Nahoana no Miroborobo ny Fikambanan’ny Mpanao Heloka Bevava?
NILAZA i Al Capone, ilay jiolahy nalaza ratsy tamin’ny Vanim-potoan’ny Fandrarana Zava-pisotro Misy Alkaola tany Etazonia (1920-1933) fa ny tenany dia mpandraharaha tsotra fotsiny, nanao izay notakin’ny lalàna — dia ny lalàn’ny tolotra sy ny tinady. Hoy ny mpisolovava iray ho an’ny sendikà lehibe indrindran’ny yakuza eto Japon: “Tsy azo lavina fa be dia be ny tinady eo amin’ny [firaisana sy ny zava-mahadomelina ary ny filokana].” Izany tinady izany no mampandroso ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava. Na dia tsy misy maniry ho voan’ny heloka bevava aza, dia misy olona sasany kosa mety hitodika any amin’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava ka hanararaotra ny asa ataon’izy ireny.
Raiso, ohatra, ny fakam-bola an-keriny hiantohana ny fiarovana. Izany vola izany no ampiasain’ireo jiolahy any amin’ny tany maro ho fidiram-bola. Na dia ireo tompom-barotra manao ny marina aza indraindray no ataon’izy ireo lasibatra, dia mazàna izy ireo no miremby an’ireo manao asa maizimaizina. Hoy ny tompon’ny casino iray ao Shinjuku, any Tokyo, izay toeram-panaovana kilalao vidéo no mody anarontsaronany ilay asa ataony: “Nisy nanindrona antsy ny mpiasa iray, ary nangalarana vola mitentina roa tapitrisa [yen (86 720 000 FMG eo ho eo)]. Tsy niantso polisy anefa izahay.” Fa nahoana moa? “Koa satria asa tsy ara-dalàna (filokana) no ataonay, dia tsy te hifampiraharaha amin’ny polisy izahay. Rehefa mamelona korontana ato amin’ny fivarotanay ny client iray, dia miantso ny yakuza izahay.” Mandoa 4 000 dolara (17 344 000 FMG eo ho eo) isam-bolana amin’ny yakuza io mpitantana casino io. Sarany kely izany raha oharina amin’ny 300 000 dolara (1 300 800 000 FMG eo ho eo), izay tombony azony amin’ilay asany tsy ara-dalàna, mandritra io fe-potoana io. Avy aiza no iavian’izany vola izany? Avy any am-paosin’ireo mankafy filokana tsy ara-dalàna.
Marina koa izany raha ny amin’ireo fandraharahana manan-kaja, izay ta hanalavitra zava-manahirana. Notombanan’ny manam-pahefana iray any New York fa ny mpiantoka asa fandokoana iray izay mahazo vola 15 tapitrisa dolara isan-taona, dia nahatsitsy vola 3,8 tapitrisa dolara, noho ny fanomezana tsolotra ireo jiolahy. Izany dia namela ilay mpiantoka hampiasa olona ambany karama, sy hanalavitra fifandonana amin’ny sendikàn’ny mpiasa izay fehezin’ireo andian-jiolahy. Teto Japon, nandritra ny vanim-potoana nisian’ny firoboroboana ara-toe-karena, dia nisy mpandraharaha vola nampiasa ny volany tamin’ny fananan-tany sy trano ka nandrava ireo trano sy fivarotana efa antitra, mba hampisy toerana ho an’ny trano andaniam-bola be. Rehefa tsy nifindra na tsy nivarotra ny taniny ireo olona nipetraka teo, ireo mpampiasa vola dia niantso jiageya, kompania misy ifandraisana amin’ny yakuza mazàna, mba handroahana azy ireo.
Rehefa hitan’ny yakuza fa mora ny nindrana sy nahazo vola nandritra ireo taona 1980, dia nanangana kompania izy ireo ka nirotsaka ho mpijirika teo amin’ny fananan-tany sy trano ary anjara renivola miasa ao amin’ny kompania. Nampiasa vola tamin’ireny kompania ireny ireo banky sy fikambanana mpamatsy vola, ka izany dia miharihary fa noho ny fikasany hahazo tombony ho an’ny tenany. Rehefa nirodana anefa tamin’ny farany ilay firoboroboana ara-toe-karena narefo, dia hitan’ireo banky fa tena sarotra ny hiverenan’ny volan’izy ireo. Rehefa niresaka ny amin’ilay fikororosiana ara-toe-karena tsy misy fitsaharana, any Japon, ny polisy taloha iray, dia hoy ny teniny, tao amin’ny Newsweek: “Ny tena antony tsy azo andaminana haingana ireo zava-manahirana momba ny tsy fanefana trosa, dia satria mifandray amin’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava ny ampahany betsaka amin’izy ireny.”
Eny tokoa, ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava dia miorim-paka sy miroborobo eo amin’izay sehatra mahadodona ny olona hanome fahafaham-po ny filan-dratsiny, na toy inona na toy inona fomba anaovany izany. Ny hoe mierina amin’ny fahafinaretana sy ny firaisana ary ny vola dia taninketsa ho an’ny varo-maizina zava-mahadomelina, ny fivarotan-tena, ny filokana, ary ny fampisamboram-bola misy zanany mihoa-pampana. Mazàna no midika ho famelomana sy fanatavezana ny andian-jiolahy ny maha-voarohirohy ny tena amin-javatra toy izany. Marina tokoa fa ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava dia manome fahafaham-po ny zavatra tadiavin’ireo tapa-kevitra hanome fahafaham-po ny fanirian’ny nofony!
Rafi-pianakaviana sandoka
Ho fanampin’ny tinady eo amin’ny fanaovan-javatra tsy ara-dalàna, dia misy filana hafa iray amin’izao andro izao, izay iroboroboan’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava. Ny lehiben’ny iray amin’ireo sendikà lehibe indrindran’ny yakuza eto Japon, izay maty vao haingana, dia nanantitrantitra fa nandray an’ireo mpandika lalàna izy ary nikarakara azy ireo, ka tamin’izany izy dia nisakana azy ireo tsy hivarilavo. Nilaza ny tenany ho rain’ireo mpikambana ao amin’ny andian-jiolahy izy. Ny ankamaroan’ny sendikàn’ny mpanao heloka bevava, na olom-pirenena inona izy na olom-pirenena inona, dia manorina ny fikambanany eo amin’ny fifandraisan’ny mpianakavy sandoka toy izany.
Raiso, ohatra, i Chi Sun,a izay avy tamin’ny fianakaviana nahantra iray tany Hong-Kong. Matetika ny rainy no nikapoka azy tamin-kerisetra noho ny antony tsy dia nanao ahoana akory. Nanjary mpikomy i Chi Sun tanora ary teo amin’ny faha-12 taonany dia tonga hatramin’ny fanatevenan-daharana ny triades malaza ratsy. Tao amin’ilay fikambanan’ny mpanao heloka bevava no nahitany toerana nahatsapany ho “nahazo aina tsara”. Noho ny fahasahiany teo amin’ny ady nitanam-piadiana, dia tsy ela izy dia nasandratra ho amin’ny toerana iray nananany olom-pehezina maromaro. Tamin’ny farany, fony izy 17 taona monja dia efa nalefa tany am-ponja izy.
Olona maro, toa an’i Chi Sun, no mitodika any amin’ireo fikambanana mpanao heloka bevava mba hahitana ilay fehy mampiray ny fianakaviana, izay tsy nisy tao an-tokantranony. Mihambo ho miahy ireo mpikambana, kanefa matetika no diso fanantenana ireo tanora kokoa rehefa hitany fa ny tenany ihany no tena ahin’ny mpikambana tsirairay.
Anjelin’ny mazava
Rehefa notondroina ho antokon’olona mpanao herisetra ny sendikà lehibe indrindran’ny mpanao heloka bevava eto Japon, araka ny lalàna vaovao iray hoenti-miady amin’ny asan-jiolahy, tamin’ny 1992, dia nanantitrantitra ny iray tamin’ireo mpitarika azy io fa nihevi-tena ho “mendri-kaja” ilay antokon’olona, noho izy ireo miady amin’ny faharatsiana. Rehefa namely an’i Kobe ilay horohoron-tany nahatsiravina tamin’ny 1995, dia nizara sakafo sy rano ary zavatra hafa nilaina maika, ho an’ny mpiara-monina taminy, io andian-jiolahy io. “Izany fahalalahan-tanana izany”, hoy ny tatitra nataon’ny Asahi Evening News, dia “tsy maintsy hanamafy ilay fomba fiheverana tsy mety lefy hoe mpandika lalàna mendri-kaja ny yakuza eto Japon.”
Matetika no niezaka hihazona salotra hoe mpanao asa soa ireo lehiben’ny sendikàn’ny mpanao heloka bevava. Ho an’ireo mponina tamin’ny faritra tsizarizary tao an-tanànany, i Pablo Escobar, ilay filoha nalaza ratsy tao amin’ny cartel mpanao varo-maizina zava-mahadomelina tao Medellín, dia “olona notefitefena ny fomba fiheverana azy — sady Mesia izy no Robin des Bois no Parrain, saika araka ny hevitry ny hoe patrón, izany hoe, ny lehibe, tamin’ny vanim-potoan’ny tompomenakely”. Izany no nosoratan’i Ana Carrigan, tao amin’ny Newsweek. Nanorina faritra filalaovana patins à roulettes ho an’ny ankizy sy nanorina trano mahafa-po ho an’ny mahantra, ary nanome asa an’ireo ankizy tsy nanan-kialofana teny amin’ny arabe, izy. Nahery fo izy ho an’ireo nandray soa tamin’ny fahalalahan-tanany.
Ireo mpanao heloka bevava izay toa miafina tsara ao andamosin’ireo sendikàny, anefa, dia fitaovana fotsiny ihany, ampiasain’ny mpanao heloka bevava raindahiny indrindra eo amin’izao rehetra izao. Ahariharin’ny Baiboly hoe iza izy io. “Satana aza mampiova ny endriny ho tahaka ny anjelin’ny mazava. Koa tsy dia zavatra lehibe tsy akory, raha ny mpanompony koa no mba mampiova ny endriny ho tahaka ny mpanompon’ny fahamarinana; nefa ny farany ho araka ny asany ihany.” (2 Korintiana 11:14, 15). Amin’izao andro izao, ny ankamaroan’ny olona dia tsy mino fa persona tena misy i Satana. Hoy ny poety frantsay iray tamin’ny taonjato faha-19: “Ny tetika feno fahiratan-tsaina indrindra ampiasain’ny Devoly dia ny hampinoana ny olona fa tsy misy izy.” Manafina ny tenany izy ary mifehy izay zavatra mitranga, tsy eo amin’ny sendikàn’ireo mpanao heloka bevava ihany fa manerana ny tany koa. “Izao tontolo izao kosa dia mipetraka eo amin’ilay ratsy avokoa”, hoy ny fanazavan’ny Baiboly. I Jesosy dia nilazalaza an’i Satana ho ‘mpamono olona hatramin’ny taloha, mpandainga sady rain’ny lainga’. — 1 Jaona 5:19; Jaona 8:44.
Ahariharin’ny faminanian’ny Baiboly fa niasa tamin’ny fomba manokana i Satana Devoly, nanomboka tamin’ny 1914. Nanomboka tamin’io taona io, dia nanetsika ny vahoakany izy mba hanao izay fara heriny eo amin’ny ady ataony amin’ny vahoakan’Andriamanitra. Eo am-pitarihana ny olombelona ho amin’ny ranomodin’ny fisafotofotoana izy. Izy no rangory fototry ny afo voalohany indrindra mahatonga ny heloka bevava sy ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava hiroborobo amin’izao andro izao. — Apokalypsy 12:9-12.
Ho voaesotra ve indray andro any ilay atidoha mikotrika ireo fikambanan’ny mpanao heloka bevava eto an-tany? Hahita fiadanana sy filaminana ve ny olombelona indray andro any? Moa ve ianao afaka manafa-tena amin’ny fanapahana ratsy ampiharin’i Satana eto an-tany amin’izao andro izao?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Novana ny anarana sasany ho fiarovana an’ireo voakasik’izany.
[Efajoro, pejy 7]
Ny Fomba Hiarovana ny Fianakavianao
AFAKA ny hahatonga ny tanora ho rembin’ny sendikàn’ny mpanao heloka bevava mora foana ny tsy fisian’ny rivo-piainana anjakan’ny firaiketam-po sy firaisan-tsaina, ao anatin’ny fianakaviana. Any Etazonia, araka ny voalaza, dia avy amin’ny fianakaviana tsy dia nambinina loatra na rava, ny ankamaroan’ny tanora voarohirohy amin’ny vonoan’olona ataon’ny andian-jiolahy. “Noho izy ireo tsy mba manana fiainana toy ny an’ny olona rehetra eo amin’ny fiaraha-monina”, hoy ny manam-pahefana iray ao amin’ny foibe iray fihazonana olona, any Caroline Avaratra, “dia mora mampihetsi-po azy ireo ilay fehy matanjaka misy eo amin’ny lehibe sy ireo jiolahy ary koa ilay fahatsapana firaisan-tsaina rehefa anisan’ny fikambanana iray. Sambany izy ireo vao mahatsapa izany eo amin’ny fiainany.”
Mitovy amin’izany ihany fa atỳ Orient, dia hoy ny yakuza tanora iray izay vonona ho ampinga velona ho an’ny lehibeny: “Irery foana aho tany an-trano. Na dia fianakaviana iray aza izahay, dia tsy mba nahatsapa mihitsy ny tenako fa afaka niresaka tamim-pahatsorana izahay. (...) Izao anefa dia afaka miresaka amim-pahatsorana amin’ireo namanay aho.” Ny tanora mahatsiaro tena ho manirery dia velom-pankasitrahana an’ireo olona anisan’ny fikambanan’ny mpanao heloka bevava, izay misarika azy ho amin’ny rafitra iray toy ny an’ny fianakaviana.
“Tena be fiahiana aoka izany ny yakuza”, hoy ny mpitarika ny andian-jiovavy mitaingina môtô, any Okinawa. “Izany angamba no tetik’izy ireo; kanefa, noho izahay tsy mba nentina tamin-katsaram-panahy mihitsy ange, dia mampihetsi-po anay izany e!” Manamafy ny mpiandraiki-draharaha ao amin’ny akany iray ho an’ny zazavavy maditra fa ireo jiolahy dia “tena havanana amin’ny famaboana ny fon-jazavavy”. Rehefa misy zazavavy mahatsiaro tena ho manirery, ka miantso azy amin’ny misasak’alina, dia midodododo mankany aminy izy ireo ary mihaino izay lazainy. Amin’izany izy ireo dia tsy voatery handrokiroky azy hanao firaisana.
Hatreo amin’ny fotoana hamaboan’izy ireo tanteraka ny fon’ireo tanora ataony remby ihany anefa izany fiahiana izany. Raha vao voafandrika ireo tanora, dia hararaotin’izy ireo amin’izay — ny zazavavy dia any amin’ny fivarotan-tena, ary ny zazalahy dia any amin’ny fanaovana heloka bevava.
Ahoana no ahafahanao miaro ireo olon-tianao?
“Hianareo ray, aza mampahasosotra ny zanakareo, fandrao mamoy fo izy”, hoy ny fananaran’ny Baiboly. (Kolosiana 3:21). Tsy mampirisika ny ray aman-dreny hilefitra be akory izany. Hoy ny ohabolana iray ao amin’ny Baiboly: “Ny zaza ampanaranina, manome henatra ny reniny.” (Ohabolana 29:15, Kat.). Mampirisika kosa ny ray — ary ny reny koa — ny Baiboly, mba hahalala ny antonona, eo amin’ny fifampiraharahany amin’ny zanany, hihaino azy ireo, ary hifampiresaka amin’izy ireo an-kalalahana. Amin’izay ny ankizy dia ho voatosika hitoky amin’ireo ray aman-dreniny rehefa tojo tarehin-javatra mahory.
Ho fanampin’ny fifampiresahana an-kalalahana, ireo ray aman-dreny dia mila manome fari-pitsipika ho an-janany, eo amin’ny fiainana. Aiza no ahafahan’ny ray mahita toro lalana toy izany? Hoy ny Baiboly: “Ianareo ray, aza mampahatezitra ny zanakareo, fa manohiza mitaiza azy ao amin’ny lalàm-pifehezana sy fanabeazana ara-tsaina izay an’i Jehovah.” (Efesiana 6:4, NW ). Makà fotoana handinihana ny Baiboly miaraka amin’ny zanakao, amin’ny alalan’ny fianaram-pianakaviana mifototra amin’ny Baiboly. Ary amboleo ao am-pon’izy ireo ny tahotra an’i Jehovah mahasoa, mba hanarahan’izy ireo mandrakariva ny tari-dalan’i Jehovah, ho tombontsoan’izy ireo. — Isaia 48:17.