Ireo Loza — Lahatra sa Zavatra Mpitranga?
NISY “mannequin” tanora nanintona iray natao hoe Cristina, niampita ny arabe Nove de Julho, be mpandeha, any São Paulo, Brezila. Tsy nahita ilay fiarambahoaka nanatona izy. Nanandrana nampijanona ny fiarany tamim-pamoizam-po ilay mpamily, saingy tratra aoriana loatra izany. Voahitsaka i Cristina ary maty.
Nanjary fitantarana iray tao amin’ny pejy voalohany amin’ny gazety breziliana O Estado de S. Paulo (29 Jolay 1990) io loza nahatsiravina io. Kanefa vao ny iray monja amin’ireo lozam-pifamoivoizana miteraka fahafatesana 50 000 mitranga isan-taona any Brezila izany. Ary raha mbola an’arivony maro ankoatra ireo no mahazo takaitra noho ny loza toy izany, dia velona tsy naninon-tsy naninona kosa ny hafa. Nahoana àry io zazavavy io no maty tamin’io loza io? Moa ve voalahatra ho faty tamin’io andro io izy?
Olona maro be no hanantitrantitra fa izany no izy. Izy ireo dia mino ny anjara, izay milaza fa ny fitrangan-javatra lehibe toy ny fotoana ahafatesan’ny olona iray, dia efa voafetra mialoha. Io zavatra inoana io dia nahatonga fitenenana toy ny hoe: “Tonon’andro tsy maha-lehilahy”, “Izay no androny”, na “Izao no lahatra ka atao ahoana”. Misy maha-marina azy ve ny fitenenana fanta-bahoaka toy ireo? Moa ve isika andevon’ny anjara fotsiny?
Ny finoana ny anjara na ny fiheverana fa efa voafetra mialoha daholo ny fitrangan-javatra rehetra, dia nanjaka teo amin’ireo ntaolo grika sy romana. Na dia amin’izao andro izao aza, dia mbola manan-kery ihany io fiheverana io ao amin’ny fivavahana maro be. Ny Silamo, ohatra, dia mino ity teny ao amin’ny Coran ity: “Tsy misy fanahy (âmes) maty na oviana na oviana raha tsy mahazo ny faneken’i Allah sy amin’ny fotoana voatondro.” Mahazatra koa ny finoana ny anjara ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana, ary nohamafisin’ny foto-pampianarana momba ny lahatra nampianarin’i Jean Calvin. Mahazatra ireo mpitondra fivavahana àry ny miteny amin’ny havana mana-manjo fa “sitrapon’Andriamanitra” ny loza iray.
Ny fiheverana anefa fa vokatry ny anjara ireny loza ireny, dia mifanohitra amin’ny fahendrena sy ny fanandraman-javatra ary ny fandrindran-kevitra. Voalohany indrindra, ireo lozam-piarakodia dia tsy hety ho vokatry ny fisalovanan’Andriamanitra, satria ny famotopotorana feno iray mazàna dia hampiharihary antony araka ny fandrindran-kevitra tanteraka. Fanampin’izany, ireo antontan’isa dia mampiseho mazava fa ny fitandremana mialoha araka ny mety — toy ny fanaovana fehikibon-tseza — dia mampihena betsaka ny mety hitrangan’ny loza mitera-pahafatesana heverina ho avy amin’ny anjara. Misy fitandremana azo antoka ho afaka ny hisakana marina ny sitrapon’Andriamanitra voafetra mialoha ve?
Misy vokany ratsy eo amin’izay mino izany anefa ny finoana ny anjara. Moa ve izy io tsy mampirisika fanaovan-javatra amim-pahasahisahian-dratsy, toy ny tsy firaharahana ireo fetra tsy azo ihoarana eo amin’ny hafainganam-pandeha sy ireo famantarana natao ho an’ny fifamoivoizana ary ny fitondrana fiara eo ambanin’ny herin’ny alikaola na ny zava-mahadomelina? Mbola ratsy kokoa noho izany aza, fa ny finoana ny anjara dia mitaona olona maro hanome tsiny an’Andriamanitra rehefa misy loza mahakasika azy ireo. Mahatsapa tena ho tezitra sy tsy afa-manoatra izy ireny ary mino mafy fa tsy miraharaha Andriamanitra, koa mety hanary ny finoany mihitsy aza izy. Nifanentana ny nitenenan’ilay poety atao hoe Emerson toy izao: “Ny foto-javatra mitera-doza mangidy indrindra eo amin’ny fiainana dia ny finoana ny Anjara na ny Lahatra tsy mifaditrovana.”
Nefa, inona no lazain’ny Baiboly momba ireo sampona mpanjo mbamin’ireo loza? Moa ve izy io tena mampianatra fa asan’ny anjara ireo? Fanampin’izany, inona no lazainy momba ny fahatsinjovantsika famonjena? Tsy manana safidy mihitsy ve isika ny amin’izany raharaha izany?
[Teny notsongaina, pejy 4]
“Ny foto-javatra mitera-doza mangidy indrindra eo amin’ny fiainana dia ny finoana ny Anjara na ny Lahatra tsy mifaditrovana” — Ralph Waldo Emerson