FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/8 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo Areti-mifindra Mahafaty Folo Voalohany
  • Fisotroana Tafahoatra any Venezoela
  • Ranomasina Marary
  • Vakiteny Maivana sy Mampiala Voly
  • Lalao Vidéo Mahasalama
  • Mandrava Haingana ny SIDA
  • Katesizy — Tsy Fahombiazana Lehibe
  • Miverina Indray ve ny Fitsipi-pitondran-tena?
  • Fitondrana Akanjo Fitena any Am-piangonana
  • Ekena ny Fananana Anaka eo Amin’ny Zatovovavy
  • Tabilao Fanehoana Hatsaram-panahy
  • Areti-mandringana Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao
    Mifohaza!—1997
  • Areti-mifindra—Mampidi-doza Nefa Azo Sorohina
    Mifohaza!—2001
  • Tokony Hanao Kilalao ao Amin’ny Ordinatera na Vidéo ve Aho?
    Mifohaza!—1996
  • Tarehin-javatra Faran’izay Mafy Misy ny Ankizy
    Mifohaza!—1993
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/8 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Ireo Areti-mifindra Mahafaty Folo Voalohany

Olona an-tapitrisany maro isan-taona no matin’ny areti-mifindra, maneran-tany. Araka ny voalazan’ilay gazetiboky hoe Natural History, dia ireto areti-mifindra manaraka ireto no nahafaty indrindra tamin’ny 1997. Areti-mifindra mafy, toy ny pnemonia, mahavoa ny faritra ambany amin’ny taovam-pisefoana no loha laharana eo amin’ny lisitra, noho izy io nahafaty olona 3,7 tapitrisa. Faharoa ny raboka, izay nahafaty olona 2,9 tapitrisa. Ny kôlerà sy ny aretim-pivalanana hafa no fahatelo: nahafaty olona 2,5 tapitrisa. Namono olona 2,3 tapitrisa ny SIDA. Olona eo anelanelan’ny 1,5 tapitrisa sy 2,7 tapitrisa no matin’ny tazomoka. Ny kitrotro no nahafaty olona 960 000. Nahafaty olona 605 000 ny hépatite B. Naka ain’olona 410 000 ny kohadavareny. Olona hafa 275 000 no matin’ny tetanosy. Ary olona 140 000 no matin’ny dengue sy ny dengue mampivoa-dra. Na eo aza ny ezaka tsara indrindra ataon’ny olombelona, dia mbola mandrahona ny fahasalaman’ny olona ihany ireo areti-mifindra tamin’ny lasa, saika maneran-tany, amin’izao andro izao.

Fisotroana Tafahoatra any Venezoela

Bebe kokoa noho ny zava-pisotro misy alkaola sotroin’ny isam-batan’olona ao amin’ny tany hafa any Amerika Latinina ny an’ny Venezoelianina, araka ny tatitra nataon’ilay gazety hoe El Universal, any Caracas. Tombanana fa zava-pisotro misy alkaola eo anelanelan’ny 60 sy ny 70 litatra isan-taona no lanin’ny olona iray any Venezoela. Tombanan’ny Minisiteran’ny Fahasalamana fa misy ifandraisany amin’ny zava-pisotro misy alkaola ny 50 isan-jaton’ny vonoan’olona sy ny famonoan-tena rehetra ao amin’ny faritra an-drenivohitr’i Caracas. Milaza anefa ny fandinihana iray nataon’ny Oniversite Afovoany any Venezoela, sy ny Foibe ho An’ny Fandriampahalemana ary ny Polisin’ny Fitsarana fa misy ifandraisany amin’ny alkaola ny vonoan’olona 9 amin’ny 10 izay mitranga ao amin’io faritra an-drenivohitra io. Mba hanampiana ny olona hiady amin’ny fisotroana tafahoatra, dia nisy fandaharam-panabeazana natao mba hampianarana ny mpianatra ny fomba hanoherana ny fanerena hisotro, fanerena avy amin’ny namana, sy ny fomba izahana zavatra hafa azo ianteherana ary azo asolo ny fisotroana, ary koa ampirisihana ny fifampiresahana mandaitra eo amin’ny ray aman-dreny sy ny zanaka.

Ranomasina Marary

Maneran-tany, dia miharipaka ny harambaton’akorandriaka noho ny fivontosana, ny fahasimbana, ny areti-mifindra, ary ny zavatra hafa mandrahona, hoy ny tatitra nataon’ny Science News. Marihin’i James Cervino, biôlôjista momba ny ranomasina, fa nisy 15, fara fahakeliny, ny aretina mamono akorandriaka, aretina vaovao nipoitra nandritra ny 20 taona farany. Tandindomin-doza ny zavamiaina hafa any an-dranomasina, anisan’izany ny ahitra any amin’ny fanambanin’ny ranomasina, ny hazandrano misy akorany, ny soka-dranomasina ary ny karazana lambondriaka. “Ranomasimbe ny 95 isan-jaton’ny toerana misy aina”, hoy i Sylvia Earle, mpahay ranomasina. “Raha marary ny ranomasimbe, dia marary koa isika. Ary dia marary tokoa anefa ny ranomasimbe.”

Vakiteny Maivana sy Mampiala Voly

Tsy izay rehetra manana talantalana feno boky no tia vaky boky. Niaiky toy izao, ohatra, i Chris Mattheus, mpivarotra: “Tiako ny isian’ny boky manodidina ahy, saingy mahalana aho vao mamaky boky.” Manolotra vahaolana tsy andaniam-bola firy izy ankehitriny. Nanokatra fivarotam-boky izy sy ny namany iray. Izany no toerana voalohany ivarotana sarintsarim-boky fotsiny, any Alemaina, araka ny tatitra nataon’ilay gazety hoe Weser-Kurier. “Lohatenim-boky sandoka” 2 800 eo ho eo, mahakasika ny sehatry ny zavakanto sy ny filôzôfia ary ny siansa, no amidy. Samy hafa ny endrik’ireo boky sandoka, manomboka amin’ny baoritra fisaka tsotra, ka hatramin’ny kopia be dia be natao tamin’ny hodi-kazo ambony karazana. Manintona ny sarintsarim-bokin-javakanto, izay 10 ka hatramin’ny 15 dolara monja ny vidiny, nefa raha ny ara-dalàna dia mihoa-pampana ny tena vidiny. Hoy i Mattheus: “Miankina amin’ny habeny, fa tsy ny ao anatiny, ny vidiny.”

Lalao Vidéo Mahasalama

Tonòny ny hoe “lalao vidéo”, dia lalao feno herisetra no ho tonga ao an-tsain’ny olona maro. Nisy anefa mpikaroka nahita fa “afaka mampiofana ankizy voan’ny diabeta sy sohika mba hisakanany ny aretiny tsy hihombo ny lalao mifanentana amin’izany”, hoy ny tatitra nataon’ny Technology Review. Nanao fandinihana iray tamin’ankizy diabetika 60 teo ho eo, teo anelanelan’ny 8 sy 16 taona ny Foibe Fitsaboana ao amin’ny Oniversite Stanford. Nanao lalao vidéo mahazatra ny antsasak’ireo ankizy ireo. Ny sisa nanao ilay lalao hoe Packy & Marlon, lalao ahitana elefanta mavitribitrika anankiroa izay manampy ny mpilalao hifidy ny sakafo azo hanina, sy hamantatra ny habetsahan’ny siramamy ao amin’ny rany, ary hampiasa tsara ny insuline. Nandritra ny enim-bolana, dia “nihena ho 77 isan-jato ny nilan[’ireo nanao ilay lalao Packy & Marlon] fizahana maika tany amin’ny dokotera na tany amin’ny efitra fitsaboana vonjy aina” noho ireo ankizy nanao lalao vidéo mahazatra, hoy ny Technology Review. Nisy lalao vidéo toy io koa natao mba hanampiana ankizy hahatohitra ny sohika sy hanao izay tsy hifohana sigara.

Mandrava Haingana ny SIDA

Atsy Afrika atsimon’i Sahara, nandritra ny folo taona farany, dia nidina efa ho enin-taona ny fanantenam-pahaveloman’ny olona eo am-pahaterahana, ary ampoizina ny mbola hidinany ihany. Inona no nahatonga izany? Satria “mihanaka be ny Sida” any amin’ireo tany ao amin’io faritra io, hoy ny tatitra nataon’ny The UNESCO Courier. Maherin’ny 10 isan-jaton’ny mponina ao amin’io faritra io no tratran’ny VIH, ilay tsimokaretina manome ny SIDA, ankehitriny. I Afrika Atsimo, i Botswana, i Malawi, i Mozambika, i Namibia, i Zambia, sy i Zimbabwe no tany voa mafy indrindra. Ambonin’izany, dia milaza ny Firenena Mikambana fa “misy fandevenana olona 5 500 matin’ny SIDA isan’andro any Afrika”, hoy ny tatitra nataon’ny The New York Times.

Katesizy — Tsy Fahombiazana Lehibe

Tao amin’ny taratasy iray vao haingana dia nomarihin’i Gaetano Bonicelli, arsevekan’i Sienne, fa na dia taorian’ny nianaran’ny tanora 20 taona katesizy aza, dia mbola “tsy mahalala ny fahasamihafan’ny Andriamanitra tokana olona telo sy ny Maria Virjiny” ihany izy ireo. Izany tsy fahalalana ny foto-pinoana katolika izany dia ahitana taratr’izay nantsoin’ny Kardinaly Ratzinger, lohandohany iray hafa, hoe “ny tsy fahombiazan’ny katesizy amin’izao andro izao”, hoy ny tatitra nataon’ny Corriere della Sera, any Milan, Italia. Mampirisika ny hiverenana ho amin’ny fitoriana ny evanjely indray ny arseveka Bonicelli. “Manjary ny hany fomba azon’ny eglizy atao amin’izao arivo taona fahatelo izao ny asa nanirahana, izany hoe ny fitoriana ny evanjely.”

Miverina Indray ve ny Fitsipi-pitondran-tena?

Nahariharin’ny fanadihadiana iray natao vao haingana tany Chine, fa “na dia nihanilefitra kokoa aza ny olon-dehibe sinoa teo anoloan’ny fanaovana firaisana ivelan’ny fanambadiana, dia mbola tsy mankasitraka ny fitondran-tena toy izany ihany ny ankamaroan’ny zatovo”, hoy ny tatitra nataon’ilay gazetiboky hoe China Today. Niorina tamin’ny fitsapana ny hevitr’olona 8 000 teo ho eo ireo vokatry ny fanadihadiana ireo. Nasehon’ilay fanadihadiana fa “niombon-kevitra ny telo ampahadimin’ny zatovo fa tokony hosazina ara-bola na amin’ny fomba hafa ny olona mandrava ny tokantranon’ny hafa amin’ny fangalaram-pitia, nefa mihevitra kosa ny 70 isan-jaton’ny olona, eo anelanelan’ny 37 sy 45 taona, fa tsy tokony hanasaziana ny fanaovana ireo zavatra ireo”.

Fitondrana Akanjo Fitena any Am-piangonana

Any Etazonia, dia mihabetsaka ny olona mitondra akanjo fitena any am-piangonana, hoy ny tatitra nataon’ny Associated Press. Manahy ireo mpitondra fivavahana sasany mahita mpiangona manao kilaoty fohy, pataloa jinina manara-batana, na akanjo fitena hafa rehefa manatrika fotoam-pivavahana. Very hevitra ireo lohandohany ao am-piangonana: sady tsy ta handroaka ireo mpiangona vaovao izy ireo, no tsy ta hampahasosotra an’ireo mpivavaka tsy tapaka izay tsy mety manao fitafiana mety. Araka ny fanadihadiana iray, dia “30 isan-jaton’ny Amerikanina eo ho eo no tia kokoa fotoam-pivavahana tsy asiana fombafomba sy araka ny toetr’andro”, ary 21,5 isan-jato no tia kokoa fotoam-pivavahana araka ny mahazatra.

Ekena ny Fananana Anaka eo Amin’ny Zatovovavy

Milaza ny The News, any Mexico, fa “anton-javatra iray lehibe nampitombo tsy an-kijanona ny isan’ny reny tsy manambady ny faneken’ny fiaraha-monina izany”. “Toa miezaka mafy ny fiaraha-monina manaisotra ny fahafaham-baraka entin’ny fananana anaka eo amin’ny zatovovavy tsy manambady. Amin’ny fanaovana izany, dia mety ho lasa lavitra kokoa mihitsy aza izy io, ka hampirisika izany.” Azo kosehina ve ilay fitomboana? Milaza toy izao ilay lahatsoratra: “Raha toa ny fikambanana mpanao dokambarotra ka afaka manova ny lazan’ny olona iray mpifoka, ka tsy hatao hoe olona mandroso intsony fa hoe olona tsinontsinona, ary raha toa ka mety miova ny sakafo fihinan’ny Amerikanina, ka tsy sakafo be menaka intsony fa sakafo be tsiratsiraka na fibra, dia ho azo ovana ny hevitry ny zatovo ka ho lasa hadalana aminy sy hitondra vokany mifanohitra amin’izay kendrena ny fananana anaka raha mbola mpianatra any amin’ny lise.”

Tabilao Fanehoana Hatsaram-panahy

“Raha ny marina, dia tia tena ny ankizy mandra-pahatongany eo amin’ny fahefa-taonany eo ho eo, izay anombohany mampitombo fahaiza-miombom-pihetseham-po amin’ny hafa”, hoy ny tatitra iray notononin’ny The Toronto Star. Mba hanampiana ny ankizy hamboly fiahiana ny hafa, dia ampirisihana ny hampiofanana azy ao an-trano, mba hanana fihetsika feno hatsaram-panahy. Angamba ny mpianakavy afaka mandrakitra an-tsoratra eo amin’ny tabilao iray, zava-bita tsara roa, fara fahakeliny, izay nataony an-tsitrapo isan’andro. Ny ray aman-dreny izay mahamarika fihetsika feno hatsaram-panahy avy amin’ireo zanany dia afaka mametaka izany eo amin’ilay tabilao. Mampiasa tabilao toy io ny sekoly maromaro mba hiezahana hampihena ny fampijaliana ny kely. Asaina ireo mpianatra handrakitra an-tsoratra fihetsika feno hatsaram-panahy izay hitany nataon’ny ankizy hafa. Araka ny voalazan’ilay tatitra, “izany dia manampy ny ankizy hahatakatra ny atao hoe fangoraham-po, izay dingana iray tena lehibe eo amin’ny fianarana mahatsapa sy maneho azy io”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara