam-pahefana iray ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana amerikana: “Endrika iray isehoan’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava ny fampidirana vahiny an-tsokosoko.” Tombanan’ny manam-pahefana sasany fa Sinoa 100 000 no miditra tsy ara-dalàna any Etazonia isan-taona. Ny mpifindra monina an-tsokosoko mahazatra dia tsy maintsy mandoa 15 000 dolara (65 000 000 FMG eo ho eo), fara fahakeliny, noho ny fitondrana azy hankany amin’ny firenena manankarena iray, ka ny ankamaroan’io dia aloany aorian’ny fahatongavany. Noho izany, ho an’ny mpifindra monina maro, dia nanjary nofy ratsy ny fiainana ao amin’ilay tany nofinofisiny satria tsy maintsy miasa an-tery vozona any amin’ny orinasa andraisana karama varimasaka sy any amin’ny trano fivarotan-tena izy ireo.
Noho ianao tsy voarohirohy amin’ny fanaovana heloka bevava, dia mety hihevitra ianao fa tsy misy akony eo aminao ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava. Tena izany tokoa ve anefa no izy? Olona maro andevozin’ny zava-mahadomelina, any amin’ny kontinenta maromaro, no mitodika any amin’ny heloka bevava mba handoavana ny vidin’ny zava-mahadomelina avy amin’ireo cartels mpanao varo-maizina zava-mahadomelina any Amerika Atsimo. Ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava dia manao izay hahazoana antoka fa voatendry ho an’ny kompania mifamatotra aminy ny fifanarahana atao eo amin’ny asa ho an’ny vahoaka; ho vokany, dia ny olom-pirenena no mandoa bebe kokoa. Indray mandeha dia nanambara ny Vaomieran’ny Prezidà Miady Amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Heloka Bevava fa, any Etazonia, “ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava dia manolana ny vidin-javatra, amin’ny alalan’ny halatra, ny fanaovana an-keriny, ny tsolotra, ny fitaomana an-tsokosoko hanova vidin-javatra, ary ny famerana ny varotra”, ary ny mpanjifa no voatery mandoa “an’izay azo lazaina fa ambony ampanga” ho an’ny Mafia. Koa tsy misy olona afa-miala amin’ireo vokatry ny heloka bevava àry. Isika rehetra no mandoa ny sarany.
Nahoana anefa amin’izao andro izao no miroborobo ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava?
[Efajoro, pejy 5]
Ny Mafia — ny Niandohany
“Ny Mafia dia nipoitra tao Sicile nandritra ny faramparan’ny Moyen Âge, ka tao angamba no nanombohany ho fikambanana niafina, voatokana hanongana ny fanapahan’ireo vahiny maro samihafa nibodo an’ilay nosy — ohatra, ireo Sarassins sy Normands ary Espaniola. Ny Mafia dia niandoha sy naka mpikambana avy tamin’ireo tafika kely maro an’olona manokana, na mafie, izay nokaramain’ireo nanan-tany tsy nipetraka teo mba hiaro ny taniny tamin’ireo mpandroba, teo anivon’ny toe-piainana tsy nisy lalàna nifehy, izay nanjaka saika nanerana an’i Sicile, nandritra ny taonjato maro. Nandritra ny taonjato faha-18 sy faha-19, ireo mpisetrasetra natanjaka tamin’ireny tafika an’olona manokana ireny dia nifandamina ka nitombo hery aoka izany, hany ka niodina nanohitra ireo nanan-tany sy nanjary tompon’ny laka tamin’ny maro tamin’ireo tany, ka naka vola an-keriny avy tamin’ireo nanan-tany ho tambin’ny fiarovany ny volin’ireo.” (The New Encyclopædia Britannica). Nanjary fomba fiasan’izy ireo ny fakam-bola an-keriny hiantohana ny fiarovana. Nentiny tany Etazonia ireo fomba fanaony, ka tany izy ireo dia niditra tamin’ny filokana, ny fakam-bola an-keriny amin’ny mpiasa, ny fampisamboram-bola misy zanany mihoa-pampana, ny varo-maizina zava-mahadomelina, ary ny fivarotan-tena.