“Nogadraina Noho ny Finoany”
AVY AMIN’NY MPANORATRA NY MIFOHAZA! ANY POLONINA
ARBEIT Macht Frei, izany hoe Manafaka ny Asa. Mbola eo amin’ny vavahady vin’ny toby fitanan’i Auschwitz, any amin’ny faritra atsimon’i Polonina, ireo teny ireo mandraka androany.a Mifanohitra amin’ireo teny ireo anefa ny zavatra niainan’ny ankamaroan’ny olona niditra teo amin’io vavahady io, tamin’ny 1940 ka hatramin’ny 1945. Olona an-tapitrisany mahery mantsy no novonoin’ny Nazia tao Auschwitz, nandritra ireo taona ireo. Azo nafahana avy hatrany anefa ny Vavolombelon’i Jehovah, raha tiany.
Inona no takalon’ilay fanafahana? Fanaovana sonia taratasy iray milaza fa hiala tsy ho Vavolombelona intsony. Inona no nataon’ny ankamaroan’izy ireo? Nilaza ilay mpahay tantara atao hoe István Deák, fa izy ireo dia “nitovy tamin’ireo Kristianina voalohany, izay nifidy ny hohanin’ny liona, toy izay hanolotra fanatitra kely teo amin’ny alitaran’ny emperora romanina.” Tena mendrika ny hotsarovana ny tsy fivadihan’izy ireo, ary notsarovana tokoa izany.
Nisy fampirantiana momba ny Vavolombelon’i Jehovah, tao amin’ny efitrano lehibe indrindra ao amin’ny Tranombakok’i Auschwitz-Birkenau. Naharitra roa volana izy io, ary nanomboka ny 21 Septambra 2004. Nety tsara ny lohatenin’ilay fampirantiana hoe “Nogadraina Noho ny Finoany ny Vavolombelon’i Jehovah Nandritra ny Fitondrana Nazia.” Hita tamin’ireo tabilao 27 naseho tao, fa tsy nety nanohana ny Nazia mihitsy ny Vavolombelona noho izy ireo Kristianina.
Naseho tao amin’ilay fampirantiana ny taratasy nosoratan’ny tovovavy holandey iray, atao hoe Deliana Rademakers, fony izy tany am-ponja. Nalefany ho an’ny fianakaviany izy io, ary tena nanohina ny fon’ireo mpitsidika maro. Izao no voalaza tao: “Nivoady hanao ny sitrapon’i Jehovah aho. ... Manàna herim-po ary aza matahotra, fa momba antsika i Jehovah.” Nalefa tany Auschwitz i Deliana tamin’ny 1942, ary maty izy raha mbola tsy feno telo herinandro akory no nahatongavany.
Nisy 400 teo ho eo, tamin’ny fitambarany, ny isan’ny Vavolombelona tany Auschwitz. Nanatrika ny fanombohan’ilay fampirantiana ny telo tamin’ireo Vavolombelona sisa tsy maty tany, ary nitantara ny nanjo azy sy namaly ny fanontanian’ny mpanao gazety. Mbola tao amin’izy ireo ihany ilay herim-po nanampy azy hiaritra ny fiainana tany amin’ny toby.
Miasa ao amin’ilay tranombakoka ny mpikaroka iray, atao hoe Teresa Wontor-Cichy, izay nanoratra ilay boky hoe Nogadraina Noho ny Finoany Ireo Vavolombelon’i Jehovah Tany Amin’ny Toby Fitanan’i Auschwitz. Izao no nosoratany tao: “Nisy vokany tsara teo amin’ny mpigadra hafa ny fitondran-tenan’ireo olom-bitsy ireo. Tapa-kevitra ny tsy hivadika mihitsy izy ireo isan’andro, ka rehefa nahita izany ny hafa, dia niaiky fa vitan’ny olona ny manaraka ny toro lalana efa nekeny, na ao anatin’ny toe-javatra tena sarotra aza.”
Tsy vaovao amin’ny mpanara-dia an’i Jesosy Kristy ny fanagadrana sy ny famonoana ho faty, raha ny marina. I Jesosy aza nosamborina sy novonoina noho ny finoany. (Lioka 22:54; 23:32, 33) Novonoina koa i Jakoba apostoliny, ary nogadraina ny apostoly Petera. Ankoatra izany, dia nokapohina sy nogadraina imbetsaka ny apostoly Paoly.—Asan’ny Apostoly 12:2, 5; 16:22-25; 2 Korintianina 11:23.
Toy izany koa ny Vavolombelon’i Jehovah tany Eoropa, nandritra ireo taona 1930 sy 1940. Tena fakan-tahaka tokoa ny finoany an’Andriamanitra. Rariny raha notsarovana izany tao amin’ilay fampirantiana tany Auschwitz.
[Fanamarihana ambany pejy]
a Nizara telo ny toby tany Auschwitz: Auschwitz I (toby lehibe indrindra), Auschwitz II (Birkenau), ary Auschwitz III (Monowitz). Tao Birkenau ny ankamaroan’ireo efitra malaza famonoana olona tamin’ny gazy.
[Sary, pejy 10]
Nanatrika ilay fampirantiana izy telo lahy anisan’ireo sisa tsy maty tany Auschwitz
[Sary, pejy 11]
Deliana Rademakers sy ilay taratasy nosoratany tany am-ponja
[Sary nahazoan-dalana]
Sary tapaka: Zdjęcie: Archiwum Państwowego Muzeum Auschwitz-Birkenau
[Sary nahazoan-dalana, pejy 10]
Tilikambo: Dzięki uprzejmości Państwowego Muzeum Auschwitz-Birkenau