FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g99 8/12 p. 28-29
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
  • Mifohaza!—1999
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Fanairana ny Amin’ny Fahajambana
  • Tabataba An-tanàn-dehibe Miady Amin’ny Nofy Mamy
  • Fiderana ny Fahiratan-tsaina sa ny Fanaovana Ezaka?
  • Mpanidina Mandoro Tanety
  • Mampidi-doza ny Fitondrana Fitaovam-piadiana
  • “Lalam-ben’ny Sokatra”
  • Ankizy Miaramila Maro Kokoa
  • Zokiolona Mampiasa ny Internet
  • SIDA — Ilay “Areti-mifindra Lehibe Indrindra Mpamono Olona”
  • Reny Tratran’ny Fihenjanana — Zazakely Tratran’ny Fihenjanana
  • Ilay Areti-maso Mahatonga Fahajambana
    Mifohaza!—2004
  • Ny SIDA — Mety Hiharan’io Loza Io ve Aho?
    Mifohaza!—1994
  • Areti-mandringana Amin’izao Taonjato Faha-20 Izao
    Mifohaza!—1997
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1999
Hijery Hafa
Mifohaza!—1999
g99 8/12 p. 28-29

Fijerena An’izao Tontolo Izao

Fanairana ny Amin’ny Fahajambana

“Kanadianina mihoatra ny 200 000 no voan’ny glaucome [fihajamban’ny maso], nefa ny antsasany aminy monja no mahalala izany”, hoy ilay gazety hoe The Prince George Citizen. Antony iray lehibe miteraka fahajambana ny glaucome, ary mahatonga ny selam-pitatitra ao andamosin’ny voamaso ho faty tsikelikely. Ny vokany dia mihamihena tsikelikely ny fahitan’ny maso ny faritra manodidina an’izay jereny, fa mbola mahita tsara izay jereny izy, mandra-pahatongan’ilay aretina amin’ireo dingana farany. Tsy mitady fitsaboana ny ankamaroan’ireo voa, satria tsy misy maharary azy sady mbola afaka mitondra fiarakodia, sy mamaky teny ary manao ny ankamaroan’ny asa fanaony izy. Ny zokiolona, ny olona nanana mpianakavy efa voa, ny mainty hoditra mihoatra ny 40 taona, ary ny olona miakatra tosidra ao anaty voamasony no anisan’ny mety ho voa indrindra, araka ny voalazan’ny Glaucoma Research Society of Canada. “Raha mahataona olona mety ho voa indrindra hizaha ny dokoterany isika, dia efa dingana lehibe no vita”, hoy ny Dr. Neeru Gupta, talen’ny sampam-pitsaboana maso mihajamba ao amin’ny Hopitaly St. Michael, ao Toronto. “Ny hevi-dehibe dia hoe afaka manavotra ny fahitan’ny maso ny famantarana mialoha be ilay aretina sy ny fitsaboana aloha be.”

Tabataba An-tanàn-dehibe Miady Amin’ny Nofy Mamy

Mandritra ny andro, dia Italianina 40 tapitrisa mahery — tokotokony ho ny 72 isan-jaton’ny mponina — no mandre tabataba mafy loatra, araka ny voalazan’ny Minisiteran’ny Tontolo Iainana any Italia. Anisan’ny mety ho voka-dratsin’ny fandrenesana tabataba toy izany maharitra ny hafainganan’ny fitepon’ny fo, ny fiovaovan’ny tosidra sy ny fahafaha-misefo, ny firehetan’ny ambavafo, ary ny fisaleboleboana, hoy ny tatitra nataon’ny Corriere della Sera. Manakantsakana ny torimaso ara-dalàna ny tabataban’ny fifamoivoizana any an-tanàn-dehibe. Mihoatra ny 70 decibels ny tabataba an-tanàn-dehibe mandritra ny alina, ka mampitombo ny mety ho fihenan’ny torimaso lalina sy ny fanofisana. Milaza toy izao i Lucia Venturi, tale ara-tsiansa ao amin’ny fikambanana italianina Legambiente momba ny tontolo iainana: ‘Tombanana fa mamoy torimason’antsasa-kadiny isan’alina ny tsirairay amin’ireo olona 18 tapitrisa mipetraka ao amin’ny faritra lehibe an-tanàn-dehibe. Mitovy amin’ny 22 alina tsy atoriana isan’olona izany, isan-taona.’

Fiderana ny Fahiratan-tsaina sa ny Fanaovana Ezaka?

Ray aman-dreny maro no mihevitra fa mahasoa ny ankizy ny fiderana ny fahiratan-tsainy. Misy fandinihana vaovao anefa manondro fa ny fiderana toy izany dia tena mety hampihena tsikelikely ny antony manosika azy sy izay mety ho vitany amin’ny hoavy, araka ny tatitra nataon’ny Columbia Magazine, navoakan’ny Oniversiten’i Columbia, any New York. Araka ny voalazan’ny Profesora Carol Dweck, dia tsara lavitra ny midera ankizy noho ny asa mafy nataony. Manamafy ny fahaizany miatrika zava-tsarotry ny fiainana izany. “Liana kokoa amin’izay fiheveran’ny olona ny fahiratan-tsainy ny ankizy noderaina noho izany, ary matetika no tsy hanararaotra fahafahana hianatra zava-dehibe, mba hisehoana ho miavaka”, hoy ny fanamarihan’i Dweck. Etsy an-danin’izany, dia nanamarika ilay tatitra fa ireo izay noderaina noho ny ezaka nataony sy ny fikirizany dia azo inoana kokoa fa hifantoka amin’ny fianarana sy ny fandresena tsy fahombiazana. “Koa tsy hanararaotra fahafahana hiseho ho mahira-tsaina àry ireny ankizy ireny, mba hianaran-javatra”, hoy ny fanamarihan’i Dweck. “Ary tena afaka ny hiarina indray izy ireo, satria tsy raisiny am-po ilay tsy fahombiazana.”

Mpanidina Mandoro Tanety

Misy goaika ahiahina ho nandoro tanety indroa tany Kamaishi, any Japon. Tamin’ilay voalohany, ny mpamonjy haintrano nandeha namono bozaka nirehitra teo akaikin’ny toerana iray nisy fasana dia nahita porofo fa nandray anjara tamin’izany asa ratsy izany ny goaika. Manazava toy izao ny Nihon Keizai Shimbun: “Naka mofomamy napetraka teo ambony fasana iray ireo goaika, ary taorian’izany avy hatrany dia nisy afo nanomboka nirehitra tany amin’ny faritra nanidinan’izy ireo. Tsy teo intsony koa ny sasany tamin’ireo emboka manitra izay navela hirehitra teo, ary nahitana labozia, izay toa nalatsak’ireo goaika, teo amin’ny toerana nanombohan’ilay afo.” Herintaona teo ho eo tatỳ aoriana, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety hoe Daily Yomiuri, dia nisy afo nanomboka nirehitra teo amin’ny tehezan-tendrombohitra teo amin’io faritra io ihany. Ny olona iray mpamono afo tany dia nahita goaika nanidina nitondra boaty vita tamin’ny baoritra nirehitra teny am-bavany, ary nandatsaka izany tao amin’ny ony iray teo akaiky teo. Nahita boaty iray hafa nirehitra ireo mpamono afo, teo akaikin’ilay toerana nanombohan’ny afo. Taiza no nety ho nahitan’ireo goaika ny afony tamin’ity indray mitoraka ity? Hita fa nisy mponina iray teo akaiky teo nandoro boatina endin’ovy fisaka tao anaty afon’arina.

