Tontolo Iray Tsy Hisy Heloka Bevava — Amin’ny Fomba Ahoana?
ATAO maneran-tany ny ady amin’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava. “Nisy fandrosoana niavaka teo amin’ny fanoherana ny Mafia, tao anatin’ny fotoana tena fohy”, hoy ny nambaran’ny U.S.News & World Report. “Noho ny lalàna iray indrindra no nahatonga izany, dia ny Lalàna Miady Amin’ny Fikambanana Miray Petsapetsa Amin’ny Mpaka Vola An-keriny, na RICO.” Io lalàna io dia ahafahana miampanga fikambanana mpanao heloka bevava, mifototra amin’ny fakam-bola an-keriny efa zary fanao, fa tsy amin’ny fanaovan-javatra maningana fotsiny. Izy io, miaraka amin’ny fanazavana azo amin’ny fihainoana ireo resaka an-telefaonina, mbamin’ny fanazavana avy amin’ireo mpikambana amin’ny andian-jiolahy izay mitady fanalefahana sazy ka mampahalala zavatra, no anisan’ny nampahomby ny ady atao amin’ny Mafia, any Etazonia.
Any Italia koa, dia manohitra mafy an’ireo andian-jiolahy ireo manam-pahefana. Any amin’ny faritra toa an’i Sicile, i Sardaigne, sy i Calabre, izay faritra mampahatanjaka ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava, dia nisy andian-tafika nalefa mba hanara-maso ireo tranom-panjakana sy ireo faritra manan-danja, mba hisorohana fanafihana avy amin’ireo anisan’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava. Mihevitra izany ho be itoviana amin’ny ady an-trano ny fitondram-panjakana. Efa eo am-pahitana vokatra sasany i Italia satria efa nisy naiditra am-ponja ireo lehibe malaza ratsin’ireo sendikàn’ny mpanao heloka bevava ary nisy praiminisitra taloha voampanga noho izy heverina fa nanana fifandraisana tamin’ny Mafia.
Eto Japon, ny fitondram-panjakana dia nandray fepetra famoretana ny yakuza, rehefa nampanan-kery ilay Lalàna Miady Amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Heloka Bevava, tamin’ny 1 Martsa 1992. Araka an’io lalàna io, raha vao voatondro ho fikambanan’ny mpanao heloka bevava ny fikambanan-jiolahy iray, dia voarara tsy hanao zavatra 11 misy fanerena amin-kerisetra, anisan’izany ny fitakiana vola mba tsy hanaparitahana zava-pantatra iray, ny fandraisana anjara amin’ny fakam-bola an-keriny hiantohana ny fiarovana, ary ny fidirana an-tsehatra handamina fifandirana mba hahazoana vola sarany. Amin’ny fampiharana an’io lalàna io, ny fitondram-panjakana dia mikendry ny hanampina ireo loharanom-pidiram-bola rehetra ananan’ny andian-jiolahy. Nahavoa mafy an’ireo fikambanan’ny mpanao heloka bevava io lalàna io. Rava ny antokon-jiolahy sasany, ary namono tena ny lehiben’ny mpanao heloka bevava iray — toa noho ny fampiharana ilay lalàna tamin’ny fomba hentitra.
Eny tokoa, miady mafy amin’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava ireo fitondram-panjakana sy fikambanana mpampihatra ny lalàna. Kanefa, hoy ny Mainichi Daily News, rehefa nanao tatitra momba ny kaonferansa iray nataon’ireo mpitsara sy polisy eran’izao tontolo izao, izay natao tamin’ny 1994: “Ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava dia mihamatanjaka sy mihamanankarena, saika any amin’ny faritra rehetra eto amin’izao tontolo izao, ka mangorom-bola hatramin’ny iray tapitrisa tapitrisa dolara isan-taona.” Mampalahelo fa voafetra ny ezaka vitan’olombelona eo amin’ny famongorana ireo sendikàn’ny mpanao heloka bevava tsy hisy eto ambonin’ny tany. Ny antony iray mahatonga izany dia satria tsy haingana sy tsy azo antoka ny fitsarana amin’ny toe-javatra maro. Ho an’ny maro, ny lalàna dia mazàna no toa atanila ho amin’ny tombontsoan’ny mpanao heloka bevava, fa tsy ho an’ny olona voa. Hoy ny nambaran’ny Baiboly 3 000 taona lasa teo ho eo izay: “Saingy tsy tanterahina vetivety ny famaliana ny ratsy atao, dia izany no ikirizan’ny fon’ny zanak’olombelona amin’ny fanaovan-dratsy.” — Mpitoriteny 8:11.
Fivoahana avy ao amin’ny fikambanana mpanao heloka bevava
Ho fanampin’ny fandraisana fepetra famaizana avy etỳ ivelany, manoloana ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava, dia misy fitondram-panjakana niezaka hanampy an’ireo ao anatiny mba hivoaka avy ao amin’ireo sendikàn’ny mpanao heloka bevava. Tsy mora akory ny dingana toy izany. Araka ny fitenenana tranainy iray, “ny hany fomba handaozana ny Mafia dia ao anaty vatam-paty”. Mba handaozan’ny jiolahy iray ny fikambanana yakuza, dia takina aminy ny handoavany vola be na hanapahana ny ankikeliny na ny tapany amin’izy io. Manampy trotraka ny tahotra amin’ny fanapaham-patorana amin’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava ny tsy maintsy hiatrehan’ilay jiolahy taloha ny zava-misy, dia ny fananana fiainana mahitsy. Matetika no holavina ny fangatahany asa. Any amin’ny tany sasany anefa, dia misy telefaonin’ny polisy, azo amborahana ny olana mahazo ny tena, kanefa tsy itononana anarana. Izany dia natao hanampy an’ireo jiolahy miezaka hanafa-tena ka mandia fotoan-tsarotra eo amin’ny fitadiavana asa mendrika.
Mba hiatrehana ny fanerena avy amin’ny fianakaviamben’ny jiolahy sy ny fitsarana an-tendrony eo amin’ny fiaraha-monina, dia mila antony manosika matanjaka ny jiolahy iray mba handehanana mahitsy. Inona no mety hanosika azy? Mety ho fitiavana ny fianakaviany izany, faniriana mafy hanana fiainana milamina, na faniriana hanao izay mahitsy. Ny antony manosika matanjaka indrindra anefa, dia aseho an’ohatra mazava tsara amin’ny tantaran’i Yasuo Kataoka, ao amin’ny lahatsoratra manaraka.
I Yasuo Kataoka dia santionany amin’ireo olona an-jatony maro izay nanova tanteraka ny fiainany. Ireo toetra toy ny an’ny biby, izay nasehon’izy ireo teo aloha, dia nosoloana ny toetra vaovao “noforonina araka an’Andriamanitra amin’ny fahitsiana sy ny fahamasinana momba ny fahamarinana”. (Efesiana 4:24). Ankehitriny, ny olona toy ny amboadia teo aloha dia miara-mitoetra amim-pihavanana amin’ny olona malemy fanahy sy toy ny ondry, ary manampy ny hafa mihitsy aza izy ireo! — Isaia 11:6.
Manafaha tena amin’ny toe-tsain’izao tontolo izao
Araka ny voalaza tao amin’ny lahatsoratra teo aloha, dia tsy vitan’ny hoe ireo sendikàn’ny mpanao heloka bevava rehetra ihany no eo ambany fahefana tsy hita mason’i Satana Devoly, fa izao tontolo izao manontolo koa. Tsy takatry ny olona akory aza fa nalamin’i Satana ho amin’ny zava-kendreny hanao heloka bevava izao tontolo izao. Tsy misy hafa amin’ny sendikàn’ny mpanao heloka bevava izay manome harena sy rafi-pianakaviana sandoka, dia mitana ny anjara toeran’ny tompo mpanao asa soa i Satana, amin’ny fanomezana ny olona harena sy fahafinaretana ary fahatsapana firaisan-kina. Na dia mety tsy ho takatrao aza izany, dia mety ho voafitak’ireo teti-dratsiny ianao. (Romana 1:28-32). Milaza amintsika ny Baiboly fa “fandrafiana an’Andriamanitra ny fisakaizana amin’izao tontolo izao”. (Jakoba 4:4). Tsy hoe tsy mampidi-doza akory ny mifankazatra be amin’itỳ tontolo taomin’i Satana itỳ. Ilay Mpamorona an’izao rehetra izao dia manana tafika anjely, eo ambany fitarihan’i Jesosy Kristy, izay vonona ny hangorona an’i Satana sy ireo demoniany mba hanadiovana izao tontolo izao tsy hisy ny fitaoman-dratsin’izy ireo. — Apokalypsy 11:18; 16:14, 16; 20:1-3.
Ahoana àry no ahafahanao mivoaka amin’ny fitaoman’ny tontolon’i Satana? Tsy amin’ny fitokana-monina akory, fa amin’ny fanafahana ny tenanao amin’ireo fihetsika sy rafi-pisainana manjaka eo amin’izao tontolo izao ankehitriny. Mba hanaovana izany, dia tsy maintsy hiady amin’ireo tetika maharaiki-tahotr’i Satana ianao ary hanohitra ny fandrisihana atolony mba hihazonana ny olona eo ambany vahohony. (Efesiana 6:11, 12). Hisy sorona hataonao amin’izany, nefa dia afaka manafa-tena toy ny hafa ianao, raha tapa-kevitra sy manararaotra ny fanampiana atolotry ny Vavolombelon’i Jehovah.
Inona no hanaraka ny fanadiovan’Andriamanitra an’itỳ tontolo misafotofoto feno heloka bevava itỳ? “Ny taranaky ny ratsy fanahy hofongorana”, hoy ny Baiboly, ary manohy ny teniny toy izao izy: “Ny marina handova ny tany ka honina eo aminy mandrakizay.” (Salamo 37:28, 29). Amin’izay, dia tsy hisy antony hangovitan’ny olona eo anoloan’ireo izay nanana toetra toy ny an’ny biby, satria efa ho voaovan’ny “fahalalana an’i Jehovah”, izay hameno ny tany, izy ireo. — Isaia 11:9; Ezekiela 34:28.
Efa zava-misy izany fiovana izany amin’izao andro izao, araka ny asehon’ny tantaram-piainana manaraka, dia ny tantaran’ny mpikambana taloha iray tao amin’ny yakuza eto Japon.
[Sary, pejy 10]
Ao amin’ny tontolo vaovaon’Andriamanitra, dia hifaly amin’ny asan’ny tanany ny rehetra