Tian’ny Olona Eran-tany ny Miloka
TERAKA tany Ekosy i John, ary efa nofinofiny hatry ny ela ny hahazo amin’ny loteria. “Nividy karatra loteria foana aho isan-kerinandro”, hoy izy. “Mora ny vidin’ilay karatra, kanefa iny no nantenaiko hahazoana izay tiako rehetra.”
Tia hazakaza-tsoavaly i Kazushige, mipetraka any Japon. Izao no tsaroany: “Tena nahafinaritra ahy ny niloka niaraka tamin’ny namako, tany amin’ny kianja fanaovana hazakaza-tsoavaly, ary nahazo vola be aho indraindray.”
“Manao lôtô no tiako indrindra”, hoy i Linda, mipetraka any Aostralia. “Nandaniako 30 dolara [na 225 000 FMG] teo ho eo isan-kerinandro izany, kanefa ny fitaintainana mandritra ilay lalao no tena nahafinaritra ahy.”
Nihevitra i John sy Kazushige ary Linda fa fialam-boly tsy dia manimba loatra ny filokana. Olona an-jato tapitrisa eran-tany koa no mihevitra toy izany. Nasehon’ny fitsapan-kevitra Gallup natao tamin’ny 1999, fa mankasitraka ny filokana ny androatokon’ny Amerikanina. Nandany 50 000 tapitrisa dolara teo ho eo ny mpiloka amerikanina, nandritra ny taona 1998. Na atambatra aza ny vola lanin’izy ireo amin’ny sinema, mozika, fanatanjahan-tena be mpitia, ary lalao vidéo, dia kely noho ny vola lanin’izy ireo amin’ny filokana.
Hita tamin’ny fanadihadiana vao natao nandritra ny herintaona, fa ny 80 isan-jaton’ny Aostralianina dia miloka indray mandeha isan-taona, fara fahakeliny, ary miloka isan-kerinandro kosa ny 40 isan-jato. Mandany 400 dolara mahery (3 000 000 FMG eo ho eo) amin’ny filokana ny olon-dehibe aostralianina tsirairay, isan-taona. Efa ho avo roa heny noho ny vola ilokan’ny Eoropeanina na ny Amerikanina izany. Azo lazaina ho anisan’ny mpiloka be indrindra àry ny Aostralianina.
Maro koa ny Japoney za-dratsy amin’ny lalao pachinko, ary an-tapitrisa dolara isan-taona no lanin’izy ireo hilokana amin’io lalao io. Andaniana 4 000 tapitrisa isan-taona kosa, fara fahakeliny, ny filokana any Brezila, ka lany amin’ny loteria ny ankabetsahan’izany vola izany. Tsy ny Brezilianina ihany anefa no tia loteria. Araka ny vinavina vao nataon’ny gazety Filokana Eran-tany (anglisy), dia “misy lalao loteria 306 any amin’ny tany 102.” Tena tian’ny olona eran-tany tokoa ny miloka, ary misy milaza fa mahafinaritra sady mahasoa izy io.
Milaza i Sharon Sharp, solontenan’ny Fikambanana Mpanadihady Momba ny Filokana, fa teo anelanelan’ny 1964 sy 1999, dia ny loteria no “nampiditra ny 125 000 tapitrisa dolara teo ho eo, tamin’ny volam-panjakana amerikanina. Nanomboka tamin’ny 1993 ny nahazoana ny ankabetsahan’izany vola izany.” Ny ampahany betsaka tamin’izany, dia natokana ho an’ny tetik’asa momba ny fampianarana sy hikarakarana tanim-panjakana ary hanatsarana ireo lapan’ny fanatanjahan-tena an’ny fanjakana. Anisan’ny tena mampiasa olona betsaka koa ny loteria. Any Aostralia fotsiny, dia olona 100 000 no miasa any amin’ny fikambanana 7 000 manao loteria.
Izany no mahatonga ireo mpanohana ny filokana hilaza fa tsy hoe mampiala voly fotsiny izy io, fa manome asa sy hahazoana hetra ary manatsara ny toe-karena.
Mety hanontany àry ny olona hoe, ‘Inona no maha ratsy ny miloka?’ Tena mety hanova ny hevitrao momba ny filokana ny valin’io fanontaniana io, resahin’ny lahatsoratra manaraka.
[Sary, pejy 3]
John
[Sary, pejy 3]
Kazushige
[Sary, pejy 3]
Linda