Mampidi-doza ny Fitondrana Fitaovam-piadiana

“Tamin’ireo mpitaingina fiarakodia notafihin’ny mpangalatra, dia efa ho avo efatra heny no azo inoana fa mety hahavoatifitra azy raha nitondra basy izy, noho ny raha tsy nitondra basy”, hoy ilay gazety hoe The Natal Witness, atsy Afrika Atsimo. Hoy koa ilay tatitra hoe: “Azo inoana kokoa fa avo efatra heny ny mety hitrangan’ny hoe alain’ny mpangalatra ny basin’ny olona tafihiny, fa tsy afaka mampiasa ny basiny akory ireo olona ireo.” Nasehon’ny fandinihana ny antontan-taratasy tao amin’ny paositry ny polisy fa nitifitra an’ireo mpitaingina fiarakodia notafihiny ny mpangalatra, tamin’ireo 12 isan-jaton’ny fanafihana mpandeha. Niakatra ho 73 isan-jato anefa io tarehimarika io rehefa mamoaka fitaovam-piadiana, mba ho fiarovan-tena, ny olona notafihina. Nanatsoaka hevitra toy izao ilay mpikaroka atao hoe Antony Altbeker: “Na dia mety hahatonga anao hahatsapa tsy fananana ahiahy kokoa aza ny fananana basy, dia tsy midika hoe tena fiarovana izy io.”

“Lalam-ben’ny Sokatra”

Isaky ny volana Desambra, dia misy fano zaty 10 000 miverina any amin’ilay nosy bitika antsoina hoe Ascension, ao amin’ny Oseana Atlantika mba hanatody. Araka ny tatitra nataon’ny The Times any Londres, dia nisy mpahay siansa britanika sy italianina nampiasa ny fanaraha-mason’ny zanabolana ka nahita “lalam-ben’ny sokatra”, vao haingana izay, teo anelanelan’ilay nosy sy ireo toerana misy ny sakafon’ireo biby ireo, manodidina an’i Recife, tanàna amorontsirak’i Brezila. Rehefa mifarana ny fotoana fanatodizany naharitra fito volana, dia manaraka io lalana io ihany ireo sokatra rehetra amin’ilay fiverenany ho any Brezila, ao anatin’ireo 300 kilaometatra voalohany. Avy eo izy ireo dia somary misaraka ka mitodi-doha ho any amin’ny toerana samy hafa misy ny sakafony. Ahoana anefa ny amin’ireo zana-tsokatra kely, izay tsy ampy fahatanjahana mba hilomanosana hanao ireo 2 000 kilaometatra hiverenana any Brezila? Manaraka ny riakan’ny ranomasimbe mamakivaky an’i Atlantika sy i Caraïbes izy ireo, ka mihinana méduses sy biby sy zavamaniry bitika eny ambony rano. Misy mihevitra fa samy manaraka ny lalany manokana ho any amin’ny toerana misy ny sakafony any Brezila ny tsirairay aminy, rehefa afaka dimy na enin-taona. Avy eo, rehefa 20 taona eo ho eo izy ireo, dia manatevin-daharana amin’ilay fifindra-monina rodobe miverina any amin’ny Nosy Ascension mba hanatody.

Ankizy Miaramila Maro Kokoa

“Nitombo ny fanohizana mampiasa ankizy ao amin’ny ady, notombanana ho ankizy 250 000 teo ho eo, roa ka hatramin’ny telo taona lasa izay, ka tonga 300 000 ankehitriny”, hoy ny tatitra nataon’ny Go Between, zavatra vita an-tsoratry ny Sampan-draharaha Fampitan-kevitra Tsy Miankina Amin’ny Fanjakana ao amin’ny Firenena Mikambana. Ankehitriny dia misy ankizy miaramila — vao valo taona monja ny sasany aminy — tafiditra ao amin’ny fifandonana 30 mahery maneran-tany. Araka ny voalazan’i Olara Otunnu, sekretera jeneralin’ny Solontena Manokana Momba ny Ankizy sy ny Fifandonana Nitanam-piadiana, ao amin’ny ONU, dia “nisy ankizy noterena ho tonga fitaovana amin’ny ady, ka voantso na nalaina an-keriny mba ho tonga ankizy miaramila, ka noterena hampiseho ny fankahalan’ny olon-dehibe amin’ny endriny feno herisetra”. Mba hiadiana amin’ny fitomboan’ny isan’ny ankizy miaramila, ny Sampan-draharahan’ny Firenena Mikambana Mikarakara ny Reny sy ny Zaza dia manohana tolo-kevitra iray milaza fa “tokony hampiakarina ho 18 taona ny taona fiantsoana ho miaramila ao amin’ny tafika, ary mampirisika mafy ny hiheverana ny fiantsoana ho miaramila ny ankizy latsaka an’io taona io ho heloka bevava an’ady”, hoy ilay boky hoe Facts & Figures 1998.

Zokiolona Mampiasa ny Internet

“Toa tondroin’ireo fandinihana natao farany indrindra momba ny antontan’isan’ny mpampiasa Web fa betsaka kokoa tsy araka ny niheverana azy teo aloha ny zokiolona [50 taona no ho miakatra] mampiasa ny Internet”, hoy ny tatitra nataon’ilay mpanao gazety hoe Maria Seminerio, ao amin’ny ZDNet. Araka ny voalazan’i Tim Cobb, prezidàn’ilay fikambanana nanao ilay fanadihadiana, “izany dia porofo fa mihamanjary miely patrana ny Web, ary tsy sehatra ho an’ny olona mahay teknôlôjia ihany intsony”. Ohatra, 40 isan-jato, fara fahakeliny, amin’ny olon-dehibe maherin’ny 50 taona, any Etazonia, izao no manana ôrdinatera ao an-tranony, ary ny 70 isan-jato aminy no voalaza fa mikarokaroka ao amin’ny Web.

SIDA — Ilay “Areti-mifindra Lehibe Indrindra Mpamono Olona”

“Ny SIDA izao no [hany] areti-mifindra lehibe indrindra mpamono olona, eran-tany”, hoy ny fanamarihan’i Peter Piot, tale mpanatanteraka ao amin’ny fandaharan’asan’ny Firenena Mikambana momba ny SIDA. Manao tatitra ny gazetiboky Science fa tamin’ny 1997, dia ny SIDA no aretina mpamono olona sy ratsy indrindra fahafito eran-tany. Nandritra ny 1998 anefa, dia nihoarany avokoa ny hafa rehetra, afa-tsy ny aretim-po vokatry ny ra tsy mikoriana tsara ao amin’ny fo, ny aretina mahazo ny lalan-dra any amin’ny atidoha, ny aretina mafy mahazo ny tapany ambany amin’ny lalan-drivotra, izay samy tsy areti-mifindra. Atsy Afrika, dia nanjary ny aretina lehibe indrindra mpamono olona koa ny SIDA, mihoatra noho ny aretina tsy mifindra aza. Atsy Afrika fotsiny, dia naka ain’olona sahabo ho 1 830 000 ny SIDA tamin’ny taon-dasa, avo roa heny noho ny isan’ny olona matin’ny tazomoka, ilay aretina lehibe indrindra faharoa mpamono olona ao amin’io kôntinanta io.

Reny Tratran’ny Fihenjanana — Zazakely Tratran’ny Fihenjanana

Rehefa miaina ao anatin’ny fihenjanana mafy ny reny iray bevohoka, dia mety hisy voka-dratsiny eo amin’ny fitomboan’ilay zazakely ao an-kibony izany, hoy ny tatitra nataon’ilay gazety kanadianina hoe National Post. Araka ny voalazan’i Pathik Wadhwa, ao amin’ny Oniversite Fianarana ho Dokotera ao Kentucky, any Lexington, Kentucky, ny tontolo iainana ao amin’ny tranon-jaza “dia manan-kery eo amin’ny fitomboan’ilay zazakely, ary ny fihenjanana betsaka mahazo ny reny dia mety hahatonga zazakely ho mora voan’ny aretina kokoa”. Afa-tsy izany koa, dia “azo inoana kokoa fa ho teraka tsy tonga volana ny zazakely” raha tratran’ny fihenjanana ny reny, araka ny voalazan’ilay tatitra. Misy mpikaroka ao amin’ny Oniversiten’i Clemson, any Caroline Atsimo, manolo-kevitra hoe “ny fanazaran-tena ho tony dia afaka manampy vehivavy bevohoka tratran’ny fihenjanana mba hampidina ny tosidrany, ka mampisy tontolo iainana mahasalama kokoa ao amin’ny tranon-janany”.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara