FITEHIRIZAM-BOKIN’NY Vavolombelon'i Jehovah
FITEHIRIZAM-BOKIN’NY
Vavolombelon’i Jehovah
Malagasy
  • BAIBOLY
  • ZAVATRA MISY
  • FIVORIANA
  • it-1 “Hazaela”
  • Hazaela

Tsy misy video mifandray amin’io.

Miala tsiny fa tsy mety miseho ilay video.

  • Hazaela
  • Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Mitovitovy Aminy
  • Beni-hadada
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Damaskosy
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Elisa
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
  • Joahaza
    Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 2
Hijery Hafa
Fandalinana ny Soratra Masina, Boky 1
it-1 “Hazaela”

HAZAELA

(Hazaèla) [Nijery Andriamanitra].

Mpanjaka nalaza tany Syria. Toa tamin’ny andron’i Jorama mpanjakan’ny Israely (t. 917-905 T.K.) i Hazaela no nanomboka nanjaka. (2Mp 8:7-16) Tamin’ny andron’i Joasy mpanjakan’ny Israely (t. 859-845 T.K.) izy no maty. (2Mp 13:24, 25) Tsy zanaka mpanjaka i Hazaela, fa manamboninahitra teo ambany fahefan’i Beni-hadada II mpanjakan’i Syria, izay nodimbiasany.​—2Mp 8:7-9.

Efa an-taonany maro talohan’ny nanjakan’i Hazaela i Elia no nodidian’i Jehovah hoe: “Hosory ho mpanjakan’i Syria i Hazaela.” Notendreny hanafay ny Israely mantsy i Hazaela, noho izy ireo nanota taminy.​—1Mp 19:15-18.

Tsy nohosorana menaka mihitsy i Hazaela, nefa notanterahin’i Elisa mpaminany mpandimby an’i Elia ihany ilay iraka. Narary i Beni-hadada II tamin’izay ka naniraka an’i Hazaela ho any Damaskosy, renivohitr’i Syria. Nirahiny hitondra fanomezana ho an’i Elisa i Hazaela, sady hanontany azy raha ho sitrana amin’ilay aretiny izy na tsia. Hoy i Elisa tamin’i Hazaela: “Mandehana, lazao aminy [Beni-hadada] hoe: ‘Ho sitrana tokoa ianao.’” Nilaza koa izy hoe: “Efa nasehon’i Jehovah ahy anefa fa ho faty tokoa izy.” Hoy koa izy tamin’i Hazaela: “Nasehon’i Jehovah tamiko fa ho lasa mpanjakan’i Syria ianao.” Hoy àry i Hazaela tamin’ny mpanjaka: “Nilaza tamiko izy hoe: ‘Ho sitrana tokoa ianao.’” Novonoin’i Hazaela anefa izy ny ampitson’iny. Natsobony tao anaty rano ny lambam-pandriana ka nosaronany tamin’iny ny tarehin’i Beni-hadada. Izy indray avy eo no nanjaka nandimby azy.​—2Mp 8:7-15.

Maro ny tombantombana momba ny hevitry ny tenin’i Elisa tamin’i Hazaela. Ny fanamarihana an-tsisim-pejin’ny soratra nataon’ny Masoreta, ny Fandikan-teny Grikan’ny Fitopolo, ny Vulgate latinina, ny Peshitta syriàka, ary ny sora-tanana hebreo 18, ohatra, manao hoe: “Lazao aminy hoe: ‘Ho sitrana ianao.’” Ny andininy ao amin’ilay soratra nataon’ny Masoreta kosa manao hoe: “Lazao hoe: ‘Tsy ho sitrana ianao.’”

Raha tokony hilaza tamin’i Beni-hadada i Hazaela hoe “‘Ho sitrana tokoa ianao’”, dia mety ho izao no hevitr’ilay valin-tenin’i Elisa ho an’i Beni-hadada: Tsy hahafaty azy ilay aretiny, nefa ho faty ihany izy (maty novonoin’i Hazaela tokoa izy). Nolazain’i Hazaela taminy àry ny tapany voalohany tamin’ny valin-tenin’i Elisa hoe: “Ho sitrana tokoa ianao.” Ny ambiny kosa notanterahiny ka novonoiny i Beni-hadada.​—2Mp 8:10.

Nampahoriny ny Israely. Niady tamin’ny mpanjakan’ny Israely sy Joda tao Ramota-gileada (Rama) i Hazaela, raha vao nanjaka kelikely. Naratra i Jorama mpanjakan’ny Israely tamin’izay, fa tsy voalaza kosa ny niafaran’ilay ady. (2Mp 8:25-29; 2Ta 22:1-6) Nalain’i Hazaela tsikelikely ny tanin’ny Israely, tamin’ny andron’i Jeho Mpanjaka izay nandimby an’i Jorama. Azony àry i Gileada sy Basana tany atsinanan’i Jordana. (2Mp 10:32, 33) Izany angamba no nahafahany nanafika ny fanjakan’ny Joda tatỳ aoriana. Nalainy ny tanànan’i Gata tany Filistia, ary avy eo izy nanapa-kevitra ny hiakatra hamely an’i Jerosalema. Nomen’i Joasy mpanjakan’ny Joda azy anefa ireo zava-tsarobidy tao amin’ny tempoly sy tao an-dapa. Tsy nanafika an’i Jerosalema indray àry izy.​—2Mp 12:17, 18.

Tamin’ny andron’i Joahaza zanak’i Jeho no tena nampahory ny Israely i Hazaela. Nodorany ny toerana voaro mafy, novonoiny tamin’ny sabatra ireo lehilahy voafantina, notorotoroiny ireo ankizy, ary notatahiny ny kibon’ireo bevohoka. Tanteraka tokoa ny faminanian’i Elisa! (2Mp 13:3, 22; 8:12) Tsy navelan’Andriamanitra handripaka ny Israely anefa i Syria. (2Mp 13:4, 5) Nandresy an’i Syria intelo mantsy i Joasy mpanjakan’ny Israely, rehefa maty i Hazaela. Nalainy tamin’i Beni-hadada III zanak’i Hazaela koa ireo tanàna azon’i Hazaela tamin’izy niady tamin’i Joahaza rain’i Joasy. (2Mp 13:23-25) ‘Nampody an’i Damaskosy sy Hamata tamin’ny Joda sy Israely’ i Jeroboama II mpanjakan’ny Israely, tatỳ aoriana.​—2Mp 14:28.

Resahin’ny soratra fahiny. Anisan’ny soratra fahiny miresaka an’i Hazaela ilay hita tao Afis, 40 km eo ho eo atsimoandrefan’i Alep. Milaza izy io hoe nandimby an’i Hazaela mpanjakan’i Syria i Beni-hadada III zanany, antsoina ao hoe “Barhadad.” Mifanaraka amin’izay lazain’ny Baiboly izany.

Voarakitra ao amin’ny tantara nosoratan’i Salmanesera III ny nanafihany an’i Syria. Nilaza izy fa resiny i Hazaela. Voalaza ao koa fa olon-tsotra (a.b.t.: tsy zanak’iza na iza) i Hazaela, satria tsy zanaka mpanjaka. Lasa mpanjaka tao Damaskosy anefa, hono, izy rehefa avy namono an’i Beni-hadada II Mpanjaka. Hoy ny nosoratan’i Salmanesera III: “Efa inenina ambin’ny folo niampita an’i Eofrata aho, tamin’ny taona fahavalo ambin’ny folo nanjakako. Nitoky tamin’ny tafiny lehibe i Hazaela mpanjakan’i Damaskosy (Imeriso), ary namory miaramila maro be. Nataony toerana voaro mafy ny tendrombohitra Senira (Sa-ni-ro) tandrifin’i Libanona. Niady taminy aho ka nandresy azy, ary 16 000 tamin’ny miaramilany efa za-draharaha no novonoiko tamin’ny sabatra. Kalesy 1121 sy soavaly 470 ary izay rehetra tao an-tobiny no nalaiko. Nitsoaka tany Damaskosy (Di-mas-ki) tanànany izy mba hanavotana ny ainy, (nefa) nenjehiko ka nohidiako tao. Nokapaiko ireo hazo tao an-jaridainany (tany ivelan’ny tanàna, ary lasa aho). Tonga hatrany amin’ireo tendrombohitr’i Haorana (sadee matHa-o-ra-ni) aho, ka nandringana, nandravarava sy nandoro tanàna maro be, ary nahazo babo tsy tambo isaina.”​—Soratra Momba An’i Israely sy ny Tany Manodidina Azy, nataon’i J. Pritchard, 1974, p. 280.

Tsy azon’i Salmanesera III anefa i Damaskosy. Toa i Tiglato-pilesera III no nahazo azy io, tamin’ny andron’i Rezina mpanjakan’i Syria. Tanteraka tamin’izay ny faminanian’i Jehovah nambaran’i Amosa hoe: “Handefasako afo ny taranak’i Hazaela, ary handevona ny tilikambo fonenan’i Beni-hadada izany. Hotapahiko ny bara hidim-bavahadin’i Damaskosy.”​—Am 1:4, 5; 2Mp 16:9.

    Fitehirizam-boky Malagasy (1965-2025)
    Hiala
    Hiditra
    • Malagasy
    • Hizara
    • Firafitra
    • Copyright © 2025 Watch Tower Bible and Tract Society of Pennsylvania
    • Fifanekena
    • Fifanekena Momba ny Tsiambaratelo
    • Firafitry ny Fifanekena
    • JW.ORG
    • Hiditra
    Hizara