Topy Maso Eran-tany
Avotra Ilay Orkide Farany
Narovana andro aman’alina nandritra ny 50 taona ilay hany sabot de la Vierge (Cypripedium calceolus), izay orkide maniry any Grande-Bretagne, mba tsy ho lany tamingana. Tena tian’ny Anglisy tamin’ny andron’ny Mpanjakavavy Victoria sy ny taranaka tatỳ aoriana io orkide mena sy mavo io. “Notazan’izy ireo tsy an-kijanona ilay izy, hany ka nila ho lany tamingana”, ary fotony iray monja sisa tavela. Nisy manam-pahaizana momba ny voninkazo nanandrana namokatra voa tamin’io orkiden’i Yorkshire Avaratra io, nefa ela be izy io vao mamony, ka tsy nahazoana vovobony tamin’ny fomba voajanahary. Tamin’ny fiandohan’ireo taona 1990 anefa, dia nahita fomba maoderina iray ny mpahay siansa tao amin’ny Zaridainan’i Kew, any Londres. Izy ireo mihitsy no nanakambana ny lahimbony sy ny vavimbony, mba hahazoana voa, ka afaka namboly voninkazo vaovao izy ireo. Nafindra tany amin’ny toerana be sokay avy eo ireo voninkazo ireo, ka 200 na 300 amin’io karazana orkide io izao no maniry any amin’ny faritra avaratr’i Angletera. Toerana iray no azon’ny besinimaro tsidihina, fa ny hafa kosa afenina, ho fiarovana ireo orkide, araka ny gazety iray any Londres. “Mbola manao fikarohana ny mpahay siansa mba hahatonga azy ireo hatanjaka kokoa, ka hahatohitra ny aretina sy ny bibikely.”
Tsy Mahazaka Olombelona
“Biby maro no tsy mahazaka miara-miaina amin’ny olombelona”, hoy ny gazety alemà iray. Voalazany ao ny fanambarana nataon’ny Fikambanana Alemà Momba ny Tsy Fahazakan-javatra sy ny Aretina Sohika, manao hoe: “Biby an-trano 1 ao anatin’ny 20 no tsy mahazaka miara-miaina amin’ny olombelona, ka mangidihidy na mievina matetika, rehefa miaraka amin’olona.” Voalaza fa hoditr’olombelona maina ka mihintsana, sy tain’ny bibikely mivelona amin’ireny no tena antony. Raha mangidihidy lava ny biby an-trano, na milelaka ny tenany, na manongotra ny volony na dia tsy misy parasy aza, dia tokony ho fantatry ny tompony fa tsy mahazaka miara-miaina amin’ny olombelona ilay biby. Vao mainka hanamarina izany ny fihatsaran’ireo soritr’aretina ireo rehefa ovana ny toerana misy azy, na rehefa tsy eo ny tompony. Voalaza koa fa tsy mahazaka vovobony sy sakafo sasany koa ny biby. Lazain’ilay fikambanana alemà, ohatra, fa nitombo ny isan’ny soavaly tsy mahazaka vovobony, tato anatin’ireo taona faramparany.
Inona no Maha “Tena Lehilahy”?
Hoy ny gazety Independent any Londres: “Ny ankizilahy . . . dia mbola mino foana hoe izay kalaza amin’ny spaoro, sy manao akanjo misy marika malaza, ary miezaka ny tsy hanana namana akaiky, no ‘tena lehilahy’, fa izay mazoto miasa kosa dia ‘vavivavy toetra.’ Hajain’ny ankizilahy ny mpiara-mianatra aminy manjakazaka sy miseho ho mpibaiko ny hafa ary mpiteny ratsy be. Ny zatovo tsy mitovy amin’izany modely izany dia mety hampijalin’ny namany na hantsoin’izy ireo hoe sarim-bavy.” Rehefa nanontaniana anefa ny ankizilahy 11 ka hatramin’ny 14 taona tao amin’ny sekoly 12 tany Londres, dia niaiky izy ireo “fa manjary manirery sy tsy sahy milaza ny heviny izy ireo noho ny ‘toetrany manjakazaka.’” Hoy ny Profesora Stephen Frosh, izay nitarika ilay fanadihadiana: “Tokony hampianarina ny ankizilahy mba hino fa ny hoe lehilahy akory tsy midika hoe masiaka sy manafina ny fihetseham-ponao.”
Kianin’ny Olona ny Vokovoko Mena
Tsy ela taorian’ilay fanafihana tamin’ny 11 Septambra tany Etazonia, dia nikofokofoka nangataka vola sy ra ny Vokovoko Mena Amerikanina. Vola 850 tapitrisa dolara sy fonosan-dra 400 000 no voangona. Vetivety ny nanangonana an’ireo, fa ny fizarana azy kosa nitarazoka. Hoy ny gazety The Washington Times: “Niadana ny fizaran’ny Vokovoko Mena Amerikanina ny fanampiana tamin’ireo fianakaviana niharan-doza. Nampiasaina tamin-javatra tsy nifandray tamin’ilay loza tamin’ny 11 Septambra ilay fanampiana”, ary ampahany lehibe tamin’izany no “natokana ho amin-javatra hilaina any aoriana, toy ny fitahirizana ra mivaingana, sy fandaharam-panampiana olona, ary fitsinjovana fanafihana amin’ny hoavy.” Tsy nila firy tamin’ilay ra voangona ny olona, ary tsy azo tahirizina mihoatra ny 42 andro ny ra. Noho izany, dia “tsy misy ilana azy ilay ra voangona, ka tsy maintsy dorana”, hoy ilay gazety. Nilaza ny fampitam-baovao fa olona maro no nanakiana ny Vokovoko Mena. Nandroaka ny taleny àry io fikambanana io, ka nanambara tamin’ny Janoary 2002, fa amin’ny 11 Septambra 2002, dia tsy maintsy ho efa voazara amin’ireo niharan-doza ny fanampiana voangona.
Mahafaty Ireo Loza Araka ny Natiora
Manao tatitra ny Reuters hoe “olona 25 000, fara fahakeliny, no matin’ny loza araka ny natiora tamin’ny 2001, izany hoe avo roa heny noho ny tamin’ny [2000].” Lazain’ny Munich Re, sampan-draharahan’ny fiantohana lehibe indrindra eran-tany, fa nahatratra 36 000 tapitrisa dolara ny fahavoazana ara-bola, ka izany dia mihoatra lavitra noho ny fahavoazana tamin’ny 11 Septambra tany Etazonia. Rivo-doza sy tondra-drano ny androatokon’ireo loza 700 tena lehibe. Heverina fa ny fiovan’ny toetany maneran-tany tsy an-kijanona no mahatonga ireo loza ateraky ny toetrandro samihafa. Milaza ilay kompania fa “mifamatotra ireo zavatra roa ireo. Manaporofo izany ny doro ala tany Aostralia, ny tondra-drano tany Brezila sy Torkia, ny ranomandry be loatra tany Eoropa afovoany sy atsimo, ary ny rivo-doza tany Singapour, izay tsy tokony ho nisy mihitsy raha ny toetrandro no jerena.” Voalaza fa ny taona 2001 no taona faharoa nafana indrindra hatramin’ny niraketana izany an-tsoratra, 160 taona lasa izay. Ny horohoron-tany no nahafaty olona be indrindra, ka ilay tany Inde no nahafaty olona 14 000, tamin’ny Janoary fotsiny. Nisy horohoron-tany lehibe 80 nandritra ny taona 2001.
Mamonjy Aina ny Fehikibon’ny Mpandeha eo Aoriana
Lazain’ny gazety The Guardian any Londres fa “rehefa tsy mametaka fehikibo fiarovana ny mpandeha eo aoriana amin’ny fiara, dia mitombo avo dimy heny ny loza mety hahafaty ny mpandeha eo aloha, izay mametaka ny azy.” Nanao fanadihadiana ny Oniversiten’i Tokyo, momba ny lozam-piarakodia 100 000 nandritra ny dimy taona tany Japon, ka hita fa raha nametaka ny fehikibony ny mpandeha teo aoriana, dia tsy ho faty ny 80 isan-jaton’ireo mpandeha teo aloha, izay nametaka ny fehikibony. Rehefa mifandona ny fiara, dia mipitika eny aloha ireo mpandeha eo aoriana tsy mifatotra, ka mitontona mafy eo amin’ny mpandeha eo aloha, izay mety haratra mafy na ho faty mihitsy, satria voapotsitra. Na dia takin’ny lalàna any Grande-Bretagne aza ny fampiasana fehikibo eo aoriana ao anaty fiara, nanomboka tamin’ny 1991, dia mbola maro ihany ny olon-dehibe tsy mametaka azy.
Mitera-doza ny Rivotra Maloto any Azia
Milaza ny Down to Earth, gazety momba ny tontolo iainana, fa “olona 40 000 isan-taona no matin’ny rivotra maloto any Inde.” Hita tamin’ny fanadihadiana nataon’ny Banky Iraisam-pirenena sy ny Fikambanan’i Stockholm Momba ny Tontolo Iainana, fa maloto lavitra noho ny any Eoropa sy Amerika mitambatra ny rivotra any Azia, ary an’arivo no matin’izy io any Séoul, Beijing, Bangkok, Jakarta, ary Manille. Olona 4 000 isan-taona any Manille, ohatra, no maty vokatry ny aretin’ny taovam-pisefoana, ary 90 000 no voan’ny aretin’ny traotraoka. Betsaka noho izany aza no maty any Beijing sy Jakarta. Ny mahatonga izany, hoy ilay gazety, dia “ny fampiasana solika ratsy, ny fomba famokarana angovo tsy mahomby, ny fampiasana fiara efa simba, ary ny fifamoivoizan’ny fiara be loatra.”
Fanararaotana ny Fiovana ho Amin’ny Vola Euro
Milaza ny gazety Corriere della Sera hoe noho ny fampiasana ny vola euro, ‘fa tsy ny vola lire intsony, dia nanararaotra ny Eglizy Katolika any Italia mba hanonerana ny tsy fahampian’ny rakitra miditra, ka nampitombo ny vola angatahiny.’ Nandefa taratasy eran’ny paroasiny ny evekan’i Roma ho fanitsiana ny ‘lisitry ny vola angatahiny.’ Ny fanaovana lamesa iray dia lasa 10 euros (19 363 lires), raha 15 000 lires izany teo aloha. Ny vola be indrindra aloa amin’ny mariazy taloha dia 450 000 lires, nefa izao dia lasa 270 euros (523 000 lires). Marihin’ilay taratasy anefa fa “ho an’ireo ‘tsy anisan’ny paroasy’ ihany io, fa tsy ferana kosa ny fanomezana hataon’ireo anisan’ny paroasy, toy ny amin’ny batemy sy fandevenana.” Na izany aza anefa, dia mbola kivy ihany ny mompera any Roma, satria foana ireo fanantazan-drakitra. Lazain’ilay gazety fa ny anton’izany angamba dia satria “mahihitra ireo mpivavaka, ary mihena ny isan’ny mpiangona.”