FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 8/13 p. 3
  • Topy Maso Eran-tany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Topy Maso Eran-tany
  • Mifohaza!—2013
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Etazonia
  • Chine
  • Gresy
  • Inde
  • Italia
  • Olana Eran-tany
    Mifohaza!—2001
  • Famonoan-tena — Loza Mamely ny Tanora
    Mifohaza!—1998
  • Nahoana ny Olona no Te ho Faty?
    Mifohaza!—2001
  • Fijerena An’izao Tontolo Izao
    Mifohaza!—1999
Mifohaza!—2013
g 8/13 p. 3

TOPY MASO ERAN-TANY

Etazonia

Be dia be amin’ireo miaramila amerikanina efa misotro ronono no maty namono tena. Maherin’ny 20 isan’andro izany. Misy 950 eo ho eo isam-bolana aza no manandrana mamono tena, amin’ireo mahazo fanampiana avy amin’ny fanjakana.

Chine

Hoy ny gazety China Daily: ‘Betsaka ny vehivavy sinoa latsaka ny 30 taona no miasa any amin’ny faritany hafa, ka efa ho ny antsasak’izy ireo no lasa bevohoka tsy manambady. Tato ho ato vao tena nirongatra be izany.’ Voalaza koa fa ‘betsaka ny Sinoa manao tokantranomaso.’

Gresy

Miverina indray ny tazomoka, nefa efa saika foana tanteraka tamin’ny 1974. Antony roa no voalaza fa nahatonga izany: Nahenan’ny fanjakana ny vola ikarakarana ny fahasalamam-bahoaka, ary eo koa ny olana ara-toe-karena.

Inde

Na dia efa miova aza ny fiainan’ny olona noho ny fandrosoana, dia ny 74 isan-jaton’ireo nanontaniana no nilaza fa aleony ihany itadiavan’ny havany vady, toy izay izy no hifidy an’izay tiany. Ny 89 isan-jato no niteny hoe tsy tiany raha izy sy ny vady aman-janany irery no miray trano, fa aleony koa mba miara-mipetraka aminy ny ray aman-dreniny sy ny havany hafa.

Italia

‘Efa nilaozan’ny toetrandro ny Eglizy Katolika, na eran’i Eoropa na any Amerika, fa ny fiangonana fotsiny no ngezabe. Tranainy be ny fanaontsika, ary mihavitsy koa ny masera sy mompera. Be pitsipitsiny be ny fomba fiasantsika, nefa tsy mahomby akory. Ny fiakanjo sy ny fombafomba anefa atao mirentirenty erỳ. Tsy nivoatra mihitsy ny Eglizy tao anatin’ny 200 taona!’—Tenin’ny Kardinaly Carlo Maria Martini, navoakan’ny gazety Corriere della Sera rehefa maty izy.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara