FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • my tant. 32
  • Ny Loza 10

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Ny Loza 10
  • Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
  • Mitovitovy Aminy
  • Ireo Loza Telo Voalohany
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Iza moa i Jehovah?
    Ny Tilikambo Fiambenana Manambara ny Fanjakan’i Jehovah—1993
  • Ny Loza Fahafolo
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
  • Ireo Loza Enina Nanaraka
    Andao Hianatra Tantara ao Amin’ny Baiboly
Hijery Hafa
Ny Bokiko Misy Fitantarana avy ao Amin’ny Baiboly
my tant. 32

Tantara 32

Ny Loza 10

JEREO ny sary. Mampiseho loza izay nalefan’i Jehovah tamin’i Ejipta ny tsirairay aminy. Eo am-pikapohana ny Ony Neily amin’ny tehiny i Arona eo amin’ny sary voalohany. Dia niova ho ra ny rano tao amin’ny ony. Maty ny hazandrano, ary nanomboka namofona ny ony.

Taorian’izay dia nakarin’i Jehovah avy tao amin’ny Ony Neily ny sahona. Hita hatraiza hatraiza izany—tao amin’ny fanaova-mofo, ny vilany, teny amin’ny farafaran’olona—hatraiza hatraiza. Rehefa maty ny sahona, dia nataon’ny Ejipsianina antontany lehibe izany, ary maimbo ny tany noho ireny.

Avy eo i Arona dia nikapoka ny tany tamin’ny tehiny, ary niova ho moka ny vovoka. Bibikely manidina manaikitra ireny. Ny moka no loza fahatelo teo amin’ny tany Ejipta.

Ny sisa amin’ny loza dia namely ny Ejipsianina irery ihany, fa tsy ny Israelita. Ny loza fahefatra dia lalitra vaventy izay nameno ny tranon’ny Ejipsianina rehetra. Ny loza fahadimy dia tamin’ny biby. Biby fiompy sy ondry ary osy maro an’ny Ejipsianina no maty.

Manaraka izany, i Mosesy sy Arona dia naka lavenona ary nanipy izany teny amin’ny rivotra. Niteraka vay ratsy teo amin’ny olona sy ny biby izany. Io no loza fahenina.

Taorian’izany i Mosesy dia naninjitra ny tanany tamin’ny lanitra ary nandefa varatra sy havandra i Jehovah. Izany no havandra sy orambaratra ratsy indrindra namely an’i Ejipta hatramin’izay.

Ny loza fahavalo dia andiam-balala be dia be. Mbola tsy nisy valala maro be toy izany mihitsy talohan’izay na taoriana. Nihinana izay rehetra tsy nosimban’ny havandra izy ireny.

Ny loza fahasivy dia ny aizim-pito. Nandrakotra ny tany nandritra ny telo andro ny aizim-pito matevina, nefa dia nanana hazavana ny Israelita tao amin’izay nitoerany.

Farany, dia nilazan’Andriamanitra ny olony mba hamafy ran-janak’osy na ran-janak’ondry teo amin’ny tolàm-baravarana. Avy eo dia namakivaky an’i Ejipta ny anjelin’Andriamanitra. Rehefa hitan’ilay anjely ny ra, dia tsy namono na iza na iza tao amin’izany trano izany izy. Fa tao amin’ny trano rehetra izay tsy nahitana ra teo amin’ny tolàm-baravarana kosa, ilay anjelin’Andriamanitra dia namono ny voalohan-teraka tamin’ny olona sy ny biby. Izany no loza fahafolo.

Taorian’io loza farany io dia nilazan’i Farao ny Israelita mba handeha. Vonona ny handeha avokoa ny olon’Andriamanitra, ary tamin’io alina io ihany dia nanomboka ny diany niala tany Ejipta izy.

Eksodosy toko faha-7 ka hatramin’ny faha-12.

Fanontaniana

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara