Moa ve manapaka ny fiainanao ny finoana ny anjara?
TAMIN’NY septambra 1988 no namely ny loza aman’antambo. Nisondrotra 9 metatra ny rano tsy nifaditrovan’ny hefaka [delta] midadasiky ny reniranon’i Gange sy Brahmapoutre, ary nanafotra ny telo ampahefatr’i Bangladesy. An’arivony maro no maty an-drano. Teo amin’ny 37 000 000 no tsy nanam-pialofana. Maherin’ny 60 000 km ny lalana difotra.
Koa satria safotry ny rano nitohitohy toy izany i Bangladesy dia nantsoin’ny gazety iray hoe “Hefaky ny Anjara ratsy” ilay tany. Izany filazana izany dia mampiseho taratr’izay heverin’ny olona maro ho antony nahatonga ny loza mahavàka toy izany: lahatra, na anjara.
Na dia mihevitra aza ny sasany fa tsy manapaka ny fiainana ny anjara, dia manenika ny tany tokoa ny fiheverana ny amin’ny lahatra. Nahoana no maro be toy izany no mino ny anjara, ary inona moa ny finoana ny lahatra?
Ny anjara asan’ny fivavahana
Ny teny anglisy hoe “fate” (anjara) dia avy amin’ny teny Latina hoe fatum, midika hoe “izay efa voalaza.”a Inoan’ireo mpino ny lahatra fa efa voatendry mialoha ny zavatra hiseho, ary tsy manana fahefana hanova zavatra ny olombelona. Naelin’ny fivavahana isan-karazany izany fomba fijery izany, ary namolavola ny fomba fiheveran’ny mpino an-tapitrisany maro. Ny fanopaza-maso amin’ireo fivavahana telo lehibe indrindra eo amin’izao tontolo izao dia mampiseho fa manana endrika iray misy fisehoana ivelany isan-karazany ny anjara — maro karazana toy ny tempoly hindoa sy ny trano fivavahan’ny Silamo, ary ireo fiangonan’ny fivavahana lazaina fa kristiana.
Ireo Silamo eo amin’ny 900 tapitrisa maneran-tany, ohatra, dia mino fa ny lahatra (Kismet) dia voafetra araka ny sitrapon’Andriamanitra.b Manambara toy izao ny Korana: “Tsy misy ratsy mitranga eto an-tany (. . .), fa efa ao amin’ny boky iray izany alohan’ny anaovantsika azy.” “Ary ny fanahy iray dia tsy ho faty raha tsy misy fanomezan-dalana avy amin’i Allah; voatendry ny fetr’andro.” — Sorata 57:22; 3:145.
Ny karma dia lalànan’ny anton-javatra sy ny vokany — endriny hafa iray koa amin’ny anjara — izay manan-kery eo amin’ny fiainan’ireo Hindoa eo amin’ny 700 tapitrisa maneran-tany. Inoana fa ny zava-mitranga eo amin’ny fiainan’ny Hindoa iray ankehitriny dia voalahatry ny asany tamin’ny fiainana nisehoany teo aloha. Hoy ny Garuda Purana, soratra tranainy Hindoa iray: “Ny asan’io vatana io tamin’ny fisiany teo aloha no mametra ny toe-tenany ao amin’ny fisiany manaraka, ary koa ny karazan’aretina, na ara-batana na ara-tsaina, hanjo azy. (. . .) Ny olona iray dia mahazo eo amin’ny fiainana izay efa voalahatra fa ho azony.”
Inona no holazaina ny amin’ireo mpikambana 1 700 tapitrisa eo ho eo ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana? Ekena fa mety hilaza ny sasany ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana fa nanolo ny anjara tamin’Andriamanitra izy, ary ny finoana ny anjara, tamin’ny lahatra. Nefa miaiky toy izao ny Encyclopoedia of Religion and Ethics: “Tsy azo lazaina fa ny kristiana dia afaka tanteraka amin’ny finoana ny Anjara.” Misy antokom-pivavahana vitsivitsy mbola mampanakoako ny finoan’i Martin Luther, mpanao fanovana tamin’ny taonjato faha-16, izay nilaza fahiny fa ny olombelona dia “tsy manam-pahafahana sahala amin’ny vatan-kazo iray, vatolampy iray, vaingan-tanimanga iray, na tsanganam-bongan-tsira iray.”
Tsipy vola madinika sy fandinihana kintana
Na dia efa lasa anisan’ny zavatra tsy inoana mahazatra ao amin’ny fivavahana lazaina fa kristiana aza ny fiheverana hentitra toy izany, dia miaiky ny teôlôjiana iray fa ny ankamaroan’ireo mpikambana ao aminy dia mbola manaiky io zavatra inoana io “amin’ny endriny tsy ara-pivavahana.” Amin’izany endriny izany, ny anjara dia mety hitsiky kely amintsika ka hantsoina hoe vintana. Angamba ianao mahalala olona maro manipy vola indraindray mba hiantsoana ny vintana na ny anjara. Na dia mety hanadrana hilaza izany ho fombafomba fotsiny aza izy, dia tohiziny ny fanaovana izany, ary indraindray dia toa misy vokany. Vao haingana, ohatra ny The New York Times no nitantara fa nisy lehilahy iray monina any Etazonia nahita “penny” (vola madinika) tamin’ny lafiny mivadika taorian’ny nividianany karatra lôteria. Hoy izy: “Isaky ny nahita ny lafiny nivadika tamin’ny “penny” aho dia nisy zavatra tsara nitranga tamiko foana.” Tamin’io indray mitoraka io izy dia nahazo 25,7 tapitrisa dôlara. Heverinao ve fa nihena ny finoany ny amin’ny vintana na ny anjara?
Ny olona sasany mikimokimoka mihomehy amin’ny hoe tsipy vola madinika. Kanefa, mino izy fa ny hoaviny dia voalahatry ny fihetsiky ny kintana mialoha — endriny iray hafa koa amin’ny anjara. Any Amerika Avaratra fotsiny dia misy gazety 1 200 ahitana fizarana momba ny fanandroana. Nasehon’ny fitsapana hevi-bahoaka iray natao fa 55 isan-jaton’ny tanora any Etazonia no mino fa misy vokany ny fanandroana.
Eny, na antsoina hoe Kismet, na Karma, na Andriamanitra, na vintana, na kintana, ny finoana ny anjara dia manenika ny tany ary efa hatramin’ny ela. Fantatrao ve, ohatra, fa amin’ireto olona teo amin’ny tantara atao lisitra eto ireto dia iray monja no tsy nino ny anjara? Iza no tsy nino? Ary amin’ny ahoana ny fiheverany ny anjara no mety hahakasika anao?
[Fanamarihana ambany pejy]
a Milaza toy izao ny The Encyclopedia of Religion, (Firaketana momba ny fivavahana) Boky faha-5, pejy faha-290: “FATE (ANJARA). Sampanteny avy amin’ny teny latina hoe fatum (zavatra voalaza mialoha, fanambarana ara-paminaniana, ôrakla, fanapahan-kevitr’Andriamanitra).”
b “Ny hany tsy itovian’ny Kismet amin’ny anjara dia ny fifandraisany amin’ny Fikasana iray manana ny fahefana rehetra; zava-poana ny fanandramana rehetra ataon’ny olombelona hiadiana amin’ireo zavatra roa ireo.” — Encyclopoedia of Religion and Ethics nosoratan’i Hastings, Boky faha-5, pejy faha-774.
[Efajoro, pejy 4]
IZA NO NINO NY LAHATRA?
Maskarīputra Gośāla Jesosy Kristy
Karana mpitoka monina, taonjato Mpanorina ny kristianisma,
faha-6/faha-5 al. fan. ir. taonjato voalohany
am. fan. ir.
Zénon de Cittium Jahm, zanakalahin’i Safwān
Filôzôfa grika, Mpampianatra miozilimana,
taonjato faha-4/faha-3 taonjato faha-8
al. fan. ir. am. fan. ir.
Virgile Jean Calvin
Poeta romana, Teôlôjiana frantsay sady
taonjato voalohany al. fan. ir. mpanao fanovana, taonjato
faha-16 am. fan. ir.