FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • ijwwd lahatsoratra 36
  • Ny Feon’ny Sahona Mpiani-kazo any Japon

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Feon’ny Sahona Mpiani-kazo any Japon
  • Nisy Namorona Ve?
  • Mitovitovy Aminy
  • Sahona
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Ilay Sahona Miteraka Amin’ny Vavany
    Mifohaza!—2014
  • Fanomezana Tsy Nampoizina ho An’ny Japoney
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2015
  • Ireo Loza Telo Voalohany
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Nisy Namorona Ve?
ijwwd lahatsoratra 36
Sahona mpiani-kazo any Japon. Mibontsina ny tendany.

© Kim, Hyun-tae/iNaturalist. Licensed under CC-BY-4.0

NISY NAMORONA VE?

Ny Feon’ny Sahona Mpiani-kazo any Japon

Mampiavaka ny sahona lahy mpiani-kazo any Japon ilay izy mamoaka feo miverimberina sady hoatran’ny hoe mikorontandrontana. Na dia misy sahona maromaro maneno aza anefa eo, dia azo fantarina hoe sahona iza ilay mamoaka feo. Ahoana no mahatonga an’izany? Misy mpikaroka mandinika ny sahona any Japon. Hitan-dry zareo hoe milamina tsara ny fomba fanenon’ny sahona lahy amin’ny toerana iray, rehefa mitady vady ry zareo.

Diniho izao: Mamoaka feo ny sahona lahy mpiani-kazo any Japon rehefa mitady vady. Avy ao amin’ny tadim-peony no mivoaka voalohany ilay feo, dia avy eo ilay izy mankao amin’ilay zavatra mety mibontsina ao amin’ny tendany, dia lasa mafy be ilay feo.

Dia ahoana izany no anavahana ny feon’ny sahona lahy iray amin’ny feon’ny sahona lahy hafa? Hitan’ny mpikaroka fa rehefa mifanakaiky ny sahona mpiani-kazo any Japon, dia tsy hoe samy manao an’izay tiany fotsiny ry zareo rehefa maneno. Milamina tsara ny fomba fanenony, dia mifandimby ry zareo manao an’izany. Tsy misy feo mifanindry àry, fa miavaka tsara ny feon’ny sahona tsirairay sady lasa mitsitsy hery ry zareo. Rehefa mifandimby maneno hoatran’izany koa ny sahona, dia mba afaka maka aina kely ry zareo.

Rehefa hitan’ny mpikaroka hoe milamina tsara ny fanenon’ny sahona mpiani-kazo any Japon, dia naka tahaka an’izany ry zareo. Mampiasa kajy maty paika, ohatra, ny mpikaroka momba ny fifandraisana tsy ampiasana kabla mba hanatsarana ny fampitana ny rakitra elektronika, amin’izay tsy mifanindry ny fampitana an’ilay izy. Tafita tsara daholo àry ilay rakitra nampitaina sady mitsitsy angovo.

Ahoana ny Hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny sahona mpiani-kazo any Japon mifandimby rehefa maneno, sa nisy namorona?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara