FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/4 p. 24-26
  • Ilay dia An-dranomasina Niavaka Nataon’i Vasco de Gama

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay dia An-dranomasina Niavaka Nataon’i Vasco de Gama
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ilay dia an-dranomasina lasa lavitra noho ny nahazatra
  • Nihaona tamin’ny atsinanana ny andrefana
  • Tontolo niova
  • Lavaky ny Liona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Daniela
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Te Hazoto Hianatra ny Soratra Masina ve Ianao?
    Ny Fiainantsika Kristianina sy ny Fanompoana: Tari-dalana ho An’ny Fivoriana—2017
  • Abednego
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/4 p. 24-26

Ilay dia An-dranomasina Niavaka Nataon’i Vasco de Gama

Misokatra manao andohalambo ny rano, rehefa mamaky ireo onja misesy ny lohan-tsambo hazo. Taorian’ny volana maro teny an-dranomasina sy ny zava-tsarotra maro, dia kely sisa tsy hahatongavan’i Vasco de Gama sy ny tantsambony ho ny Eoropeanina voalohany tonga hatrany Inde, raha nandeha nihodina ny tendro atsimon’i Afrika. Sarotra io dia io, na dia amin’izao andro izao aza, izay ananana fahalalana sy fitaovana momba ny dia an-dranomasina. Tsy maintsy ho toa nitovitovy tamin’ny dia nankeny amin’ny volana anefa izany, ho an’ireo lehilahy tao amin’ireo sambo kely telon’i De Gama, 500 taona lasa izay. Inona no nanosika io Portogey be herim-po, mpamantatra tany vaovao io, sy ny tantsambony, hisetra izany zavatra manaitaitra izany? Inona no vokatr’izany teo amin’izao tontolo izao?

TALOHAN’NY nahaterahan’i De Gama, dia efa napetrak’i Henri, Printsy portogey, izay nantsoina indraindray hoe ilay Mpitondra sambo, ny fototra ho an’ny fanaovana dia. Nandroso be ny fanaovana dia an-tsambo sy ny varotra an-dranomasina portogey, satria nanohana izany i Henri. Taminy sy tamin’ireo mpamantatra tany vaovao nandimby azy, dia nifamatotra akaiky ny fahitana tany vaovao sy ny varotra ary ny fivavahana. Ny tanjon’i Henri dia ny hampanan-karena an’i Portogaly sy ny hampandroso ny Fivavahana Katolika. Governoran’ny Ordre du Christ, ilay fikambanana ambony indrindra notapahin’ny miaramila sy ny fivavahana tany Portogaly, izy. Ny papa no nanohana azy io, ary nahazo famatsiam-bola be tamin’ny alalan’io fikambanana io ny fikasan’i Henri. Noho izany, dia nasiana lakroa mena teo amin’ny lain-tsambony rehetra.

Tamin’ny fotoana nahafatesan’i Henri tamin’ny 1460, dia efa namantatra ny morontsiraka andrefan’i Afrika, hatrany amin’ilay fantatra ankehitriny hoe Sierra Leone, raha ny farany atsimo, ireo Portogey. Tamin’ny 1488, dia nandeha an-tsambo nanodidina ny tendron’i Afrika i Bartholomeu Dias. Avy eo dia feno toky i Jean II Mpanjaka, ka nanome baiko ny hanomanana dia iray ho any Inde. Nanohy ny fanomanana i Manuel I Mpanjaka, izay nandimby an’i Jean. Tamin’izany fotoana izany, dia tsy afaka nahazo zava-manitra mampahatsiro sakafo avy any Inde i Eoropa, raha tsy tamin’ny alalan’ny fifandraisana an-tanety, teo amin’ireo mpivarotra italianina sy arabo. Ny Arabo miozolimanina no nahazo vahana teo amin’ny varotra tao amin’ny Oseana Indianina. Fantatr’i Manuel fa tokony ho “lehilahy nanana ny herim-pon’ny miaramila sy ny hafetsifetsen’ny mpivarotra, ary ny fahaiza-mandanjalanjan’ny diplaomaty”, araka ny tenin’ny mpahay tantara iray, no ho mpitarika ilay dia. Izany angamba no nifidianany an’i Vasco de Gama.

Ilay dia an-dranomasina lasa lavitra noho ny nahazatra

Tamin’ny 8 Jolay 1497, teo ambany fanevan’ny Ordre du Christ, dia nilahatra tsiroaroa i De Gama sy ny tantsambony niisa 170 nankany amin’ireo sambony vaovao. Nisy mompera nanome famotsoran-keloka azy ireo teo amin’ny torapasika. Raha sanatria ka nisy tamin’izy ireo maty nandritra ilay dia, dia ho efa nahazo famotsorana izy noho izay heloka rehetra nety ho nataony teny an-dalana. Niharihary fa nanampo olana i De Gama, satria nitondra tafondro sy tsipìka sy karazan-defona ary lefona maro izy.

Tapa-kevitra ny tsy hisetra ny rivotra sy korian-drano mifanohitra izay sendra an’i Dias, folo taona talohan’izay, i De Gama. Tany Sierra Leone, dia naviliny hianatsimoandrefana hanatona akaiky kokoa an’i Brezila, fa tsy an’i Afrika, ny sambony. Tamin’izay, dia nentin’ny rivotra mahery tany Atlantika Atsimo hiverina ho any Afrika izy, sy hanatona ny Tanjon’i Bonne-Espérance. Tsy misy fitantarana milaza fa efa nisy olona nanaraka io lalana io teo aloha. Tatỳ aoriana anefa, dia io no lalana nalehan’ny sambo rehetra nankany amin’ilay Tanjona.

Rehefa avy nandalo ilay toerana nanaovan’i Dias dia miverina i De Gama, dia nitondra ny andian-tsambony ho any amin’ny morontsiraka atsinanan’i Afrika. Tao Mozambika sy tao Mombassa, dia nitetika ny hamono an’i De Gama sy ny tantsambony ireo sultans (mpanjaka) teo an-toerana. Koa nifindra nankany Malindi (faritra atsimoatsinanan’i Kenya ankehitriny) àry i De Gama. Tao, tamin’ny farany, no nahitany lehilahy iray nanana traikefa tamin’ny fitondrana sambo mba hitarika azy ireo hamakivaky ny Oseana Indianina.

Nihaona tamin’ny atsinanana ny andrefana

Rehefa avy nandeha an-tsambo nandritra ny 23 andro avy teo Malindi i Vasco de Gama, feno haravoana, sy ny tantsambony, dia nandatsaka ny vatofantsiny tandrifin’i Calicut, any Inde, tamin’ny 20 May 1498. Hitan’i De Gama fa niaina tao anatin’ny harem-be sy ny haitraitra ny mpanjaka hindoa. Nohazavain’i De Gama fa iraka feno fisakaizana no nataony, ary nitady Kristianina izy sy ny tantsambony. Tsy nanisy firesahana momba ny varotra zava-manitra mampahatsiro sakafo izy, tamin’ny voalohany. Voamarik’ireo mpivarotra tao amin’io faritra io avy hatrany anefa ny loza nitatao teo amin’izy ireo, ka nanoro hevitra ny mpanjaka izy mba handringana ireo mpitsofotsofoka. Nampitandrina ny mpanjaka izy ireo hoe raha nifampiraharaha tamin’ireo Portogey ireo izy, dia hamoy ny fananany rehetra. Nampikorontan-tsaina ny mpanjaka izany torohevitra izany, ka nisalasala izy. Tamin’ny farany anefa, dia nomeny an’i De Gama izay notadiaviny: taratasy ho an’ny mpanjakan’i Portogaly izay nisy faneken’ilay mpanjaka hindoa hanao varotra taminy.

Tontolo niova

Niverina tany Lisbonne i De Gama tamin’ny 8 Septambra 1499, ary fandraisana olona be herim-po no nandraisana azy. Avy hatrany i Manuel Mpanjaka dia nandamina ny handefa iraka hafa. I Pedro Álvares Cabral, no nitarika ilay iraka nanaraka, ary namela lehilahy 70 mahery tao Calicut izy mba hiaro ny tombontsoan’ny Portogey. Tsy vonona ny hilefitra tamin’izany fanakantsakanana tamin’ny varotra nataony izany anefa ireo mpivarotra. Indray alina, dia nisy vahoaka romotra namono maherin’ny antsasak’ireo lehilahy ireo. Rehefa niverina tany Inde i De Gama, nitarika ilay dia fahatelo, dia namaly faty izy, ka nitifitra tafondro an’i Calicut, avy teny amin’ny andian-tsambony nisy sambo 14 feno fitaovam-piadiana. Nosamboriny koa ny sambo iray niverina avy tany La Mecque ary nodorany, ka nahafatesana lehilahy sy zaza amam-behivavy an-jatony maro. Na dia nitalaho famindram-po aza izy ireo, dia tsy nananan’i De Gama antra.

Nanohy nandroso ny Portogey ka nanjary ny fanjakana nanapaka tao amin’ny Oseana Indianina. Rehefa nandeha ny fotoana, dia nanao dia nankany Malacca, Chine, Japon, ary Moluques (Ireo Nosin’ny Zava-manitra Mampahatsiro Sakafo) izy ireo. Nihevitra izy ireo fa “tsy voafehin’ny lalàn’i Jesosy Kristy” ireo olona sendra azy ireo, ka noho izany, dia “voaheloka ho amin’ny afo maharitra mandrakizay”, hoy ny nosoratan’ilay mpahay tantara, tamin’ny taonjato faha-16, antsoina hoe João de Barros. Tsy nisalasala nampiasa herisetra àry ireo mpamantatra tany vaovao, isaky ny noheveriny hoe nilaina izany. Fahasosorana be tamin’ny Kristianisma no vokatr’izany fihetsika tsy kristianina izany, tany Azia.

Nanokatra ny lalana an-dranomasina teo anelanelan’i Eoropa sy i Azia ny zava-bitan’i De Gama. Noho izany, dia nanomboka ny fe-potoana vaovaon’ny famantarana tany vaovao, ka nitondra hevi-baovao ho an’ny olona nifandray tamin’ireo mpamantatra tany ireo. “Tsy nisy tamin’ireny olona ireny tsy niharan’ny fitaoman’ny Eoropeanina, na ara-tsosialy izany, na ara-pivavahana, na ara-barotra na ara-teknika”, hoy ny profesora J. H. Parry. Nanomboka nampihatra fitaomana lehibe kokoa tany Eoropa koa ny hevitra tatsinanana, izay nentin’ireo mpamantatra tany vaovao ireo niverina. Tamin’ny farany, io fifanakalozan-kevitra io dia nanampy mba hampitomboana ny fahatakarana ny maha maro samihafa ny kolontsain’olombelona. Marina tokoa fa mbola mahatsapa ny vokatry ny dia an-dranomasina niavaka nataon’i Vasco de Gama ny tontolo maoderina, na ahoana na ahoana.

[Sarintany, pejy 24, 25]

Ny lalana narahin’i Vasco de Gama tamin’ny diany an-dranomasina voalohany

[Sary nahazoan-dalana]

Mountain High Maps® Copyright © 1997 Digital Wisdom, Inc.

[Sary, pejy 26]

Sary tsotsotra mampiseho ny iray tamin’ireo sambon’i De Gama

[Sary nahazoan-dalana]

Cortesia da Academia das Ciências de Lisboa, Portugal

[Sary nahazoan-dalana, pejy 24]

Cortesia do Museu Nacional da Arte Antiga, Lisboa, Portugal, fotografia de Francisco Matias, Divisão de Documentação Fotográfica - IPM

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara