Ny Tantara — Tokony Hitokisantsika Ve?
“Ny fahalalana ny tantara dia mahatonga antsika (...) hahatsapa fa anisan’ny fitambaran’olona efa nisy nandritra ireo taonjato isika, nanomboka taloha elan’ny nahaterahantsika ka hatrany aoriana lavitry ny hahafatesantsika.” — BOKY FIANARANA TANTARA (ANGLISY), NOSORATAN’I MICHAEL STANFORD.
T OY ny miaina tsy misy fahatsiarovana ny lasa ny miaina tsy misy fahalalana ny tantara. Raha tsy misy ny tantara, dia ho toy ny hoe tsy manana fiandohana sy fiainana tamin’ny lasa ianao, ny fianakavianao, ny foko misy anao, na ny firenenao mihitsy aza. Toa tsy misy fototra ary tsy misy heviny firy ny ankehitriny.
Azo atao ho toy ny tahiry lehibe anovozam-pianarana eo amin’ny fiainana ny tantara. Afaka manampy antsika tsy hamerimberina fahadisoana mitovy hatrany izy io. Nanizingizina tokoa mantsy ny filozofa iray fa ny olona manadino ny lasa dia voaheloka hamerimberina azy io. Raha mahay tantara isika, dia afaka mahafantatra momba ny sivilizasiona taloha, ny zava-baovao mahagaga vao hita, ny karazan’olona mahaliana, ary ny fomba fijery maro samy hafa.
Koa satria anefa ny tantara miresaka momba ny karazan’olona sy ny zava-niseho efa tany aloha be, ahoana no ahalalantsika raha azo itokisana izy io? Raha misy fianarana sarobidy hotsoahintsika avy amin’ny tantara, dia miharihary araka izany fa tsy maintsy miorina amin’ny fahamarinana izany fianarana izany. Ary tokony hanaiky ny fahamarinana isika, rehefa hitantsika izy io, na dia mety tsy hahafinaritra antsika foana aza izany. Ny lasa dia toy ny raozy ao an-jaridaina — kanto dia kanto nefa misy tsilo koa; afaka manaitra ny aingam-panahy izy io, nefa afaka mampahory koa.
Handinika lafiny sasany amin’ny tantara izay afaka manampy antsika hanombana ny fahamarinan’izay vakintsika isika ao amin’ireo lahatsoratra manaraka. Hodinihintsika koa ny hoe mahasoa ny mpamaky mahay manavaka, ny tantara azo itokisana.
[Sary, pejy 3]
Mpanjakavavy Nefertiti
[Sary, pejy 3]
Fianarana inona avy no azontsika tsoahina avy amin’ny tantara?
[Sary nahazoan-dalana, pejy 3]
Nefertiti: Ägyptisches Museum der Staatlichen Museen Preußischer Kulturbesitz, Berlin
Sisiny: Photograph taken by courtesy of the British Museum