FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g 7/14 p. 16
  • Ilay Sahona Miteraka Amin’ny Vavany

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ilay Sahona Miteraka Amin’ny Vavany
  • Mifohaza!—2014
  • Mitovitovy Aminy
  • Sahona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Loha Hevitra ato Anatiny
    Mifohaza!—2014
  • Ny Feon’ny Sahona Mpiani-kazo any Japon
    Nisy Namorona Ve?
  • Ahoana no Hanaporofoako fa Nisy Namorona Izao Rehetra Izao?
    Mifohaza!—2006
Hijery Hafa
Mifohaza!—2014
g 7/14 p. 16
[Sary, pejy 16]

NISY NAMORONA VE?

Ilay Sahona Miteraka Amin’ny Vavany

HAFAKELY ny ataon’ity sahona any Aostralia ity rehefa hiteraka! Ateliny ny atodiny ka lasa ao amin’ny vavoniny. Mitombo ao mandritra ny iray volana sy tapany izany, ka avoakany amin’ny vavany rehefa foy. Heverina fa efa lany tamingana io sahona io tamin’ny 2002.

Dia tsy levona ao anaty vavoniny ao ve ny atodiny? Tsia, satria tsy mihinana na inona na inona mihitsy izy rehefa bevohoka. Tsy mamoaka asidra mandevon-kanina mihitsy koa ny vavoniny, noho ny zavatra simika avoakan’ireo zanany kely.

Atody 24 eo ho eo no ao anaty vavonin’ilay sahona. Efa hila hitovy amin’ny antsasaky ny lanjan’ilay reniny ny lanjan’ireo zanany ireo. Eritrereto hoe vehivavy 68 kilao no bevohoka zaza 24, izay milanja 1,8 kilao avy! Rehefa mitombo ny zanany, dia mitatra be ny vavonin’ilay sahona ka fisaka tanteraka ny havokavony. Voatery miaina amin’ny hoditra àry izy.

Mivoaka tsikelikely ireo zanaka sahona amin’ny ankapobeny, ka andro vitsivitsy vao tafavoaka daholo. Tsy miandry an’izany anefa ilay reniny, raha misy loza mampahatahotra azy, fa tonga dia aloany izy rehetra. Nisy mpikaroka, ohatra, nahita sahona vavy namoaka sahona kely enina indray niaraka avy ao am-bavany. Naloany mafy be izy ireo ka nipitika ambony, efa ho iray metatra!

Misy milaza fa nivoatra miandalana ny biby. Mitombina ve anefa izany, raha jerena ity sahona ity? Rehefa hiteraka mantsy izy io, dia misy fiovana be ny ao anatin’ny vatany sy ny fomba fiainany. Tsy maintsy miara-mitranga anefa ireo fiovana ireo, fa raha tsy izany tsy miteraka izy. Nanohana ny evolisiona ilay mpahay siansa atao hoe Michael Tyler, kanefa izao no nosoratany: ‘Sarotra be ny mieritreritra hoe nivoatra miandalana io sahona io, ka lasa miteraka amin’ny vava. Raha tsy miova tanteraka mantsy ny ao anaty vatany ao, tsy afaka miteraka hoatr’izany izy. Ny mitombina kokoa dia hoe indray mitranga ilay fiovana, sady tonga dia fiovana be.’ Misy àry mpahay siansa milaza fa tsy nivoatra miandalana izany rehetra izany, fa tsy maintsy nisy namorona.a

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny sahona miteraka amin’ny vavany, sa nisy namorona?

a Nilaza i Charles Darwin tao amin’ilay bokiny hoe Ny Fiandohan’ny Karazan-javamananaina (anglisy), fa ‘mandeha tsikelikely ny fiovana miandalana, sady ela be vao misy fiovana kely, fa tsy misy hoe miova be tampoka izany.’

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara