FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Avita”
  • Avita

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Avita
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Bedada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Hadada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Tanànan-tsira
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
  • Masreka
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Avita”

AVITA

(Avìta).

1. Ny mponina voalohany tany amin’ilay faritra andrefan’i Kanana, tany akaikin’i Gaza. Nilaza i Mosesy, 40 taona taorian’ny nanafahana ny Israelita avy tany Ejipta, fa nalain’ny Kaftorima ny tanin’ny Avita. (De 2:23) Mbola nisy Avita vitsivitsy tavela taloha kelin’ny nahafatesan’i Josoa, teo antenatenan’ny taonjato faha-15 T.K.​—Js 13:1, 3.

2. Mponina tany Ava, izay anisan’ny napetraky ny Asyrianina tany Samaria mba hisolo an’ireo Israelita natao sesitany, taorian’ny nakan’ny Asyrianina an’i Samaria tamin’ny 740 T.K. (2Mp 17:24) Samaritanina no nanjary niantsoana ny fitambaran’ireny olona nafindra monina rehetra ireny. Nianatra natahotra an’i Jehovah ihany ny Avita nefa mbola nivavaka tamin’i Nibaza sy Tartaka andriamaniny ihany.​—2Mp 17:29-33; jereo AVA.

3. Tanànan’i Hadada, mpanjaka edomita fahefatra, izay nandresy ny Midianita. (Ge 36:35; 1Ta 1:46) Misy milaza fa mety ho Kirbet el-Jitteh any amin’ny faritra nisy an’i Edoma fahiny izy io, eo anelanelan’i Maʽan sy Kirbet el-Bastah, 100 km eo ho eo atsimo atsimoatsinanan’ny Ranomasina Maty. Misy tendrombohitra mitovy anarana aminy (Jebel el-Jitteh) any, ary 1332 m ny haavon’izy io.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara