FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • w95 1/9 p. 27-30
  • Ny Cathares — Maritiora Kristiana ve Izy Ireo?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Cathares — Maritiora Kristiana ve Izy Ireo?
  • Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Tsy fitovian-kevitra ara-pivavahana tany Eoropa tamin’ny Moyen Âge
  • Mpitory nitety faritany
  • Iza moa ireo Cathares?
  • Fihetsika nanoloana ny Baiboly
  • Tsy Kristiana
  • Kroazada nanafintohina
  • Namely tamin’ilay kapoka nahafaty ny Inquisition
  • Ireo Vaudois—Mpivadi-pinoana Nanaraka ny Fivavahana Protestanta
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2002
  • Ny Fitsarana “Heretika” sy ny Famonoana Azy ho Faty
    Mifohaza!—1997
  • Ny Troubadours — Tsy Mpihira Hiram-pitiavana Fotsiny
    Mifohaza!—1998
  • ‘Misaotra noho ny nampahiratana ny masonay’
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1983
Hijery Hafa
Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1995
w95 1/9 p. 27-30

Ny Cathares — Maritiora Kristiana ve Izy Ireo?

“VONOY izy rehetra; hahafantatra ny azy Andriamanitra.” Tamin’io andro fahavaratra (any amin’ny Ila Bolan-tany Avaratra) tamin’ny 1209 io, dia naripaka ny mponin’i Béziers, tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa. Tsy nampiseho indrafo ilay relijiozy atao hoe Arnaud-Amaury, voatendry ho iraky ny papa hitarika ireo mpanao kroazada katolika. Rehefa nanontany azy ireo lehilahy notarihiny hoe amin’ny fomba ahoana no hanavahan’izy ireo ny Katolika sy ny heretika, dia voalaza fa nanome ilay valin-teny nalaza ratsy voatonona etsy ambony izy. Nohalefahin’ireo mpanoratra tantara katolika ho toy izao izy io: “Aza manahy. Mino aho fa faran’izay vitsy no ho voaova.” Na inona na inona ny valin-teniny marina, ny vokany dia ny fandripahana lehilahy sy vehivavy ary ankizy 20 000 fara fahakeliny, teo an-tanan’ny mpanao kroazada 300 000 teo ho eo izay notarihin’ireo evekan’ny Eglizy Katolika.

Inona no niteraka io fandripahana io? Izy io dia vao fanombohan’ny Kroazada Albigeois fotsiny, Kroazada izay natomboky ny Papa Innocent III hanoherana ireo nolazaina fa heretika tao amin’ny provans’i Languedoc, tany amin’ny faritra atsimo afovoan’i Frantsa. Talohan’ny nifaranan’izy io, 20 taona teo ho eo tatỳ aoriana, dia angamba olona iray tapitrisa — Cathares sy Vaudois ary Katolika maro mihitsy aza — no namoy ny ainy.

Tsy fitovian-kevitra ara-pivavahana tany Eoropa tamin’ny Moyen Âge

Niteraka fiovana lehibe teo amin’ny rafitra ara-tsosialy sy ara-toe-karenan’i Eoropa tamin’ny Moyen Âge ny fitomboana haingan’ny varotra tamin’ny taonjato faha-11 am.f.i. Nirongatra ireo tanàna nampialokaloka mpanao taozavatra sy mpivarotra antsinjarany nitombo isa hatrany. Izany dia nanome vahana ho an’ny hevi-baovao. Namaka tao Languedoc ny tsy fitovian-kevitra ara-pivavahana, ka tao dia niroborobo tsy toy ny tany an-toeran-kafa na taiza na taiza tany Eoropa ny sivilizasiona iray moramorainy sy nandroso tamin’ny fomba niavaka. Ny tanànan’i Toulouse tao Languedoc no tanàn-dehibe nanankarena indrindra fahatelo tany Eoropa. Izy io no tontolo niroboroboan’ireo poety mpihira, ka ny sasany tamin’ireo tonon-kirany dia nifono foto-kevitra ara-politika sy ara-pivavahana.

Tamin’ny filazalazana ny tarehin-javatra ara-pivavahana tamin’ny taonjato faha-11 sy faha-12, dia hoy ny Revue d’histoire et de philosophie religieuses: “Tamin’ny taonjato faha-12, toy ny tamin’ny taonjato talohan’izay, ny fari-pitondran-tenan’ny klerjy, ny fahatondrahan-karenany, ny fandraisany kolikoly, sy ny faharatsiam-pitondran-tenany, dia notoherina hatrany, kanefa ny harenany sy ny heriny, ny firaisany tsikombakomba tamin’ireo fahefana tsy ara-pivavahana, sy ny fisolelahany indrindra no nokianina.”

Mpitory nitety faritany

Na dia ny Papa Innocent III aza dia niaiky fa ny fahasimbana ara-pitondran-tena nihanaka tao anatin’ny eglizy no nahatonga ny fitomboan’ny isan’ireo mpitory tsy nitovy hevitra tamin’ny eglizy sy nitety faritany tany Eoropa, indrindra fa tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa sy avaratr’i Italia. Ny ankamaroan’izy ireo dia, na Cathares, na Vaudois. Nandevilevy mafy an’ireo pretra izy noho tsy nampianaran’izy ireo ny vahoaka, ka nanao hoe: “Mila ilay mofo izay tsy tianareo hozaraina aminy ny ankizy.” Na dia izany aza, dia tsy nampandroso ny fampianarana Baiboly ny vahoaka i Innocent, fa nilaza kosa fa “lalina aoka izany ny Soratra Masina avy amin’Andriamanitra, hany ka tsy ny olon-tsotra sady tsy mahay taratasy ihany, fa na dia ny hendry sady nahita fianarana koa aza, dia tsy ampy fahaizana feno mba hanandramana hahazo ny hevitr’izy io”. Ny famakiana Baiboly dia voarara ho an’ny rehetra, afa-tsy ho an’ny klerjy, ary tamin’ny teny latina ihany no nahazoan-dalana tamin’izay.

Mba hanafoanana ny vokatry ny fitoriana nitetezam-paritany nataon’ireo tsy nitovy hevitra tamin’ny eglizy, dia neken’ny papa ny hanorenana ny Fikambanan’ny Frera Mpitory, na Dominicains. Nifanohitra tamin’ny klerjy katolika tao anatin’ny fahatondrahan-karena, ireny frera ireny dia tokony ho mpitory nandehandeha nirahina mba hiaro ny finoana ortodoksa katolika tamin’ireo “heretika” tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa. Ny papa koa dia nandefa iraka mba hanjohy hevitra tamin’ireo Cathares ka hiezaka hamerina azy ireo tao amin’ny vala katolika. Koa satria tsy nahomby ireny ezaka ireny, ary nisy namono ny iray tamin’ireo irany, izay noheverina fa novonoin’ny heretika iray, dia nandidy ny hanaovana ny Kroazada Albigeois i Innocent III tamin’ny 1209. I Albi no iray tamin’ireo tanàna nisy Cathares maro indrindra, koa niresaka an’ireo Cathares ho Albigeois ny mpanoratra tantaran’ny eglizy ary nampiasa ilay teny mba hanondroana ireo “heretika” rehetra tao amin’io faritra io, anisan’izany ireo Vaudois. (Jereo ny faritra voafefy eto ambany.)

Iza moa ireo Cathares?

Ny teny hoe “cathar” dia avy amin’ny teny grika ka·tha·rosʹ, izay midika hoe “madio”. Nanomboka tamin’ny taonjato faha-11 ka hatramin’ny faha-14, dia niely indrindra tany Lombardie, faritra avaratr’i Italia, sy tany Languedoc, ny Catharisme. Ireo zavatra ninoan’ny Cathares dia fifangaroan’ny dualisme avy tany Orient sy ny Gnosticisme, nentin’ireo mpivarotra sy misionera vahiny angamba. Mamaritra ny dualisme ninoan’ny Cathares ho finoana “fotopoto-pitsipika roa: ny iray tsara, nanapaka izay rehetra ara-panahy, ny faharoa ratsy, nahatonga ny fisian’ny tontolo hitan’ny maso, anisan’izany ny vatan’olombelona”, ny The Encyclopedia of Religion. Nino ireo Cathares fa i Satana no namorona ny tontolo hitan’ny maso, izay voaheloka amin’ny fomba tsy misy fanafana ho amin’ny fandringanana. Ny fanantenany dia ny ho afa-mandositra ny tontolo ratsy, hitan’ny maso.

Nizara ho kilasy roa, dia ny lavorary sy ny mpino, ireo Cathares. Ny lavorary dia nampidirina ho mpikambana tamin’ny alalan’ny fombafomba irain’ny batisa ara-panahy, nantsoina hoe consolamentum. Izany dia natao tamin’ny alalan’ny fametrahan-tanana, taorian’ny fizahan-toetra herintaona. Noheverina fa hanafaka ilay noraisina ho mpikambana tamin’ny fanapahan’i Satana ilay fombafomba, hanadio azy tamin’ny fahotana rehetra ary hanome ny fanahy masina. Izany dia nampipoitra ilay fanondroana hoe “lavorary”, nampiharina tamin’ny olona notsongaina somary vitsy izay nanao ny asan’ny mpitondra fivavahana teo amin’ireo mpino. Nanao voadin’ny fifadian-kanina sy ny fahadiovam-pitondran-tena ary ny fahantrana ny lavorary. Raha nanambady ny lavorary iray, dia tsy maintsy nandao ny vadiny, satria nino ireo Cathares fa ny firaisana no fahotana tany am-boalohany.

Ireo mpino dia olona izay, na dia tsy nanaraka fomba fiaina nampijalian-tena aza, dia nanaiky ireo fampianaran’ny Cathares kosa. Tamin’ny fandohalehana ho fanomezam-boninahitra ny lavorary tamin’ny fombafomba iray nantsoina hoe melioramentum, ilay mpino dia nangataka famelan-keloka sy fitahiana. Mba hahatonga azy ireo ho afaka hanana fiainana ara-dalàna, ireo mpino dia nanao convenenza, na fifanekena, iray tamin’ny lavorary ny amin’ny hanomanana fanaovana batisa ara-panahy, na consolamentum, eo amin’ny farafara hahafatesana.

Fihetsika nanoloana ny Baiboly

Na dia naka teny be dia be tao amin’ny Baiboly aza ireo Cathares, dia nihevitra azy io voalohany indrindra ho loharanon’ny fanoharana sy ny angano. Nihevitra izy ireo fa ny tapany lehibe amin’ny Soratra Hebreo dia avy tamin’ny Devoly. Nampiasa tapany tamin’ny Soratra Grika izy ireo, toy ireo andininy nampifanohitra ny nofo tamin’ny fanahy, mba hanohanana ilay filozofian’ny dualisme narahiny. Tao amin’ny Vavaka Nampianarin’ny Tompo, dia nangataka “ny mofonay ambony noho ny ara-nofo” (midika hoe “mofo ara-panahy”), izy ireo, fa tsy “ny mofonay isan’andro”, satria zava-dratsy tsy maintsy ilaina ny mofo ara-nofo teo imasony.

Fampianarana maro narahin’ny Cathares no nifanohitra nivantana tamin’ny Baiboly. Ohatra, nino ny tsy fahafatesan’ny fanahy (âme) sy ny fahaterahana indray ao amin’ny vatana vaovao izy ireo. (Ampitahao amin’ny Mpitoriteny 9:5, 10; Ezekiela 18:4, 20.) Nanorina koa ny zavatra ninoany tamin’ireo soratra apokrifa izy ireo. Na dia izany aza, noho ny nandikan’ny Cathares tapany tamin’ny Soratra Masina ho amin’ny fitenim-bahoaka hatramin’ny fetra sasany, dia tena nahatonga ny Baiboly ho boky fantatra tsara kokoa tamin’ny Moyen Âge, izy ireo.

Tsy Kristiana

Nihevitra ny tenany ho mpandimby ara-drariny an’ireo apostoly ny lavorary, ka noho izany dia nilaza tena ho “Kristiana”, sady nanantitrantitra izany tamin’ny fanampiana teny hoe “marina” na “tsara”. Raha ny marina anefa, dia zavatra maro ninoan’ny Cathares no tsy nifandray tamin’ny Kristianisma. Na dia tena nanaiky an’i Jesosy ho Zanak’Andriamanitra aza ny Cathares, dia nolavin’izy ireo ny nahatongavany tamin’ny nofo sy ny sorom-panavotany. Nadikany vilana ny hevitry ny fanamelohan’ny Baiboly ny nofo sy izao tontolo izao, ka noheveriny ho avy tamin’ny ratsy ny zavatra ara-nofo rehetra. Noho izany, dia nohizingizinin’izy ireo fa tsy ho afaka nanana afa-tsy vatana ara-panahy i Jesosy ary fony izy teto an-tany, dia mody niseho ho nanana vatana ara-nofo izy. Tahaka ireo mpivadi-pinoana tamin’ny taonjato voalohany, ny Cathares dia olona ‘tsy nanaiky fa efa tonga tamin’ny nofo Jesosy Kristy’. — 2 Jaona 7.

Tao amin’ilay bokiny hoe Medieval Heresy, dia nanoratra i M. D. Lambert fa ny Catharisme dia “nanolo ny fari-pitondran-tena kristiana tamin’ny fampijalian-tena nanerena, (...) nanafoana ny fanavotana tamin’ny tsy fetezana hanaiky ny hery mahavonjin’ny [fahafatesan’i Kristy]”. Mihevitra izy fa “ny tena misy itoviana amin’ny lavorary dia ireo mpampianatra mpampijaly tena any Orient, ireo bonzes sy fakirs any Sina na India, ireo mpanaraka ny zava-miafin’i Orphée, na ireo mpampianatra ny Gnosticisme”. Araka ny finoan’ny Cathares, ny famonjena dia niankina, tsy tamin’ny sorom-panavotan’i Jesosy Kristy, fa tamin’ny consolamentum, na batisa ho ao amin’ny fanahy masina, kosa. Ho an’ireo izay nodiovina toy izany, dia ho nitondra fanafahana tamin’ny zavatra ara-nofo ny fahafatesana.

Kroazada nanafintohina

Voasinton’ny fomba fiainan’ny Cathares ny sarambabem-bahoaka, izay sasatra noho ny fitakiana tafahoatra nataon’ny klerjy sy ny fikororosiana nihanaka teo aminy. Nampahafantatra ny Eglizy Katolika sy ny evekany ho “ny synagogan’i Satana” sy “renin’ny mpijangajanga” voalaza ao amin’ny Apokalypsy 3:9 sy 17:5, ny lavorary. Niroborobo ny Catharisme ka naka ny toeran’ny eglizy tany amin’ny faritra atsimon’i Frantsa. Ny fihetsiky ny Papa Innocent III dia ny hanomboka sy hanohana ara-bola ilay nolazaina fa Kroazada Albigeois, ilay kroazada voalohany nalamina tao anatin’ny Tontolon’ireo Fivavahana Lazaina fa Kristiana hanoherana olona izay nihambo ho Kristiana.

Tamin’ny alalan’ny taratasy sy ny iraka, dia nanorisory tsy an-kijanona an’ireo mpanjaka, comtes, ducs, sy chevaliers katolika tany Eoropa ny papa. Nampanantena indolzansy sy ireo harenan’i Languedoc izy ho an’izay rehetra hiady mba hanafoanana ilay herezia “na amin’ny fomba ahoana na amin’ny fomba ahoana”. Tsy tao am-poto-tsofin’ny marenina no nahatongavan’ilay antsony. Notarihin’ireo iraka sy moanina katolika ny tafika iray nifangaroharo be ihany voaforona mpanao kroazada avy tany avaratr’i Frantsa sy i Flandre ary i Alemaina, nitodi-doha nianatsimo nidina ny Lohasahan’i Rhône.

Nanamarika ny fiandohan’ny adim-pandresena iray izay nandevona an’i Languedoc tao anatin’ny fampanaranana ny afo sy ny fandatsahan-dra ny fandravana an’i Béziers. Lavo avokoa teo anatrehan’ireo mpanao kroazada lian-dra i Albi, i Carcassone, i Castres, i Foix, i Narbonne, i Termes, sy i Toulouse. Tany amin’ireo manda fiarovan’ny Cathares toa an’i Cassès sy i Minerve ary i Lavaur, dia lavorary an-jatony maro no nodorana teo amin’ny hazo. Araka ny voalazan’ilay moanina mpanoratra tantara atao hoe Pierre des Vaux-de-Cernay, ireo mpanao kroazada dia ‘nandoro velona ireo lavorary, tamin’ny fo falifaly’. Tamin’ny 1229, taorian’ny ady sy ny fandravana 20 taona, dia nanjary teo ambanin’ny Fanjakana Frantsay i Languedoc. Kanefa mbola tsy vita ilay fandripahana.

Namely tamin’ilay kapoka nahafaty ny Inquisition

Tamin’ny 1231, ny Papa Grégoire IX dia nanorina ny Inquisition mba hanohanana ilay ady nitanam-piadiana.a Niorina tamin’ny fiampangana sy ny fandrahonana aloha ny rafitr’ilay Inquisition ary, tatỳ aoriana, dia niorina tamin’ny fampijalijaliana maty paika. Ny zava-nokendren’izy io dia ny hamongorana izay tsy voavonon’ny sabatra. Tsy nampamoahina afa-tsy teo anatrehan’ny papa ireo mpitsaran’ny Inquisition — frera dominicains sy franciscains ny ankamaroany. Ny fahafatesana tamin’ny afo no fanasaziana ofisialy ny herezia. Toy izany ny firehidrehetana tafahoatra sy ny habibian’ireo mpanao inquisition, hany ka nipoaka ny fikomiana tany Albi sy Toulouse, ankoatra ny toerana hafa. Tany Avignonet, dia ripaka avokoa ireo rehetra anisan’ny fitsaran’ny Inquisition.

Tamin’ny 1244, dia ny filavoana lefon’izay teo amin’ny tendrombohitra mimandan’i Montségur, ilay fialofana faran’ireo lavorary maro be, no nanamarika ilay kapoka nahafaty ny Catharisme. Lehilahy sy vehivavy tokony ho 200 no maty nitamba-be nodorana teo amin’ny hazo. Nandritra ireo taona, dia nikaroka ireo Cathares sisa tavela ny Inquisition. Voalaza fa nodorana teo amin’ny hazo tany Languedoc tamin’ny 1330, ny Cathare farany. Hoy ny fanamarihan’ny boky Medieval Heresy: “Ny fahalavoan’ny Catharisme no zava-bitan’ny Inquisition lehibe indrindra.”

Tsy tena Kristiana velively ireo Cathares. Kanefa moa ve ny fitsikerany ny Eglizy Katolika nanamarina ny famongorana lozabe azy ireo nataon’ireo nolazaina fa Kristiana? Nanala baraka an’Andriamanitra sy i Kristy ireo Katolika mpanenjika sy mpamono azy ireo ary nampiseho tamin’ny fomba diso ny Kristianisma marina, rehefa nampijalijaly sy nandripaka ireny olona an’aliny maro ireny izay tsy nitovy hevitra tamin’ny eglizy.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mba hahazoana tsipiriany fanampiny momba ilay Inquisition tamin’ny Moyen Âge, dia jereo ny “Les horreurs de l’Inquisition” ao amin’ny Mifohaza! (frantsay) tamin’ny 22 Aprily 1986, navoakan’ny Watchtower Bible and Tract Society of Pennsylvania, pejy faha-20-23.

[Efajoro, pejy 28]

NY VAUDOIS

Teo am-pifaranan’ny taonjato faha-12 am.f.i., i Pierre Valdès, na Pierre Waldo, mpivarotra nanankarena iray tany Lyon, dia nanohana ara-bola ny fandikan-teny voalohany an’ireo tapany amin’ny Baiboly ho amin’ireo fitenim-paritra samihafa teo an-toerana, dia fitenim-paritra avy amin’ny Provençale, izay fitenim-bahoaka nampiasaina tany amin’ny faritra atsimo sy atsimo atsinanan’i Frantsa. Katolika tso-po izy, nahafoy ny fandraharahany, ary nanolo-tena ho amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Tofoka tamin’ny klerjy simba ara-pitondran-tena ny Katolika maro hafa, ka nanaraka azy ary tonga mpitory nitety faritany.

Tsy ela i Waldo dia tojo fanoherana avy tamin’ny klerjy teo an-toerana, izay nandresy lahatra ny papa handrara ny fanaovany fanambarana ampahibemaso. Voalaza fa toy izao ny valin-teniny: “Tsy maintsy mankato an’Andriamanitra izahay fa tsy ny olona.” (Ampitahao amin’ny Asan’ny Apostoly 5:29.) Noho ny fikirizany, dia naongana i Waldo. Niezaka mafy tamin-jotom-po hanaraka ny ohatra navelany ireo mpanara-dia azy, nantsoina hoe Vaudois, na ireo Lehilahy Nahantran’i Lyon, ka nitory tsiroaroa tany an-tranon’ny olona. Izany dia niteraka ny fielezana haingan’ny fampianaran’izy ireo nanerana ny faritra atsimo sy atsinanana ary tapany tamin’ny faritra avaratr’i Frantsa, ary koa tany amin’ny faritra avaratr’i Italia.

Tamin’ny ankapobeny, dia nanohana ny fiverenana tamin’ny finoana sy ny fanaon’ny Kristianisma tany am-boalohany izy ireo. Notoheriny, ankoatra ny fampianarana hafa, ny amin’ny afo fandiovana, ny vavaka ho an’ny maty, ny fivavahana amin’i Maria, ny vavaka amin’ny “olo-masina”, ny fankamasinana ny lakroa, ny indolzansy, ny Eokaristia, sy ny fanaovana batisa zazakely.b

Ny fampianaran’ny Vaudois dia nifanohitra mafy tamin’ny fampianarana tsy kristiana momba ny dualisme nataon’ny Cathares, izay nampifangaroina taminy matetika. Izany fampifangaroana izany, voalohany indrindra, dia avy tamin’ireo Katolika mpanohitra ny hevitry ny hafa izay ninia nanandrana nampitovy ny fitorian’ny Vaudois tamin’ny fampianaran’ny Albigeois, na Cathares.

[Fanamarihana ambany pejy]

b Mba hahazoana fanazavana fanampiny momba ny Vaudois, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Ny ‘Vaudois’ — Mpanohitra ny Finoana sa Olona Tia Fahamarinana?” ao amin’ny Ny Tilikambo Fiambenana tamin’ny 1 Febroary 1982, pejy faha-11-14.

[Sary, pejy 29]

Fito arivo no maty tao amin’ny Eglizy Mb. Maria Madelena tany Béziers, izay nandripahan’ireo mpanao kroazada lehilahy sy vehivavy ary ankizy 20 000

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara