FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g01 8/3 p. 4-7
  • Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Lasa?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Lasa?
  • Mifohaza!—2001
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Azo itokisana ve ny tantara?
  • Tantara novana mba hamitahana
  • ‘Ny omaly tsy miova ihany’ ve ny tantara?
  • Zava-manahirana mbola tsy nisy toy izany
  • Ny Tantara — Tokony Hitokisantsika Ve?
    Mifohaza!—2001
  • Manatona ny fiafarany ireo herim-panjakana voalazan’ny tantara araka ny Baiboly!
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1988
  • Ny Baiboly — Tantara Marina Ve?
    Mifohaza!—2001
  • Fanisan-taona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
Hijery Hafa
Mifohaza!—2001
g01 8/3 p. 4-7

Inona no Azontsika Ianarana avy Amin’ny Lasa?

“Tsy misy zava-dehibe amin’ny mpahay tantara mihoatra noho ny mamaritra ny anton-javatra sy ny vokany.” — GERALD SCHLABACH, MPAMPIANATRA TANTARA.

MATETIKA ny mpahay tantara no manontany hoe: Ahoana no nitrangan-javatra toy izao na izao, ary nahoana? Milaza amintsika, ohatra, ny tantara fa nianjera ny Fanjakana Romanina. Fa nahoana izy io no nianjera? Noho ny tsolotra sa noho ny fikatsaham-pahafinaretana? Nanjary sarotra nentina ve ilay fanjakana, ary nandaniam-bola be loatra ny tafiny? Sa fotsiny nanjary be loatra sady natanjaka loatra ny fahavalon’i Roma?

Vao haingana kokoa izay, dia toa nifandimby nianjera tampoka ireo firenena kominista tany Eoropa Atsinanana, izay noheverina ho fandrahonana ho an’ny Andrefana, taloha. Fa nahoana? Ary lesona inona avy no tokony hianarana avy amin’izany? Fanontaniana ezahin’ny mpahay tantara hovaliana ireo. Rehefa manome valiny anefa izy ireo, hatraiza ny fitsarana an-tendrony manokana ananany no misy vokany eo amin’ny fitsarany zavatra?

Azo itokisana ve ny tantara?

Manao toy ny mpitsikilo ny mpahay tantara fa tsy toy ny mpahay siansa. Mamotopototra izy ireo, manadihady, ary tsy mino avy hatrany ka manao fikarohana momba ireo firaketana an-tsoratra tamin’ny lasa. Ny fahamarinana no tanjony, saingy matetika ny zava-kendreny no manjavozavo. Anisan’ny anton’izany ny hoe amin’ny ankapobeny dia mahakasika olona ny asan’ny mpahay tantara, ary tsy afaka mamaky ny ao an-tsain’ny olona izy — indrindra moa fa ny ao an-tsain’ny maty. Mety ho efa manana ny heviny manokana sy fitsarana an-tendrony koa ny mpahay tantara. Ny asa soratra tsara indrindra àry indraindray dia filazana ny hevitry ny tena manokana ranofotsiny — fomba fijerin’ilay mpanoratra.

Mazava ho azy fa tsy voatery ho tsy araka ny marina ny asa soratry ny mpahay tantara iray, satria hoe manana ny fomba fijeriny manokana izy. Nosoratan’olona dimy samy hafa ny fitantarana ao amin’ny Samoela sy Mpanjaka ary Tantara, ao amin’ny Baiboly, ary mirakitra fitantarana mitovy, nefa asehony fa tsy misy fifanoheran-kevitra lehibe na zavatra lehibe tsy araka ny marina ao. Toy izany koa ireo Filazantsara efatra. Mpanoratra maro ao amin’ny Baiboly no nirakitra an-tsoratra ny fahadisoany sy ny hadalana nataony mihitsy aza — mahalana no ahitana izany ao amin’ny asa soratra tsy ara-pivavahana. — Nomery 20:9-12; Deoteronomia 32:48-52.

Ankoatra ny fitsarana an-tendrony mety hananan’ny mpanoratra, dia lafin-javatra iray lehibe tokony hoheverina koa rehefa mamaky tantara ny antony nanosika an’ilay mpanoratra. “Tsy maintsy ho tena maodimaody isika manoloana ny fitantaran’ny olona manam-pahefana, na olona liam-pahefana na ny namany”, hoy i Michael Stanford tao amin’ny Boky Fianarana Tantara (anglisy). Miharihary koa ny antony mampiahiahy manosika ny mpanoratra iray, rehefa ahitana taratry ny fironana an-kolaka, na feno fahasahiana mihitsy ho amin’ny fanindrahindram-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana, ny asa sorany. Mampalahelo fa hita ao amin’ny boky fianarana any an-tsekoly izany indraindray. Nilaza an-karihary mihitsy ny didim-panjakana tao amin’ny tany iray fa ny tanjona amin’ny fampianarana tantara dia “ny hanamafy ny fanindrahindram-pirenena sy ny fitiavan-tanindrazana ao am-pon’ny olona (...) satria anisan’ny fandrisihana lehibe indrindra ho amin’ny fitiavan-tanindrazana ny fahalalana ny lasan’ilay firenena”.

Tantara novana mba hamitahana

Tsy miorina amin’ny fitsarana an-tendrony fotsiny ny tantara indraindray, fa novana mihitsy. Ny Firaisana Sovietika teo aloha, ohatra, dia “namono tanteraka ny anarana hoe Trotski tsy ho ao amin’ny firaketana an-tsoratra, mba tsy hiheverana an’i Trotski ho olona tena nisy”, hoy ny boky Fahamarinana ao Amin’ny Tantara (anglisy). Fa iza moa i Trotski? Mpitarika ny Revolisiona Bolsevika Rosianina izy ary faharoa nanarakaraka an’i Lénine. Nifanolana tamin’i Staline izy rehefa maty i Lénine, ka noroahina avy tao amin’ny Antoko Kominista, ary novonoina tatỳ aoriana. Nesorina tsy ho ao amin’ny rakipahalalana sovietika mihitsy aza ny anarany. Fitondrana tsy refesi-mandidy maro no mpanao izany fanolanana ny tantara izany, ka tonga hatramin’ny fandoroana boky nosoratan’olona tsy nitovy hevitra taminy.

Fanao tranainy anefa izany fanovana ny tantara izany, ary efa nisy, fara fahakeliny, tany Ejipta sy Asyria. Nisy farao sy mpanjaka ary emperora niavonavona sy be rehaka nanao izay nahazoany antoka fa namela soritra teo amin’ny tantara ny tenany. Koa nahazatra àry ny nanao be filaza ny zava-bitan’ny tena, fa ny zavatra nahamenatra na nanala baraka, toy ny faharesena tamin’ny ady, kosa dia nohamaivanina na natao izay hanadinoana azy na tsy nolazaina mihitsy aza indraindray. Mifanohitra tanteraka amin’izany, fa mitantara ny tsy fahombiazan’ny mpanjaka sy ny olom-peheziny, sady milaza ny voninahitra azon’izy ireo, ny tantaran’ny Isiraely voarakitra ao amin’ny Baiboly.

Inona no ataon’ny mpahay tantara mba hahitany ny fahamarinan’ny asa soratra tranainy? Alainy izy ireny dia ampitahainy amin’ny firaketana an-tsoratra tranainy momba ny hetra, amin’ny fehezan-dalàna, ny dokam-barotra momba ny varotra andevo, ny taratasy fandraharahana sy taratasy manokana, soratra eo amin’ny silaka tanimanga, firaketana an-tsoratra ny fizotran’ny dia an-tsambo, ary zavatra hita tany am-pasana. Matetika ireny zavatra isan-karazany ireny no manome fahazavana fanampiny na hafa momba ny asa soratra ofisialy. Raha mbola misy zavatra banga na tsy azo antoka, dia mazàna ny mpahay tantara mahatoky no miaiky ny amin’izany, na dia mety hanome ny heviny manokana mba hamenoana ny banga aza izy. Na ahoana na ahoana, raha mitady fanazavana voalanjalanja ny mpamaky malina dia mijery boky hafa izy.

Na eo aza ny zava-tsarotra maro atrehin’ny mpahay tantara, dia mbola andraisan-tsoa maro ny asa sorany. Manazava toy izao ny boky iray momba ny tantara: “Sarotra ny manoratra ny tantaran’izao tontolo izao, (...) zava-dehibe anefa izy io, tena ilaintsika mihitsy aza.” Ahalalana ny lasa ny tantara, sady ahafahana mampivelatra ny fahatakarantsika ny toe-piainan’ny olombelona ankehitriny. Vetivety foana, ohatra, dia takatsika fa naneho toetoetran’olombelona mitovy amin’ny asehon’ny olona ankehitriny ihany ny olona fahiny. Nisy fiantraikany lehibe teo amin’ny tantara ireny toetoetra miverimberina ireny, ary angamba nahatonga ilay fitenenana hoe ‘volan-kankafotra ka ny omaly tsy miova ihany’ ny tantara. Marim-pototra anefa ve ny fanaovana safo be mantsina toy izany?

‘Ny omaly tsy miova ihany’ ve ny tantara?

Afaka milaza mialoha araka ny marina ny hoavy ve isika raha mifototra amin’ny lasa? Misy tokoa aloha fisehoan-javatra sasany miverimberina. Nilaza, ohatra, i Henry Kissinger, Sekreteram-panjakana amerikanina teo aloha, hoe: “Nanjavona tsirairay tamin’ny farany ny sivilizasiona rehetra efa nisy.” Hoy koa izy: “Ny tantara dia fitantarana ny ezaka tsy nahomby, ny faniriana tsy tanteraka. (...) Koa ny olona iray àry, toy ny mpahay tantara ihany, dia voatery miaina amin’ny fahatsapana loza tsy azo ihodivirana.”

Tsy misy fanjakana roa mianjera amin’ny fomba mitovy. Nianjera tao anatin’ny indray alina monja i Babylona teo anoloan’ny Medianina sy ny Persanina tamin’ny 539 al.f.i. Nizara ho fanjakana maromaro i Gresy taorian’ny nahafatesan’i Aleksandra Lehibe, ka resin’i Roma tamin’ny farany. Mbola miteraka adihevitra foana anefa ny fahalavoan’i Roma. Manontany toy izao i Gerald Schlabach, mpahay tantara: “Fa oviana moa i Roma no nianjera? Fa efa nianjera angaha moa izy? Zavatra kely no niova tany Eoropa Andrefana teo anelanelan’ny 400 am.f.i. sy 600 am.f.i. Fa tamin’ny ankapobeny dia nitohy tsy nisy fiovana.”a Mazava fa miverina tokoa ny lafiny sasany amin’ny tantara, fa ny hafa kosa tsy miverina.

Ny tsy fahombiazan’ny fanapahan’olombelona no anisan’ny lesona avy amin’ny tantara, lesona miverimberina foana. Nisy foana fitondram-panjakana tsara nandritra ireo taonjato, saingy voasembantsemban’ny fitiavan-tena, ny tsy fahaiza-mitsinjo lavitra, ny fitsiriritana tafahoatra, ny tsolotra, ny fanaovana kiantranoantrano, ary indrindra ny faniriana mafy hahazo sy hihazona fahefana, foana izy ireo ka tsy nahomby. Ny lasa àry dia tsy ahitana afa-tsy fihazakazahana hanao fitaovam-piadiana, fifanekena tsy nohajaina, ady, hotakotaka sy herisetra ao amin’ny fiaraha-monina, fiangarana eo amin’ny fizarana fananana, ary toe-karena nitotongana.

Ohatra, andeha hojerentsika izay lazain’ny boky Ny Tantaran’izao Tontolo Izao Navoakan’i Columbia (anglisy) momba ny herin’ny sivilizasiona tandrefana teo amin’ny sisa amin’izao tontolo izao: “Rehefa notairin’i Christophe Colomb sy i Cortes ny olona tany Eoropa Andrefana ny amin’ny fahafahana hanao zavatra, dia taitra tanteraka ny fahalianany ta hanao fanovana sy hahazo tombony sy laza, ka naroso tamin-kery indrindra indrindra saika naneran-tany, ny sivilizasiona tandrefana. Nentanin’ny faniriana tsy hay tohaina hanitatra ireo mpandresy ary nanana fitaovam-piadiana mahery kokoa, hany ka nanao izay hahatonga ny sisa tamin’izao tontolo izao ho teo ambany fifehezan’ireo fanjakana eoropeanina lehibe, na dia tsy tian’izy ireo aza izany (...) Niharan’ny fanararaotana tsy nisy indrafo sy tsy an-kijanona, raha lazaina amin’ny teny fohy, ny vahoaka tao amin’ireny kontinanta ireny [Afrika sy Azia ary ireo tanin’i Amerika].” Endrey ny fahamarinan’ny tenin’ny Baiboly ao amin’ny Mpitoriteny 8:9 hoe: “Misy andro anapahan’ny olona ny namany ka ampidirany loza aminy”!

Io fitantarana mampahonena io angamba no nahatonga ny filozofa alemà iray hilaza fa ny hany hianarana avy amin’ny tantara dia ny hoe tsy misintona lesona avy amin’ny tantara ny olombelona. Hoy ny Jeremia 10:23: “Tsy voafehin’ny olombelona ny lalan-kizorany, sady tsy ananany ny fahefana hitarika ny diany eny am-pandehanana.” (Ny Baibolin’i Jerosalema). Tokony hampanahy antsika indrindra io tsy fahaizantsika mitarika ny diantsika io ankehitriny. Nahoana? Satria ianjadian-java-manahirana maro be sy mahafaoka be mbola tsy nisy toy izany isika. Ahoana àry no hiatrehantsika izany?

Zava-manahirana mbola tsy nisy toy izany

Teo amin’ny tantaran’ny olombelona iray manontolo, dia mbola tsy indray nandrahona ny tany manontolo toy ny ankehitriny mihitsy ireto hery ireto mitambatra: fandripahana ny ala, fikaohan-tany, fitaran’ny tany efitra, karazan-javamaniry sy karazam-biby lany tamingana, fihenan’ny sosona ôzônina, fandotoana, fiakaran’ny maripanan’ny tany, ranomasimbe mihamaty, ary fitomboana haingana eo amin’ny isan’ny mponina.

“Zava-tsarotra hafa atrehin’ny fiaraha-monina maoderina ny hafainganan’ny fiovana”, hoy ny boky Tantara Maitson’izao Tontolo Izao (anglisy). Hoy ny nosoratan’i Ed Ayres, mpampanonta ny gazetiboky Fijerena An’izao Tontolo Izao (anglisy): “Miatrika zavatra tena mbola tsy nodiavintsika rehetra mihitsy isika, hany ka tsy azontsika tsara ilay izy, na dia mibaribary aza ny porofo. Amintsika io ‘zavatra’ io dia fiovana biolojika sy fizika lehibe maro indray miaraka eo amin’ity tontolo namelona antsika hatramin’izay ity.”

Rehefa heverina izany sy ny olana mifandray amin’izany, dia hoy i Pardon E. Tillinghast, mpahay tantara: “Manjary mihasarotra dia mihasarotra ny toe-javatra misy ny fiaraha-monina, ary mampihoron-koditra ny ankamaroantsika ireo olana saro-bahana. Tari-dalana inona no azon’ny mpahay tantara matihanina atolotra ny olona very hevitra ankehitriny? Toa tsy misy firy.”

Mety tsy hahita holazaina intsony ny mpahay tantara matihanina raha ny amin’izay tokony hatao na tokony hanoroana hevitra hatao, nefa azo antoka fa tsy toy izany ny Mpamorona antsika. Raha ny marina, dia nilaza mialoha izy ao amin’ny Baiboly fa handia “andro mahory” izao tontolo izao amin’ny andro farany. (2 Timoty 3:1-5). Tsy izay ihany anefa no nataon’Andriamanitra. Nanao izay tsy vitan’ny mpahay tantara izy — nasehony ny vahaolana, araka ny ho hitantsika ao amin’ny lahatsoratra manaraka.

[Fanamarihana ambany pejy]

a Mifanaraka amin’ny filazana mialoha nataon’i Daniela mpaminany ny fanamarihan’i Schlabach hoe rantsana avy ao aminy ihany no hisolo ny Fanjakana Romanina. Jereo ny toko faha-4 sy faha-9 amin’ny boky Diniho ny Faminanian’i Daniela!, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.

[Teny notsongaina, pejy 5]

“Tsy maintsy ho tena maodimaody isika manoloana ny fitantaran’ny olona manam-pahefana”. — MICHAEL STANFORD, MPAHAY TANTARA

[Sary, pejy 4]

Emperora Néron

[Sary nahazoan-dalana]

Roma, Musei Capitolini

[Sary, pejy 7]

Nandritra ireo taonjato, dia ‘nanapaka ny namany ny olona, ka nampidi-doza taminy’

[Sary nahazoan-dalana]

“Ireo Mpanani-bohitra”, nataon’i Pierre Fritel. Anisan’ireo (ankavia miankavanana): Ramsès II, Attila, Hannibal, Tamerlane, Jules César (afovoany), Napoléon I, Aleksandra Lehibe, Nebokadnezara, sy Charlemagne. Avy tao amin’ny boky The Library of Historic Characters and Famous Events, Vol. III, 1895; fiaramanidina: USAF photo

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara