Ny Fitsarana “Heretika” sy ny Famonoana Azy ho Faty
AVY AMIN’NY MASOIVOHON’NY MIFOHAZA! ANY ITALIA
EO AMIN’NY ilany iray amin’ilay efitrano fitsarana manjombona no misy ny dabilio avo sady mendri-kaja fipetrahan’ireo mpitsara. Voarakotra lamba matroka ny fipetrahan’ny mpitari-draharaha eo afovoany ary misy lakroa hazo lehibe iray eo an-tampony, izay manerinerina ao amin’ilay efitrano manontolo. Eo anoloan’io fipetrahana io no misy ny toerana ijoroan’ny voampanga.
Toy izany no fomba nilazalazana matetika ireo fitsaran’ny Inquisition Katolika nahatsiravina. Ny zavatra nampihorohoro nentina niampangana ireo notorina tsy nambinina dia hoe “herezia”, teny mampahatsiahy fampijalijaliana sy famonoana ho faty tamin’ny fandoroana teo amin’ny tsato-kazo. Ny Inquisition (avy amin’ny matoanteny latina hoe inquiro, “mamotopototra”) dia fitsarana manokana naorin’ny eglizy mba hamongorana ny herezia, izany hoe, ireo hevitra na foto-pampianarana tsy nifanaraka tamin’ny fampianarana araka ny foto-pinoana katolika.
Ambaran’ny loharanon-kevitra katolika fa nanao ambaratonga ny nanorenana azy io. Nanorina ny Inquisition tao amin’ny Konsilin’i Vérone tamin’ny 1184 ny Papa Lucius III, ary ny fandaminana sy ny fomba fanaovana azy io dia nohatsarain’ny papa hafa — raha azo atao ny mampiasa izany teny izany mba hilazalazana io zavatra naorina nahatahotra io. Tamin’ny taonjato faha-13, dia nanorina fitsaran’ny Inquisition tany amin’ny faritra maro samihafa teto Eoropa ny Papa Grégoire IX.
Naorina tamin’ny 1478 ilay Inquisition espaniola nalaza ratsy indrindra, tamin’ny nivoahan’ny didy iray nataon’ny Papa Sixte IV, noho ny fangatahan’ireo mpanjaka nitondra, dia i Ferdinand sy i Isabelle. Naorina izy io mba hiadiana tamin’ny Marranes, Jiosy mody niova finoana nanaraka ny Katolisisma mba handosirana ny fanenjehana, sy tamin’ny Maures, Silamo niova finoana nanaraka ny Katolisisma noho ny antony nitovy tamin’izany, ary tamin’ny heretika espaniola. Noho ny zotom-pony nirehitra tafahoatra, dia nanjary nampiseho ny endriny ratsy indrindra tamin’ny Inquisition i Tomás de Torquemada, frera dominicain, ilay mpanao famotorana lehibe indrindra tany Espaina.
Tamin’ny 1542, dia nanorina ny Inquisition, izay nanana fahefana teo amin’ny tontolo katolika, ny Papa Paul III. Nanendry fitsarana foibe iray nisy kardinaly enina, nantsoina hoe ny Fiangonan’ny Inquisition Masina Iraisam-pirenena, izy, dia antokon’olona naorin’ny eglizy ka nanjary “fitondrana nampihorohoro izay nameno tahotra an’i Roma manontolo”. (Dizionario Enciclopedico Italiano). Nampihorohoro ireo tany nanjakan’ireo lohandohany katolika, ny famonoana heretika ho faty.
Ny fitsarana sy ny autodafé
Porofoin’ny tantara fa nampijalijaly an’izay nampangaina ho nanao herezia ireo mpanao famotorana mba hisokirana fieken-keloka. Tamin’ny fiezahany hanamaivana ny heloky ny Inquisition, dia nanoratra ny mpivaofy teny katolika fa tamin’izany fotoana izany, dia fahita tany amin’ny tribonaly tsy ara-pivavahana koa ny fampijalijaliana. Moa ve anefa izany manamarina ny fanaovan’ny mpitondra fivavahana an’izany, dia izy izay nihambo ho solontenan’i Kristy? Moa ve izy ireo tsy tokony ho nampiseho ny fangoraham-po nasehon’i Kristy tamin’ny fahavalony? Mba hijerena izany amin’ny saina tsy miangatra, dia azontsika atao ny mandinika fanontaniana tsotra iray: Moa ve i Kristy Jesosy ho nampijalijaly izay tsy niombon-kevitra taminy momba ny fampianarany? Hoy i Jesosy: “Tiava ny fahavalonareo; manaova soa amin’izay mankahala anareo”. — Lioka 6:27.
Tsy niantoka ny hahazoan’ilay voampanga ny rariny ny Inquisition. Raha teo amin’ny fampiharana, dia nanan-kery tsy voafetra ilay mpanao famotorana. “Ampy ho an’ilay mpanao famotorana ny ahiahy, ny fiampangana, na ny honohono fotsiny aza, mba hampiantsoana olona iray hiseho teo anatrehany.” (Enciclopedia Cattolica). Hamafisin’i Italo Mereu, mpanoratra tantara momba ny lalàna, fa ny tenan’ireo lohandohany katolika mihitsy no namolavola sy nandany ilay fomba famotorana ara-pitsarana, ka tsy narahiny intsony ilay fomba fiampangana fahiny izay naorin’ny Romana. Notakin’ny lalàna romana mantsy ny hanaporofoan’ny mpiampanga ny filazany. Raha nisy nampisalasala, dia aleo namotsotra toy izay nety hanameloka olona tsy nanan-tsiny. Io fotopoto-pitsipika fototra io dia nosoloan’ireo lohandohany katolika tamin’ilay hevitra hoe nisy heloka matoa nisy ahiahy, ary ilay notorina no tsy maintsy nampiseho fa tsy meloka izy. Nohazonina ho tsiambaratelo ny anaran’ireo vavolombelon’ny fiampangana (ireo mpandaza), ary ny mpisolovavan’ny notorina, rehefa nisy izany, dia nety ho afa-baraka sy ho namoy ny toerany, raha niaro tamim-pahombiazana an’ilay noheverina ho heretika, izy. Vokatr’izany, hoy ny fieken’ny Enciclopedia Cattolica, “ilay voampanga dia tsy nanam-piarovana, raha ny marina. Ny hany azon’ilay mpisolovava natao dia ny nanoro hevitra ilay meloka mba hiaiky heloka!”
Nahatratra ny fara heriny ilay fitsarana tamin’ny autodafé, teny portogey midika hoe “asan’ny finoana”. Inona moa izy io? Asehon’ny sarin’ny tamin’izany fotoana izany fa nanjary nanaovana fampisehoana nampivarahontsana ireo notorina tsy nambinina izay nampangaina ho nanao herezia. Ny Dizionario Ecclesiastico dia manome famaritana ny atao hoe autodafé hoe “asa fivalozana imasom-bahoaka nataon’ireo heretika voaheloka sy nibebaka”, taorian’ny namakiana ny fanamelohana azy.
Nahemotra ny fanamelohana heretika sy ny famonoana azy ho faty, mba hisy maromaro azo nampiarahina tamin’ny fampisehoana nahatsiravina iray indroa isan-taona na mihoatra. Nisy heretika nanao filaharana lava naseho teo anatrehan’ny mpitazana, izay sady nandray anjara no nahatsapa horohoro niharo fahalianana hampijaly. Nasaina niakatra teo amin’ny lampihazo teo anivon’ny kianja lehibe iray ireo voaheloka, ary novakina mafy ny saziny. Izay nitsoa-teny, izany hoe, nitsipaka ny foto-pampianaran’ny heretika, dia tsy noroahina tsy ho anisan’ny eglizy ary nomelohina hahazo sazy maro samihafa, anisan’izany ny fampidirana am-ponja mandra-pahafaty. Izay tsy nitsoa-teny kanefa nanao fieken-keloka tamin’ny pretra iray tamin’ny minitra farany, dia natolotra ny manam-pahefana sivily mba hokendaina, hahantona, na hotapahin-doha, sady narahina fandoroana ny fatiny. Nodorana velona ny tsy nibebaka. Natao taoriana kokoa ilay tena famonoana ho faty, narahina fampisehoana imasom-bahoaka hafa.
Nohazonina ho tsiambaratelo tanteraka ny asan’ny Inquisition. Na dia ankehitriny aza, dia tsy omen-dalana hijery ireo tahirin-tsoratra momba azy io ireo manam-pahaizana manokana. Kanefa, ny fikarohana tamim-paharetana dia nanala sarona tahirin-kevitra maro momba ny fitsaran’ny tribonaly katolika. Inona no ahariharin’izy ireny?
Ny fitsarana mpitondra fivavahana iray
I Pietro Carnesecchi, teraka tany Florence teo am-piandohan’ny taonjato faha-16, dia nahazo fisondrotana haingana tao an-dapan’ny Papa Clément VII, izay nanendry azy ho sekreterany manokana. Nifarana tampoka anefa ny asan’i Carnesecchi, rehefa maty ilay papa. Tatỳ aoriana izy dia nanjary nifankahalala tamin’andriana sy olona anisan’ny klerjy, izay tahaka azy, dia nanaiky foto-pampianarana maro nampianarin’ny Réforme protestanta. Vokatr’izany, dia notsaraina intelo izy. Voaheloka ho faty izy ka notapahin-doha, ary nodorana ny fatiny.
Nolazalazain’ireo mpivaofy teny fa nangidy dia nangidy ny fiainan’i Carnesecchi nahiboka tao am-ponja. Mba handemena ny herin-tsainy, dia nampijalijalina sy tsy nomena hanina izy. Ny 21 Septambra 1567, dia natao nanetriketrika teo anatrehan’ny saika ny kardinaly rehetra tany Roma ny autodafé-ny. Novakina taminy teo ambony lampihazo teo anatrehan’ny vahoaka ny fanamelohana azy. Nofaranana tamin’ny teniteny ara-pomba ilay izy sy tamin’ny fitalahoana tamin’ireo anisan’ny fitsarana sivily, izay efa hanolorana ilay heretika mba ‘hanamaivana ny fanasaziana hampiharina taminy sy mba tsy hahatonga fahafatesana na fivoahan-dra tafahoatra’. Moa ve izany tsy fihatsarambelatsihy nihoa-pampana? Nirin’ny mpanao famotorana ny hanafoanana ireo heretika, nefa, tetsy an-daniny, dia mody nangataka tamin’ny manam-pahefana tsy ara-pivavahana izy ireo mba haneho famindram-po, ka tamin’izany izy dia nitady hiaro ny lazany sy hanilika ilay enta-mavesatry ny trosan-dra. Rehefa avy novakina ny fanamelohana an’i Carnesecchi, dia nasaina nanaovany ny san-benito iray — akanjo maraorao mavo nolokoina sarina lakroa mena ho an’izay nibebaka, na mainty nisy sarina lelafo sy devoly ho an’izay tsy nibebaka. Nampiharina folo andro taorian’izay ny sazy.
Nahoana no nampangaina ho nanao herezia io sekreteran’ny papa taloha io? Ahariharin’ireo firaketana ofisialy momba ny fitsarana azy, izay hita tamin’ny faran’ny taonjato lasa, fa hita ho meloka tamin’ny fiampangana 34 nifanitsy tamin’ireo foto-pampianarana notoheriny izy. Anisan’izany ireo fampianarana momba ny afo fandiovana, ny fitoeran’ny pretra sy ny masera ho mpitovo, ny transsubstantiation (fiovan’ny mofo sy ny divay ho vatana sy ran’i Jesosy), ny konfirmasio, ny konfesy, ny fandrarana sakafo, ny indolzansy, sy ny vavaka atao amin’ireo “olo-masina”. Mahaliana manokana ny fiampangana fahavalo. (Jereo ny faritra voafefy, pejy faha-21.) Tamin’ny fanamelohana ho faty an’izay tsy nanaiky afa-tsy ny “tenin’Andriamanitra voalaza ao amin’ny Soratra Masina” ho foto-pinoana, dia nasehon’ny Inquisition mazava fa tsy mihevitra ny Baiboly Masina ho ny hany loharanon-kevitra ara-tsindrimandry ny Eglizy Katolika. Tsy mahagaga, araka izany, raha foto-pampianarana maron’ny eglizy no tsy miorina amin’ny Soratra Masina fa amin’ny lovantsofin’ny eglizy.
Ny famonoana mpianatra tanora iray ho faty
Ny tantaram-piainana fohy sady mampihetsi-po momba an’i Pomponio Algieri, teraka tany akaikin’i Naples tamin’ny 1531, dia tsy fanta-daza loatra. Nipoitra avy tao anatin’ny lasa nanjavozavo anefa izy io, noho ireo fanadihadiana ny tantara nataon’ny manam-pahaizana manokana maro tamim-pahazotoana. Tamin’ny alalan’ny fifandraisan’i Algieri tamina mpampianatra sy mpianatra avy tany amin’ny faritra maro samihafa teto Eoropa, fony izy nianatra tany amin’ny Oniversiten’i Padoue, dia nanjary nifankahalala tamin’ireo nantsoina hoe heretika sy tamin’ireo foto-pampianaran’ny Réforme protestanta izy. Nitombo ny fahalianany tamin’ny Soratra Masina.
Nanomboka nino izy fa ny Baiboly ihany no ara-tsindrimandry, ary vokatr’izany, dia nanda foto-pampianarana katolika maro izy, toy ny konfesy, ny konfirmasio, ny afo fandiovana, ny transsubstantiation, sy ny fanelanelanan’ny “olo-masina”, ary koa ilay fampianarana hoe vikeran’i Kristy ny papa.
Nosamborina i Algieri ary notsarain’ny Inquisition tany Padoue. Hoy izy tamin’ireo mpanao famotorana azy: “Hiverina an-tsitrapo ho any am-ponja aho, angamba hatramin’ny fahafatesako mihitsy aza, raha izany no sitrapon’Andriamanitra. Amin’ny alalan’ny fanjelajelany, Andriamanitra dia hanazava bebe kokoa ny tsirairay. Hozakaiko amim-pifaliana ny fijaliana tsirairay satria i Kristy, ilay Mpampionona lavorary ny fanahy ory, sady fanazavana sy tena fahazavana ho ahy, dia afaka manaisotra ny haizina rehetra.” Tatỳ aoriana, dia nampanolotra an’i Algieri ho teo am-pelatanany ny Inquisition ary nanameloka azy ho faty.
Dimy ambin’ny roapolo taona i Algieri tamin’ny fotoana nahafatesany. Tamin’ny andro namonoana azy ho faty tany Roma, dia tsy nety nikonfesy na nandray Komonio izy. Vao mainka tsy nifaditra ovana kokoa noho ny nahazatra ny fitaovana namonoana azy. Tsy nodorana teo ambony antontan-kitay izy. Napetraka kosa teo ambony lampihazo ho hitan’ny vahoaka tsara ny vilany be iray feno zavatra mora mirehitra — menaka, godorao, sy ramy (ditin-kazo). Nampidinina nifatotra tao anatin’ilay vilany be ilay tovolahy, ary dia narehitra ireo zavatra tao anatin’izy io. Nodorana velona tsikelikely izy.
Antony hafa nahameloka indrindra
Tsy nanana fahatakarana feno ny Soratra Masina i Carnesecchi sy i Algieri ary ny hafa izay novonoin’ny Inquisition ho faty. Mbola “hitombo” ihany anefa ny fahalalana mandritra ny “andro farany” ho an’itỳ fandehan-javatra itỳ. Na dia izany aza, dia vonona ho faty ho an’ilay ampahany kely amin’ny “fahalalana marina” (NW ) azony avy tao amin’ny Tenin’Andriamanitra, izy ireo. — Daniela 12:4.
Na dia ny Protestanta aza, anisan’izany ny sasany tamin’ireo lehiben’ny Réforme, dia nanaisotra an’izay tsy niombon-kevitra taminy tamin’ny fandoroana azy ireo teo amin’ny tsato-kazo, na nampamono Katolika tamin’ny fangatahana fanampiana tamin’ny manam-pahefana tsy ara-pivavahana. I Calvin, ohatra, na dia tia kokoa ny fanapahan-doha aza, dia nampandoro velona an’i Michel Servet satria hoe heretika nanohitra ny Trinite izy io.
Tsy manala tsiny velively ny fanenjehana sy ny famonoana heretika ho faty ny hoe samy nanao izany ny Katolika sy ny Protestanta. Mbola tompon’andraikitra amin-javatra lehibe kokoa anefa ireo lohandohany ara-pivavahana — noho ny nihamboany hoe hamarinin’ny Soratra Masina ireo vonoana olona ary avy eo noho ny nanaovany zavatra toy ny hoe ny tenan’Andriamanitra mihitsy no nandidy ny hanaovana izany. Moa ve izany tsy manototra fanalam-baraka ny anaran’Andriamanitra? Hamafisin’ny manam-pahaizana manokana maro fa i Augustin, ilay “Rain’ny Eglizy” katolika nalaza, no voalohany nanohana ilay fotopoto-pitsipika ny amin’ny fanerena “ara-pivavahana”, izany hoe ny fampiasan-kery mba hiadiana tamin’ny herezia. Tamin’ny fiezahany hampiasa ny Baiboly mba hanamarinana ilay fanao, dia notononiny ireo teny ao amin’ilay fanoharana nataon’i Jesosy, hita ao amin’ny Lioka 14:16-24, toy izao: “Tereo ny olona hiditra”. Miharihary fa te hilaza fitiavana mandray vahiny amim-pahalalahan-tanana, fa tsy fanerena tsy mifaditra ovana, ireo teny ireo, izay naolan’i Augustin ny heviny.
Tsara homarihina fa na dia tamin’ny fotoana niasan’ny Inquisition aza, dia nisy mpanohana ny fileferana ara-pivavahana nilaza ny fanoherany ny fanenjehana heretika, ka nanonona ilay fanoharana ny amin’ny vary sy ny tsimparifary. (Matio 13:24-30, 36-43). Iray tamin’izy ireo i Didier Érasme, avy tany Rotterdam, izay nilaza fa nirin’Andriamanitra, ilay Tompon’ny saha, ny hileferana tamin’ny heretika, na ny tsimparifary. I Martin Luther kosa, tetsy an-danin’izany, dia nitarika herisetra namelezana tantsaha tsy niombon-kevitra taminy, ka efa ho 100 000 no maty.
Noho isika mahatakatra ilay andraikitra lehibe ananan’ireo fivavahana ao amin’ny Tontolo Lazaina fa Kristiana, izay nampandroso ny fanenjehana an’ireo nantsoina hoe heretika, dia tokony ho voatosika hanao inona moa isika? Azo antoka fa tokony hirintsika ny hikaroka ilay fahalalana marina ny Tenin’Andriamanitra. Nilaza i Jesosy fa ny mariky ny Kristiana marina dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny namana — fitiavana izay miharihary fa tsy hanome toerana ho an’ny herisetra. — Matio 22:37-40; Jaona 13:34, 35; 17:3.
[Efajoro, pejy 21]
Fiampangana Sasany Nahameloka An’i Carnesecchi
8. “[Nantitranterinao] fa tsy misy afa-tsy ny tenin’Andriamanitra voalaza ao amin’ny Soratra Masina ihany no tokony hinoana.”
12. “[Ninoanao] fa tsy de jure Divino [mifanaraka amin’ny lalàn’Andriamanitra] ny konfesy masina, fa sady tsy naorin’i Kristy izy io no tsy noporofoin’ny Soratra Masina, ary tsy misy karazana konfesy ilaina ankoatra ny atao amin’Andriamanitra.”
15. “Nametraka fisalasalana ny amin’ny afo fandiovana ianao.”
16. “Noheverinao ho apokrifa ny bokin’ny Makabeo, izay mamelabelatra ny amin’ny vavaka ho an’ny maty.”
[Sary nahazoan-dalana, pejy 18]
The Complete Encyclopedia of Illustration/J. G. Heck