Finoana Niandoha tao Amin’ilay Fonja Manan-tantara
Mitsidika fonja ny mpiasa an-tsitrapo Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany, mba hanampy ireo voafonja maniry hanatona an’Andriamanitra. Efa 20 taona mahery izao no itarihanay fandaharam-pampianarana Baiboly toy izany ao amin’ny fonjan’i Atlanta any Géorgie, any Etazonia, ary mandaitra izany. Sarotra, nefa mahafinaritra, ny mitarika fampianarana Baiboly any am-ponja. Mpandroba banky, mpanao an-keriny, mpamono olona, mpivarotra zava-mahadomelina, mpisoloky, mpametaveta sady mpamono olona, izany no karazan’olona hita any. Ahoana no anampiana olona toy izany?
ANGAMBA ianareo te hahafantatra aloha hoe oviana ary ahoana no nidiran’ny Vavolombelon’i Jehovah tao amin’io fonja io. Ny 4 Jolay 1918 no nitrangan’izany. Kristianina niavaka valo narahin’ny miaramila no indreny niakatra ny tohatra vato, ao amin’io fonja io. Raha narahina ny fanao tamin’izany, dia nasiana gadra vy ny tanany, ka nafatotra tamin’ny rojo vy teo amin’ny kibony ary nofatorana rojo koa ny tongony. Lehilahy ampy fahaizana ara-panahy ireo vao tonga ireo, ary loha laharana teo amin’ny Mpianatra ny Baiboly Iraisam-pirenena, araka ny nahafantarana ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izany. Tsy nampoizin’izy ireo angamba hoe herintaona latsaka dia ho voamarina fa fahadisoana lehibe ara-pitsarana no nahatonga azy ireo nogadraina. Nidina ny tohatry ny fonja indray izy valo mirahalahy ireo, tamin’ny Martsa 1919, tsy nifatotra intsony. Nanatsoaka ny fitoriany ny manam-pahefana tatỳ aoriana, ka afaka nadiodio izy ireo.a
Nitarika fianarana Baiboly ireo lehilahy kristianina ireo, raha mbola tao amin’ny fonjan’i Atlanta. Anisan’ireo valo notanana am-ponja i A. Macmillan. Notantarainy fa nasiaka, tamin’ny voalohany, ny mpiambina lefitra tao amin’ny fonja; tsy naharitra anefa izy tamin’ny farany ka nilaza hoe: “Tena tsara ny fianarana ataonareo [miaraka amin’ny voafonja] ato!”
Efa 80 taona mahery izay no lasa, nefa mbola mandaitra sy tsy hay hadinoina foana ho an’ireo voafonja ny fianarana Baiboly atao ao amin’io fonja io. Imbetsaka ireo manam-pahefana tao amin’ny fonja no nifidy ny sasany taminay mba homena mari-pankasitrahana manokana sy mari-boninahitra. Niresaka koa ny gazety iray navoakan’ny Sampan-draharaha Federaly Mikarakara ny Fonja ao amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana Amerikanina, fa mandaitra ny fandaharam-pampianarana ataon’ny Vavolombelon’i Jehovah.
Nahasoa an’ireo voafonja ny fianarana Baiboly; niova be, ohatra, ny toetran’izy ireo, ka nisy taminy aza nafahana aloha kokoa, vokatr’izany. Nisy olona tsy natokitoky nety ho nihevitra fa izany fotsiny no nahatonga ireo voafonja hianatra Baiboly. Nisy ihany ny toy izany, nefa, mifanohitra amin’izany ny zavatra hitanay matetika. Imbetsaka izahay no mientam-po mandre fa mbola Kristianina tsara toetra foana ireo olona nampianarinay, na dia taona maro taorian’ny nanafahana azy tany am-ponja aza. Santionany tamin’ny zavatra hitanay tao amin’io fonja manan-tantara io ireto hotantarainay ireto.
Fanantenana no an’ny voafonja nafindra toerana
Faly erỳ ny sasany taminay nanampy ireo voafonja maro nafindra tao amin’ny fonjan’i Atlanta, teo am-piandohan’ireo taona 1980. Fiovana niavaka no nataon’ny sasany tamin’izy ireny.
Voafonja tena natahorana i Raoulb tamin’ny voalohany. Jiolahy raindahiny izy sy ny namany iray, ary nigadra satria namono olona. Nahery setra be mihitsy ry zareo, hoy ny anti-panahy nanampy azy ireo. Nanana fahavalo tsy azo nivalozana i Raoul. Nivoady hamono azy ho faty ny lehilahy iray, ary nivoady hamono an’io lehilahy io koa i Raoul. Raiki-tahotra àry izy rehefa nafindra tao amin’ny fonja nisy azy io fahavalony lehibe indrindra io. Tsy maintsy hifanena tsinona ry zareo, na ho ela na ho haingana, na eny an-tokotany, na any amin’ny trano fisakafoana, na any amin’ny efitra figadrana. Nifanena teny an-tokotanin’ny fonja tokoa izy roa lahy tamin’ny farany, nefa tsy fantatr’ilay fahavalony akory izy! Nianatra Baiboly niaraka tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah mantsy i Raoul, ka niova tanteraka ny fisainany sy ny fihetsiny ary ny fisehoany ivelany. Tsy nisy akory àry ilay fifandonana misy ra mandriaka izay noheverina fa tsy ho voasakana.
Tapa-kevitra i Raoul fa hampiseho ny fanoloran-tenany ho an’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batisa. Notadiavina àry izay fitoeran-drano mety hanaovana batisa azy. Nanampy tamin’izany ny mpitondra fivavahana tao am-ponja, ka nanome vatam-paty hasiana rano hanaovana ny batisa. Nofenoina rano be ilay vatam-paty, nefa toa lehibe noho ilay izy i Raoul, ka anti-panahy roa mihitsy no nifanampy mba handroboka azy tanteraka tao anaty rano, araka ny takin’ny Baiboly. (Marka 1:1, 10) Efa olona afaka izao i Raoul, ary mbola mpanompo kristianina mahafatra-po foana.
Niteraka rotaka be tao am-ponja ny lalàna navoaka tamin’ny 1987, izay nandidy ny hamindrana toerana voafonja maro be; nalefa tamin’ny filazam-baovao naneran-tany izany. Nisy olona natao takalon’aina. Vitsy anefa no mahafantatra fa nisy tamin’ireo voafonja nafindra toerana sahy nanao vivery ny ainy, ka tsy nety nandray anjara tamin’io fikomiana feno herisetra io. Tsy iza izany fa ireo nianatra ny Baiboly niaraka taminay. Mpamono olona tsy mamela mahazo izy ireny taloha, nefa tamin’izay izy ireo dia tsy nomba ny atsy na ny aroa ary tsy nandray anjara tamin’ilay herisetra sy fanimbanimbana zavatr’olona. Porofo tsy azo lavina izany fa tena manova olona ny Baiboly, ka na dia ny mpanao heloka bevava mahery setra aza dia ovany ho Kristianina tia fihavanana!—Hebreo 4:12.
Voavela heloka
Niavaka koa ny tantaran’i James. Vavolombelon’i Jehovah izy taloha, nefa nihanalemy ara-panahy. Resin’ny fakam-panahy izy, ka nanao hosoka tamin’ny banky. Voaroaka tsy ho anisan’ny fiangonana kristianina izy, ary nigadra tao amin’ny fonjan’i Atlanta. Hoy izy taminay tatỳ aoriana: “Mbola tsy kivy ohatr’izany aho hatrizay niainako.”
Sarotra ny fiainana tany am-ponja. “Nahatsiaro ho irery sy namoy fo tanteraka aho”, hoy ny tsaroan’i James. Nahatonga azy handini-tena lalina anefa ny fitanana azy tao amin’ny efitra tery kely tany am-pigadrana. Nitantara izy hoe: “Nijaly aho tany am-ponja, fa ny tena mafy tamiko dia ny fieritreretana ny nandisoako fanantenana an’ilay Raiko any an-danitra.” Volana maromaro tatỳ aoriana dia nisy voafonja iray, nianatra Baiboly niaraka tamin’ny mpiasa an-tsitrapo Vavolombelon’i Jehovah, nanasa an’i James hanatrika ny fianarana Baiboly. Nanda i James tamin’ny voalohany, satria menatra. Nikiry ihany anefa ilay tovolahy nanasa azy, ka nanatrika ny fivoriana alahady i James tamin’ny farany.
Nanohina lalina ny fon’i James ny nahita fa niahy tamim-pitiavana ny mpianatra ireo Vavolombelona nampianatra. Izao koa no nampiaiky azy: Araka ny zavatra hitan’i James taloha, dia noheveriny fa nandray vola be ny mpiasa an-tsitrapo ara-pivavahana rehetra, noho ny asa ataony ho an’ny voafonja; kanjo gaga izy nahafantatra fa tsy nanaiky handray vola noho ny asa ara-pivavahana ataony ny Vavolombelona.—Matio 10:8.
Nanjary tsy andrin’i James izay hivoriana. Tsara fanahy sady nampahery ireo rahalahy nitarika ny fivoriana, hoy izy. Nisy anti-panahy iray tena nampiaiky volana azy. Izao no tsaroany: “Manisa andro mihitsy aho hoe rahoviana indray izy no ho tonga. Toy ny azo notsapain-tanana mihitsy mantsy ny firesahan’io anti-panahy io ny fahamarinana tao amin’ny Baiboly, ary nifindra ny toe-tsainy. Nalentiny tao an-tsaiko fa nilaiko ny namaky sy nandinika azy io, mba ho azoko tsara sy horaisiko am-po ny hevitry ny hafatra raketiny, ary mba hananako ny sain’i Kristy indrindra indrindra.”
Saika tsy nino mihitsy i James hoe hamela ny fahadisoany Andriamanitra. Inona no nanampy azy hino izany? “Nikarakara tsara anay ireo lehilahy nahatoky sy feno fahafoizan-tena, ka tsapanay tamin’izany fa mamela fahadisoana Andriamanitra.c Izao ihany no hitako: Lehibe ny fahotana vitako, kanefa ny fihetsik’ireo rahalahy dia tsy nampiseho taratra, na dia kely aza, fa tsy ho afaka hamela ahy Andriamanitra. Tsy nandao ahy mihitsy i Jehovah. Hitany fa nibebaka tamim-pahatsorana aho, ary efa nialako ny fanaovan-javatra tamin-kadalana sy ny fitaka. Nomeny fitahiana be dia be aho.” Voaray ho anisan’ny fiangonana kristianina indray i James. Folo taona teo ho eo izay no nanafahana azy tany am-ponja, ary mbola mpikambana be zotom-po foana izy. Finaritra erỳ ny vadiny sy ny fianakaviany satria mpanampy amin’ny fanompoana izy izao, ary vao haingana no nanao ny lahateniny voalohany ho an’ny besinimaro.
Nahita ny lalan-kizorana
Teo am-piandohan’ireo taona 1990 izahay no nifankahita tamin’i Johnny. Nifandray tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah ny fianakaviany, nefa tsy nisy natanjaka ara-panahy ny mpianakaviny nandritra ireo taona tena nilany tari-dalana ara-panahy sy ara-pitondran-tena indrindra. Lasa mpanao heloka bevava àry izy. Voasazy hiasa tao amin’ny toby iray nifandray tamin’ny fonjan’i Atlanta izy. Tamin’izay no reny fa nisy fianarana Baiboly nataonay, ka tapa-kevitra izy fa hanatrika.
Zara raha nahay namaky teny i Johnny, tamin’ny voalohany. May hahafantatra bebe kokoa momba an’i Jehovah sy i Jesosy Kristy anefa izy, ka vonona hianatra hamaky teny tsara. (Jaona 17:3) Mampianatra an’ireo voafonja hamaky teny izahay matetika, ary ampianay indrindra izy ireo mba hahazo tsara izay vakiny sy hamaky teny ampahibemaso. Nilofo mafy tamin’ny fianarany i Johnny ka nanjary fitaratra ho an’ny mpiara-mianatra taminy, noho izy mpianatra ny Baiboly nazoto sy fakan-tahaka.
Nafindra tany amin’ny fonjan’i Tallageda, any Alabama, i Johnny, volana maro tatỳ aoriana, mba hanatrika ny fandaharam-pampianarana momba ny zava-mahadomelina. Nanatrika ny fivorian’ny Vavolombelon’i Jehovah izy, raha vao tonga tany. Mpikambana narisika foana izy, mandra-pahatongan’ny fotoana nanafahana azy. Rehefa tonga izany andro iray toa zato izany, dia tsy nangataka andro izy nanatona ny Vavolombelona tao amin’ilay tanàna keliny. Noraisina tsara izy, ary nanohy nianatra sy nandroso ara-panahy.
Mafana fo sy tia ny fahamarinana ao amin’ny Baiboly i Johnny, ka voatosika koa ny reniny handray anjara bebe kokoa amin’ny asan’ny fiangonana. Manatanjaka sy manampy be dia be an-dreniny tokoa izy. Vao haingana izy no natao batisa ho fampisehoana ny fanoloran-tenany ho an’i Jehovah, ary mbola mazoto mandray anjara amin’ny fanompoana kristianina.
Be ny vokatra
Nandritra ny 20 taona lasa, dia voafonja 40 tao amin’ny fonjan’i Atlanta no nampiana ho tonga Vavolombelon’i Jehovah vita batisa, ary 90 mahery no nandray soa tamin’ny fianarana Baiboly isan-kerinandro. Nisy voafonja hafa koa natao batisa rehefa nafahana, na rehefa nafindra tany amin’ny fonja hafa.
Finaritra izahay mitsidika an’io fonja manan-tantara io, isan-kerinandro, mba hanampy ny voafonja tena mibebaka. Fanompoana kristianina tsy manan-tsahala izany. (Asan’ny Apostoly 3:19; 2 Korintiana 7:8-13) Tranomaizina mifefy tamboho misy mpiambina mitam-basy, misy vavahady mandeha amin’ny herinaratra ary voahodidin’ny tariby no alehanay. Dibo-kafaliana anefa izahay, sady gaga nahita voafonja nanova tanteraka ny fiainany, ka tonga olom-pirenena manao ny marina sady mpivavaka mahatoky eo anatrehan’Andriamanitra.—1 Korintiana 6:9-11.—Nisy nanome.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Mitantara ny tsipiriany ilay boky hoe Vavolombelon’i Jehovah—Mpitory ny Fanjakan’Andriamanitra (frantsay) pejy 647-656, navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.
b Novana ny anaran’ireo voafonja.
c Ny Tilikambo Fiambenana 15 Aprily 1991, dia nampirisika ny anti-panahy kristianina mba hamindra fo amin’ireo voaroaka tsy ho isan’ny fiangonana, ka hitsidika azy ireny. Ny hampirisika azy hiverina amin’i Jehovah no zava-kendren’izany.—2 Korintiana 2:6-8.
[Efajoro/Sary, pejy 24, 25]
“Nisy Namako Tsy Foiko Nampiantranoinareo Tato”
NY Aprily 1983 no nitsidika ny fonja amerikanina any Atlanta i Frederick Franz, niasa tao amin’ny Filan-kevi-pitantanan’ny Vavolombelon’i Jehovah tamin’izay. Maika erỳ izy hitsidika an’io fonja io. Vao niditra izy dia niteny mafy tamin’ilay mpiambina, teo amin’ny birao fandraisana olona, nanao hoe: “Aoka ho fantatrao, fa nisy namako tsy foiko nampiantranoinareo tato!” Sanganehana ilay mpiambina. Inona no tian’i Franz holazaina?
Efa 64 taona talohan’izay no nogadraina i Joseph Rutherford sy ny mpiara-miasa taminy fito, noho izy ireo nampangaina ho mpioko. Lasa mpinamana tsy nifankafoy sady mpiara-miasa i Rutherford sy i Franz, tatỳ aoriana. Efapolo taona tamin’izay no nahafatesan’i Rutherford, ary efa 90 taona i Franz. Faly erỳ izy nitsidika ny toerana nitanana an’ilay namany, taona maro lasa izay. Azo antoka fa tao an-tsainy ny asa nataon’i Rutherford sy ireo namany tao amin’io fonja io. Asa inona izany?
Raha vao tonga kelikely i Rutherford sy ireo namany, dia nilaza tamin’izy ireo ny mpiambina lefitra tao amin’ny fonja hoe: “Hampiasainay ianareo atỳ. Inona no asa hainareo?”
Namaly i A. Macmillan, iray tamin’izy valo, hoe: “Mbola tsy nanao asa hafa ankoatra ny fitoriana aho hatrizay niainako. Misy asa karazan’izany ve ato, Tompoko?”
“Tsia! Izany no efa mahatonga anareo higadra, ka fitoriana inona indray no hataonareo atỳ?”
Lasa ny herinandro maromaro. Noterena hanatrika fotoam-pivavahana isaky ny alahady ny voafonja, ary afaka nijanona izay te hanatrika sekoly alahady avy eo. Nanapa-kevitra anefa izy valo mirahalahy fa hamorona kilasy fianarana Baiboly ho azy manokana, ary nifandimby nitarika ry zareo. “Nihabetsaka foana ireo liana te hahafantatra tonga tao”, hoy ny nohazavain’i Rutherford tatỳ aoriana. Vetivety dia nitombo, ka lasa 90 ilay mpanatrika 8 teo!
Nanao ahoana ny fandraisan’ireo voafonja ny fianarana Baiboly? Hoy ny voafonja iray: “Roa amby fitopolo taona aho izao, ary tsy mba nahalala ny fahamarinana aho, raha tsy tatỳ am-ponja. Noho izany, dia faly aho fa nalefa tatỳ.” Hoy koa ny iray hafa: “Efa ho tapitra izao ny saziko, malahelo aho satria tsy maintsy handeha ... Mba lazao amiko hoe aiza no hahitako olona toa anareo rehefa any ivelany any aho.”
Ny alina talohan’ny nanafahana azy valo mirahalahy, dia naharay taratasy nampihetsi-po avy tamin’ny tovolahy iray nanatrika ny fianarany izy ireo. Hoy izy: “Tiako ho fantatrareo fa noho ianareo no nahatonga ahy haniry ho lehilahy tsara kokoa sy mendrika kokoa. Raha mba afaka ho toy izany mantsy ity izaho efa simba sy trotraky ny fiainan’izao tontolo izao ity. ... Malemy aho, tena malemy, ary izaho ihany no tena mahafantatra azy. Hiezaka, hiady mafy anefa aho raha ilaina izany mba hamokatra tsara ny voa nafafinareo tato amiko, ka tsy ny tenako ihany no hampiako amin’izany fa ny manodidina ahy koa. Mety ho hafahafa ihany ny mandre izany teny izany avy amin’ny olona toa ahy. Tena avy ato am-poko lalina anefa, ary tena amim-pahatsorana no ilazako izany rehetra izany.”
Ankehitriny, efa 80 taona mahery atỳ aoriana, ny Vavolombelon’i Jehovah dia mbola mamafy foana ny voan’ny fahamarinana ara-baiboly, ao amin’ny fonjan’i Atlanta sy any amin’ny fonja maro hafa koa.—1 Korintiana 3:6, 7.