Matin’ny Fivoizana
Avy amin’ny mpanoratra ao amin’ny Mifohaza! any Frantsa
AZONTSIKA alaina sary an-tsaina tsara ilay fisehoan-javatra. Vahoaka mitolagaga mijery ilay sambo galera mandao ny seranana mediteraneanin’i Marseille. Vao nahazo fanirahana mantsy io sambon’ny mpanjakan’i Frantsa io. Anisan’ny sambo tsara tarehy indrindra nandeha teny an-dranomasina hatramin’izay izy io. Mandravaka ny vodin’ilay sambo ny sary sokitra be pitsiny sy ny volamena sy perla be dia be. Meva kokoa ny endriky ny tokotanin-tsambo, nasiana lamba amboradara tsara indrindra. Rehefa notarafin’ny hazavan’ny maraina ilay zava-nirenty tafahoatra, dia tonga tao an-tsain’ny sasany ny lazan’ny Mpanjaka Louis XIV ho “ilay Mpanjaka Masoandro”, ary nireharehan’izy ireo izany.
Tsy nampiasaina afa-tsy tamin’ny fomba voafetra teo amin’ny lafiny ara-tafika ny galera tamin’ny taonjato faha-17. Nanapa-kevitra ny hampitombo ny isan’ny sambony ho 40 anefa ny Mpanjaka Louis XIV, ka izany no andian-tsambo galera lehibe indrindra teo amin’ny Ranomasina Mediterane. Tombanan’ny manam-pahaizana fa sambo 20 dia tokony ho efa ampy azy tsara. Hatao inona izany andian-tsambo lehibe izany?
Nanazava toy izao i Jean-Baptiste Colbert, mpanolo-tsain’ny mpanjaka: “Ny herin’ny galera no hany hery mampiseho tsara kokoa ny fahalehibeazan’ny andriana iray sy ahazoany laza be kokoa amin’ny any ivelany.” Ny fitadiavam-boninahitra tokoa no tena antony nanaovan’i Louis an’ireo galerany. Nitaky inona anefa izany voninahitra izany?
Hevero ny fijalian’olombelona. Nafatratra tao anatin’ny sambo iray — latsaka ny 45 metatra ny halavany ary 9 metatra ny sakany — ny mpivoy niisa 450. Niaina sy niasa tao anatin’io faritra tery kely io izy ireo nandritra ny volana maro. Nanjary masaky ny rivotra masiran’ny ranomasina ny hoditr’izy ireo, ary nitondra ny holatry ny kapoka nahazo azy matetika ny vatany. Ny antsasak’izy ireo dia ho fatin’ilay antsoin’ireo mpahay tantara frantsay hoe “ny lehibe indrindra amin’ny mpanimba olona” teto Frantsa.
Ny fahoriana sy fahafatesan’ny maro tokoa no fifaliana sy voninahitry ny vitsy an’isa. Taiza anefa no nahazoan’ny mpanjaka ireo mpivoy an’arivony maro hamenoana ireo sambony 40 ireo?
Fitadiavana mpivoy
Tamin’ny Moyen Âge, dia olona afaka ny mpivoy galera — na galeotti, araka ny niantsoana azy ireo — ary noheverina ho asa mendri-kaja ny asan’ny mpivoy. Niova anefa ny toe-javatra, tamin’ny taonjato faha-17. Novidina tamin’ny Empira Ôtômanina ny mpivoy sasany nantsoina hoe Tiorka. Miozolimanina ny ankamaroany, na dia nisy Ortôdôksa ihany aza. Nampiasaina koa ny babo an’ady.
“Tsy isalasalana fa anisan’ny zavatra naharikoriko indrindra sy tsy nisy dikany indrindra natao mba ‘hanatanjahana’ ilay ekipa ny nandefasana mpiady iroquois ho any amin’ireo galeran’ilay Mpanjaka Masoandro”, hoy ny marihin’ireo mpahay tantara frantsay. Hita ho fahadisoana ny nisamborana Indianina tany Amerika. Tsy maintsy nalefa nody mantsy izy ireo tamin’ny 1689, taorian’ny nandrahonan’ny firenen’ny Iroquois ireo Frantsay mpanjana-tany voalohandohany.
Nila mpivoy maro kokoa anefa ny tetik’asa feno fanirian-dazan’i Louis. Hitan’i Colbert ny vahaolana. Nampahafantariny an’ireo mpitsara ny fanirian’ny mpanjaka, dia ny “hanamelohan’izy ireo mpanao heloka bevava betsaka araka izay azo atao, ka na ny fanamelohana ho faty aza dia ovana ho fanamelohana hiasa amin’ny galera”. Tsy vaovao akory ny fampiasana mpanao heloka bevava tamin’izany fomba izany. Efa nisy voaheloka nampiasaina ho andevo tamin’ny galera, nandritra ireo ady tamin’i Italia, taonjato roa teo ho eo talohan’izay. Betsaka mbola tsy nisy toy izany anefa ireo nalefa tany amin’ny galera nandritra ny fanapahan’i Louis XIV sy i Louis XV, zafiafiny. Teo anelanelan’ny 1680 sy 1748, dia nisy lehilahy 60 000 teo ho eo nohelohina hivoy galera. Iza avy ireny andevo tamin’ny galera ireny?
Iza avy ireo voantso?
Efa ho ny antsasak’ireo nalefa tany amin’ny galera no mpanao heloka bevava mahazatra. Nety ho mpamono olona izy ireny, nefa koa nety ho mpanao halatra madinika. Nosazina tamin’izany fomba izany koa ny mpivarotra an-tsokosoko, ka indraindray dia saika izy ireo no ankamaroan’ireo mpivoy.
Ankoatra izany, dia noterena hiasa tao amin’ireo galera ny olona hafahafa teo amin’ny fiaraha-monina. Tamin’ny 1666, dia nanoratra toy izao ilay mpiadidy azy ireny tao Marseille: “Ho tiako raha hisy fanapahan-kevitra hakana ny kamo, ny mpanao fivahiniana masina, (...), ny Tziganes sy ny mpivenjivenjy hafa, mba hamenoana galera. (...) Amin’izay dia hadio tsy hisy fakofakon’olona mandreraka izao tontolo izao.” Noho izany, dia nalaina ny Tziganes sy ny mahantra, ka nolazaina fa mba hitandrovana ny filaminam-bahoaka no anton’izany. Ary tamin’ny 1660 aza, dia noterena ho any amin’ny galera ireo Poloney mpanao fivahiniana masina teto Frantsa!
Loharano hafa nahazoana vatan-dehilahy koa ireo miaramila mpitsoaka an-daharana. Rehefa voasambotra izy ireny, dia nohelohina mandra-pahafatiny hiasa tao amin’ny galera. Notapahina ny orona sy ny sofin’ireo nandositra, notombohina vy nahamay niendrika fleur-de-lis ny takolany, ary nokakasana ny lohany. Nisy mpandositra tokony ho 17 000 nalefa tany amin’ny galera, nandritra ireo ady maro nataon’i Louis XIV nanomboka tamin’ny 1685 ka hatramin’ny 1715. Inona no niandry ireny lehilahy ireny?
Ny fijalian’izy ireo
Mbola tsy niondrana an-dranomasina akory, raha ny marina, dia efa nanomboka ny fijalian’ireo mpivoy galera. Voalohany, dia navela tany am-ponja izy ireo nandritra ny enim-bolana fara fahabetsany, izay vao nofatorana tamin’ny rojo niaraka tamin’ny an-jatony maro hafa sy notarihina an-tery ho any Marseille. Nofy ratsy mandritra ny 800 kilaometatra ao anatin’ny iray volana mahery io dia be an-terivozona io ho an’ny sasany, toy ireo avy tany Bretagne na avy tany Paris. Niantso azy io hoe “ny sazy ratsy indrindra ho an’ny voaheloka” ny olona iray tamin’izany fotoana izany. Maro no maty teny an-dalana.
Tsy ny halaviran’ilay dia, na ny sakafo ambany foitra ihany anefa no namono azy ireo. Nentin’ireo mpiambina tamin’ny fomba ratsy aoka izany ireo mpigadra. Maro no voa mafy noho ny kapoka sy ny tsy fahampian-tsakafo sy torimaso. Ankoatra izany, ireo olona teny amin’ny lalana nandalovana dia tsy naneho hatsaram-panahy firy tamin’ireo lehilahy ireo, izay nivezivezy tsy tapaka teo amin’ny tanin’i Frantsa. Rehefa niangavian’ny iray tamin’ireo mpigadra hanome rano azy, ohatra, ny vehivavy teo an-toerana, dia voalaza fa namaly hoe: “Mandehana, mandehana! Be rano be any amin’ny alehanareo any!”
Tsy tafavoaka velona ny antsasany
Ny ankamaroan’ireo voafonja dia mbola tsy nahita ranomasina mihitsy, mainka moa fa hoe galera. Taitra mafy àry izy ireo rehefa tonga teo amin’ny seranan’i Marseille. Noroahina toy ny biby ho ao amin’ny galera iray tsy nisy na inona na inona ireo mpigadra, ary nozahana toy ny “ombivavy amidy eny an-tsena”, araka ny nosoratan’ny iray tamin’izy ireo. Noraketina an-tsoratra ny tsipiriany momba azy ireo, ary nanjary nomerao no nahalalana ny mpigadra, tao amin’ilay galera. “Tsy isalasalana fa niteraka fikorontanan-tsaina sady nanaitra mafy dia mafy ny saina sy ny vatana ny fidirana tao amin’ny kompanian’ny mpivoy galera”, hoy ny nomarihin’ny mpahay tantara iray. Nisy fitondrana ratsy kokoa noho izany anefa niandry azy ireo.
Tao amin’ny efitra kely iray nirefy roa metatra sy sasany eo ho eo monja ny lavany ary iray metatra sy fahefany ny sakany, no nipetrahan’ny lehilahy dimy sy nivoizany nandritra ny volana maro, ka nafatotra tamin’ny rojo tamin’ny sezany izy ireo tamin’izany. Faritra kely 45 santimetatra avy no mba azon’ny mpivoy tsirairay nipetrahana. Tery aoka izany ilay faritra, hany ka tsy afaka namoritra ny sandriny akory izy ireo rehefa nisintona ny fivoy, izay nirefy 12 metatra, fara fahakeliny, ny tsirairay taminy, ary nilanja 130 kilao mahery. Asa nanapaka andilana ny fivoizana nandritra ny ora maro nitohy, ka nandrovitra ny hozatr’ireo mpivoy, sady nitaky hery sy fiaretana be taminy. Hazavain’ny mpahay tantara iray fa “azo ampitahaina amin’ny asa sarotra indrindra atao ao anatin’ny toe-tany mafana” ilay izy.
Iva ny galera, ary tokony ho iray metatra monja tambonin’ny rano no nisy ireo mpivoy. Noho izany, dia kotsa foana izy ireo, matetika no tao anaty rano ny tongony rehefa nivoy izy, ary lanin’ny rivotra masira ny hodiny. Ambany foitra ny sakafo nomena. “Hataon’ireo voafonja daholo ny zava-drehetra hahafahany ho velona”, hoy ny marihin’ny mpahay tantara iray. Saika tsy azo noheverina mihitsy ny handositra. Ny vola nomena ho takalon’ny fahazoana mpandositra dia nanosika tantsaha teo an-toerana handray anjara tamin’ilay fihazana an’izay rehetra nanandrana nandositra. Iray tao anatin’ny zato monja no afa-nandositra.
Nahalana no nohajaina ny faharetan’ny sazy. Noho izany, ny mpivoy iray nahazo sazy taona vitsivitsy dia mbola nety ho teo am-pivoizana ihany afaka 25 taona tatỳ aoriana. Tokony ho ny ampahatelon’ireo lehilahy no maty tao anatin’ny telo taona. Antsasak’ireo mpivoy no tsy tafavoaka velona, tamin’ny ankapobeny. Betsaka no maty, na ireo efa tsy nivoy intsony fa efa teny an-tanety, na ireo mbola teny an-dranomasina. Tamin’ny ririnin’ny taona 1709/1710, dia matin’ny hanoanana sy ny hatsiaka tafahoatra ny ampahatelon’ireo lehilahy. Nampalahelo fa nisy nalefa tany amin’ny galera, noho ny fivavahany fotsiny.
Voaheloka noho ny finoany
Nofoanan’ny Mpanjaka Louis XIV ny Lalàn’i Nantes tamin’ny 1685, ka voarara teto Frantsa ny Fivavahana Protestanta.a Nisy Protestanta tokony ho 1 500 nohelohina ho any amin’ny galera, satria tsy nety niova ho Katolika, na nanandrana nandositra hiala teto Frantsa. Efa nandramana tamin’ny 1545 ny fanasaziana “heretika” tamin’io fomba io. Tamin’izay dia nisy Vaudoisb 600, tao anatin’ny herinandro, nalefa tany amin’ny galera, noho ny didin’ny Mpanjaka François I. Nihamafy be indray ilay fanenjehana, nandritra ny fanapahan’i Louis XIV, ilay nolazaina fa mpanjaka kristianina nafana fo.
Nahoana no nalefa tany amin’ny galera ny Protestanta? Nilaza ny antony ny tandapa iray: “Tsy nisy fomba hafa ankoatra ny fampiasan-kery, hampiverenana ireo heretika.” Nanampy toy izao ny mpahay tantara iray: “Nanantena ny mpanjaka fa raha vantany vao nifoka ny ‘rivotry ny galera’ ny ankamaroan’ireo Protestanta voaheloka, dia handao ilay fivavahana nanaovany sorona maro aoka izany.” Tsy nety nanda ny finoany anefa ny ankamaroany, mba hoe hahazoana fahafahana. Noho izany, dia matetika izy ireo no nokapohina tamin’ny fomba nahatsiravina teo imasom-bahoaka, noho ny fampirisihan’ny mpitondra fivavahana katolika teo amin’ilay sambo. Maty ny sasany, fa ny hafa kosa nitondra holatra mandra-pahafatiny.
Nazoto nizara ny finoany tamin’ny hafa ireo Protestanta, na dia teo aza izany herisetra tsy nifaditrovana izany. Vokatr’izany, dia nisy mpitondra fivavahana katolika iray, fara fahakeliny, lasa protestanta. Nesorina teny amin’ny sambo, ary natsipy tao amin’ny lakalin’ny tranomaizina mba ho faty tao ireo izay noheverina ho nampidi-doza indrindra, dia ireo Protestanta nahita fianarana. Tsy nahasakana ny Protestanta mpivoy galera tsy hifanampy anefa izany, ka nandamina kilasy fianarana mamaky teny sy manoratra mihitsy aza izy ireo, ho an’ny namany tsy nahay namaky teny.
Notadidin’ireo voaheloka ny antony nanenjehana azy. “Arakaraka ny ijaliako no itiavako bebe kokoa ilay fahamarinana mahatonga ahy hijaly”, hoy ny nosoratan’i Pierre Serres, protestanta. Firenena maro no tsiravina nandre ny fanenjehana ara-pivavahana nataon’i Frantsa. Tamin’ny 1713, i Anne, Mpanjakavavin’i Angletera, dia nahavita nanery ny hamoahana ny ankamaroan’ireo nohelohina. Mahatsikaiky fa Protestanta maro tsy navela hiala teto Frantsa teo aloha no noroahina indray izao.
Ny nifaranan’ny galera
Tamin’ny farany, dia nanjary nitsahatra niandalana ny fampiasana ny galera, noho ny fandrosoan’ny fanaovan-tsambo sy ny tsy fahampian’ny vola. Nahena be ny fandaniana, noho ny fahasahiranana ara-bola nahazo ny Mpanjaka Louis XIV. Tamin’ny 1720, dia sambo 15 sisa tavela, ary nihena be ny asan’izy ireo. Tamin’ny ankapobeny, dia nijanona tao Marseille ireo mpivoy galera ary nanjary nandray anjara tamin’ny fiainana ara-toe-karena tao amin’ilay tanàna, niasa tamin’ireo orinasa mpanao savony nanodidina teo, na nivarotra ny akanjo ba nataony. Farany, tamin’ny 1748 dia nisy lalàna navoaka, izay nilaza ny nifaranan’ny galera, raha ny marina.
Mbola mihelohelo ao an-tsain’ny Frantsay ihany ny galera. Rehefa tojo zava-tsarotra ny Frantsay iray, dia matetika no hilaza hoe: “Quelle galère!”, midika ara-bakiteny hoe “Inona àry ity galera ity!” Fitantarana nosoratan’ireo Protestanta mpivoy no nahalalantsika ny ankamaroan’ny zavatra fantatsika momba ny fiainana teny amin’ny galera. Nanangana fikambanana ho amin’ny fifanampiana sy fifankaherezana izy ireo, mba hiatrehana ny fanavakavahana ara-pivavahana nibaribary. Tena nila fiaretana sy fanantenana izy ireo raha mbola te ho velona, ary tsy nieritreritra ny hanaiky lembenana mihitsy.
Mahaliana fa, na dia teo aza ny tsy fileferana ara-pivavahana tamin’izany fotoana izany, dia gaga ihany ireo mpahay tantara, satria nisy mpitsara vonona “tsy nihambahamba nampihatra lalàna izay nampitovy lenta ny vahoaka marina sy nahatoky tamin’ny mpanao heloka bevava ratsy indrindra”.
Ny fahatsiarovana ireo andevo tamin’ny galera tokoa dia porofo mahery ny amin’ny tsy rariny mahatsiravina nampiharin’ny olombelona tamin’ny olona mitovy aminy. Eny, ‘nanapaka ny namany ny olona, ka nampiditra loza taminy’. (Mpitoriteny 8:9). Soa ihany fa efa tena tsy ho ela, dia ‘hamonjy ny mahantra mitaraina sy ny ory tsy manan-kamonjy’, i Jesosy Kristy, Mpanapaka voatendrin’Andriamanitra. — Salamo 72:12-14.
[Fanamarihana ambany pejy]
b Jereo Ny Tilikambo Fiambenana 1 Febroary 1982, pejy faha-11-14.
[Sary, pejy 17]
Nivoy tao anatin’ny tarehin-javatra nampahonena izy ireo
[Sary nahazoan-dalana]
© Musée de la Marine, Paris
[Sary, pejy 19]
Izao no vakin’ilay soratra amin’ny teny frantsay eo ambonin’ilay sary: “Fomba azo antoka sy marina hamerenana ny heretika ho amin’ny finoana katolika.” Sary tamin’ny 1686 io
[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]
Pejy faha-2, 16, ary 19: © Cliché Bibliothèque nationale de France, Paris