FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • g20 No. 2 p. 4-5
  • Inona no Inoan’ny Olona Sasany?

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Inona no Inoan’ny Olona Sasany?
  • Mifohaza!—2020
  • Lohatenikely
  • Mitovitovy Aminy
  • Hindoa
  • Silamo
  • Finoan’ny Jiosy
  • Bodista
  • Mpanaraka ny fampianaran’i Confucius
  • Fivavahan’ny foko sasany
  • Kristianina
  • Inona no Lazain’​ny Baiboly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah (Besinimaro)—2017
  • Fanontaniana 3: Fa Maninona Aho no Avelanao Hijaly?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—2012
  • Nahoana no Maro Be ny Olona Mijaly?
    Mifohaza!—2011
  • 4. Efa Nataon’Andriamanitra Hijaly ve Isika?
    Mifohaza!—2020
Hijery Hafa
Mifohaza!—2020
g20 No. 2 p. 4-5
Marika sy sary famantarana ny fivavahan’ny Hindoa, Bodista, Jiosy, Silamo, Kristianina, mpanaraka ny fampianaran’i Confucius, ary ny fivavahan’ny foko sasany.

Inona no Inoan’ny Olona Sasany?

Hindoa

Marika famantarana ny Hindoisma.

Mino izy ireo hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona rehefa maty, ary miverina imbetsaka izany. Nanao zavatra ratsy, hono, ny olona iray tamin’ny fiainany teo aloha matoa izy mijaly. Milaza izy ireo fa tsy hijaly intsony ilay olona rehefa mahatratra an’ilay hoe moksha, izany hoe rehefa tsy teraka ao amin’ny vatana vaovao intsony.

Silamo

Marika famantarana ny Silamo.

Mino izy ireo hoe sazy noho ny ota ny fijaliana, ary fomba iray itsapana ny finoana. Mampahatsiahy antsika ny loza hoe “mila mankasitraka ny fitahiana omen’Andriamanitra isika sady tokony hanampy an’izay mila fanampiana”, araka ny tenin’ny Pr. Sayyid Syeed, Filohan’ny Fikambanana Silamo any Amerika Avaratra.

Finoan’ny Jiosy

Marika famantarana ny Jodaisma.

Mino izy ireo hoe ny zavatra nataon’ny olona iray no mahatonga azy hijaly. Mino ny Jiosy sasany hoe mbola hisy ny fitsanganana amin’ny maty. Raha nijaly, hono, ny olona iray nefa tsy nanan-tsiny, dia hahazo rariny izy rehefa hatsangana. Ireo manaraka ny Kabbalah (fampianarana jiosy mifono zava-miafina) kosa mino fa teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona rehefa maty. Afaka manarina ny tsy nety nataony tamin’ny fiainany teo aloha, hono, izy amin’izay.

Bodista

Marika famantarana ny Bodisma.

Mino izy ireo hoe teraka indray ao amin’ny vatana hafa ny olona iray rehefa maty, ary miverina imbetsaka izany. Hijaly foana, hono, ilay olona raha mbola maniry zava-dratsy ary tsy miala amin’ny fanao sy toetra ratsy. Milaza izy ireo hoe tokony ho tsara toetra ilay olona, tsy hieritreritra zava-dratsy, ary hanao ny tsara. Hahatratra an’ilay hoe Nirvana izy amin’izay, izany hoe tsy hijaly intsony.

Mpanaraka ny fampianaran’i Confucius

Sarin’i Confucius.

Mino izy ireo fa “ny tsy fahombiazan’ny olona sy ny fahadisoany” no mahatonga ny ankamaroan’ny fijaliany, araka ny diksionera iray momba ny fivavahana. Raha miezaka manao ny tsara, hono, ilay olona, dia hihena ny fijaliany. Milaza koa izy ireo fa betsaka amin’ny fijaliana mahazo antsika no avy amin’ny “fanahy mahery kokoa noho ny olona.” Mila manaiky an’izay mitranga fotsiny, hono, isika, raha tratran’izany.

Fivavahan’ny foko sasany

Marika famantarana ny fivavahan’ny foko sasany.

Milaza izy ireo fa nisy namosavy ny olona iray matoa mijaly. Afaka manisy ratsy na manampy ny olona hahomby, hono, ny mpilalao ody, ary afaka mampihena ny fijaliana vokatry ny ataon’izy ireny ny fombafomba samihafa. Milaza izy ireo hoe raha marary ny olona iray, dia afaka manasitrana azy ny fombafomba ataon’ny mpimasy sy ny fanafody omeny.

Kristianina

Marika famantarana ny fivavahana Kristianina.

Mino izy ireo fa ny fahotan’i Adama sy Eva, ireo olombelona voalohany, no mahatonga antsika hijaly, araka ny bokin’ny Genesisy ao amin’ny Baiboly. Nitarin’ny fivavahana kristianina sasany anefa io fampianarana io. Mampianatra, ohatra, ny Katolika sasany hoe azon’ny olona iray ‘atolotra ho an’Andriamanitra’ ny fijaliany. Azon’Andriamanitra ampiasaina, hono, ilay izy avy eo mba hitahiana ny fiangonana na hamonjena olon-kafa.

FANAZAVANA FANAMPINY

Jereo ao amin’ny jw.org/mg ilay video hoe Eken’Andriamanitra ve ny Fivavahana Rehetra?

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara