Fanafahan-tena Amin’ny Fikambanan’ny Mpanao Heloka Bevava — “Yakuza Aho Taloha”
“DADA a! Rehefa mody ianao, dia andao isika hiaraka hamonjy fivoriana. Omeo fampanantenana aho fa handeha ianao, sa tsy izany?” Tany am-ponja fanintelony aho raha naharay an’io taratasy io avy tamin’ilay zanako faravavy. Namonjy tsy tapaka ireo fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah niaraka tamin’ny vadiko izy. Koa satria ireo taratasy avy tamin’ny fianakaviako no hany loharanom-pampiononana ho ahy, dia nampanantena azy aho fa hanao izay nangatahiny.
‘Fa naninona re aho no niaina tao anatin’ny heloka bevava, izay nampisaraka ahy tamin’ny fianakaviako e?’, hoy aho anakampo. Tsaroako ny fotoana naha-kely ahy. Maty i Dada fony aho vao 18 volana monja, hany ka tsy tadidiko akory na ny salovan-tavany aza. Nanambady indroa i Neny taorian’izany. Nisy fiantraikany lalina teo amiko izany toe-javatra nisy ny fianakaviako izany, ka tany amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, dia nanomboka nifanerasera tamin’ny andian-jatovo mpanao herisetra aho. Nanjary nahery setra aho ary matetika no voarohirohy tamin’ny ady tany ivelan’ny sekoly. Rehefa roa taona no nianarako tao amin’ny sekoly ambaratonga faharoa, dia nandamina antoko-mpianatra iray hiady tamin’ny iray hafa aho. Ho vokany, dia nosamborina aho ary nalefa tany amin’ny akany fanarenana nandritra ny fotoana kelikely.
Toy ny baolina nikodiadia ho any amin’ny fiainana feno herisetra ny tenako. Tsy ela dia nanangana andian’ankizy maditra aho ary nandany andro tany amin’ny biraon’ny yakuza izahay. Teo amin’ny faha-18 taonako dia tonga mpikambana tanteraka tao amin’izy io aho. Rehefa 20 taona aho, dia voasambotra noho ny herisetra maro samihafa ka nosazina telo taona an-tranomaizina. Voalohany aloha, dia namita sazy tao amin’ny Fonjan’ankizy tao Nara aho, saingy tsy nihatsara ny fitondran-tenako. Koa nalefa tany amin’ny fonja hafa iray àry aho, dia fonja ho an’ny olon-dehibe. Niharatsy anefa aho ka tamin’ny farany dia nalefa tany Kyoto, tao amin’ny fonja iray ho an’ny mpanao heloka bevava mafy hatoka.
‘Fa maninona re aho no mbola manao heloka bevava toy izao e?’, hoy aho nanontany tena. Rehefa manao jery todika aho, dia takatro fa avy tamin’ny fanjohian-kevitro feno hadalana izany. Tamin’izany fotoana izany, dia nihevitra aho fa tena an-dehilahy ny fitondran-tena toy izany, porofon’ny toetran-dehilahy nananako. Rehefa nafahana avy tany am-ponja aho, teo amin’ny faha-25 taonako, dia nihevitra ahy ho olona manana ny maha-izy azy ireo jiolahy tahaka ahy. Nisokatra tamiko izao ny lalana hisondrotana teo amin’ny tontolon’ny heloka bevava.
Ny fihetsiky ny fianakaviako
Tokony ho tamin’izany fotoana izany no nanambadiako, ary tsy ela izahay mivady dia nahazo zanakavavy roa. Tsy niova anefa ny fiainako. Mbola niaka-nidina tany amin’ny polisy aho — nikapoka olona sy nanao an-keriny aho. Nanampy ahy hahazo ny fanajan’ireo jiolahy tahaka ahy sy hahazo ny fatokian’ny lehibe ny fitrangan-javatra tsirairay. Tamin’ny farany, ilay “zokiko lahy” yakuza dia tonga teo amin’ny fara tampony tao amin’ilay andian-jiolahy ka izy no lasa lehibe. Finaritra erỳ aho lasa lefiny.
‘Ahoana no iheveran’ny vady aman-janako ny fomba fiainako?’, hoy aho anakampo. Tsy maintsy ho sanganehana izy ireo manana vady sy ray mpanao heloka bevava. Naiditra am-ponja indray aho teo amin’ny faha-30 taonako ary toy izany koa fony aho 32 taona. Tamin’io indray mitoraka io, dia tena mafy tamiko ny nandany ilay telo taona tany an-tranomaizina. Tsy navela hitsidika ahy ireo zanako vavy. Nanembona ny firesahana tamin’izy ireo sy ny famihinana azy ireo aho.
Tokony ho tamin’ny fotoana nanombohako namita an’io saziko farany tany am-ponja io, no niara-nianatra ny Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny vadiko. Isan’andro dia nanoratra tany amiko momba ny fahamarinana nianarany izy. ‘Inona àry itỳ fahamarinana resahin’ny vadiko itỳ?’, hoy aho nanontany tena. Namaky ny Baiboly manontolo aho tany am-ponja. Nandinika izay nolazain’ny vadiko tao amin’ireo taratasiny aho, izany hoe, momba ny fanantenana ny amin’ny hoavy sy ny momba ny fikasan’Andriamanitra.
Nanintona ahy ilay fanantenana ny hiainan’ny olombelona mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany, satria tena naharaiki-tahotra ahy ny fahafatesana. Nihevitra foana aho hoe: ‘Raha maty ialahy, dia ialahy no resy.’ Rehefa manao jery todika aho, dia takatro fa ny tahotra ny fahafatesana no nanosika ahy handratra ny hafa alohan’ny hahafahany handratra ahy. Ireo taratasin’ny vadiko koa dia nahatonga ahy hahita ny maha-tsinontsinona ny tanjoko, dia ny hisondrotana teo amin’ny tontolon’ny andian-jiolahy.
Na dia izany aza, dia tsy voatosika hianatra ny fahamarinana aho. Nanolo-tena ho an’i Jehovah ny vadiko ary tonga Vavolombelony vita batisa. Na dia nanaiky hamonjy ny fivorian’izy ireo aza aho tao amin’ny taratasiko, dia tsy nieritreritra kosa ny ho tonga Vavolombelon’i Jehovah. Nihevitra ny tenako ho toy ny nihatahan’ny vady aman-janako lavitra sy nilaozany, aho.
Fivoahana am-ponja
Tonga ihany ny andro nanafahana ahy. Teo am-bavahadin’ny Fonjan’i Nagoya, dia jiolahy maro no nitandahatra mba hiarahaba ahy. Tamin’ireo vahoaka be ireo anefa, dia ny vady aman-janako ihany no notadiaviko. Rehefa nahita ireo zanako vavy, izay efa nitombo be tao anatin’ny telo taona sy tapany, aho, dia tsy tanako ny ranomasoko.
Roa andro taorian’ny nodiako, dia nitana ny fampanantenako tamin’ilay zanako faravavy aho, ka namonjy fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah. Gaga aho nahita ny toe-tsaina falifaly nasehon’ny mpanatrika rehetra. Nafana ny fandraisan’ireo Vavolombelona ahy, nefa dia nihafahafa aho. Rehefa fantatro tatỳ aoriana fa nahafantatra ny tantarako ho mpanao heloka bevava ireo niarahaba ahy, dia sanganehana aho. Tsapako anefa fa tsara fandray ahy izy ireo, ary nanintona ahy ilay lahateny nifototra tamin’ny Baiboly. Momba ny olona hiaina mandrakizay ao amin’ny Paradisa eto an-tany ilay izy.
Nampahory ahy mafy dia mafy ny nieritreritra fa ho tafita velona ho ao amin’ny Paradisa ny vady aman-janako fa izaho kosa ho ringana. Nisaintsaina tamim-pitandremana ny amin’izay tsy maintsy hataoko mba hiarahako hiaina mandrakizay amin’ny fianakaviako aho. Nanomboka nieritreritra ny amin’ny fanafahako ny tenako amin’ny fiainan-jiolahy aho, ary nanomboka nianatra ny Baiboly.
Fanafahana ny tenako tamin’ny fiainan’ny mpanao heloka bevava
Nitsahatra tsy namonjy ireo fivorian’ny jiolahy aho ary tsy nifanerasera intsony tamin’ny yakuza. Tsy mora ny nanova ny fomba fisainako. Nitondra fiara nandehandeha aho, dia fiara ngeza iray nohafarana tany ampita. Nahafinaritra ahy fotsiny tsinona ilay izy — fitia te hirehaka. Nila telo taona aho vao namidiko ilay fiarako mba hananako modely tsotsotra iray. Nanana fironana hitady ny fomba fanaovan-javatra mora indrindra koa aho. Arakaraka ny nianarako ny fahamarinana anefa, dia hitako fa tsy maintsy niova aho. Araka ny lazain’ny Jeremia 17:9 anefa, “ny fo dia mamitaka mihoatra noho ny zavatra rehetra sady manana aretina tsy azo sitranina”. Azoko natao ny nilaza izay lala-mahitsy, saingy sarotra tamiko ny nampihatra izay nianarako. Toa toy ny tendrombohitra lehibe iray ireo zava-nanahirana natrehiko. Nanjary sahiran-tsaina aho, ary imbetsaka aho no nieritreritra ny tsy hianatra intsony ka hamela hatreo ilay hevitra hoe ho tonga Vavolombelon’i Jehovah.
Tamin’izay ilay nitarika fampianarana Baiboly tamiko no nanasa mpiandraikitra mpitety faritany, izay nitovy zavatra niainana tamiko, mba hanao lahateny ampahibemaso tao amin’ny kongregasionanay. Avy tany Akita, tany amin’ny 644 kilaometatra, izy no tonga teto Suzuka mba hampahery ahy. Taorian’izay, na oviana na oviana no nanjary reraka sy nieritreritra ny hijanona aho, dia nahazo taratasy avy taminy, nanontany ahy raha mamahatra tsara aho eo am-pandehanana amin’ny lalan’ny Tompo.
Tsy nitsahatra nivavaka tamin’i Jehovah aho mba hanampy ahy hanafa-tena tamin’izay fifandraisana rehetra nananako tamin’ny yakuza. Natoky aho fa hihaino ny vavaka nataoko i Jehovah. Tamin’ny Aprily 1987, dia afa-nisintaka tamin’ny fikambanan’ny yakuza ihany aho. Noho ny asako nahatonga ahy handeha tany ampita isam-bolana, lavitra ny fianakaviako, dia nanova ny asako ho mpikarakara tanànan’olona aho. Noho izany, dia nalalaka ho amin’ny asa ara-panahy aho tamin’ny tolakandro. Sambany aho vao naharay valopy nisy ny karamako. Tsy dia nanao ahoana ilay izy, nefa nahatonga ahy ho tena sambatra.
Fony aho lefitra tao amin’ny fikambanana yakuza iray, dia nanana ny ampy teo amin’ny lafiny ara-nofo aho, fa izao kosa aho dia manana harena ara-panahy izay tsy mety levona. Mahalala an’i Jehovah aho; mahalala ny fikasany. Manana fotopoto-pitsipika arahina aho. Manana tena namana miahy. Ao amin’ny tontolon’ny yakuza, dia ankoso-bolamena ihany ny fiahian’ireo jiolahy, satria tsy misy yakuza fantatro, na dia iray aza, hanao sorona ny tenany ho an’ny hafa.
Tamin’ny Aogositra 1988, dia nampiseho ny fanoloran-tenako ho an’i Jehovah tamin’ny alalan’ny batisa anaty rano aho, ary ny volana nanaraka an’iny aho dia nanomboka nandany 60 ora isam-bolana, fara fahakeliny, mba hiresahana amin’ny hafa ny vaovao tsara izay nanova ny fiainako. Nanao ny fanompoana manontolo andro aho nanomboka tamin’ny Martsa 1989 ary izao dia nomena tombontsoa ho mpanampy amin’ny fanompoana ao amin’ny kongregasiona.
Afaka nanaisotra tamin’ny tenako ny ankamaroan’ireo soritra navelan’ny fiainako tao amin’ny yakuza aho. Misy iray mbola mitoetra anefa: Ilay tombokavatsa eo amin’ny vatako, izay mampitamberina ao an-tsain’ny tenako sy ny fianakaviako ary ny hafa, ny lasako tao amin’ny yakuza. Indray mandeha, dia nody avy tany an-tsekoly nitomany ilay zanako vavimatoa, ka nilaza fa tsy ho any an-tsekoly intsony izy satria nilaza taminy ireo namany fa yakuza aho no sady nisy tombokavatsa. Afaka nanazava ilay raharaha tamin’ireo zanako vavy aho, ary nanjary takatr’izy ireo ilay tarehin-javatra. Miandrandra ilay andro hahatonga ny tany ho paradisa aho ka hanjary “ho tsara noho ny an’ny tanora” ny nofoko. Amin’izay ireo tombokavatsako sy ireo fahatsiarovako ny fiainako tao amin’ny yakuza nandritra ny 20 taona, dia ho zavatra efa lasa. (Joba 33:25; Apokalypsy 21:4). — Notantarain’i Yasuo Kataoka.
[Sary, pejy 11]
Maniry mafy ilay andro hampanjavona ireo tombokavatsako aho
[Sary, pejy 13]
Eo amin’ny Efitrano Fanjakana, miaraka amin’ny fianakaviako