Toko Faha-5
Ahoana no Ahafahako Manaiky ny Fanambadian’ny Raiko na ny Reniko Indray?
“Ny andro nanambadian’i Dada an’i Rita no andro ratsy indrindra amin’ny fiainako”, hoy ny notsaroan’i Shane. “Tezitra mafy aho. Tezitra tamin’i Dada satria namadika an’i Neny izy. Tezitra tamin’i Neny noho ny nandehanany nanohy ny fianarany momba ny Lalàna ka namelany anay ho irery. Tezitra tamin’ireo zaza ratsy taiza roa zanak’i Rita, izay hiara-hipetraka aminay (...) Fa ny nahatezitra ahy indrindra dia i Rita (...) Tena nankahala azy mihitsy aho. Ary satria nino aho fa tsy tsara ny mankahala, dia tezitra tamin’ny tenako koa aho.” — Stepfamilies — New Patterns in Harmony, nataon’i Linda Craven.
NY FANAMBADIAN’NY ray na ny reny indray dia mandrava ny fanantenanao hahita azy ireo hiaraka indray. Mety hahatonga anao hahatsiaro tena ho feno ahiahy sy ho nisy namadika ary hialona izany.
Mety hankarary fo indrindra ny fanambadiana indray raha manaraka tsy ela ny fahafatesan’ny ray na ny reny nolalaina izy io. “Nahatonga ahy ho tezitra mafy ny fahafatesan’i Neny”, hoy ny neken’i Missy, 16 taona. “Nihevitra aho fa naka ny toeran’i Neny ny fofombadin’i Dada, koa tena nampiseho toetra ratsy taminy aho.” Noho ny tsy fivadihanao amin’ny ray na ny reny niteraka anao, dia mety hahatsapa ho meloka mihitsy ianao raha manomboka tia ny raikelinao na ny renikelinao.
Tsy mahagaga mihitsy àry raha tanora maro no maneho ny fanaintainany ara-pihetseham-po amin’ny fomba manimba. Ny sasany aza manao tetika mba handravana ny tokantrano vaon’ny rainy na ny reniny. Tadidio anefa fa nifanao voady teo anatrehan’Andriamanitra ilay ray na reny niteraka anao sy ilay renikely na raikelinao. “Koa amin’izany, izay nampiraisin’Andriamanitra dia aoka tsy hampisarahin’olona [na zanaka].” (Matio 19:6). Ary na dia ho afaka hampisaraka azy ireo aza ianao, izany akory tsy hampiray indray ireo ray aman-dreny niteraka anao.
Tsy mampiseho fahendrena koa ny fifanoheran-dava amin’ny raikelinao na ny renikelinao. Mampitandrina toy izao ny Ohabolana 11:29: “Izay mampidi-doza amin’ny ankohonany dia mandova ny rivotra”, izany hoe, miafara amin’ny tsinontsinona. Ny tsy fahafalian’i Gerri, 15 taona, tamin’ny renikeliny dia nahatratra ny fara heriny tamin’ny ady mafy iray. Ny vokany? Nangataka ny renikelin’i Gerri ny hifidianan’ny rainy, na ny vadiny, na ny zanany vavy. Ary dia nanjary niverina nipetraka niaraka tamin’ny reny niteraka azy — izay efa nanambady koa — i Gerri.
Manampy anao hizaka ny tarehin-javatra ny fitiavana
Inona no tsiambaratelon’ny fizakana amim-pahombiazana ny fanambadian’ny rainao na ny reninao indray? Ny fanehoana fitiavana miorina amin’ny fotopoto-pitsipika, araka ny voalazalaza ao amin’ny 1 Korintiana 13:4-8 toy izao:
Ny fitiavana “tsy mitady ny azy”. Izany dia midika ho ‘tsy fitadiavana ny hahasoa ny tenantsika, fa ny hahasoa ny namana’. (1 Korintiana 10:24). Raha nanapa-kevitra ny rainao na ny reninao fa mila namana ho vady izy, moa ve ianao tokony ho tsy faly amin’izany?
“Ny fitiavana tsy mialona”. Matetika ireo tanora dia tsy maniry ny hizara ny fitiavan’ny ray na ny reny niteraka azy amin’ny olon-kafa. Tsy tokony hatahotra anefa ianao sao hoe ho lany fitiavana anao ny rainao na ny reninao, satria ny fitiavana afaka miitatra. (Ampitahao amin’ny 2 Korintiana 6:11-13.) Afaka manitatra ny fitiavany mba hahafaoka koa ny vady vaovao iray ny rainao na ny reninao, nefa tsy hamoy ny fitiavany anao! Moa ve ianao hanokatra ny fonao mba hahafaoka ao koa ny raikelinao na ny renikelinao? Ny fanaovana toy izany dia tsy midika velively fa namadika ilay ray na ilay reny tsy eo intsony ianao.
Ny fitiavana “tsy manao izay tsy mahamendrika”. Ny fiaraha-mipetraka amin’ny zoky sy ny zandry vaovao tsy lahy na tsy vavy tahaka anao dia mety hiteraka fanerena eo amin’ny ara-pitondran-tena. Voalaza fa nisy firaisan’ny lahy sy ny vavy andrarana nitranga teo anivon’ny 25 isan-jaton’ireo fianakaviana voaforona mpianakavy avy amin’ny fanambadiana teo aloha.
I David, izay nanjary nahazo anabavy tanora efatra niara-nipetraka taminy noho ny fanambadian-dreniny indray, dia milaza toy izao: “Nilaina ny nanangana fefy ara-tsaina mba hanoherana ny fihetseham-po eo amin’ny lahy sy ny vavy.” Ho tianao koa ny hitandrina mba hanalavitra ny fifankazarana tafahoatra, amin’ny fahazoana antoka fa, na ny fiakanjonao na ny fihetsikao, dia tsy mihantsy eo amin’ny maha-lahy sy ny maha-vavy. — Kolosiana 3:5.
Ny fitiavana “maharitra ny zavatra rehetra (...) Manome antsika hery hiaretana amin’ny zavatra rehetra izy io”. (Fandikan-tenin’i Charles B. Williams). Indraindray dia toa tsy misy na inona na inona afaka manala ireo fihetseham-po mankarary anao! Niaiky toy izao i Marla: “Nahatsapa aho fa toa tsy nisy toerana ho ahy tao an-trano. Nilaza tamin’i Neny mihitsy aza aho fa naleoko tsy ary akory.” Nikomy i Marla ary nandositra mihitsy aza! Kanefa, milaza toy izao izy ankehitriny: “Ny zavatra tsara indrindra tokony hatao dia ny miaritra.” Raha miaritra tahaka izany koa ianao, arakaraka ny fandehan’ny fotoana dia hisinda ny fahatezerana sy ny fahaverezan-kevitra ary ny fanaintainana tsapanao tamin’ny voalohany.
‘Tsy tena reniko (na raiko) ianao!’
Tsy mora ny manaiky ny fifehezan’ny ray na ny reny vaovao iray, ary rehefa angatahin’ny raikely na ny renikely mba hanao zavatra ny tena, dia mety ho voan’ny fakam-panahy hamaly amin’ny fomba henjana hoe: ‘Tsy tena reniko (na raiko) ianao!’ Tadidio anefa ny fotopoto-pitsipika voalaza ao amin’ny 1 Korintiana 14:20 toy izao: “Aoka ho olon-dehibe ianareo raha ny amin’ny fomba fisainanareo.” — The Holy Bible in the Language of Today, nataon’i William Beck.
Ny fanekenao ny fahefana ananan’ny raikelinao na ny renikelinao hifehy anao dia fomba iray hanehoanao fa efa ‘olon-dehibe ianao raha ny amin’ny fomba fisainanao’. Manao ny adidin’ny ray na ny reny niteraka izy ary mendrika ny fanajanao. (Ohabolana 1:8; Efesiana 6:1-4). Tamin’ny andron’ny Baiboly, i Estera dia nobeazin’ny ray iray nitaiza azy rehefa maty ny ray aman-dreniny. Na dia tsy rainy niteraka azy aza i Mordekay, dia ‘namepetra azy’, ary dia nankatoaviny na dia efa olon-dehibe aza izy! (Estera 2:7, 15, 17, 20). Raha ny tena izy, mazàna dia fanehoan’ny raikelinao na ny renikelinao ny fitiavany sy ny fiahiany anao ny fifehezana ampihariny aminao. — Ohabolana 13:24.
Na dia izany aza, dia tsy maintsy hisy fitarainana ara-drariny. Raha izany no miseho, dia porofoy fa ‘olon-dehibe’ ianao amin’ny fanarahana ny fampirisihana ao amin’ny Kolosiana 3:13 manao hoe: “Mifandefera, ka mifamelà heloka hianareo, raha misy manana alahelo amin’ny sasany.”
Mianara mba hizara, mianara mba hilefitra
Fony niara-nipetraka irery tamin’ny reniny i Jamie, 15 taona, dia nanana ny efitranony manokana sady nanao akanjo lafo vidy. Rehefa nanambady indray ny reniny ka nanjary anisan’ny fianakaviana iray nisy ankizy efatra i Jamie, dia niova ny zava-drehetra. “Ankehitriny dia tsy manana intsony na dia ny efitranoko manokana aza aho”, hoy ny fitarainany. “Tsy maintsy mizara ny zava-drehetra aho.”
Mety hamoy ny toerana nanananao tamin’ny naha-zokiny indrindra na zanaka tokana anao koa ianao. Raha zanakalahy ianao, dia nety ho ilay nanao ny fanapahan-kevitra rehetra tao an-trano — toerana izay tanan’ny raikelinao ankehitriny. Na raha zanakavavy ianao, dia nety ho niaina toy ny mpirahavavy ianao sy ny reninao, niara-natory tao amin’ny efitrano iray mihitsy aza, nefa ankehitriny dia voatery niala tao noho ny amin’ny raikelinao.
“Aoka ho fantatry ny olona rehetra ny fandeferanareo [“fahalalanareo ny antonony”, NW ]”, hoy ny ampirisihan’ny Baiboly. (Filipiana 4:5). Ny teny nampiasaina tany am-boalohany dia nidika hoe “fileferana” ary nanome hevitra ny amin’ny toe-tsain’ny olona iray izay tsy nanizingizina ny amin’ny zony ara-dalàna rehetra. Koa miezaha mba hilefitra sy hanaiky ny hevitry ny hafa. Ataovy izay handraisan-tsoa be indrindra amin’ilay tarehin-javatra vaovao misy anao, ary halaviro ny fifantohana amin’ny lasa. (Mpitoriteny 7:10). Aoka ianao ho vonona hizara amin’ny zanaky ny raikelinao na ny renikelinao, fa tsy hihevitra azy ireo ho toy ny zanak’Ikala hafa. (1 Timoty 6:18). Arakaraka ny hanombohanareo haingana hifampihevitra ho toy ny tena mpiray tam-po no hanafaingana kokoa ny fitomboan’ny fihetseham-ponareo. Ary raha ny amin’ilay lehilahy vaovao ao an-trano, dia aza tezitra aminy. Tokony ho faly kosa ianao fa eo izy mba hanampy amin’ny fitondrana ny enta-mavesatry ny andraikitra ao an-tokantrano.
Fahazakana ny fitondrana amin’ny fomba tsy mitovy
Rehefa avy niaiky ny zazavavy iray fa mampiseho fitiavana ny raikeliny, dia nanampy toy izao izy: “Nefa misy fahasamihafana ihany. Mitaky zavatra bebe kokoa aminay, manafay anay bebe kokoa, ary tsy dia mahatakatra ny fomba fihevitray (...) tsy tahaka ny ataony amin’ireo tena zanany mitovy taona aminay izy. Tena mampahatezitra anay mihitsy izany.”
Fantaro fa mazàna tsy hitovy ny fihetseham-po tsapan’ny raikely na ny renikely iray amin’ny zanany naterany sy amin’ny zana-badiny. Izany dia tsy noho ny fatoran’ny ra amin’ilay zanany naterany loatra, fa noho ny fanandraman-javatra niarahany nanana teo amin’ny fiainana. Rehefa dinihina tokoa, na dia ny ray aman-dreny niteraka aza dia mety ho tia kokoa ny zanany iray mihoatra noho ny iray hafa. (Genesisy 37:3). Misy fahasamihafana lehibe anefa eo amin’ny fitondrana amin’ny fomba mitovy sy ny fitondrana amin’ny fomba tsy miangatra. Manana ny toetra maha-izy azy avy sy zavatra ilaina samy hafa ny olona. Koa aza miahy be loatra àry ny amin’ny hoe entina amin’ny fomba mitovy amin’ny hafa ianao na tsia, fa miezaha hijery raha mikely aina hikarakara ireo zavatra ilainao ny raikelinao na ny renikelinao. Raha mahatsapa ianao fa tsy mikarakara izany izy, dia manana antony hiaraha-mandinika ilay raharaha aminy ianao.
Mety hahatonga fifandirana koa ireo zanaky ny raikelinao na ny renikelinao. Aza hadinoina na oviana na oviana fa mety ho sarotra amin’izy ireo koa ny mizatra amin’ilay fianakavian’ny vadin’ny rainy na ny reniny. Angamba aza tsy faly aminao izy ireo satria toy ny olona niditra tsy nantsoina tao amin’ny fianakaviany ianao. Noho izany, dia ataovy izay rehetra azonao atao mba ho tsara fanahy. Raha tsy miraharaha anao izy ireo, dia miezaha ‘handresy ny ratsy amin’ny soa’. (Romana 12:21). Ankoatra izany, na dia eo amin’ny mpiray tam-po aza, dia tsy mahagaga mihitsy ny isian’ny fifandonana indraindray. — Jereo ny Toko faha-6.
Misy valiny ny faharetana!
“Tsara ny iafaran’ny raharaha noho ny iandohany; tsara ny mahari-po noho ny miavonavom-panahy.” (Mpitoriteny 7:8). Mazàna dia taona vitsivitsy no ilaina alohan’ny hitomboan’ny fitokiana ka hahatongavan’ireo mpianakavy avy amin’ny fanambadiana teo aloha hifankahazo amin’izy samy izy. Aorian’izay ihany vao mety hiharo tsara ireo fahazarana sy fari-pitsipika tsy mitovy ka hizotra milamina ny fiainana. Koa manehoa àry faharetana! Aza manampo ny hahita “fitiavana eo no ho eo”, na ny hahazo “fianakaviana iray eo no ho eo”.
Rehefa nanambady indray ny renin’i Thomas, dia nanahy i Thomas, raha izay fotsiny no lazaina. Nanan-janaka efatra ny reniny, ary ilay novadiny nanan-janaka telo. “Niady izahay, nifamaly, nikorontana aoka izany, ary samy nahatsapa fihenjanana ara-pihetseham-po nahatsiravina”, hoy ny nosoratan’i Thomas. Inona no nitondra ho amin’ny fahombiazana tamin’ny farany? “Tamin’ny fampiharana ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly, dia voalamina izany; tsy avy hatrany foana anefa, fa arakaraka ny fandehan’ny fotoana sy ny fampiharana ny vokatry ny fanahin’Andriamanitra, dia voaravona ihany ny tarehin-javatra tamin’ny farany.” — Galatiana 5:22, 23.
Tena mitondra fahombiazana ao amin’ny fianakaviana voaforona mpianakavy avy amin’ny fanambadiana teo aloha tokoa ny fanekena ireo fotopoto-pitsipika ao amin’ny Baiboly. Izany dia asehon’ny fanandraman-javatra hitan’ireto tanora manaraka nadinadininay ireto:
Tanora nahita fahombiazana tao amin’ny fianakaviana voaforona mpianakavy avy amin’ny fanambadiana teo aloha
Mpanadinadina: Ahoana no nanalaviranao ny tsy ho faly tamin’ny fifehezan’ny raikelinao na ny renikelinao?
Lynch: Nitovy hevitra foana ny reniko sy ny raikeliko teo amin’ny fifehezana. Rehefa nisy zava-nitranga, dia tonga tamin’ny fanapahan-kevitra iray ihany izy roa, koa rehefa voakapoka àry aho, dia fantatro fa avy amin’izy mivady izany.
Linda: Tena sarotra aloha tamin’ny voalohany satria nilaza aho hoe: “Zo inona no anananao hiteny izany amiko?” Nefa avy eo aho dia nieritreritra ny amin’ilay lazain’ny Baiboly hoe: ‘Manajà ny ray sy ny reninao.’ Na dia tsy ny raiko niteraka ahy aza izy, eo imason’Andriamanitra, dia raiko ihany izy.
Robin: Fantatro fa halahelo mafy i Neny raha tsy faly amin’ilay olona tiany aho.
Mpanadinadina: Inona no nanampy mba hisian’ny fifampiresahana tsara?
Lynch: Tsy maintsy mampiseho fahalianana amin’izay ataon’ny raikelinao na ny renikelinao ianao. Nanampy azy tamin’ny asany ara-nofo aho. Ary rehefa niasa izahay dia niresaka tsy an-kijanona. Izany dia nanampy ahy hahita ny fomba fiheviny. Tamin’ny fotoana hafa, dia niara-nipetraka fotsiny izahay, ary dia niresaka momba an’itsy sy iroa.
Valerie: Niara-nandany fotoana betsaka izahay sy ny renikeliko, ary nanjary azoko tsara ny fiheviny. Nanjary ny mpinamana akaiky indrindra izahay.
Robin: Maty herintaona monja talohan’ny nanambadian’i Neny indray ny raiko. Tsy nety nifanatona tamin’ny raikeliko aho satria tsy tiako hisolo ny raiko izy. Nivavaka tamin’Andriamanitra aho mba hanampy ahy hanadino ny alaheloko noho ny fahafatesan’ny raiko, ary mba hanatona akaiky kokoa ny raikeliko. Nivavaka, nivavaka, nivavaka foana aho. Tena namaly ireny vavaka nataoko ireny i Jehovah.
Mpanadinadina: Inona no nataonao mba hanatonana akaiky kokoa azy?
Valerie: Indraindray aho dia nanontany ny renikeliko mba hiaraka amiko ho any amin’ny fampisehoana iray — izahay mianaka irery. Na koa, rehefa nivoaka aho, dia nividy voninkazo, na fitoeram-boninkazo, na zavatra hafa ho azy mba hampisehoana aminy fa nahatsiaro azy aho. Tena nankasitrahany izany.
Eric: Tsy maintsy mitady zavatra iombonanao aminy ianao. Ny hany zavatra niombonako tamin’ny raikeliko dia ny hoe nanambady ny reniko izy ary niara-nipetraka tao amin’ny trano iray izahay. Ny tena nanampy anay indrindra dia rehefa nanjary liana tamin’ny Baiboly izay nahaliana azy koa aho. Arakaraka ny nanatonako akaiky kokoa an’i Jehovah Andriamanitra, no nanatonako akaiky kokoa ny raikeliko. Izao izahay dia tena manan-javatra iombonana marina!
Mpanadinadina: Soa inona no noraisin’ny tenanao manokana?
Robin: Fony izahay sy i Neny niara-nipetraka irery, dia nikomy sy nihanta aho. Naniry hanao zavatra araka izay tiako foana aho. Izao aho dia nianatra ny hanana fiheverana ny hafa sy tsy ho tia tena loatra.
Lynch: Nanampy ahy hisaina toy ny lehilahy lehibe ny raikeliko. Nanampy ahy hampitombo ny fahaizako sy hianatra hampiasa ny tanako izy. Rehefa tojo zava-tsarotra aho ka nila olona, dia teo izy. Tena ny ray tsara indrindra mety hananana mihitsy izy.
Fanontaniana Hiaraha-midinika
◻ Inona no tsapan’ny tanora maro rehefa manambady indray ny rainy na ny reniny? Nahoana?
◻ Amin’ny ahoana ny fanehoana fitiavana kristiana no manampy ny tanora iray hizaka izany?
◻ Tsy maintsy manaiky ny fifehezan’ny raikelinao na ny renikelinao ve ianao?
◻ Nahoana no zava-dehibe ny fanekena ny hevitry ny hafa sy ny fahaizana mizara?
◻ Tokony hanampo ny hoentina amin’ny fomba mitovy amin’ny zanaky ny raikelinao na ny renikelinao ve ianao? Ahoana raha manao zanak’Ikala hafa ilay raikelinao na ilay renikelinao?
◻ Inona avy ireo zavatra sasantsasany azonao atao izay hanampy anao hifankahazo tsara kokoa amin’ny raikelinao na ny renikelinao?
[Teny notsongaina, pejy 45]
“Nihevitra aho fa naka ny toeran’i Neny ny fofombadin’i Dada, koa tena nampiseho toetra ratsy taminy aho”
[Sary, pejy 43]
Mamelona fahatezerana, fahatsapana ahiahy ary fialonana matetika ny fanambadian’ny ray na ny reny indray
[Sary, pejy 46]
Ny fifehezana avy amin’ny raikely na ny renikely matetika dia tsy mahafaly